Bokin'i Rota
Toko faha-2
9 Jereo izay tanimbary hojinjàna dia manaraha eo aorian'ireo. Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta hianao, mandehana eo amin'ny siny dia misotroa amin'izay nantsakain'ny mpanompo. 10 Tamin'izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin'ny tany, ka nanao taminy hoe: Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny? 11 Dia hoy ny navalin'i Booza azy: Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an'ny rafozanao hatrizay nahafatesan'ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin'ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao aty amin'ny firenena tsy fantatrao akory taloha. 12 Hamaly ny nataonao anie Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin'ny Tompo Andriamanitr'Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana. 13 Ary hoy izy: Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy hianao, ary niteny tamin'ny fon'ny ankizivavinao hianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny ankizivavinao akory aza aho. 14 Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia hoy Booza tamin'i Rota: Mandrosoa hihinana mofo ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny tapa-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy, ary nomen'i Booza lango. Dia nihinana izy, ka voky, ary ny sisa notehiriziny.15 Avy eo dia nitsangana izy hitsimpona salohim-bary. Ary izao no teny nomen'i Booza ny mpanompony: Aoka izy hitsimpona eny anelanelan'ny amboarany eny koa, fa aza manao izay hahamenatra azy, 16 ary misariha salohy avy amin'ny amboarany aza ho azy, ka avelao mba hotsimponiny fa aza maninitsiny azy. 17 Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan'ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah.
18 Noraisiny izany dia nody nankany an-tanàna izy, ka hitan'ity rafozany izay voatsimpony, ary nalainy koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny sakafony ka natolony azy. 19 Dia hoy ny rafozany taminy: Taiza no nitsimpona hianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao! Nambaran'i Rota tamin'ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: Tany amin'ny lehilahy atao hoe Booza aho no niasa androany.
20 Ary hoy Noemì tamin'ity vinantony: Hambinin'ny Tompo anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin'ireo maty ihany koa. Hoy Noemì taminy: Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan'izay mahazo manavotra antsika koa. 21 Dia hoy Rota, ilay Moabita: Izao koa no nolazainy tamiko: Miaraha amin'ny mpanompoko hianao, mandra-pahataperan'ny fijinjana. 22 Ka hoy Noemì tamin'i Rota vinantony: Tsara, anaka, raha miaraka amin'ny mpanompovaviny hianao, fandrao dia asian'ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa. 23 Ka dia niaraka tamin'ireo mpanompovavin'i Booza izy no nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny fromanta. Ary tao amin'ny rafozany ihany izy no nitoetra.
Toko faha-3
1 Dia hoy Noemì rafozany taminy: Te-hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka.2 Ary amin'izao moa tsy havantsika va Booza, tompon'ny ankizivavy niarahanao? Indro fa hikororoka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina. 3 Koa mandroa hianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna any am-pamoloana. Aza atao hitany anefa hianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy. 4 Nony injay handeha handry izy, kendreo tsara izay toerana handriany dia midira ao, ka sokafy ny firakofany eo an-tongony ary mandria eo, fa holazainy aminao izay hataonao. 5 Dia hoy razazavavy namaly azy: Eny, fa hataoko avokoa izay asainao hataoko. 6 Dia nidina nankany am-pamoloana izy, ka nanao izay rehetra nasain-drafozany hatao.
7 Nihinana sy nisotro Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarý amin'ny faran'ny antontan'amboaram-bary; nitsaitsaika nanatona Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. 8 Nony nisasaka ny alina, taitra ralehilahy ka niondrika dia indro nisy vehivavy nandry teo an-tongony. 9 Dia hoy izy: Iza izato? Ary hoy ny navaliny azy: Izaho no Rota ankizivavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizivavinao, fa havana mahazo manavotra hianao. 10 Dia hoy izy: Hohasoavin'ny Tompo anie hianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora hianao, na manan-karena izany, na mahantra. 11 Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betleema fa vehivavy tsara toe-panahy hianao. 12 Ary amin'izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho. 13 Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha ta-hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te-hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona Iaveh! Fa mandria eo mandra-pahamarain'ny andro. 14 Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-pahamarain'ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy ahafataran-dahy, fa hoy Booza: Aoka tsy ho fantatr'olona akory fa taty am-pamoloana ity vehivavy ity.
