Bokin'ny Mpitsara
Toko faha-21
6 Nalahelo an'i Benjamina rahalahiny ny zanak'Israely, ka nanao hoe: Ny foko iray no fongotra amin'Israely androany. 7 Inona re no hataontsika ho azy, mba hahazoan'ireo sisa vady? Fa isika efa nianiana tamin'ny Tompo tsy hanome ny zanatsika ho vadin'izy ireo. 8 Dia hoy izy: Moa misy, na dia anankiray aza, amin'ny fokon'Israely, tsy mba niakatra nankany amin'ny Tompo tany Masfà? Ary indro, ny tamin'i Jabesy any Galaada, no tsy mba nisy tonga tao an-taoby amin'ny fiangonana. 9 Fa nisaina ny olona ary indro fa tsy nisy tao ny mponina ao Jabesy any Galaada, na dia iray aza. 10 Koa naniraka lehilahy roa arivo sy iray alina anisan'ny mahery hamely azy ny fiangonana, ary nomeny didy hoe: Mandehana asio amin'ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy any Galaada, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy. 11 Izao no hataonareo: ataovy anatema ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy. 12 Dia nahita zazavavy virjiny efa-jato tsy mbola nahalala lahy fa tsy nandry tamin-dehilahy izy ireo, teo amin'ny mponina any Jabesy, any Galaada, ka nentiny nankany an-toby tany Silao izay any amin'ny tany Kanaana. 13 Ary ny fiangonana rehetra nandefa iraka hiteny amin'ny taranak'i Benjamina, tany amin'ny haram-baton'i Remona sy hanambara ny fihavanana amin'izy ireo. 14 Dia niverina ny Benjamita tamin'izany andro izany ka nomena azy ireo ny vehivavy navela ho velona tamin'ny vehivavy tany Jabesy, any Galaada, nefa tsy ampy hahenina azy ireo. 15 Nalahelo an'i Benjamina ny vahoaka, fa efa nanabangan'ny Tompo iray ny fokon'Israely.16 Ary hoy ny loholon'ny fiangonana: Inona no hataontsika hahazoan'ireo sisa vady; fa efa ringana ny vehivavy tamin'i Benjamina? 17 Dia hoy izy ireo: Ny lovan'ireo afa-nandositra dia oka ho raikitra fa an'i Benjamina ihany, mba tsy ho voafongotra amin'Israely ny foko iray. 18 Fa isika tsy mahazo manome amin'ny zanatsika ho vadin'izy ireo, satria efa nianiana ny zanak'Israely nanao hoe: Ho voaovona anie izay manome ny zanany vavy ho vadin'ny Benjamita. 19 Dia hoy izy hoe: Indro misy fetin'ny Tompo ankalazaina isan-taona any Silao ilay tanàna ao avarat'i Betela, atsinanan'ny làlana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon'i Libàna, 20 ka nomeny didy ny tarana'i Benjamina, nataony hoe: Mandehana hianareo, manao otrika ao amin'ny tanim-boaloboka, 21 dia jereo, ka nony injay mivoaka hiara-mandihy ny zazavavin'i Silao, dia mivoaha avy ao an-tanim-boaloboka, ka samia hianareo misambotra izay ho vadinareo amin'ny zazavavin'i Silao, dia handeha hankany amin'ny tanin'i Benjamina indray. 22 Ary raha tonga mitaraina aminay ny rainy na ny anadahiny dia izao no holazainay aminy: Mba avelao ho anay izy fa tsy nahazo vady ho azy tsirairay avy izahay, tamin'ny ady. Sady tsy hianareo no nanome azy ho azy ireo, fa raha izany no meloka hianareo. 23 Dia nataon'ny taranak'i Benjamina izany, samy naka vady ho azy tamin'ny mpandihy nosamboriny, araka ny isany, izy ireo; ary niainga hody amin'ny lovany, dia nanorina ny tanànany indray sy nonina teo izy. 24 Tamin'izany andro izany dia niala teo ny tanak'Israely, samy ho any amin'ny fokony sy ny fianakaviany; samy nody avy eo ho any amin'ny lovany avy.
