Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-4
11 Ny fiaran'Andriamanitra dia voasambotra ary izy roa lahy zanak'i Helì, Ofnì sy Finea, dia maty. 12 Androtr'izay ihany dia tonga tao Silao ny lehilahy anankiray amin'i Benjamina nihazakazaka avy any an-tany niadiana, rovitra ny akanjony, nihosom-bovoka ny lohany.13 Tamin'ny fotoana nahatongavany dia nipetraka tamin'ny seza anankiray teo amoron-dàlana Helì ka niandry, fa nangitakitaka ny fony noho ny amin'ny fiaran'Andriamanitra. Rahefa tafiditra tao an-tanàna ralehilahy hilaza izany vaovao izany dia nihorakoraka ny tanàna rehetra. 14 Raha nandre izany horakoraka izany Helì, dia nanao hoe: Inona izao fihahohahoam-pitabatabana izao? Ary niaraka tamin'izay dia tonga ralehilahy nilaza ny vaovao tamin'i Helì. 15 Ary efa valo amby sivy folo taona Helì fahizàny; tsy nihetsika ny masony ary tsy nahita intsony izy. 16 Hoy ralehilahy taminy: Vao tonga avy any amin'ny tany niadiana aho, ary avy any amin'ny tany niadiana no nandosirako androany. Hoy Helì: Nanao ahoana sy ahoana avy, anaka? 17 Dia hoy ity iraka: Nandositra teo anoloan'ny Filistina Israely: be dia be no voavono tamin'ny vahoaka; izy roa lahy zanakao aza maty koa, dia Ofnì sy Fiena, ary ny fiaran'Andriamanitra lasan-ko babo. 18 Vao notononiny ny hoe fiaran'Andriamanitra dia lavo nitsilany avy teo ambony sezany teo anilan'ny vavahady Helì ka folaka ny hatony, dia maty izy, satria olona efa antitra sy mavesatra izy. Efapolo taona no nitsarany an'Israely. 19 Bevohoka sy efa ho teraka ny vinantony vavy, vadin'i Finea, tamin'izay. Nony reny ny vaovao fa hoe lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra ary maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny dia nionkina ka teraka, fa voan'ny faharariana.
20 Efa ho faty izy no nilazan'ireo vehivavy teo akaikiny nataony hoe: Aza matahotra fa tera-dahy hianao. Nefa tsy novaliany na nasiany raharaha akory izany. 21 Nataony hoe Ikaboda no anaran'ny zaza fa hoy izy: Efa voaesotra amin'Israely ny voninahitra noho ny nahalasanan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra sy ny nahafatesan'ny rafozany sy ny vadiny. 22 Hoy izy: Efa voaesotra amin'Israely ny voninahitra fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
Toko faha-5
1 Nony azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra dia nentiny avy tany Eben-Ezera ho any Azota.2 Nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka nampidiriny tao an-tranon'i Dagona sy napetrany teo anilan'i Dagona. 3 Nony ampitso, nifoha maraina ny Azotiana, ka indro Dagona nitsingidina nihohoka tamin'ny tany, teo anoloan'ny fiaran'ny Tompo. Dia nalainy Dagona ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray. 4 Ny ampitson'izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro Dagona fa nitsingidina nihohoka tamin'ny tany, teo anoloan'ny fiaran'ny Tompo, ary ny lohan'i Dagona sy ny tànany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana, 5 fa ny tenabeny miendri-kazandrano no sisa. Izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona mbamin'izay rehetra miditra ao an-tranon'i Dagona any Azota, ny tokonam-baravaran'i Dagona mandrak'androany. 6 Ary niampatra namely ny Azotiana ny tànan'ny Tompo ka nampiferin'aina azy; fa namely azy tamin'ny vay, tao Azota sy tao amin'ny faritaniny.
7 Nony nahita ny nahazo azy ny Azotiana dia nanao hoe: Aoka tsy hijanona aty amintsika ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, fa manampatra ny tànany amintsika sy amin'i Dagona andriamanitsika izy.
8 Dia naniraka olona izy ireo, niantso ny filohan'ny Filistina rehetra hankeo aminy, ary nilaza hoe: Hataontsika ahoana ity fiaran'ny Andriamanitr'Israely? Ka hoy ny navalin'ireo: Aoka hafindra any Geta ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely; ka nafindrany tao ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely. 9 Kanjo vantany vao nafindra tany dia niampatra namely ny tanàna ny tànan'ny Tompo, ka tsiravina indrindra ny tao, fa namely ny olona tao an-tanàna izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe ka nipoiran'ny vay izy ireo. 10 Tamin'izany dia nalefany hankany Akarona ny fiaran'Andriamanitra. Vao niditra tao Akarona ny fiaran'Andriamanitra, dia nibabababa ny Akaronita nanao hoe: Nentiny taty amintsika ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika. 11 Ka naniraka olona niantso ny filohan'ny Filistina rehetra izy, ka hoy izy: Alefaso ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, hiverina any amin'izay nitoerany indray mba tsy hahafaty anay sy ny firenenay. 12 Fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, ary namely azy mafy ny tànan'Andriamanitra. Ny olona sisa tsy maty dia nasian'ny vay, ka nanakatra ny lanitra ny fibabababam-pahoriana avy tao an-tanàna.
