Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-2

14 Dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka natolony ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.

15 Izay nalehany namelezan'ny tànan'ny Tompo hampahory azy avokoa, araka ny efa voalazan'ny Tompo, araka ny nianianan'ny Tompo taminy rahateo, ka dia azon'ny fahoriana mafy izy. 16 Nanangana mpitsara ihany Iaveh hanafaka azy ireo tamin'izay nandroba azy; 17 nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy; fa nandeha nitolo-tena tamin'ny andriamani-kafa, sy niankohoka teo anoloan'ireny. Nalaky nivily izy tamin'ny làlana nomban'ny razany, izay nitandrina ny didin'ny Tompo; tsy nanao tahaka izany izy. 18 Nony nanangana mpitsara ho azy ireo Iaveh, dia nomban'ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin'ny tànan'ny fahavalony, tamin'ny andro rehetra iainan'ny mpitsara; satria nalahelo Iaveh noho ny fitarainany teo anoloan'ireo nampahory sy nampijaly azy.

19 Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin'ny hadisoany amam-pikiribibiany. 20 Tamin'izany dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka hoy izy: Noho ity firenena ity nivadika tamin'ny fanekena nandidiako ny razany ary noho izy ireo tsy nihaino ny feoko, 21 dia tsy hisy horoahiko eo anoloany ireo firenena navelan'i Josoe tamin'ny nahafatesany, na dia iray aza; 22 ireo no hizahako toetra an'Israely, na hazoto hanaraka ny làlan'ny Tompo izy, toy ny nahazoto ny razany, na tsia. 23 Dia navelan'ny Tompo handry fahizay ireo firenena tsy mbola natolony teo an-tànan'i Josoe ireo, fa tsy nalaky noroahiny.

Toko faha-3

1 Ireto no firenena navelan'ny Tompo handry fehizay hoetni-mizaha toetra an'Israely, dia izay rehetra tsy nahita ny ady rehetra tany Kanaana.

2 Ary hany nokendreny tamin'izany dia fampianarana ny taranak'Israely sy fampahaizana hiady, dia ho an'izay tsy mbola nahalala izany taloha ahay. 3 Ny andriana dimy tamin'ny Filistina, ny Kananeana sy ny Sidoniana ary ny Heveana rehetra izay nonina tamin'ny tendrombohitra Libàna, hatramin'ny tendrombohitra Baala-Hermona, ka hatramin'ny vava lalan'i Hamata. 4 Ireo no nokendrena hizahan-toetra an'Israely mba hahitàna na hitandrina ny didy izay nandidian'ny Tompo ny razany tamin'ny alàlan'i Moizy izy ireo na tsia. 5 Ary ny zanak'Israely dia nonina tao afovoan'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jeboseana. 6 Ny zanaka vavin'ireo nalainy ho vady, ny zanany vavy nomeny ho vadin'ny zanaka lahin'ireo; ary ny andriamanitr'ireo no notompoiny. 7 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo ny zanak'Israely: Iaveh nohadinoiny, fa Baala sy ny Askerota no notompoiny,

8 ka nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo; namidiny ho eo an-tànan'i Kozana-Rasataima mpanjakan'i Mesopotamia izy, dia nanompo an'i Kozana-Rasataima valo taona ny zanak'Israely. 9 Fa nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely ka nananganana'Iaveh mpanafaka izay namonjy azy izy, dia Otoniela zanak'i Keneza, zandrin'i Kaleba. 10 Nilatsaka tamin'io ny Fanahin'ny Tompo, ka nitsara an'Israely izy, ary nivoaka hiady; ary natolotry ny Tompo ho eo an-tànany Kozana-Rasataima mpanjakan'i Mesopotamia, ka nahery tamin'i Kozana-Rasataima ny tànany. 11 Dia nandry efapolo taona ny tany, ary maty Otoniela zanak'i Keneza. 12 Fa nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo indray ny zanak'Israely, ka noho izy nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo dia nampaherezin'ny Tompo tamin'Israely, Eglona mpanjakan'i Moaba.

13 Nikambana tamin'ny taranak'i Amona sy Amaleka, Eglona, dia niainga nandeha. Nandresy an'Israely izy ka nahafaka ny tanànan-drofia. 14 Dia nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona, ny zanak'Israely. 15 Fa nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely, ka nananganana'Iaveh mpanafaka, dia Aoda, zanak'i Gerà, Benjamita, izay tsy nampiasa ny tànany an-kavanana. Nampitondrain'ny zanak'Israely fanomezana ho an'i Eglona mpanjakan'i Moaba izy.

