Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-6

4 Nitoby tandrifin'Israely izy ireo, dia nandrava ny vokatry ny tany, hatrany akaikin'i Gazà; nataony mafafa mihitsy ny fiveloman'Israely, na ondry, na ampondra, 5 fa niakatra izy ireo miaraka amin'ny biby fiompiny sy ny lainy, ka nihahohaho toy ny valala ny fihaviny ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; tonga amin'ny tany izy, mba handrava azy. 6 Reraka loatra Israely noho ny amin'i Madiana, ka nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely. 7 Nony nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely, noho ny amin'i Madiana,

8 dia naniraka mpaminany anankiray tamin'ny zanak'Israely Iaveh. Hoy izy taminy hoe: Izao no tenin'ny Tompo Andriamanitr'Israely. Nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta aho; ary namoaka anareo tamin'ny trano fanandevozana. 9 Nanafaka anareo tamin'ny tànan'izay rehetra nampahory anareo; noroahiko teo anaoloanareo ireny dia nomeko anareo ny taniny. 10 Hoy aho taminareo: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amoreana, izay onenanareo ny taniny. Kanjo tsy nihaino ny feoko hianareo. 11 Ary tonga ny anjelin'ny Tompo ka nipetraka teo ambanin'ny terebinta tao Efrà, izay an'i Joasy, fianakavian'i Abiesera. Nively vary teo amin'ny fitoerana famiazam-boaloboka Jedeona zanany tamin'izay, mba hapetrany amin'izay tsy hahitan'i Madiana azy.

12 Niseho taminy ny anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Momba anao Iaveh, ry lehilahy mahery. Fa hoy Jedeona taminy: 13 Indrisy Tompoko, raha momba anay Iaveh, ahoana no dia ianjeran'izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain'ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va Iaveh? Fa efa nafoin'ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tànan'i Madiana. 14 Dia nitodika azy Iaveh ka nanao hoe: Mandehana amin'izao hery anananao izao, ka afaho amin'ny tànan'i Madiana Israely; tsy efa nirahiko va hianao? 15 Ary hoy Jedeona taminy: Indrisy, Tompo ô! Amin'ny inona no hanafahako an'Israely? Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin'i Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'i dada. 16 Fa Iaveh nanao taminy hoe: Homba anao aho, ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiana. 17 Hoy Jedeona taminy: Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa hianao no miteny amiko. 18 Aza dia miala eto hianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao. Dia hoy Iaveh: hiandry mandra-piverinao aho. 19 Nony niditra Jedeona dia namboatra zanak'osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin'ny lafarina iray efah, ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin'izay teo ambanin'ny terebinta ka natolony.

20 Hoy ny anjelin'ny Tompo taminy: Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro. Dia nataony izany. 21 Ary naroson'ny anjelin'ny Tompo ny lohan'ny tehina teny an-tànany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin'izany tamin'ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan'ny masony ny anjelin'ny Tompo. 22 Dia fantatr'i Jedeona fa anjelin'ny Tompo iny ka hoy Jedeona: Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin'ny anjelin'ny Tompo. 23 Hoy Iaveh taminy: Tomoera amim-piadanana, aza matahotra, fa tsy ho faty hianao. 24 Nanorina otely teo Jedeona ho an'ny Tompo ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efran'i Abiesera izany mandrak'androany. 25 Alin'iny ihany, dia hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Alao ny vantotr'ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny otelin'i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany.

26 Rahefa izany manorena otely eo an-tampon'ity fitoerana mimanda ity, ho an'ny Tompo Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin'ny hazon'Aserah hokapainao. 27 Dia naka folo lahy tamin'ny mpanompony Jedeona ka nanatanteraka izay nolazain'ny Tompo taminy. Nefa tsy sahy nanao izany antoandro izy, fa natahotra ny ankohonan-drainy mbamin'ny olona tao an-tanàna ka alina vao nanao. 28 Nony ampitso maraina, ka nifoha ny olona tao an-tanàna, dia indro fa ny otelin'i Baala rava, ny Aserah teo anilany voakapa, ny ombalahy faharoa, voatolotra ho sorona dorana, teo ambonin'ny otely vao naorina. 29 Nifampilaza izy nanao hoe: Iza no nanao izany? Nanontany izy sy namototra ary nisy nilaza taminy hoe: Jedeona zanak'i Joasy no nanao izany. 30 Tamin'izay ny olona tao an-tanàna nilaza tamin'i Joasy hoe: Avoahy ny zanakao ka aoka hovonoina izy fa nandrava ny otelin'i Baala, ary nikapa ny Aserah teo anilany. 31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo hamely azy: Hianareo indray ve no tokony hitsangana hiaro an'i Baala? Hianareo indray ve no tokonoy hamonjy azy? Na zovy na zovy hitsangana hiaro an'i Baala, dia hatao maty alohan'ny ampitso maraina. Raha Andriamanitra Baala dia aoka izy ihany no hitsangana hiaro ny tenany, fa noravan'olona ny oteliny. 32 Tamin'izany andro izany no nanomezan'ny olona anarana an'i Jedeona hoe Jerobaala, fa nataony hoe: Aoka Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny oteliny. 33 Ary nivory Madiana sy Amaleka mbamin'ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an'i Jordany izy, dia nitoby teo amin'ny tany lemaka Jezraela.

