Bokin'ny Mpitsara
Toko faha-16
9 Ary efa nasiany olona nanotrika ao an'efitranony, dia hoy izy taminy hoe: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona! Notapahany anefa ny mahazaka ka nirarak'ompana hoatra ny kofehy hoton-drongony voan'afo. Dia tsy fantatra izay niafenan'ny heriny. 10 Ary hoy Dalilà tamin'i Samsona: Namazivazy ahy sy nandainga tamiko izany hianao; koa ankehitriny mihanta aminao re aho, mba lazao kely izay tokony hamatorana anao.11 Dia hoy izy taminy: Raha mahazaka vaovao, tsy mbola nampiasaina akory no amatorana hy, dia hanjary osa sy sahala amin'ny olon-kafa ihany aho. 12 Koa nalain'i Dalilà ny mahazaka vaovao namatorany azy, dia hoy izy taminy: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona! Ary efa misy olona manotrika ao an'efitranony. Ary notapahana hoatra ny fanapaka singan-kofehy ny mahazaka tamin'ny sandriny. 13 Hoy Dalilà tamin'i Samsona: Namazivazy ahy foana hianao hatramin'izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy. Dia hoy izy taminy: Izao ihany; tenomy hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako. 14 Dia naompan-dravehivavy tamin'ny fàntaka ireny. Rahefa izany dia hoy izy taminy: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona? Taitra tamin'ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana mbamin'ny tenona. 15 Ka hoy ravehivavy taminy: Ahoana no dia anaovanao hoe: Tiako hianao, nefa ny fonao tsy amiko akory? Indro efa intelo hianao izay no namazivazy ahy ihany; fa mbola tsy nilaza tamiko izay itoeran'ny herinao lehibe.
16 Dia nitory kisina taminy isan'andro teo izy sy nanorisory azy tamin'ny hata-dava, ka efa sosotra mafy ny fanahiny nila hahafaty azy: 17 ka nambarany taminy izay tao am-pony rehetra, ary hoy izy taminy: Tsy mbola nodiavin-kareza ny lohako, na oviana na oviana, fa nazarean'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Fa raha haratana aho dia hiala amiko ny heriko, dia hanjary osa sy ho tahaka ny olona rehetra ihany aho. 18 Hitan'i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan'ny Filistina izy, sy nampilaza tamin'izy ireo hoe: Miakara amin'izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ireo filohan'ny Filistina, samy nanao an-tànana ny volany. 19 Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohan'i Samsona dia niantomboka tamin'izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny. 20 Ka hoy izy: Irotsahan'ny Filistina hianao, ry Samsona! Dia taitra tamin'ny torimasony izy, ka nanao hoe: Ho afaka amin'izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka; satria tsy fantany fa efa niala taminy Iaveh. 21 Nisambotra azy kosa ny Filistina sy namotsitra ny masony, dia nampidina azy tany Gazà ary namatotra azy amin'ny gadra varahina roa mikambana. Nampiodina ny vato fitotoam-bary tao an-tranomaizina izy. 22 Nefa efa nanomboka naniry indray ny volon'i Samsona, hatrizay nanaratana azy.
23 Nivory ireo filohan'ny Filistina hanolotra sorona lehibe amin'ny Dagòna andriamaniny sy hirobiroby, fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tànantsika Samsona fahavalontsika. 24 Nahita azy ny vahoaka ka nidera ny andriamaniny izy ireo nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tànantsika ilay fahavalontsika izay nanimba ny tanintsika sy nahafaty be tamintsika. 25 Nony injay efa revon-kafaliana ny fon'izy ireo, dia hoy izy: Ampanalao Samsona hampilalao antsika. Dia nalaina tany an-tranomaizina Samsona, ka nandihy teo anatrehan'izy ireo. Teo anelanelan'ny andry izy no napetraka. 26 Ary hoy Samsona tamin'ilay zatovo nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry manohana ny trano sy hiankina aminy. 27 Feno lehilahy sy vehivavy ny trano, tao avokoa ireo filohan'ny Filistina; tany ambonin'ny tafo koa nisy olona sahabo ho telo arivo, na lahy na vavy, izay nijery an'i Samsona nandihy. 28 Dia niantso an'ny Tompo Samsona ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, mihanta aminao aho, tsarovy re aho, ka omeo hery amin'ity indray mandeha ity monja, ry Andriamanitra ô, mba hamaliako ny Filistina amin'ny indray mitoraka ihany, noho ny amin'ny masoko roa. 29 Dia nobedain'i Samsona ny andry roa afovoany nanohana ny trano, ka nitehika mafy taminy izy; ny tànany havanana tamin'ny anankiray ary ny tànany havia tamin'ny anankiray. 30 Ary hoy Samsona hoe: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho! Sady niezaka mafy niondrika izy, ka nirodana tamin'ny andriana amam-bahoaka rehetra tao ny trano. Ary be no matiny tamin'ny nahafatesany noho ny novonoiny fony fahavelony. 31 Dia nidina ny rahalahiny mbamin'ny mpanakavin-drainy rehetra ka naka azy. Nony tafakatra izy ireo dia nandevina azy tao anelanelan'i Saraà sy Estaola, amin'ny fasan'i Manoe rainy. Roapolo taona no nitsarany an'Israely.
