Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-18

15 Dia nivily nankeo izy, ka niditra tao amin'ny tranon'ilay tovolahy Levita, dia ny tranon'i Mikasy, sy nanao akory azy; 16 fa izy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an'ady avy amin'ny fokon í Dana, nijanona teo anoloan'ny vavahady. 17 Raha mbola nijanona teo anoloan'ny vavahady ilay mpisorona mbamin'ireo enin-jato lahy vonom-piadiana, izy dimy lahy nisafo ny tany kosa niakatra dia niditra tao an-trano fivavahana, naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda, ny terafima ary ny zavatra anidina. 18 Nony tafiditra tao an-tranon'i Mikasy izy ireo, ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda ary ny terafima mbamin'ny zavatra anidina, dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona izato ataonareo? 19 Ka hoy ny navaliny azy: Mangìna hianao, tampeno amin'ny tànanao ny vavanao, ary andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay hianao: Aleonao va mpisoron'ny ankohonan'ny olona iray ihany toy izay mpisoron'ny foko iray sy fianakaviana iray amin'Israely? 20 Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima mbamin'ny sarin-javatra voasokitra ary nandroso ho eo afovoan'ny miaramila izy. 21 Dia niainga izy ireo, ka lasa; nataony teo alohany ny zaza sy ny biby fiompy mbamin'ny entany sarobidy rehetra.

22 Efa lasa lavitra ny tranon'i Mikasy izy ireo, vao indreto ny olona mitoetra ao amin'ny trano mifanolo-body rindrina amin'i Mikasy nivory nanenjika ireto taranak'i Dana. 23 Nantsoantsoin'izy ireo avy aty aoriana ny taranak'i Dana, ka niherika sy nanao tamin'i Mikasy hoe: Inona no ilainao no nanangona olona toy izao hianao? 24 Dia hoy izy namaly: Ny andriamanitro izay nataoko nongoahanareo mbamin'ny mpisorona, dia lasa hianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao? 25 Fa hoy ny taranak'i Dana taminy: Aza ampandrenesina anay intsony ny feonao sao hiantoraka aminareo ny olona tezitra ka hahafaty ny ainao sy ny ain'ny ankohonanao. 26 Dia nanohy ny diany ny zanak'i Dana. Hitan'i Mikasy fa mahery noho izy ry zareo, ka dia niverina nody any an-tranony izy. 27 Toy izany no nangalan'izy ireo izay nataon'i Mikasy mbamin'ny mpisorona niasa ho azy, dia nandroso namely ny tao Laïsa, izay vahoaka nandry fahizay sy tsy nanana ahiahy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary ny tanàna nodorany.

28 Tsy nisy olon-kamonjy azy, fa lavitra an'i Sidona izy, ary ny mponina tao tsy nanan-draharaha tamin'ny olon-kafa; tao amin'ny lohasaha mandroso mankany Beti-Rohoba no nisy azy. Naorin'ny taranak'i Dana ny tanàna, dia nonina teo izy, 29 ary ny anarany nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana, rainy, izay naterak'Israely; fa Laïsa kosa no anaran'ny tanàna taloha. 30 Natsangan'ny taranak'i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatàna, zanak'i Gersama zanak'i Moizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron'ny fokon'i Dana, mandra-pahatongan'ny andro namaboana ny tany.

31 Ilay sary voasokitra nataon'i Mikasy no natsangan'izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian'ny tranon'Andriamanitra tao Silao.

Toko faha-19

1 Tamin'izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka teo amin'Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin'ny tendrombohitr'i Efraima dia naka ho vady ny vehivavy anankiray avy any Beleema any Jodà.

2 Nivadihan'ity vady tsindranony izy, sady nilaozany nankany an-tranon-drainy any Betleema, any Jodà, izay nitoerany efa-bolana. 3 Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin'ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana. 4 Notazonin'ity rafozany rain-drazazavavy izy, ka nitoetra tao aminy hateloana ary nihinana sy nisotro izy ireo, ka nijanonjanona tao. 5 Nony tamin'ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ity vinantony: Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha hianareo.

6 Dia nipetraka izy, ka niara-nihinana sy nisotro izy roa lahy. Ary hoy ny rain-drazazavavy tamin'ity vadin-janany: Mihanta aminao re aho, mba ekeo ny handry anio alina; ary aoka hifaly ny fonao. 7 Efa nitsangan-kandeha ralehilahy fa noho ny fitambezoan'ny rafozany dia niverina izy ka tafandry teo iny alina iny. 8 Nony tamin'ny andro fahadimy dia nifoha maraina koa izy handeha, fa hoy ny rain-drazazavavy taminy: Mihanta aminao re aho, mba hatanjaho ny fonao ka andraso mandra-pahatolaky ny andro. Dia niara-nihinana izy roa lahy.

