Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-9
17 Ka vao nahita an'i Saola Samoela dia hoy Iaveh taminy: Io no lehilahy voalazako taminao, izy no hanjaka amin'ny oloko. 18 Nanatona an'i Samoela tao am-pamatonan'ny vavahady Saola nanao hoe: Aza mahafady, mba atoroy ahy kely ny tranon'ny mpahita.19 Dia hoy Samoela tamin'i Saola: Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko hianareo anio; rahampitso vao halefako handeha hianao, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao. 20 Ary aza manan'eritreritra ny amin'ireo ampondranao izay verinao efa hateloana izay, fa efa hita ireny. Sady ho an'iza koa moa ny zava-tsoa rehetra ao amin'Israely? Moa tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao rehetra va izany? 21 Ka hoy ny navalin'i Saola: Moa tsy Benjamita aho, amin'ny kely indrindra amin'ny fokon'Israely? Ary amin'ny fokon'i Benjamina moa tsy dia ny fianakaviako va no kely indrindra! Ka ahoana ange no nilazanao teny toy izany tamiko? 22 Fa nentin'i Samoela Saola sy ny mpanompony ka nampidiriny tao amin'ny efi-trano, sy nomeny ny toerana voalohany teo amin'ireo nasaina, izay lehilahy tokony ho telopolo. 23 Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Arosoy ilay anjara napetrako taminao sady nilazako hoe: avaho hotehirizina. 24 Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin'ny momba azy, ka narosony teo anoloan'i Saola. Ary hoy Samoela: Indro ny anjara voaavako, raiso ho eo anoloanao io ary hano, fa hatramin'ny nanasako ny olona no nitahirizana azy ho amin'ity fotoana ity. Dia niara-nihinana tamin'i Samoela Saola tamin'izay andro izay. 25 Nidina avy ao amin'ny fitoerana avo izy ka nankao an-tanàna, ary niresaka tamin'i Saola tao ambony tafon-trano Samoela.
26 Nifoha vao maraina koa izy ireo ary nony nazava atsinanana, dia nantsoin'i Samoela ho ao ambonin'ny tafo Saola nataony hoe: Mitsangàna fa halefako hianao. Dia nitsangana Saola, ka niara-nivoaka izy roalahy, dia izy sy Samoela. 27 Nony tafidina tany ami'ny faran'ny tanàna izy ireo, dia hoy Samoela tamin'i Saola: Asaovy mialoha antsika ny mpanomponao. Dia nialoha ilay mpanompo. Ary mijanòna hianao izao hampandrenesako anao izay nambaran'Andriamanitra.
Toko faha-10
1 Nalain'i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin'ny lohan'i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: Moa tsy nohosoran'ny Tompo ho mpanapaka amin'ny lovany va hianao?2 Rahefa tafasaraka amiko hianao anio, dia hahita olona roa lahy, eo akaikin'ny fasan-dRasely amin'ny faritanin'i Benjamina, any Selsaky, hilaza aminao hoe: Ny ampondra notadiavinao efa hita ka tsy heverin-drainao intsony ny momba ny ampondravavy fa ny aminareo indray no ahiany sy ataony hoe: Inona no tsy maintsy hataoko ny amin'ity zanako ity? 3 Avy eo hianao, dia hanohy ny dianao, ary ho tonga ao amin'ny aokan'i Tabora, ka hotsenain'olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela: ny iray mitondra zanak'osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ny iray mitondra divay iray siny hoditra; 4 rahefa avy miarahaba anao izy ireo, dia hanome anao mofo roa, ka horaisinao avy amin'ny tànany izany. 5 Manaraka izany ho tonga ao Gabaàn'Andriamanitra hianao, izay misy miaramila Filistina mpiambina. Rahefa miditra ao an-tanàna, hifanena amin'ny mpaminany maro, andiany iray, midina avy any amin'ny fitoerana avo, ialohan'ny lokanga, ampongatapaka, sodina, valiha, sady maminany. 6 Hilatsaka aminao ny Fanahin'ny Tompo dia hiara-maminany amin'ireo hianao, ka ho voaova ho olom-baovao. 7 Rahefa tanteraka ho anao ireo famantarana ireo, dia ataovy araka izay sendra eo anoloanao fa momba anao Andriamanitra. 8 Ary midìna alohako any Galgalà, ary indro fa hidina aho hanatona anao, mba hanatitra sorona dorana mandra-pahatongako any aminao, dia holazaiko aminao izay tokony hataonao. 9 Vao nihodina nisaraka tamin'i Samoela Saola, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tanteraka androtr'izay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
10 Nony tonga tany Gabaà izy, indreto ny mpaminany maro, andiany iray, nifanena taminy, dia nilatsaka taminy ny Fanahin'Andriamanitra ka naminany teo afovoan'ireo izy. 11 Nony hitan'izay rehetra nahalala azy taloha fa niara-naminany tamin'ireo mpaminany koa izy, dia nifampilaza ireo olon-drehetra ireo hoe: Fa naninona ity zanak'i Kisy? Mba isan'ny mpaminany koa va Saola? 12 Niteny ny iray teo amin'ny vahoaka ka nanao hoe: Ary iza moa no rain'izy ireo? Izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: Mba isan'ny mpaminany koa va Saola? 13 Nony efa nitsahatra tsy naminany izy, dia nankeo amin'ny fitoerana avo. 14 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saola taminy sy tamin'ity mpanompony: Nankaiza hianareo? Dia hoy ny navalin'i Saola: Nitady ny ampondra izahay, fa nony tsy nahita azy hatraiza hatraiza dia nankany amin'i Samoela.
