Bokin'ny Mpitsara
Toko faha-4
10 Nantsoin'i Baràka ho any Kedesy Zabolona sy Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary Deborà nandeha niaraka taminy. 11 Hebera ilay Kineana, dia nisaraka tamin'ny Kineana tarakan'i Hobaba, zaodahin'i Moizy ka nilasy hatrany amin'ny aoka any Senima, akaikin'i Kedesy. 12 Nilazana Sisarà, fa niainga Baràka zanak'i Abinoema nankany amin'ny tendrombohitra Tabora,13 ka nasainy nentina avy tany Haroseta-Goïma avokoa ny kalesiny vy sivin-jato mbamin'ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin'ny ranon-driaka Sisaona. 14 Tamin'izay dia hoy Deborà tamin'i Baràka: Mitsangàna, fa anio no andro nanoloran'ny Tompo an'i Sisarà ho eo an-tànanao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va Iaveh? Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabora, Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy. 15 Ary Sisarà mbamin'ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahan'ny Tompo tamin'ny lelan-tsabatra teo anoloan'i Baràka, ka nidina niala tamin'ny kalesiny Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra. 16 Nenjehin'i Baràka hatrany Haroseta-Goïma, ny kalesin'ny tafika ka lavony tamin'ny lelan-tsabatra avokoa ny tafik'i Sisarà rehetra, fa tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza. 17 Sisarà dia nandositra an-tongotra ho ao amin'ny lain'i Jahela vadin'i Hebera Kineana; fa nihavana Jabìna mpanjakan'i Asora sy ny fianakavian'i Hebera Kineana.
18 Nivoaka Jahela hitsena an'i Sisarà ka nanao taminy hoe: Mandrosoa, tompoko, mandrosoa aty amiko fa aza matahotra. Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana. 19 Ary hoy izy taminy: Raha sitrakao mba omeo rano kely aho hosotroiko, fa mangetaheta. Dia nosokafany ny siny hoditra fasian-dronono ka nomeny azy hisotroany dia norakofany izy. 20 Hoy ralehilahy taminy: Mitoera eo am-baravaran'ny lahy hianao, ka raha misy olona tonga manontany anao manao hoe: Misy lehilahy va ato? dia valio hoe: Tsia. 21 Fa nalain'i Jahela vadi'i Hebera kosa ny tsima-day, nataony an-tànana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka amin'ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon'ny hasasarana mafy; dia maty izy. 22 Ary indro kosa fa nanenjika an'i Sisarà Baràka ka nivoaka hitsena azy Jahela, ka nanao taminy hoe: Avia, fa hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao aminy izy, ka hitany maty niampatra teo Sisarà, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany. 23 Tamin'izany andro izany no nanetren'Andriamanitra an'i Jabìna mpanjakan'i Kanaana, teo anoloan'ny zanak'Israely.
24 Ary nihanahery nanampatra ny tànany tamin'i Jabìna, mpanjakan'i Kanaana, ny zanak'Israely, mandra-pandevony an'i Jabìna mpanjakan'ny Kanaana.
Toko faha-5
1 Tamin'izany andro izany, dia nihira Deborà sy Baràka zanak'i Abinoema nanao hoe:2 Nitsangana hitarika ny lehibe ao amin'Israely; ny vahoaka nanolo-tena an-tsitra-po hiady; ka misaora an'ny Tompo amin'izany hianareo!
3 Mihainoa, ry mpanjaka, mampandria sofina, ry mpanjaka: fa izaho dia izaho no hidera an'ny Tompo amin'ny hira, hilaza hira ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely aho.
4 Tompo o, fony hianao nivoaka avy any Seira, nony nandroso avy any an-tsahan'i Edoma, nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika, ary nitsonika ho rano ny rahona.
5 Nihozongozona teo anatrehan'ny Tompo ny tendrombohitra, dia io Sinaia io teo anatrehan'ny Tompo Andriamanitr'Israely.
6 Tamin'ny andron'i Samigara, zanak'i Amata, tamin'ny andron'i Jahela ny lalam-be tsy nodiavina, fa ny sakeli-dalana mihodivitra no nomban'ny mpandeha.
7 Lao ny tany an-tsahan'Israely, mandra-pitsangako, izaho Debora, mandra-pitsangako izaho reny teo amin'Israely.
8 Fa nifidy andriamani-baovao ny olona, ka nitsidika eo am-bavahady ny ady, ary ny ampinga aman-defona tsy nisy hita, teo amin'ny olona efatra alina, amin'Israely.
9 Miantoraka amin'ny mpitondra an'Israely ny foko sy amin'ny vahoaka anisan'ny nanolo-tena: MIsaora an'ny Tompo!
10 Hianareo izay mitaingina ampondravavy fotsy, hianareo izay mipetraka amin'ny karipetra, ary hianareo izay mizotra eny an-dalana, mihira hianareo.