9 Efa nitsangana handeha ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompony, fa hoy kosa ny rafozany rain-drazazavavy taminy: Indro efa ho hariva ny andro, koa mihanta aminao aho, mba handry indray anio alina! fa efa mandrorona ny andro, ka mandria re eto, ary aoka hifaly ny fonao: fa rahampitso hifoha maraina koa hianareo mba hiainga ka handeha ho any an-dainao. 10 Tsy nety handry intsony anefa ralehilahy fa nitsangana izy, ka dia lasa. Tonga hatrany an-tandrifin'i Jebosy izy, dia Jerosalema izany, ary niaraka taminy ny ampondr roa samy voaisy lasely sy ny vady tsindranony. 11 Efa hariva ny andro no tonga tao akaikin'i Jebosy izy ireo; ka hoy ilay mpanompony tamin'ity tompolahiny: Raha sitrakao, andeha isika hivily ho amin'ity tanànan'ny Jeboseana ity, dia handry eo.

12 Fa hoy ny tompony namaly azy: Tsy hivily amin'izay tanànan'olon-kafa firenena tsy misy zanak'Israely isika, fa handroso ihany ho any Gabaà. 13 Dia hoy koa izy tamin'ny mpanompony: Andeha ataovy izay hahatrarantsika ny iray amin'ireto tanàna ireto, dia Gabaà na Ramà; any isika no handry. 14 Koa notohizany ny diany, ary efa nilentika ny masoandro no eny akaikin'i Gabaà, izay an'i Benjamina izy. 15 Ka dia nivily ho any izy, mba handry ao Gabaa. Nony tafiditra ity Levita, dia nijanona teo amin'ny kianjan'ny tanana, ary tsy nisy olona nampiantrano azy handry any aminy. 16 Kanojo kosa, inty nisy antidahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin'io fitoerana io dia Benjamita. 17 Nanopy ny masony izy, ka nahita ilay mpivahiny teo an-kianjan'ny tanàna; ka hoy ny antidahy taminy nanao hoe: Ho aiza hianao ary avy aiza? 18 Ary hoy ny navaliny azy: Avy tany Betleema any Jodà izahay, ka ho any amin'ny sisin'ny tendrombohitr'i Efraima izay tany nihaviako. Tany Betleema any Jodà aho, ary ho any an-tranon'ny Tompo, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory. 19 Anananay anefa ny mololo amam-bilona ho an'ny ampondranay, ny mofo aman-divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ny zatovo miaraka amin'ny mpanomponao, fa tsy mila na inona na inona izahay. 20 Dia hoy ilay antidahy: Ho aminao anie ny fiadanana; ary hovononiko avokoa izay ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja. 21 Koa nampidiriny an-trano izy ireo ary nomeny vilona ny ampondra; nanasa tongotra izy ireo dia nihinana sy nisotro. 22 Dieny mbola nifaly teo ny fon'izy ireo dia indreo nisy lehilahy tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, nanodidina ny trano, nandondòna mafy ny varavarana, sady nilaza tamin'ilay antidahy tompon-trano nanao hoe: Asaovy mivoaka ilay lehilahy niditra ato aminao, mba hahalalanay azy.

23 Fa nivoaka ny tompon-trano nankeo amin'izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka, ry rahalahiko, mihanta aminareo aho, aza dia manao ratsy re; rahefa tafiditra ny tranoko io lehilahy io dia aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany. 24 Indro ny zanako vavy mbola virjiny sy ny vady tsindranon-dralehilahy; hoentiko mivoaka ireo, dia anaovy an-keriny, sy ataovy aminy araka izay sitrakareo, fa aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany amin'io lehilahy io. 25 Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin'izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin'izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-pahamarain'ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. 26 Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran'ny tranon'ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan'ny andro. 27 Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran'ny trano, ary teo amin'ny tokonana ny tànany.

28 Hoy izy taminy: miarena dia ndeha isika handeha. Ary tsy nisy namaly; koa dia nataon'ny lahy teo ambonin'ny ampondrany izy, dia lasa izy nody ho any amin'ny fonenany. 29 Nony tonga tany aminy izy, noraisiny ny antsy, dia nalainy ity vady tsindranony, ka norasainy isam-pamavanin-taolana ho roa ambin'ny folo toko, sy nampitondrainy eran'ny tanin'Israely rehetra.

30 Dia hoy izay nahita rehetra: Ny zavatra toy izany dia tsy mbola tonga na hita na oviana na oviana hatrizay niakaran'ny zanak'Israely avy any amin'ny tany Ejipta ka mandrak'androany. Koa diniho izany, mifampilà hevitra, dia tapaho.

Toko faha-20

1 Dia nivoaka ny zanak'Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan'ny Tompo tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.

2 Ary ny filohan'ny vahoaka rehetra, ny fokon'Israely rehetra, niseho teo amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha an-tongotra mahatan-tsabatra. 3 Nandre ny taranak'i Benjamina fa hoe niakatra any Masfà ny zanak'Israely. Ary hoy ny zanak'Israely: Mitenena, nanao ahoana no nanaovana izao heloka izao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1561