Bokin'i Josoe

Toko faha-22

33 Sitraky ny zanak'Israely izany zavatra izany, ka nisaotra an'Andriamanitra izy, ary tsy nihevitra intsony izay hiakatra amin'ireny mba handrava ny tany nonenan'ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada. 34 Nomen'ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada anarana hoe "Ed" ilay otely, satria io, hoy izy, no vavolombalona amintsika roa tonta fa Iaveh no Andriamanitra.

Toko faha-23

1 Efa ela no nanomezan'ny Tompo fitsaharana an'Israely, sy nanafahany azy tamin'ny fahavalony rehetra amin'ny manodidina, ka efa zoky olona sy nandroso fahanterana Josoe.

2 Koa nantsoin'i Josoe avokoa Israely rehetra, ny loholony, ny lehilahy, ny mpitsara azy, ary ny manamboninahiny, ka hoy izy taminy: Efa zoky olona sy mandroso fahanterana aho. 3 Efa hitanareo izay rehetra nataon'ny Tompo Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra teo anoloanareo, fa Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indro efa nozaraiko taminareo mba ho lova ho an'ny fokonareo, tamin'ny filokana, ireo firenena izay mbola eo ihany sy ireo rehetra efa nofongorako hatrany Jordany ka hatrany amin'ny ranomasin-dehibe any andrefana any. 5 Iaveh Andriamanitrareo hampandositra ireny eo anoloanareo sy handroaka azy eo anoloanareo, ka ho lasanareo ny taniny, araka ny efa voalazan'ny Tompo Andriamanitrareo taminareo. 6 Koa misehoa ho be herim-po amin'ny fitandremana amam-panarahana izay rehetra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Moizy, fa aza mivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; 7 aza miharo amin'ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, aza miantso ny anaran'izay andriamanitr'ireo na mianiana amin'ny anarany, na manompo an'ireny na miankohoka eo anoloan'ireny hianareo, 8 fa miraiketa amin'ny Tompo Andriamanitrareo, araka ny nataonareo mandraka androany. 9 Firenena lehibe sy mahery no noroahin'ny Tompo teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatoha anareo mandrak'androany. 10 Iray taminareo no nanenjika arivo fa Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo, araka ny efa voalazany taminareo. 11 Koa mitandrema tena hianareo hitiavanareo an'ny Tompo Andriamanitrareo. 12 Fa raha mivily hianareo, ka miray amin'ireo firenena sisa tafatoetra eo aminareo sy mifanambady amin'izy ireo, hianareo miharo aminy izy miharo aminareo, 13 dia fantaro tsara fa tsy hotohizan'ny Tompo Andriamanitrareo ny fandroahana ireo firenena ireo eo anoloanareo; ka ho harato amam-pandrika ho anareo ireo, ary ho rotsakazo amin'ny lanivoanareo, sy ho tsilo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin'ity tany soa, nomen'ny Tompo Andriamanitrareo anareo ity. 14 Ary inty aho, efa handeha amin'ny falehan'ny tany rehetra, koa fantaro amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, fa tsy misy foana akory na dia iray aza, ny teny rehetra nolazain'ny Tompo ny aminareo; tanteraka avokoa ho anareo izany, tsy nisy latsaka na dia iray aza.

15 Koa toy ny nahatanterahan'ny teny soa rehetra nolazain'ny Tompo Andriamanitrareo taminareo no hanatanterahan'ny Tompo eo aminareo koa ny teny fandrahonana rehetra mandra-paharinganareo, tsy ho amin'ity tany soa nomen'ny Tompo Andriamanitrareo anareo. 16 Raha mandika ny faneken'ny Tompo Andriamanitrareo izay nandidiany anareo hianareo ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anoloan'ireny dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny Tompo, ka vetivety dia ho lany ringana tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo hianareo.

