Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-7

14 Dia izao no navalin'ilay namany nataony hoe: Tsy inona izany, fa ny sabatr'i Jedeona, zanak'i Joasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr'Andriamanitra ho eo an-tànany mihitsy Madiana sy ny toby rehetra. 15 Nony ren'i Jedeona ny filazany ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin'ny tobin'Israely, dia hoy izy: Mitsangàna hianareo, fa efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika ny tobin'i Madiana.

16 nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trompetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny, 17 dia hoy izy tamin'izy ireo: Izaho no hojerenareo, ary izay ataoko no hataonareo. 18 Rahefa mitsoka trompetra aho sy ireo miaraka amiko, dia mitsofa trompetra manodidina ny toby koa hianareo, ka milazà hoe: Ho an'ny Tompo sy ho an'i Jedeona. 19 Vao avy nosoloana ny mpiambina tamin'ny fiandohan'ny fotoam-piambenana misasaka no tonga tao amin'ny sisin'ny toby Jedeona sy izy zato lahy niaraka taminy, dia nitsoka trompetra sy namaky ny siny teny an-tànany.

20 Niaraka tamin'izay, samy nitsoka ny trompetra sy namaky ny sininy avy izy telo toko, ka ny tànany havia moa nihazona ny fanilo, ary ny tànany havanana kosa ny trompetra hotsofiny, dia niantso mafy izy nanao hoe: Sabatra ho an'ny Tompo sy ho an'i Jedeona. 21 Samy nijanona tamin'izay nisy azy nanodidina ny toby avy izy ireo; ka rafitra nihazakazaka, ninananana sy nandositra ny tao an-toby rehetra. 22 Izy telon-jato lahy moa nitsoka ny trompetra; Iaveh kosa nampifamely sabatra ny Madianita sy ny tao an-toby rehetra. Nandositra ny toby hatrany Beti-Seta mankany Sarera ka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Abela-Meholà akaikin'i Tebata. 23 Dia nivory ny lehilahy amin'Israely ny avy amin'i Neftalì sy amin'i Asera ary amin'i Manase rehetra ka nanenjika an'i Madiana. 24 Ary nandefa iraka Jedeona any amin'ny tendrombohitra'i Efraima rehetra, nanao hoe: Midìna hianareo, ary tano alohan'izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an'i Jordany.

25 Dia nosamborin'izy ireo ny andriana roa lahy tamin'i Madiana, Oreba sy Zeba, ary novonoiny Oreba tao amin'ny vaton'i Oreba, ary Zeba novonoiny tao amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba. Nanenjika an'i Madiana izy, sy nitondra ny lohan'i Oreba sy Zeba tany amin'i Jedeona any an-dafin'i Jordany.

Toko faha-8

1 Ary hoy ny lehilahy amin'i Efraima tamin'i Jedeona: Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory hianao raha handeha hiady amin'i Madiana? Sady nilàny sotasota izaitsizy izy.

2 Fa izao no navalin'i Jedeona azy: Zinona moa no nataoko raha oharina amin'ny anareo? Moa tsy ny fitsimponam-boalobok'i Efraima aza no tsara, noho ny fararanom-boalobok'i Abiesera? 3 Fa teo an-tànanareo no natolotry ny Tompo ny andrianan'i Madiana, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo? Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran'izy ireo taminy. 4 Dia tonga tany Jordany Jedeona ary nita azy izy sy ireo telonjato lahy momba azy; efa sasatra izy nefa mbola nitozo nanenjika ihany.

5 Ary hoy izy tamin'ny mponina ao Sokota. Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho manenjika an'i Zebea sy Salmanà, mpanjakan'i Madiana. 6 Fa hoy ny navalin'ny lehiben'i Sokota: Efa voahazon'ny tànanao sahady ve ny tànan'i Zebea sy Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao izahay? 7 Dia hoy Jedeona: Aoka àry, fa rahefa voatolotry ny Tompo eo an-tànako kosa Zebea sy Salmanà dia hataoko hoto amin'ny tsilo any an'efitra sy amin'ny roy ny nofonareo. 8 Avy eo izy dia niakatra nankany Fanoela ary niteny tamin'ny olona toraka ny teo; fa novalian'ny olona tao Fanoela izy toraky ny navalin'ny olona tany Sokota ihany koa. 9 Ka hoy izy tamin'ny olona tao Fanoela: Rahefa avy nandresy aho, dia hofongorako ity tilikambo ity. 10 Tany Karkora Zebea sy Salmanà mbamin'ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin'ny foloalindahin'ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa.

