Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-2
18 Nanao ny fanompoana teo anatrehan'ny Tompo Samoela, ary efoda rongony no notafian'ny zaza.19 Nanaovan-dreniny akanjo kely izy, nentiny ho azy isan-taona, rahefa miara-miakatra amin'ny vadiny izy, hanatitra ny sorona fanao isan-taona. 20 Ary Helì nito-drano an'i Elkanà mivady ka nanao hoe: Homen'ny Tompo taranaka amin'ity vehivavy ity anie hianao noho ny fanomezana nataony ho an'ny Tompo. Dia lasa nody izy ireo. 21 Novangian'ny Tompo Annà, ka nanana anaka, dia niteraka telo lahy sy roa vavy. Ary Samoela kely nitombo teo anatrehan'ny Tompo. 22 Efa antitra dia antitra Helì, ary nandre ny nataon'ny zanany tamin'Israely rehetra izy, sy ny nandriany tamin'ny vehivavy nanompo teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana,
23 ka nanao taminy hoe: Ahoana no anaovanareo izany zavatra izany? Fa reko amin'izao vahoaka rehetra izao ny ratsy ataonareo. 24 Tsia, anaka, tsy tsara ny vavam-bahoaka reko; fa mampanota ny vahoakan'ny Tompo. 25 Raha olombelona no anotan'olombelona dia Andriamanitra no mitsanga-ko elanelam-panahy, fa raha Iaveh kosa no anotàny, iza no hifona ho azy? Tsy nihaino ny feon-drainy anefa izy ireo fa ny hahafaty azy no sitra'Iaveh. 26 Samoela kely kosa, nitombo nitombo ihany, ary sitrak'Iaveh sy ny olombelona. 27 Ary nisy olon'Andriamanitra anankiray tonga tao amin'i Helì ary nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Tsy efa niseho mazava tamin'ny ankohonan-drainao va aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon'i Faraona?
28 Nofidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra izy ho mpisoroko, hiakatra amin'ny oteliko, handoro zava-manitra, hitafy ny efoda eo anatrehako, ary nomeko ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny zanak'Israely amin'ny afo. 29 Ka ahoana no dia nohosenareo amin'ny tongotrareo ny sorona amam-panatitra ho ahy izay nodidiako haterina ao amin'ny fonenako? Ary nahoana no dia ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho izaho, fa anatavezanareo tena ny tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra avy amin'Israely vahoakako. 30 Noho izany, izao no tenin'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy Iaveh. Fa izay manaja ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira ahy hotsiratsiraiko koa. 31 Indro tonga ny andro hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony amin'ny taranakao. 32 Hianao hahita ny fonenanao voaetry amin'ny fotoana hamenoan'Andriamanitra soa an'Israely: ary amin'ny taranakao tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony, na oviana na oviana. 33 Tsy hofongorako tsy ho eo amin'ny oteliko avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny taranakao mba hahajemby ny masonao sy handreraka ny fonao, nefa ho faty amin'ny taonan'ny fahatanjahany avokoa ny solofo rehetra amin'ny taranakao. 34 Ary ho famantaranao izany, ny hanjò ny zanakao roa lahy, dia Ofnì sy Finea, fa ho indray andro maty izy roa lahy. 35 Ary hanangana mpisorona mahatoky aho, izay hanao araka ny foko sy ny fanahiko ary hanorenako trano mafy orina izy, ary handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay. 36 Ka ho avy hiankohoka eo anatrehany avokoa izay sisa tavela amin'ny taranakao, hangataka lela vola na sombi-mofo kely, ary hiteny hoe: Raha sitrakao mba omeo anjara kely eo amin'ny raharaham-pisoronana aho, mba hahazoako mofo kely hohanina.
Toko faha-3
1 Nanao ny fanompoana tamin'ny Tompo teo anatrehan'i Helì, Samoela kely. Nahalana ny tenin'ny Tompo tamin'izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.2 Tamin'izany andro izany nony nandry Helì teo amin'ny fitoerany, - ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy; 3 ny jiron'Andriamanitra mbola tsy maty, ary Samoela nandry tao an-tempolin'ny Tompo izay nisy ny fiaran'Andriamanitra; - 4 dia nantsoin'ny Tompo Samoela ka namaly hoe: Inty aho! 5 Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Ary hoy Helì: Tsy niantso aho, fa miverena mandry. Dia lasa izy nandry. 6 Nantsoin'ny Tompo indray Samoela ka niarina Samoela dia nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Namaly Helì: Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry. 7 Tsy mbola nahalala an'ny Tompo Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin'ny Tompo izy. 8 Ary nantsoin'ny Tompo fanintelony indray Samoela ka niarina, dia nankany amin'i Helì, 9 nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Fantatr'i Helì tamin'izay fa Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy Helì tamin'i Samoela: Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena, ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tany amin'ny fitoerany. 10 Ary tonga Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: Ry Samoela ô! ry Samoela ô! Dia namaly Samoela: Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.