Toko faha-24

1 Novorin'i Josoe, tao Sikema, ny fokon'Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon'Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan'ny Tompo izy ireo:

2 dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka rehetra. Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Taloha dia tany an-dafin'ny ony no nonenan'ny razanareo. Tare rain'i Abrahama sy rain'i Nakora, ary andriamani-kafa no notompoin'izy ireo. 3 Nalaiko tany an-dafin'ny ony Abrahama razanareo ary nentiko ho amin'ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an'Isaaka izy. 4 Isaaka dia nomeko an'i Jakoba sy Esao; ary Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany, ary Jakoba sy ny zanany nidina nankany Ejipta. 5 Taorian'izany dia nirahiko Moizy sy Aarona ary nasiko Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary rahefa izany dia nentiko nivoaka hianareo. 6 Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo, ka tonga teo amin'ny ranomasina hianareo. Ny Ejipsiana an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo, hatreo amin'ny ranomasina Mena. 7 Velon-taraina tamin'ny Tompo izy ireo, ka nasian'ny Tompo aizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsiana, nakatony tamin'izy ireo ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an'efitra hianareo. 8 Nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amoreana izay monina any an-dafin'i Jordany hianareo, ka niadian'ireny. Natolotro teo an-tànanareo izy, nahazo ny taniny hianareo, ary naringako teo anoloanareo izy. 9 Nitsangana Balàka, zanak'i Sefòra, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'Israely; nampiantso an'i Balaama zanak'i Beora izy hanozona anareo. 10 Fa tsy nety nihaino an'i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin'ny tànan'i Balàka hianareo. 11 Nita an'i Jordany hianareo, dia tonga tao Jerikao; niady taminareo ny mponina tao Jerikao, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Kananeana, ny Heteana, ny Gergeseana, ny Heveana ary ny Jeboseana; ka natolotro teo an-tànanareo ireny. 12 Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an'ireny teo anoloanareo, mbamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amoreana: tsy tamin'ny sabatra aman-tsipìkanareo no nahatanterahan'izany. 13 Nomeko tany tsy nasainareo hianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao, tanim-boaloboka aman'oliva izay tsy nambolenareo, ka mihinana ny vokany hianareo. 14 Koa matahora an'ny Tompo ary manompoa azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamantra notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa an'ny Tompo.

15 Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an'ny Tompo dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny ony; na ny andriamanitry ny Amoreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an'ny Tompo. 16 Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe: Lavitra anay izay handao an'ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.

17 Fa Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin'ny razantsika avy tany amin'ny tany Ejipta, amin'ny trano fanandevozana ary nanao ireo fahagagana lehite be eto imasontsika ary niaro antsika tamin'ny làlana nalehantsika sy tamin'ny firenena rehetra nandalovantsika. 18 Iaveh nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amoreana nonina tamin'ity tany ity. Izahay koa hanompo an'ny Tompo fa Andriamanitsika izy. 19 Dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Tsy mahatompo an'ny Tompo hianareo, fa izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro; tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.

20 Raha mahafoy an'ny Tompo hianareo, ka manompo andriamani-kafa dia hifototra izy sy hampahory anareo ary handringana anareo izy izay efa nanao soa anareo. 21 Fa hoy ny vahoaka tamin'i Josoe: Tsia, fa hanomp an'ny Tompo izahay. 22 Ka hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Vavolombelona amin'ny tenanareo hianareo, fa nifidy an'ny Tompo hotompoina. Hoy ny navaliny: vavolombelon'izany izahay. 23 Ario àry amin'izay ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin'ny Tompo Andriamanitr'Israely ny fonareo. 24 Ka hoy ny vahoaka tamin'i Josoe: Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay. 25 Nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoe tamin'izany andro izany ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema.

26 Nosoratan'i Josoe tamin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin'ny aoka, teo amin'ny fitoerana voatokana ho an'ny Tompo. 27 Dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka rehetra: Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain'ny Tompo tamintsika io; ho vavolombeona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo. 28 Dia nampodin'i Josoe ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy. 29 Nony afaka izany dia maty Josoe, zanak'i Nona, mpanompon'ny Tompo, tamin'ny fahafolo amby zaton'ny taonany.

30 Nalevina tao amin'ny faritany azony ho zara taniny izy; dia tao Tamnata-Sare, amin'ny tendrombohitra Gaasa. 31 Israely nanompo an'ny Tompo, tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoe, sy tamin'ny andro rehetra niaian'ireo loholona, velona taorian'i Josoe, izay nahalala ny asa rehetra nataon'ny Tompo nanambinany an'Israely. 32 Ary ny taolan'i Josefa, izay nentin'ny zanak'Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin'ilay saha novidin'i Jakoba, nomeny zato kesitasy, tamin'ny taranak'i Hemora, rain'i Sikema, ary tonga fananan'ny taranak'i Josefa ny taolany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1523