11 Aoka ny mpandefa zana-tsipika eo akaikin'ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin'ny feony ny fahamarinan'ny Tompo, dia ny fahamarinana nataony tamin'ny taniny, ao amin'Israely! Tamin'izay ny vahoakan'ny Tompo nidina ho eny am-bavahadiny.
12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora, mifohaza, mifohaza ka manaova hira anankiray! Mitsangana, ry Baraka, sambory izay ho babonao, ry zanak'i Abinoemo.
13 Midìna amin'izay ny sisan'ny andriana amin'ny vahoaka! Midìna ho aty amiko, Iaveh, eo amin'ireo olo-mahery!
14 Avy any amin'i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin'i Amaleka; nikambana tamin'ny antokonao Benjamina teo aorianao; avy any amin'i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin'i Zabolona nisy mpitondra nitana ny tehin'ny mpanoratra.
15 Miaraka amin'i Debora, ny andrianan'Isakara, eo anilan'i Baraka Isakara, teo an-tany lemaka dia voairaka hanaraka azy izy. Teo akaikin'ny sakeli-dranon-dRobena, nisy fikasana lehibe tao am-po:
16 Nahoana no nijanona teo afovoan 'ny tanim-bilonao hianao, nihaino ny feon-tsodin'ny mpiandry ondrinao? Teo akaikin'ny sakeli-dranon-dRobena nisy fikasana lehibe tao am-po.
17 Galaada tsy nandao ny fonenany tany an-dafin'i Jordany; ary Dana, nahoana no nitoetra tao an-tsambony? Asera nijanona tsy nihetsika akory teo amoron-dranomasina; teo am-pitodian-tsambony no nijanonany.
18 Fa Zabolona no firenena manao vy very ny ainy; torak'izany koa Neftali eo amin'ny havoany marin-tampona.
19 Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo, nandrafitra ady tamin'izay ireo mpanjakan'i Kanaana, dia tao Tanaka teo amoron'ny ranon'i Magedao, fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza.
20 Ny tany an-danitra no niady ho antsika, ny kintana tamin'ny lalana ombany no niady tamin'i Sisara.
21 Ny ranon-driaka Sisaona nanakodia ny fatin'ireny, dia ny ranon-driaka tamin'ny andro fahagola, ny ranon-driaka Sisaona. Mandrosoa an-kasahiana, ry fanahiko o!
22 Nikatrokatroka tamin'izay ny kitron'ny soavaly, tamin'ny hazakazaka, dia ny firiotran'ny mpiadiny.
23 Ozony Meroza, hoy ny anjelin'ny Tompo, Ozony dia ozony ny mponina ao! Fa tsy mba tonga hanampy an'ny Tompo ireny, tsy nanampy an'ny Tompo ireny niaraka tamin'ny mahery.
24 Hosoavina noho ny vehivavy Jahela vadin'i Hebera, Kineana; hosoavina noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
25 Rano no nangatahiny, ronono no nomeny azy; ronono tsy misy fangarony no natolony tamin'ny kopy mihaja.
26 Ny tanany anila mandray ny tsima-day, ary ny tanany havanana ny tantanan'ny mpiasa. Dia asiany Sisara, vakìny ny lohany; torotoroiny, gorobahany ny fihirifany.
27 Miretaka eo an-tongony, lavo miampatra izy; miretaka eo an-tongony lavo izy, ary eo amin'izay iretahany ihany, no itsirany tsy misy aina intsony.
28 Eo am-baravaran-kely amin'ny makarakara, no mijery ny renin'i Sisara sady mikiakiaka: Nahoana izato kalesiny no dia ela fihavy? Nahoana izato saretiny no dia miadam-pandeha?
29 Ny mahira-tsaina amin'ny andriambavy tandapany no mamaly azy; ary ny tenin'ireo no averiny ao am-pony:
30 Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an'ny isam-piady; lamba misoratsoratra ho babon'i Sisara; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samihafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy.
31 Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Tompo o, ary izay tia anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin'ny heriny izy!
32 Dia nandry efapolo taona ny tany.
Toko faha-6
1 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo ny zanak'Israely, ka natolotry ny Tompo ho eo an-tànan'i Madiana, fito taona.2 Nahery tamin'Israely ny tànan'i Madiana. Noho ny amin'i Madiana no nanaovan'ny zanak'Israely ireo zohy any an-tendrombohitra, mbamin'ireo lava-bato sy ny havoana mimanda. 3 Rahefa namafy voa Israely, dia niakatra Madiana mbamin'i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana ka nanafika azy.