25 Tsy nisy mpanjaka teo amin'Israely tamin'izany andro izany, fa samy nanao izay hitany fa tsara.
Bokin'i Rota
Toko voalohany
1 Tamin'ny andro nanapahan'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin'ny tanin'i Moaba, niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy.2 Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Noemì no anaran'ny vadiny, ary Mahalòna sy Seljòna no anaran'ny zanany roa lahy. Efrateana avy any Betleema any Jodà izy ireo, ary nankany amin'ny tanin'i Moaba sy nonina tany. 3 Ary maty Elimeleka vadin'i Noemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.
4 Naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo. 5 Fa maty daholo koa izy roa lahy dia Mahalòna sy Seljòna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny. 6 Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin'ny tanin'i Moaba, satria reny tany amin'ny tanin'i Moaba fa efa novangian'ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina.
7 Niala teo amin'ny tany nonenany izy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin'ny tanin'i Jodà. 8 Ary hoy Noemì tamin'ireto vinantony roa vavy: Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy hianareo. Enga anie ka hanao soa aminareo Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin'ireo maty sy tamiko koa.
9 Samy hampahitan'ny Tompo fiadanana anie any hianareo, any amin'ny tranon'izay ho vadinareo. Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany. 10 Ary hoy izy taminy hoe: Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin'ny firenenao izahay. 11 Fa hoy Noemì: Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko? 12 Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho, ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aza aho fa manantena ihany, na dia hanambady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza, 13 moa hahandry mandra-pahalehiben'izany va hianareo? Moa hahajanona tsy hanambady fanindroany noho izany? Tsia, anaka. Noho hianareo dia mangidy amiko indrindra ny namelezan'ny tànan'ny Tompo ahy. 14 Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary Orfà nanoroka ny rafozany, fa Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy. 15 Ka hoy Noemì: Nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny iry ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin'ny zaobavinao koa. 16 Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; 17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin'ny Tompo amin'izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao. 18 Nony hitan'i Noemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy. 19 Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betleema. Nony niditra an'i Betleema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: Fa Noemì ve io e?
20 Dia hoy izy tamin'ireo: Aza atao hoe Noemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon'ny Tompo safotry ny mangidy aho. 21 Feno tànana aho no nivoaka fa foan-tànana kosa no ampodin'ny Tompo. Ka ahoana no hiantsoanareo ahy hoe Noemì ihany; nefa Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy. 22 Toy izany no nodian'i Noemì, ary niaraka taminy Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy any amin'ny tanin'i Moaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin'ny niandohan'ny fijinjana ny orja.
Toko faha-2
1 Nanana havam-bady anankiray Noemì; lehilahy manan-jò sy manan-karena, avy amin'ny fianakavian'i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany.2 Ary hoy Rota ilay Moabita tamin'i Noemì: Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Ka hoy izy namaly azy: Andeha, anaka.
3 Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin'ny saha anankiray teo aorian'ny mpijinja, ary sendra teo amin'ny tanimbarin'i Booza, fianakavian'i Elimeleka indrindra, no nalehany. 4 Ary indro, tonga any Betleema Booza, ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Ho aminareo anie Iaveh. Dia hoy kosa ireo namaly azy: Hanambina anao anie Iaveh. 5 Ary hoy Booza tamin'ny mpanompony, izay nitandrina ny mpijinja: 6 An'iza io zazavavy io? Dia namaly ilay mpanompo nitandrina ny mpijinja nanao heo: Zazavavy Moabita niara-tonga tamin'i Noemì io avy any amin'ny tanin'i Moaba. 7 Nilaza taminay izy nanao hoe: Mba avelao kely aho hitsimpona sy hanangona ny salohim-bary eny anelanelan'ny amboarany, eo aorian'ny mpijinja. Dia tsy nipetraka izy hatrizay nahatongavany aninaraina ka mandrak'ankehitriny, ary izay fialany sasatra ao an-trano dia fohy. 8 Dia hoy Booza tamin'i Rota: Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin'ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin'ny ankizivaviko.