Bokin'ny Mpitsara
Toko faha-9
54 Nantsoiny faingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia notrabaran'ilay zatovo izy, ka maty. 55 Nony hitan'ny lehilahy amin'Israely fa maty Abimeleka, dia samy nody ho any an-tranony avy izy. 56 Izany no nampianjeran'Andriamanitra tamin'i Abimeleka ny ratsy nataony tamin-drainy, tamin'ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy,57 ary nampianjeran'Andriamanitra tamin'ny lohan'ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan'ny ozona nataon'i Joatama zanak'i Jerobaala tamin'izy ireo.
Toko faha-10
1 Tolà zanak'i Foà, zanak'i Dodao, lehilahy amin'Isakara, no nitsangana hamonjy an'Israely, taorian'i Abimeleka. Tany Samira amin'ny tendrombohitr'i Efraima izy no nonina.2 Telo amby roapolo taona no naha-mpitsara azy tamin'Israely, dia maty izy, ka nalevina tao Samira. 3 Nitsangana nanaraka azy Jaira any Galaada izay nitsara an'Israely nandritra ny roa amby roapolo taona.
4 Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo, sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandra'androany hoe, Tranon'i Jaira, ary any amin'ny tany Galaada no nisy azy. 5 Maty Jaira ka nalevina tao Kamòna. 6 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo ny zanak'Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr'i Siria, ny andriamanitr'i Sidona, ny andriamanitr'i Moaba, ny andriamanitry ny taranak'i Amona, ary ny andriamanitry ny Filistina, ary nandao an'ny Tompo sy tsy nanompo azy intsony.
7 Dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka namidiny ho eo an-tànan'ny Filistina izy, sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona. 8 Nampahorian'ireo sy notorotoroin'ireo tamin'izany ny zanak'Israely; ary nampahoriany valo ambin'ny folo taona ny zanak'Israely rehetra, izay nonina tany an-dafin i Jordany amin'ny tanin'ny Amoreana, any Galaada. 9 Ny taranak'i Amona nita an'i Jordany hamely an'i Jodà sy Benjamina mbamin'ny taranak'i Efraima ka dia tra-pahoriana mafy Israely. 10 Koa dia velon-taraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely, nanao hoe: Nanota taminao izahay, fa nahafoy ny Andriamanitray, ka nanompy ny Baala.
11 Ary hoy Iaveh tamin'ny zanak'Israely: Moa tsy efa nanafaka anareo va aho, tamin'ny Ejipsiana sy ny Amoreana ary ny taranak'i Amona, mbamin'ny Filistina? 12 Raha nampahorian'ny Sidoniana sy Amaleka ary Mahona koa hianareo, ka nitaraina tamiko, moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tànany va aho? 13 Nefa hianareo kosa dia nandao ahy ary nanompo andriamani-kafa, koa tsy hamonjy anareo intsony aho. 14 Fa mandehana mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo ami'ny andron'ny fahoriana. 15 Dia hoy ny zanak'Israely tamin'ny Tompo: Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin'ity andro ity. 16 Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an'ny Tompo izy ireo; ka ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian'Israely. 17 Nivory ny taranak'i Amona sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak'Israely kosa niangona nitoby tany Masfà.
18 Dia nifampilaza ny vahoaka, ny lehiben'i Galaada, nanao hoe: Iza no lehilahy hanomboka ady voalohany amin'ny taranak'i Amona? Dia izy no ho filohan'ny mponina rehetra amin'i Galaada.
Toko faha-11
1 Jefte ilay Galaadita, dia lehilahy mpiady mahery. Zanaky ny vehivavy janga anankiray izy; ary Galaada anefa no ray niteraka an'i Jefte.2 Niteraka lahy maro tamin i Galaada anefa ny vadiny; ka nony lehibe ireo dia nandroaka an'i Jefte sy nanao taminy hoe: Tsy handova eto an-tranon-drainay hianao, satria zana-behivavy hafa. 3 Dia nandositra lavitra ny rahalahiny Jefte, ka nonina tany amin'ny tany Toba. Ary nisy olom-poana nitambatra taminy, ary niara-nandehandehan izy. 4 Nony afaka kelikely taorian'izany, dia niady tamin'ny zanak'Israely ny tarana'i Amona.