Toko faha-17
1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Mikasy avy amin'ny tendrombohitr'i Efraima,2 nilaza tamin-dreniny hoe: Ilay vola zato amby arivo sikla izay nalain'olona taminao sy nanononanao ozona, ary ren'ny sofiko aza ny nanononanao izany, dia indro eto an-tànako izany vola izany, izaho no naka. Ary hoy reniny: Hotahin'ny Tompo anie ny zanako. 3 Naveriny tamin-dreniny ilay vola zato amby arivo sikla, dia hoy reniny: Ny tànako no manolotra izany vola izany amin'ny Tompo, mba ho an'ny zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy zavatra anidina; koa ankehitriny averiko aminao izy. 4 Rahefa voaveriny tamin-dreniny ny vola, dia nangalan-dreniny roan-jato sikla, nomeny ny mpanao anidina, ka nanaovany sarin-javatra voasokitra sy zavatra anidina, ary natao tao an-tranon'i Mikasy ireny. 5 Fa nanana tranon'Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efoda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin'ny zanany lahy dia natokany nataony ho mpisorony. 6 Tsy nisy mpanjaka tamin'Israely tamin'izany andro izany, ka samy nanao izay sitraky ny fony izy ireo. 7 Ary nisy zatovolahy anankiray, avy any Betleema any Jodà, avy amin'ny fokon'i Jodà, Levita izy io, ray nitoetra tao amin'izany tany izany.
8 Niala tao Betleema any Jodà ralehilahy io, hahitany toerana hipetrahana, ka izany no nahatongavany tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima sy tao an-tranon'i Mikasy. 9 Ary hoy Mikasy taminy: Avy aiza moa hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Levita avy any Betleema any Jodà aho, fa mivahiny aho hahitako toerana hipetrahako. 10 Dia hoy Mikasy taminy: Mitoera aty amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko hianao, fa homeko volafolo sikla isan-taona, mbamin'ny fitafiana ilainao sy ny sakafo. Dia niditra ilay Levita. 11 Ka ny Levita nanaiky hitoetra tao amin'io lehilahy io ka noraisiny ho toy ny anankiray amin'ny zanany ilay tovolahy. 12 Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon'i Mikasy. 13 Ary hoy Mikasy hoe: Fantatro ankehitriny, fa hanisy soa ahy Iaveh satria manana an'ity Levita ho mpisorona aho.
Toko faha-18
1 Tsy nisy mpanjaka teo amin'Israely tamin'izany andro izany; ary nitady zara tany honenany ny fokon'ny Danita, tamin'izany andro izany, fa tsy mbola nahazo anjara lova hatramin'izany andro izany izy eo afovoan'ny fokon'Israely.2 Nalain'ny zanak'i Dana tao amin'izy rehetra ireo ny dimy lahy, lehilahy mahery iray fianakaviana aminy, ka nalefany avy any Saraà sy Estaola hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany. Ka hoy izy tamin'izy ireo: Mandehana zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima izy sy tao amin'ny tranon'i Mikasy, ka nandry tao. 3 Nony mby teo akaikin'ny tranon'i Mikasy izy ireo, dia nanatona izy ka nanao tamin'io hoe: Iza no nitondra anao nankaty? Maninona aty hianao? Manana inona aty hianao? 4 Dia hoy ny navaliny azy: Izao sy izao no nataon'i Mikasy tamiko; izy manamby ahy ary izaho manao mpisorona ho azy. 5 Ary hoy ireo taminy: Raha izany àry anontanio kely Andriamanitra mba hahalalanay raha ho tsara ny dianay. 6 Dia hoy ity mpisorona namaly azy: Mandehana amim-piadanana, fa tsinjovin'ny mason'ny Tompo izao dia ataonareo izao. 7 Nony nandeha izy dimy lahy, ka tonga tany Laïsa dia hitan'izy ireo ny mponina tao amin'izany tanàna izany fa nonina tsy amin'ahiahy, manaraka ny fomban'ny Sidoniana, nandry fahizay tamim-piadanana, ary tsy nisy olona tamin'ny taniny nanam-pahefana nampahory azy, na tamin'inona na tamin'inona; lavitra ny Sidoniana izy, ary tsy nanan-draharaha na tamin'iza na tamin'iza.
8 Niverina tany amin'ny rahalahiny any Saraà sy Estaola izy ireo, dia hoy ireto rahalahiny taminy: Ahoana, hoy hianareo? 9 Ka hoy ny navaliny: Mitsangàna, miakara isika hamely an'ireny, fa efa hitanay ny tany, ka indro fa tany soa indrindra, ka no mipetraka eo foana tsy miteny tsy mivolana hianareo? Aza milasilasy amin'ny fandehanana haka izany tany izany. 10 Rahefa tonga any dia hiditra ao amin'ny vahoaka mandry tsy amin'ahiahy hianareo. Malalaka ny tany, ary efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànanareo, ary ao amin'izany toerana izany dia hita izay rehetra mety hisy eto ambonin'ny tany. 11 Dia nisy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an'ady avokoa, no niainga avy any Saraà sy Estaola, avy amin'ny fokon'i Dana.
12 Niakatra ireo, dia nitoby tao Kariatiarima any Jodà, izany no niantsoana io tany io mandraka androany hoe: Makane-Dana, ka ao andrefan'i Kariatiarima no misy azy. 13 Avy teo izy dia nandroso nankany amin'ny tendrombohitr'i Efraima ka tonga tao an-tranon'i Mikasy. 14 Tamin'izay izy dimy lahy izay efa nandeha nisafo ny tanin'i Laïsa teo, dia niteny tamin'ireo rahalahiny, ka nanao hoe: Fantatrareo va fa misy efoda sy tarafima ary sarin-javatra voasokitra aman-javatra anidina, amin'ireto trano ireto? Koa hevero izao izay tokony hataonareo.