Bokin'ny Mpitsara
Toko faha-11
29 Dia tonga tamin'i Jefte ny Fanahin'ny Tompo, ka nandeha namaky an'i Galaada sy Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak'i Amona.30 Nivoady tamin'ny Tompo Jefte, nanao hoe: 31 Raha atolotrao eo an-tànako ny taranak'i Amona, dia ho an'ny Tompo ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho. 32 Dia nandroso hamely ny taranak'i Amona Jefte, ary natolotry ny Tompo teo an-tànany ireny, 33 ka nasiany hatrany Aroera ka hatrany akaikikaikin'i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voaetry teo anoloan'ny zanak'Israely ny taranak'i Amona. 34 Niverina nankany an-tranony any Masfà Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.
35 Vao nahita azy Jefte dia nandriatra ny fitafiany, ka nanao hoe: Adray, anaka, mahaketraka ahy hianao ary anisan'izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin'ny Tompo aho, ka tsy afa-mifody intsony. 36 Dia hoy izy taminy: Dada ô, efa niloa-bava tamin'ny Tompo hianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian'ny Tompo ny nataon'ny taranak'i Amona fahavalonao taminao. 37 Ary hoy izy tamin-drainy: Ity no mba soa ataovy amiko: Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana: dia handeha hidina ho any amin'ny tendrombohitra, ary hitomany ny fahavirjiniako miaraka amin'ireo namako. 38 Hoy ny navaliny azy: Ndeha àry. Dia navelany handeha roa volana izy. Ka nandeha niaraka tamin'ny namany, nitomany ny fahavirjiniany tany amin'ny tendrombohitra izy. 39 Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka nontanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no nihavian'izao fanao amin'Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanakavavin'i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona.
Toko faha-12
1 Nivory ny lehilahy amin'i Efraima, ka nandeha nankany Sefora, nanao tamin'i Jefte hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona hianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin'ny tanànanao.2 Dia izao no navalin'i Jefte azy ireo: Mbola nifamaly mafy tamin'ny taranak'i Amona izaho sy ny vahoakako dia efa niantso anareo aho, nefa tsy tonga namonjy ahy tamin'ny tànany hianareo. 3 Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy hianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotry ny Tompo teo an-tànako ireny. Ka nahoana hianareo no miakatra aty amiko anio hiady amiko? 4 Dia namory ny lehilahy rehetra amin'i Galaada Jefte, ka niady tamin'i Efraima. Noresen'ny lehilahin'i Galaada ny an'i Efraima izay efa nilaza nanao hoe: Hianareo, ry Galaadita, dia mpandositra fotsiny avy amin'i Efraima, ao afovoan'i Efraima sy Manase.
5 Dia azon i Galaada ny fitàna an'i Jordany ao amin'ny lafin'i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin'i Efraima manao hoe: Avelao kely aho mba hita, dia anontanian'ny lehilahin'i Galaada izy hoe: Efraimita va hianao? Ary mamaly izy manao hoe: Tsia. 6 Dia ahoy izy ireo manao hoe: Tonòny àry ny hoe: Skiboleta. Ary izy kosa manao hoe: Sibòleta, fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan'ny fitàna an'i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin'i Efraima maty tamin'izany andro izany. 7 Nitsara an'Israely enin-taona Jefte; rahefa izany dia maty Jefte, Galaadita, ka nalevina tao amin'ny anankiray amin'ny tanànan'i Galaada.
8 Ary taorian'izy io dia Abesàna, avy any Betleema, no mpitsara tamin'Israely.
9 Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanay vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan'ny fianakaviany; ary ny zanay lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tamin'Israely. 10 Rahefa izany dia maty Abesàna ka nalevina tany Betleema. 11 Taorian'izy io dia Ahialona avy any Zabolona no mpitsara tamin'Israely. Nandritra ny folo taona izy no mpitsara tamin'Israely.
12 Rahefa izany dia maty Ahialona avy any Zabolona ka nalevina tao Ajalona amin'ny tanin'i Zabolona. 13 Taorian'izy io, dia Abdòna, zanak'Ilela, avy any Faratòna, no mpitsara tamin'Israely.