Toko faha-6
1 Fito volana no nipetrahan'ny fiaran'ny Tompo tany amin'ny Filistina,2 dia nantsoin'ny Filistina ny mpisorona mbamin'ny mpimasy, nilazany hoe: Hatao ahoana ity fiaran'ny Tompo? Lazao anay izay famerina azy ho amin'ny fitoerany. 3 Ary hoy ny navaliny: Raha mamerina ny fiaran'Andriamanitr'Israely hianareo, aza mamerina azy fotsiny, fa tsy maintsy ombanareo fanati-panonerana izy; amin'izay dia ho sitrana hianareo, ka ho fantatrareo ny tsy nialan'ny tànany taminareo. 4 Ka hoy ny Filistina: Inona no fanati-panonerana hataonay aminy? 5 Dia hoy ny navaliny: Vay volamena dimy, sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ny andrianan'ny Filistina, fa aretina iray ihany no nahazo anareo sy ny andriananareo. Koa manaova sarin'ny vainareo sy sarin'ny totozinareo, izay manimba ny tany; izany anomezo voninahitra ny Andriamanitr'Israely; fa angamba izy hitsahatra tsy hanampatra ny tànany aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo. 6 Nahoana hianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan'i Ejipta sy Faraona ny fony? Tsy nalefan'ireo handeha va ny zanak'Israely, nony efa nasiany tamin'ny saziny izy ireo? 7 Koa ankehitriny manaova sarety iray vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, tsy mbola nitondra zioga; afehezo amin'ny sarety ny ombivavy, ary ny zanany ento lavitra azy any an-tranon'omby. 8 Dia alaovy ny fiaran'ny Tompo, apetraho eo ambony sarety, ary apetraho eo anilany anaty vata kely, ireo fanaka volamena homenareo ho fanati-panonerana, ka alefaso izy dia handeha any. 9 Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin'ny làlana mankany amin'ny taniny, ho any Beti-Samesy izy, dia Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tànany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan'izany tamintsika. 10 Dia nataon'ny olona izany; naka ombivavy roa mitaiza izy, nafehiny tamin'ny sarety, ary nohidiany tao an-tranon'omby ny zanany;
11 dia napetrany teo ambony sarety ny fiaran'ny Tompo mbamin'ny vata kely nisy ny totozy volamena sy ny sarim-bainy. 12 Avy hatrany dia ny làlana mankany Beti-Samesy no nalehan'ireto ombivavy. Nizotra tamin'izany làlana izany izy sady nandroso no nimamà, ka tsy nivily ho amin'ny ankavanana izy, na ho amin'ny ankavia. Narahin'ny andrianan'ny Filistina avy eo aoriany izy hatrany amin'ny faritanin'i Beti-Samesy. 13 Nijinja varim-bazaha tany an-dohasaha ny olona tao Beti-Samesy. Nony nanopy ny masony izy dia nahatazana ny fiara, ka nifaly nahita azy.
14 Tonga teo amin'ny sahan'i Josoe Betisamita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo, ka novakina ny hazon-tsarety dia nateriny ho sorona dorana ho an'ny Tompo ny ombivavy. 15 Nony voampidin'ny Levita ny fiaran'ny Tompo mbamin'ny vata kely teo akaikiny nisy ny fanaka volamena, dia napetrany teo ambonin'ilay vato lehibe. Nanatitra sorona dorana sy sorona ho an'ny Tompo ny mponina tao Beti-Samesy tamin'izany andro izany. 16 Rahefa nahita izany ireo andriana dimy amin'ny Filistina, dia niverina tany Akarona androtr'izay ihany. 17 Izao no vay volamena nomen'ny Filistina an'ny Tompo ho fanati-panonerana: iray tamin'i Azota, iray tamin'i Gazà, iray tamin'i Askalona, iray tamin'i Geta, iray tamin'i Akarona.
18 Ny totozy volamena koa dia araka ny isan'ny tanànan'ny Filistina rehetra an'ireo andriana dimy, na ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy misy manda. Vavolombelon'izany ny vatolampy lehibe izay nametrahana ny fiaran'ny Tompo izay mbola ao amin'ny tanimbarin'i Josoe Betisamita mandrak'androany. 19 Nokapohin'ny Tompo ny olona tao Beti-Samesy, fa nijerijery foana ny fiaran'ny Tompo, ka olona fitopolo sy dimy alina no novonoiny tamin'ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan'ny Tompo ny vahoaka tamin'ny loza mafy. 20 Ary hoy ny olona ao Beti-Samesy: Iza no ho velona eo anoloan'ny Tompo, dia izany Andriamanitra masina izany? Ary ho any amin'iza no hiakarany, avy eto amintsika? 21 Dia nandefa iraka nankany amin'ny mponina any Kariatiarima izy ireo, hilaza hoe: Naverin'ny Filistina ny fiaran'ny Tompo ka midìna hianareo hampiakatra azy ho any aminareo.
Toko faha-7
1 Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampakatra ny fiaran'ny Tompo, nentiny nankany an-tranon'i Abinadaba any amin'ny havoana; ary Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny fiaran'ny Tompo.2 Hatramin'ny andro nametrahana ny fiaran'ny Tompo tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin'ny Tompo ny tranon'Israely rehetra.
3 Ka hoy Samoela tamin'ny tranon'Israely rehetra: Raha miverina amin'ny Tompo amin'ny fonareo rehetra tokoa hianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin'ny Tompo ny fonareo, ka izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin'ny tànan'ny Filistina izy. 4 Dia nesorin'ny taranak'Israely teo aminy ny Baala sy ny Astarte, ka Iaveh irery ihany no notompoiny. 5 Ary hoy Samoela: Vorio any Masfà Israely rehetra ary hivavaka amin'ny Tompo ho anareo aho.