5 Ka tamin'izany niadian'ny taranak'i Amona tamin'Israely izany, dia lasa ny loholon'i Galaada naka an'i Jefte tany amin'ny tany Toba. 6 Hoy izy tamin'i Jefte: Avia, dia ho jeneralinay hianao, ka hiady amin'ny taranak'i Amona. 7 Fa hoy Jefte tamin'ny loholon'i Galaada: Tsy efa nankahala ahy sy nandroaka ahy hiala tao an-tranon'i kaky va hianareo? Ka ahoana indray no alehanareo aty amiko, nony zoim-pahoriana hianareo izao? 8 Ary hoy ny loholon'i Galaada tamin'i Jefte: Izany indrindra no hiverenanay aty aminao ankehitriny, mba handehananao hiaraka aminay sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona; ary ho filohany sy ny mponina rehetra any Galaada hianao. 9 Izao no navalin'i Jefte tamin'ny loholon'i Galaada: Raha entinareo miverina hiady amin'ny taranak'i Amona aho, ka atolotry ny Tompo eo an-tànako izy, dia izaho no ho filohanareo? 10 Hoy ny loholon'i Galaada tamin'i Jefte: Aoka Iaveh no ho vavolombelona amintsika; fa hotanterahinay tokoa izany voalazanao izany. 11 Dia nandeha niaraka tamin'ny loholon'i Galaada Jefte. Natsangan'ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin'i Jefte teo anatrehan'ny Tompo tany Masfà indray ny teniny rehetra. 12 Nandefa iraka ho any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona Jefte, hilaza aminy hoe: Mifampaninona moa izaho sy hianao, no tonga hamely ahy hianao ka hanafika ny taniko?
13 Ary hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, namaly ny irak'i Jefte: Satria, raha niakatra avy any Ejipta Israely, dia nalainy ny taniko, hatrany Arnona ka hatrany Jabaoka sy Jordany. Koa avereno amim-pihavanana izany ankehitriny. 14 Dia nandefa iraka indray Jefte ho any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona,
15 ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'i Jefte: Israely tsy naka ny tanin'i Moaba, na ny tanin'ny taranak'i Amona. 16 Fa fony niakatra avy tany Ejipta Israely, dia nandeha tany an'efitra, hatreo amin'ny ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy. 17 Nandefa iraka ho any amin'ny mpanjakan'ny Edoma Israely, tamin'izay, hilaza aminy hoe: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho; nefa tsy nanaiky ny mpanjakan'i Edoma. Dia naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba indray izy, fa tsy nanaiky koa io, ka dia tao Kadesy Israely. 18 Rahefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan'ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin'i Arnona izy ireo fa tsy nandroso tamin'ny faritr'i Moaba, fa i Arnona no faritr'i Moaba. 19 Tao Israely, dia nandefa iraka ho any amin'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, mpanjakan'i Hesebona, ary hoy Israely taminy: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho, hankany amin'ny taninay. 20 Sehona anefa, tsy ampy fitokiana an'Israely mba hamela azy hamaky ny taniny. Namory ny vahoakany rehetra Sehona, ka nitoby tao Jasà, dia niady tamin'Israely. 21 Fa natolotry ny Tompo Andriamanitr'Israely, ho eo an-tànan'Israely, Sehona mbamin'ny vahoakany rehetra, ka noreseny ireny, dia azon'Israely ny tanin'ny Amoreana rehetra izay nonina tamin'izany faritany izany; 22 lasany avokoa ny faritanin'ny Amoreana, hatrany Arnona ka hatrany Jabaoka, ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordany. 23 Koa ankehitriny, rahefa noroahin'ny Tompo Andriamanitr'Israely ny Amoreana, teo anoloan'Israely vahoakany, hianao indray ve no handroaka an'Israely hiala ao? 24 Moa tsy mipetraka ho tompon'izay nomen'i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va hianao, ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon'izay rehetra nomen'ny Tompo Andriamanitray anay ho fanananay? 25 Moa tsara noho Balàka, zanak'i Sefora, mpanjakan'i Moaba, va hianao? Ary moa io mba nifanditra tamin'Israely, na niady taminy akory va? 26 Indro efa telon-jato taona izao no nonenan'Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, mbamin'ny tanàna rehetra amoron'i Arnona, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany? 27 Izaho tsy nanao ratsy taminao, fa hianao izao no manisy ratsy ahy, amin'ny ady ataonao amiko. Ka aoka Iaveh, ilay mpitsara, no hitsara anio ny zanak'Israely sy ny taranak'i Amona. 28 Tsy nahoan'ny mpanjakan'ny taranak'i Armona akory ny teny nampitondrain'i Jefte tany aminy.