11 Ary hoy Iaveh tamin'i Samoela: Indro aho hanao zavatra eo amin'Israely; ka tsy hisy handre izany ka tsy hangintsingintsina ny sofiny roa. 12 Hotanterahiko amin'i Helì amin'izany andro izany izay rehetra voalazako ny amin'ny tranony; hanomboka aho ary hanapitra koa. 13 Voalazako taminy fa handeha hanao fitsarana ny tranony aho ho amin'ny mandrakizay, noho ny heloka izay fantany, sy ny nivarinan'ny zanany ho ratsy, nefa tsy nosakanany. 14 Izany no nianianako tamin'ny tranon'i Helì fa tsy ho azo honeran'ny sorona na ny fanatitra ny heloky ny tranon'i Helì.
15 Dia mbola nandry mandra-pahamarain'ny andro Samoela vao namoha ny varavaran'ny tranon'ny Tompo. Ary natahotra Samoela ny hilaza ny fahitany tamin'i Helì. 16 Fa nantsoin'i Helì kosa Samoela nataony hoe: Ry Samoela zanako ô! ka namaly hoe: Inty aho. 17 Ary hoy Helì: Inona no teny voalaza taminao? Masìna hianao, aza anafenana amiko. Hoentin'ny Tompo amin'izay sarotra indrindra anie hianao, raha misy afeninao amiko izay rehetra nolazainy taminao. 18 Dia nambaran'i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy nafeniny na dia kely aza. Ka hoy Helì: Iaveh izy ka aoka hataony izay fantany ho mety. 19 Dia nitombo ho lehibe Samoela sady nomba azy Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
20 Fantatr'Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea fa tena mpaminanin'ny Tompo marina tokoa Samoela. 21 Ary Iaveh nanohy ny fisehoany tao Silao, fa niseho tamin'i Samoela tao Silao Iaveh, tamin'ny tenin'ny Tompo.
Toko faha-4
1 Ary natao tamin'Israely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nivoaka hiady tamin'ny Filistina Israely ka nitoby teo akaikin'ny Eben-Ezera; ary ny Filistina nitoby tao Afeka.2 Ary nony nilahatra hiady tamin'Israely ny Filistina, ka rafitra ny ady, dia resin'ny Filistina Israely, nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady teo amin'ny tany lemaka. 3 Niverina tany an-toby ny olona, ary hoy ny loholon'Israely: Nahoana Iaveh no namely antsika teo anoloan'ny Filistina androany? Andeha hoentina hankaty amintsika avy any Silao ny fiaran'ny faneken'ny Tompo; aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin'ny tànan'ny fahavalontsika izy. 4 Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy any amin'io tanàna io ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tafika, izay mipetraka amin'ny kerobima. Niaraka tamin'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo Andriamanitra izy mirahalahy zanak'i Helì, dia Ofnì sy Finea. 5 Nony niditra teo an-toby ny fiaran'ny faneken'ny Tompo dia nihoby an-kafaliana lehibe Israely rehetra, ka nanako ny tany.
6 Ren'ny Filistina ny fikotrokotrok'izany hoby izany, ka hoy izy: Inona no anton'izany hobin-kafaliana mikotrokotroka any an-tobin'ny Hebrio izany? Dia reny fa ny fiaran'ny faneken'ny Tompo no tonga tao an-toby. 7 Ka raiki-tahotra ny Filistina fa nataony hoe: Tonga ao an-toby Andriamanitra. Dia hoy izy: Hahita loza isika, fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandrak'ankehitriny! 8 Hahita loza isika! Iza no hanafaka antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejipsiana tany an'efitra tamin'izao loza rehetra izao. 9 Samia matanjaka sy mitomban-dahy hianareo, ry Filistina, fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo. Misehoa ho lehilahy ary miadia. 10 Dia niady ny Filistina ka resy Israely sy samy nandositra ho any an-dainy avy; ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra no lavo tamin'Israely.