15 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saola: Tantarao amiko izay nambaran'i Samoela taminareo. 16 Dia hoy Saola tamin'ity rahalahin-drainy: Nambarany taminay fa efa hita ny ampondravavy. Fa tsy nolazainy taminy ny momba ny fanjakana nambaran'i Samoela azy. 17 Novorin'i Samoela ho eo anatrehan'ny Tompo any Masfà ny vahoaka,
18 dia hoy izy tamin'ny zanak'Israely: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Izaho no nampiakatra an'Israely avy any Ejipta; izaho no nanafaka anareo tamin'ny tànan'ny Ejipsiana, sy tamin'ny tànan'ireo fanjakana nampahory anareo. 19 Fa hianareo kosa izao manary ny Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo tamin'ny loza amam-pijalianareo rehetra, ary milaza aminy hoe: Manangàna mpanjaka aminay! Koa ankehitriny misehoa hianareo isam-poko sy isam-pianakaviana, eo anatrehan'ny Tompo. 20 Dia nasain'i Samoela nanatona ny fokon'Israely rehetra, ka ny fokon'i Benjamina no voafidy.
21 Nampanatoniny isam-pianakaviana indray ny fokon'i Benjamina, ka ny fianakavian'i Metrì no voafidy, ary Saola zanak'i Kisy no voatendry. Dia notadiavina izy nefa tsy hita. 22 Amin'izany dia nanontany an'ny Tompo indray ny olona hoe: Moa mbola misy olona tonga teto va? Hoy ny navalin'ny Tompo: Indro izy miery ao amin'ny entana. 23 Dia nihazakazaka naka azy tao ny olona, ary nitsangana teo afovoan'ny vahoaka izy, dia nanatombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra. 24 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va ilay voafidin'ny Tompo, fa tsy misy toa azy eo amin'ny vahoaka rehetra! Dia nihoby ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! 25 Tamin'izay nasehon'i Samoela ny vahoaka ny fahefana hampiasain'ny fanjakana, sady nosoratany tamin'ny boky, izay napetrany teo anatrehan'ny Tompo. Izay vao nampodiny ny vahoaka, samy ho any an-tranony avy.
26 Saola koa nandeha nody ho any an-tranony, any Gabaà, notronin'olona mahery fo, izay nohetsehin'ny Tompo ny fony. Fa ny olon'i Beliala kosa dia nanao hoe: Dia iny ve no hamonjy antsika? Sady naneso azy izy no tsy nitondra fanatitra ho azy, nefa tsy nasian'i Saola raharaha akory izany.
Toko faha-11
1 Ary Naasy Amonita niakatra dia nitoby teo anoloan'i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin'i Naasy: Manaova fanekem-pihavanana aminay, dia hanompo anao izahay.2 Fa izao no navalin'i Naasy Amonita azy ireo: Hifampiraharaha aminareo aho, raha manaiky hianareo ny hamotsirako tsirairay ny masonareo rehetra ankavanana, mba hanalako baraka an'Israely rehetra. 3 Ka hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin'ny faritanin'Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay. 4 Nankany Gabaàn'i Saola ny iraka, dia nilaza izany zavatra izany mba ho ren'ny vahoaka, ka nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ary nitomany. 5 Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny Saola tamin'izay, ka hoy Saola hoe: Maninona ity vahoaka no mitomany? Dia nambaran'ny olona azy ny voalazan'ny olona avy any Jabesy. 6 Vao nandre izany teny izany Saola, dia nilatsaka taminy ny Fanahin'ny Tompo ka nirehitra ny hatezerany. 7 Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin'ny faritanin'Israely rehetra nataony hoe: Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an'i Saola sy Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny. Azon'ny tahotra an'ny Tompo ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra. 8 Notsapain'i Saola tamin'ny matso ny toetrany tany Bezeka, ka telo hetsy no isan'ny zanak'Israely, ary telo alina ny lehilahy amin'i Jodà. 9 Dia hoy izy tamin'iretsy iraka tonga: Lazao amin'ny olona an'i Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena hianareo. Nambaran'ny iraka tamin'ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo. 10 Ary hoy ny olona tany Jabesy tamin'ny Amonita: Rahampitso hitolo-tena hanaiky anareo izahay dia hataonareo aminay izay tianareo. 11 Nony ampitso, nozarain'i Saola ho telo toko ny vahoaka dia nankany an-tobin'ny Amonita, tamin'ny fiambenana maraina izy ireo, ka namely azy ireo mandra-pahafanàn'ny andro. Nieli-patrana izay afa-nitsoaka ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza. 12 Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Zovy moa no nilaza hoe: Dia Saola ve no hanjaka aminay? Atolory anay izany olona izany fa hataonay maty.
13 Fa hoy Saola: Tsy misy olona hatao maty anio, fa androany no namonjen'ny Tompo an'Israely.