Bokin'i Rota
Toko faha-4
18 Izao no taranak'i Faresa niteraka an'i Esrona:19 Esrona niteraka an'i Arama, Arama niteraka an'i Aminadaba, 20 Aminadaba niteraka an'i Nahasona, Nahasona niteraka an'i Salmona, 21 Salmona niteraka an'i Booza, Booza niteraka an'i Obeda, 22 Obeda niteraka an'i Isaia, Isaia niteraka an'i Davida.
Boky Voalohan'i Samoela
Toko voalohany
1 Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima, any amin'ny tendrombohitr'i Efraima, atao hoe El-kanà, zanak'i Jerohama, zanak'i Eliò, zanak'i Taohò, zanak'i Sofa; Efrateana izy io.2 Nampirafy izy ka Annà no anaran'ny vadiny anankiray, ary Fenenà kosa, ny anankiray. Nanan-janaka Fenenà, fa Annà kosa tsy mba nanan-janaka. 3 Niakatra avy any an-tanànany isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin'ny Tompon'ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak'i Jelì, roa lahy, dia Ofnì sy Finea, mpisoron'ny Tompo. 4 Tamin'ny andro nanateran'i Elkanà sorona, dia samy nomeny anjara avy Fenenà vadiny, sy ny zanany lahy aman-janany vavy, 5 ary Annà nomeny anjaran-droa satria tiany Annà, ary nataon'ny Tompo momba. 6 Sady mbola nankalozain'ity rafiny mafy izaitsizy koa izy, mba hampalahelo azy amin'ny nanaovan'ny Tompo azy momba. 7 Ary toy izany no nataon'i Elkanà isan-taona isaka ny iakaran'i Annà any an-tranon'ny Tompo; fa nampijalin'i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin'izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina. 8 Hoy Elkanà vadiny taminy: Ry Annà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao? 9 Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana Annà kosa. Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin'ny fipetrahana anankiray, teo anoloan'ny anankiray amin'ny tsato-kazon'ny tempolin'ny Tompo.
10 Fo vontom-pahoriana no nivavahan'i Annà tamin'ny Tompo ary nipotrapotraka ny ranomasony; 11 ary nivoady izy, nanao hoe: Iavehn'ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian'ny ankizivavinao hianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao dia homeko ho an'ny Tompo izy, amin'ny andro iainany rehetra, ary tsy hokasihin-kareza ny lohany. 12 Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan'ny Tompo ka nodinihin'i Helì ny vavany. 13 Fa niteny anakampo Annà, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory. Noheverin'i Helì fa mamo izy. 14 Dia hoy izy taminy: Mandra-pahoviana hianao no ho mamo? Mampisavà ny hamamoana avy amin'ny divainao. 15 Fa hoy Annà: Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-pò aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan'ny Tompo. 16 Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon'i Beliala fa ny hamafin'ny alahelo amam-pahoriako no nitenenako mandrak'ankehitriny. 17 Dia niteny indray Helì ka hoy izy: Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin'Andriamanitr'Israely anie ny vavaka nataonao taminy. 18 Ka hoy izy: Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao. Dia lasa nizotra ny làlany ravehivavy, dia nihinana izy ary niova ny tarehiny. 19 Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan'ny Tompo, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà. 20 Ary Elkanà nahalala an'i Annà vadiny, ary Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka Annà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin'ny Tompo, hoy izy.
21 Dia niakatra Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra hanatitra amin'ny Tompo ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny.
22 Tsy mba niakatra anefa Annà, fa hoy izy tamin'ny lahy: Rahefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko hiseho eo anatrehan'ny Tompo sy hitoetra eo mandrakizay. 23 Ary hoy Elkanà vadiny taminy: Ataovy izay heverinao ho mety; mijanòna aty aloha, mandra-panotinao azy, ary ho efain'ny Tompo anie ny teniny. Dia nijanona ravehivavy, ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. 24 Nony efa notazany ny zaza, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr'ombilahy telo, sy lafarina iray efah, ary divay eran'ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-tranon'ny Tompo tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza. 25 Dia novonoin'izy ireo ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny nankao amin'i Helì ny zaza. 26 Ka hoy Annà: Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin'ny Tompo. 27 Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken'ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy. 28 Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an'ny Tompo; nafoy ho an'ny Tompo izy amin'ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan'ny Tompo izy ireo.
Toko faha-2
1 Ary nivavaka Anna, ka nanao hoe: Ny foko misomebin-kafaliana amin'ny Tompo, ny tandroko nasandratry ny Tompo, ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.2 Tsy misy masina tahaka an'ny Tompo, fa tsy misy afa-tsy hianao no izy; tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.
3 Aza dia fatra-piteny avonavona na mamoaka vava midaondaom-poana. Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra Iaveh, ary levon-ko tsinontsinona ny asan'ny olombelona.
4 Ny olo-mahery tapa-tsipìka fa ny osa kosa misikina hery.
5 Ny voky taloha mikarama mofo, fa ny noana kosa afa-kanoanana; ny momba aza miteraka fito, fa ny maro anaka kosa mihamalazo.
6 Iaveh no mahafaty sy mahavelona; mampidina any amin'ny fonenan'ny maty sy mampiakatra avy any koa.
7 Iaveh no mampahantra sy mampanan-karena. Izy no mampietry sy manandratra.
8 Esoriny amin'ny vovoka ny mahantra; atsangany hiala amin'ny zezika ny tsy manana, hampiarahiny mitoetra amin'ny mpanjaka, ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. Fa an'ny Tompo ny andrin'ny tany, ary teo amboniny no nametrahany ny tany.
9 Ny dian'ny olo-masiny hotandremany, fa ny ratsy fanahy kosa ho very any amin'ny maizina. Satria tsy ny hery no hahombiasan'ny olona.
10 Iaveh! ho torotoro ny fahavalony, any ambonin'ny lanitra no hikotrohany amin'ireny; hotsarain'ny Tompo ny vazan-tany rehetra. Homeny hery ny mpanjakany, ary hasandrany ny tandroky ny voahosony.
11 Dia nandeha Elkanà nody tany an-tranony any Ramà; ary ny zaza nijanona nanompo an'ny Tompo teo anatrehan'i Helì, mpisorona.
12 Ary ny zanak'i Helì dia olon'i Beliala, tsy nahalala an'ny Tompo akory;
13 fa izao no fanaon'izy mpisorona tamin'ny vahoaka: Raha misy olona manatitra sorona, dia tamy ny mpanompon'ny mpisorona dieny mbola handrahoina ny hena sady mitondra fitrebika telo rantsana izy; 14 dia atsobony ao anatin'ny vilany lehibe na nongo na vilany, na vilanin-daoka; ka izay rehetra azon'ny fitrebika avy ao, dia alain'ny mpisorona ho azy. Ataony toy izany avokoa ny Israelita tonga ao Silao. 15 Mbola tsy voadoro akory ny sabora, dia tonga ny mpanompon'ny mpisorona, milaza amin'izay manatitra sorona hoe: Omeo hena aho, hatsatsika ho an'ny mpisorona, fa tsy handray hena masaka aminao izy, fa ny mbola manta ihany. 16 Ary raha miteny aminy ny olona manao hoe: Aoka aloha hodorana hanetona ny sabora, vao izay vao maka izay tianao hianao, dia valian'ity mpanompo hoe: Tsia, omeo ankehitriny izao ihany, fa raha tsy izany dia halaiko an-keriny. 17 Ka dia heloka be vava teo anatrehan'ny Tompo ny an'ireo zatovo ireo, satria nahatarika fanaratsiana ny fanatitra ho an'ny Tompo izany olona izany.