34 Fa notsindrian'ny fanahin'ny Tompo Jedeona ka nitsoka trompetra, dia nivory nanaraka azy ny Abieserita; 35 nandefa iraka tany amin'i Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy koa ireo; nandefa iraka tany amin'i Asera sy Zabolona ary Neftalì, izy; ka niakatra ireo nitsena azy. 36 Dia hoy Jedeona tamin'ny Tompo: Raha ny tanako tokoa no tianao hamonjena an'Israely, araka ny voalazanao, 37 indro hametraka volon'ondry eo am-pamoloana aho, ka raha ny volon'ondry irery no lenan'ny ando, fa ny tany rehetra kosa ho maina, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hanafahana an'Israely araka ny voalazanao. 38 Dia tanteraka tokoa izany. Fa nifoha maraina koa izy nony ampitso ary nofiazany ny volon'ondry, ka nampandeha ranon'ando eran'ny kopy.

39 Fa hoy indray Jedeona tamin'Andriamanitra: Aoka mba tsy hirehitra amiko ny hatezeranao, aoka ho afaka hiteny indray maka indray aho: mba te-hizaha kely indray mandeha monja amin'ny volon'ondry indray aho: aoka ny volon'ondry irery no ho maina, fa ny tany rehetra no hilatsahan'ny ando. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'izay; ny volon'ondry irery no maina ary ny tany rehetra no lenan'ny ando.

Toko faha-7

1 Vao maraina koa dia nifoha Jerobaala, dia Jedeona izany, mbamin'ny vahoaka rehetra izay tao aminy ka lasa teo ambonin'ny loharano tao Harada. Ny tobin'i Madiana kosa, dia teo avaratry ny an'i Jedeona akaikikaikin'ny havoana More amin'ny tany lemaka.

2 Ary hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an'i Madiana ho eo an-tànany aho, fandrao hireharehan'Israely amiko izany hataony hoe: Ny tànako ihany no nahafaka ahy.

3 Koa asaovy antsoina ampahibemaso ho ren'ny vahoaka ny hoe: Aoka hiverina izay matahotra sy mangovitra, ka hiala amin'ny tendrombohitra Gelboe. Lehilahy roa arivo sy roa alina tamin'ny vahoaka no niverina ka iray alina sisa no nijanona. 4 Hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Mbola maro loatra ny vahoaka ka ampidino ho eo amoron-drano izy, fa eo no hanavahako azy ho anao, ka izay holazaiko aminao hoe: Aoka hiaraka aminao io, no hiaraka aminao; fa izay holazaiko aminao hoe: Aoka tsy hiaraka aminao io, dia tsy hiaraka aminao. 5 Dia nasain'i Jedeona nidina ho eo amoron-drano ny vahoaka, ka hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Samy atokàny avy izay milelaka ny rano amin'ny lelany, toy ny filelaky ny amboa, sy izay rehetra mandohalika hisotro. 6 Nisy telon-jato lahy no nilelaka ny rano tamin'ny tànany naingainy ho eo am-bavany, fa ny vahoaka sisa rehetra dia nandohalika avokoa no nisotro. 7 Ka hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Amin'ireo telon-jato lahy nilelaka aireo, no hanafahako anareo, sy hanolorako an'i Madiana ho eo an-tànanao, fa ny vahoaka sisa rehetra aoka samy hody any aminy avy. 8 Dia nakan'izy telon-jato lahy ny vatsin'ny vahoaka sy ny trompetrany, izay dia nalefan'i Jedeona hody ny olona sisa rehetra tamin'Israely, samy ho any an-dainy, fa notànany ny telon-jato lahy. Ny tobin'ny Madianita dia teo ambaniny teo amin'ny tany lemaka. 9 Tamin'ny alin'izay, dia hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Mitsangàna hianao, ka midìna ho any an-toby, fa efa natolotro eo an-tànanao izy.

10 Raha matahotra ny hamely azy hianao, dia miaraha midina amin'i Farà mpanomponao, 11 ka heony izay lazain'izy ireo, ary amin'izay dia hihahahery ny tànanao ka hidina eny an-toby hianao. Dia nidina niaraka tamin'i Farà mpanompony izy, ka tonga hatrany amin'ny mpiambina tsy aman'afo, eo alohalohan'ny toby. 12 Madiana sy Amaleka mbamin'ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran'ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hits isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. 13 Tonga tao Jedeona ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin'ny namany anankiray nanao hoe: Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin'ny tobin'i Madiana, dia tonga hatrany amin'ny lay dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1969