16 Nanao sabatra roa lela Aoda, hakoho no halavany, nafehiny anatin'ny akanjony tamin'ny valahany havanana. 17 Natolony an'i Eglona mpanjakan'i Moaba ny fanomezana, ary lehilahy matavy be Eglona. 18 Nony vitany ny fanolorana ny fanomezana dia nalefany ny olona nitondra ny fanomezana; 19 fa izy kosa dia niverina, avy hatreo amin'ilay sampy vato akaikin'i Galgalà ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, misy zavatra tsy ambara telo holazaiko aminao. Ka hoy ny mpanjaka: Mangina! Dia nivoaka avokoa izay olona rehetra teo aminy. 20 Nipetraka irery tao an-tranony fakana hatsiatsiaka izy no nohatonin'i Aoda ka nataony hoe: Manana teny avy amin'Andriamanitra ho anao aho. Tafatsangana niala tamin'ny fiketrahany Eglona. 21 Dia naninjitra ny tànany havia Aoda tamin'izay, nanatsoaka ny sabatra teny am-balahany havanana, ary notrabarany tamin'io ny kibony; 22 ka ny lelan-tsabatra dia difotra mba-jarany ary nikatona teo ambonin'ny lelan-tsabatra ny taviny fa tsy notsoahiny tamin'ny kibony ny sabatra ary tafagorobaka hatrany an-damosiny. 23 Ny tohatra any ivelany no nivoahan'i Aoda, ary ny varavaram-ben'ny trano ambony nohidiany tamin'ny karetsaka. 24 Rahefa tafavoaka izy dia tonga ny mpanompon'ny mpanjaka dia nizaha izy ka indro fa ny varavaram-ben'ny trano ambony dia voahidy karetsaka, ka hoy izy: Tsy maintsy misaron-tongotra ato an-trano fakana hatsiatsiaka izy. 25 Dia niandry ela teo izy ireo ka efa menatra aza, ary nony tsy novohany ny varavaran'ny trano ambony dia nalain'izy ireo ny fanalahidy ka novohany; ary indro fa maty niampatra tamin'ny tany teo ny tompony. 26 Dieny mbola niatoato teo izy ireo dia efa lasa nitsoaka Aoda, sy tafahoatra ny sampy vato ary nandositra tany Seirata. 27 Vao tonga izy dia notsofiny ny trompetra tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima. Nidina avy any amin'ny tendrombohitra niaraka taminy, ny zanak'Israely, ary izy no nitarika azy ireo. 28 Hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotry ny Tompo eo an-tànanareo ny fahavalonareo, ny Moabita. Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitana an'i Jordany tandrifin'i Moaba, ary notapahiny tsy hitan'olona na dia iray aza. 29 Nandresy an'i Moaba izy ireo tamin'izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza. 30 Dia voaetry eo ambanin'ny tànan'Israely Moaba tamin'izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany. 31 Samigara zanak'i Anata no nanarakaraka azy. Nandresy Filistina enin-jato lahy, tamin'ny fanindronan'omby izy, ka mpanafaka an'Israely koa.

Toko faha-4

1 Nony maty Aoda, dia mbola nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo indray ny zanak'Israely;

2 ka namidin'ny Tompo teo an-tànan'i Jabìna mpanjakan'i Kanaana, izay nanjaka tao Asora. Sisarà no lehiben'ny foloalindahy, ary tao Haroseta-Goïma izy no nitoetra. 3 Nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak'Israely hatramin'ny roapolo taona. 4 Tamin'izany andro izany dia Deborà vehivavy mpaminany, vadin'i Lapidota no nitsara ny zanak'Israely.

5 Teo ambanin'ny rofian'i Deborà, anelanelan'i Ramà sy Betela, amin'ny tendrombohitr'i Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak'Israely nanatona azy hotsaraina. 6 Naniraka olona hiantso an'i Baràka, zanak'i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: Tsy izao va no didy nomen'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabora hianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin'ny taranak'i Neftalì sy amin'ny taranak'i Zabolona hiaraka aminao, 7 fa hoentiko ho ao aminao ao amin'ny ranon-driaka Sisaona Sisarà, lehiben'ny foloalindahin'i Jabìna, mbamin'ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tànanao. 8 Hoy Baràka taminy: Raha handeha miaraka amiko hianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko hianao, dia tsy handeha aho. 9 Ka hoy ny navaliny: Eny àry, handeha hiaraka aminao aho; fa tsy ho anao ny voninahitra amin'izao fanafihana halehanao izao, satria ho eo an-tànam-behivavy no hanoloran'ny Tompo an'i Sisarà. Dia niainga Deborà, ka lasa niaraka tamin'i Baràka nankany Kedesy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1401