15 Ary hoy kosa izy: Ento aty ny lamba itafianao ka hazony. Dia nohazoniny ka namàtra orja inenin'ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy. 16 Nony tonga tany amin-drafozany Rota, dia hoy Noemì: Inona no nataonao, anaka? Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.
17 Ary nomeny ity orja inenin'ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny hianao. 18 Ka hoy Noemì: Mijanòna eto, anaka, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.
Toko faha-4
1 Niakatra teo am-bavahadin'ny tanàna Booza ka nipetraka tao. Ary inty tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan'i Booza, ka hoy izy taminy: ô Ranona ity ô, mijanòna kely, mipetraha eto. Dia nijanona ilay lehilahy, sady nipetraka.2 Ary naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Booza, ka hoy izy: Mipetraha eto hianareo. Dia nipetraka izy ireo. 3 Dia hoy izy tamin'ilay mahazo manavotra: Ny anjara tanin'i Elimeleka rahalahintsika dia namidin'i Noemì, ity efa tonga avy any amin'ny tanin'i Moaba. 4 Ka hoy aho hoe: tiako ny hampandre anao izany sy ny hilaza aminao hoe: Vidio izany eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eo anoloan'ny loholona amin'ny fireneko. Raha ta-hanavotra hianao avoty; raha tsy tianao, dia ambarao izany mba ho fantatro; fa tsy misy olona mahazo manavotra alohanao; ary izaho no manarakaraka anao. Dia hoy ny navaliny hoe: Hanavotra aho. 5 Ka hoy Booza: Amin'ny andro hahazoanao ny tany amin'ny tànan'i Noemì dia ho azonao koa izany amin'ny tànan'i Rota, ilay Moabita, vadin'ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran'ny maty eo amin'ny lovany. 6 Ary namaly ilay mahazo manavotra: Tsy afa-manavotra izany amin'ny anarako aho fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho. 7 Fanao teo amin'Israely fahiny, raha misy fanavotana na fanakalozana, ny manala ny kirarony ny anankiray dia omeny ny iray hafa mba handraikitra ny raharaha, dia izany no natao vavolombelona teo amin'Israely.
8 Ka hoy itsy nahazo nanavotra, tamin'i Booza: Vidio ho anao izany. Sady nesoriny ny kirarony. 9 Ary hoy Booza tamin'ireto loholona sy ny olona rehetra: Vavolombelona androany hianareo fa lasako tamin'ny tànan'i Noemì izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Seljòna sy Mahalòna; 10 lasako miaraka amin'izany koa ho vadiko Rota Moabita, vadin'i Mahalòna, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty eo amin'ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin'ny rahalahiny sy eo am-bavahadin'ny fonenany ny anaran'ny maty. Hianareo no vavolombelon'izany androany. 11 Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin'ny loholona: Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon'ny Tompo tahaka an-dRasely sy Lià ny vehivavy izay miditra ao amin'ny tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon'Israely. Ary hianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka hianao hampanan-daza ny anaranao any Betleema. 12 Hanahaka ny tranon'i Fareza izay naterak'i Tamara tamin'i Jodà anie ny tranonao, amin'ny taranaka homen'ny Tompo anao amin'ity zazavavy ity. 13 Dia nampakarin'i Booza Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy Booza. Ary nampanan'anaka an'i Rota Iaveh ka niteraka zazalahy izy.
14 Dia hoy ny vehivavy tamin'i Noemì: Isaorana anie Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotra hianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin'Israely! 15 Io no hamelona ny ainao sy ho tohan'ny fahanteranao, fa naterak'ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao. 16 Dia noraisin'i Noemì ny zaza ka nataony teny an-trotroany, ary izy no nitaiza azy. 17 Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: Nahazo zazalahy Noemì, ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain'i Isaia, rain'i Davida.