11 Niakatra Jedeona nihazo ny làlan'ny mpitoetra an-day ao atsinanan'i Nobe sy Jegbaà, ka namely ny toby izay natoky fa tsy haninona tsy haninona. 12 Ka vaky nandositra Zebea sy Salamanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan'i Madiana, Zebea sy Salmanà, ary nampifanaritahany avokoa ny toby manontolo. 13 Dia niverina avy tany amin'ny ady Jedeona zanak'i Joasy nihazo ny fiakarana Haresy.

14 Nisambotra zazalahy anankiray amin'ny mponina ao Sokota izy, nanontaniany, ka nosoratan'io ny anaran'ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokota. 15 Tamin'izay dia nankao amin'ny mponina ao Sokota Jedeona, ka nanao hoe: Indreo eo Zebea sy Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon'ny tànanao sahady ve ny tànan'i Zebea sy Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay? 16 Dia nosamboriny ny loholona tao an-tànana, ary rahefa nandray tsilo any an'efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokota izany. 17 Noravany koa ny tilikambo tao Fanoela ary novonoiny ny lehilahy tao an-tanàna. 18 Ary hoy izy tamin'i Zebea sy Salmanà: Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabora izany? Dia hoy ireo: Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak'andriana avokoa izy.

19 Ka hoy izy: Ny rahalahiko, zanak'i neny indrindra izany. Velona Iaveh! Tsy matiko hianareo, raha namelona an'ireo. 20 Ary hoy izy tamin'i Jetera zanany lahimatoa: Mitsangàna, ka vonoy ireo. Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora. 21 Dia hoy Zebea sy Salmanà: Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Nitsangana Jedeona ka namony an'i Zebea sy Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin'ny vozon-dramevan'ireo.

22 Dia hoy ny lehilahy amin'Israely tamin'i Jedeona: Aoka hanjaka aminay hianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria hianao no nanafaka anay tamin'ny tànan'i Madiana.

23 Hoy Jedeona taminy: Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa Iaveh ihany no hanjaka aminareo. 24 Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia hianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin'ny babony avy. Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny. 25 Ka hoy ny olona: Omenay an-tsitra-po raha izany. Sady namelatra lamba izy ire ka samy nanipy ny peratra azony tamin'ny babo avy. 26 Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan'ny pera-bolamena nangatahin'i Jedeona afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin'ny mpanjakan'i Madiana, mbamin'ny fehivozona teny amin'ny vozon-dramevany. 27 Nanaovan'i Jedeona efoda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa Israely rehetra nitolo-tena teo amin'izany efoda izany, ary tonga fandrika ho an'i Jedeona sy ny ankohonany izany. 28 Dia voaetry teo anatrehan'ny zanak'Israely Madiana, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin'ny andron'i Jedeona.

29 Ary nody Jerobaala zanak'i Joasy, ka nonina tao an-tranony.

30 Fitopolo lahy no zanaka naterak'i Jedeona fa maro vady izy. 31 Niteraka zazalahy taminy koa ny vadin-tsindranony tany Sikema, ka natao hoe Abimeleka ny anarany. 32 Tratra antitra tsara Jedeona, zanak'i Joasy, vao maty; ary tao amin'ny fasan'i Joasy rainy izy no nalevina, tao Efran'i Abiesera. 33 Nony maty Jedeona dia nitolo-tena tamin'ireo Baala indray ny zanak'Israely; ka Baala-Berita no nataony andriamaniny.

34 Tsy notsarovan'ny zanak'Israely intsony Iaveh Andriamanitr'izy ireo, izay nanafaka azy tamin'ny tànan'ny fahavalony rehetra nanodidina azy; 35 ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin'ny taranak'i Jerobaala-Jedeona araka ny soa rehetra nataony tamin'Israely.

Toko faha-9

1 Niainga Abimeleka zanak'i Jerobaala, ka nankany Sikema amin'ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin'ireo sy tamin'ny fokon'ny rain-dreniny rehetra:

2 Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren'ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan'izy fitopolo lahy, samy zanak'i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy nofonareo ihany aho. 3 Dia nolazain'ireo anadahin-dreniny avokoa izany teny rehetra momba azy izany, ho henon'ny mponina rehetra tao Sikema; ka nitongilana tamin'i Abimeleka ny fon'izy ireo, fa nifampilaza hoe: Rahalahintsika izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1416