14 Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak'ampondra fitopolo. 15 Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin'Israely. 16 Rahefa izany dia maty Abdòna zanak'Ilela, avy ao Faratòna, ka nalevina tao Faratòna amin'ny tanin'i Efraima any amin'ny tendrombohitry ny Amalesita.
Toko faha-13
1 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo indray ny zanak'Israely ka natolotry ny Tompo eo an-tànan'ny Filistina, nandritra ny efapolo taona.2 Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manoe, fianakavian'ny Danita, avy amin'ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka.
3 Niseho tamin-dravehivavy ny anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Momba hianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa hianao, ka hitera-dahy. 4 Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto, 5 fa hanana anaka hianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io ho nazarean'Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an'Israely amin'ny tànan'ny Filistina. 6 Dia nandeha nilaza tamin'ny lahy ravehivavy nanao hoe: Nisy olon'Andriamanitra tonga taty amiko; tahaka ny anjelin'Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay nihaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;
7 fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka hianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean'Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny. 8 Dia niantso an'ny Tompo Manoe tamin'izay ka nanao hoe: Tompo ô, raha sitrakao, dia aoka hiverina aty aminay indray ilay olon'Andriamanitra efa nirahinao, ka hanoro izay tokony hataonay amin'ny zaza ho teraka.
9 Neken'Andriamanitra ny fangatahan'i Manoe, ka tonga tamin'ny vavy indray ilay anjelin'Andriamanitra. Tany an-tsaha izy no nipetraka ary tsy niaraka taminy Manoe vadiny: 10 ka lasa nihazakazaka faingana ravehivavy hampandre izany ny lahy, ka nilaza taminy hoe: Indro niseho tamiko ilay lehilahy tonga amiko indray andro iry. 11 Dia nitsangana Manoe, ka nanaraka ny vavy; nankany amin-dralehilahy sy nanao taminy hoe: Hianao va izany niteny tamin'ity vehivavy ity izany? Hoy ny navaliny: Izaho. 12 Dia hoy Manoe: Amin'izao àry rahefa tanteraka ny teninao, inona no tsy maintsy tandremany momba izany zaza izany, ary inona no tsy maintsy hatao ho azy? 13 Ka hoy ny navalin'ilay anjelin'ny Tompo an'i Manoe: Hifady izay rehetra voalazako taminy ravehivavy; 14 tsy hihinana na inona na inona rahefa mety ho zavatra avy amin'ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto: ho tandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy. 15 Dia hoy Manoe tamin'ilay anjelin'ny Tompo: Aoka re mba hohazoninay hianao sy hanamboaranay zanak'osy. 16 Ary hoy ny navalin'ilay anjelin'ny Tompo tamin'i Manoe: Na dia tànanao aza aho dia tsy hihinana amin'izay haninao, fa raha te-hanamboatra sorona dorana ho an'ny Tompo hianao, dia atero izany. Tsy nahalala Manoe fa ilay anjelin'ny Tompo io. 17 Ka hoy Manoe tamin'ilay anjelin'ny Tompo: Iza moa no anaranao; mba hanomezanay voninahitra anao, rahefa tanteraka ny teninao? 18 Ary hoy ny navalin'ilay anjelin Íaveh azy: Ahoana no anontanianao ahy ny anarako? Mahagaga no izy. 19 Dia nalain'i Manoe ny zanak'osy sy ny fanatitra ka nateriny ho an'ny Tompo teo ambonin'ny vatolampy; ary nanao fahagagana Iaveh raha mbola nijery teo Manoe sy ny vadiny. 20 Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin'ny otely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin'ny lelafon'ny otely ilay anjelin'ny Tompo. Raha nahita izany Manoe mivady dia lavo niankohoka tamin'ny tany. 21 Ary tsy niseho tamin'i Manoe mivady intsony ilay anjelin'ny Tompo. Izay vao fantatr'i Manoe fa ilay anjelin'ny Tompo iny. 22 Ka hoy Manoe tamin'ny vavy: Ho faty izao isika fa efa nahita an'Andriamanitra. 23 Fa hoy ny navalin'ny vavy taminy: Raha ny hahafaty antsika no tian'ny Tompo dia tsy ho nandray izay sorona dorana amana fanatitra tamin'ny tànantsika izy, na ho nampahita antsika izany zavatra izany, na ho nampandre antsika androany zavatra toy izao.