Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-17
41 Nanatona an'i Davida tsikelikely ity Filistina, nialohan'ny lehilahy nitondra ny ampingany.42 Nijery ilay Filistina ka nahita an'i Davida, ary naneso azy, fa tanora kely, mena volo ary tsara tarehy. 43 Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: F'izaho angaha alika, no tehina no hankanesan'ialahy aty amiko? Dia nanozona an'i Davida amin'ireo andriamaniny ilay Filistina. 44 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida hoe: Mankanesa ety amiko ange ialahy, raha tsy omeko ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon'ialahy e! 45 Fa hoy kosa ny navalin'i Davida an'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny Tompon'ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin'Israely, izay notsiratsirainao. 46 Anio dia hatolotry ny Tompo eo an-tànako hianao, ka hasiako hianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voro-manidina any an-danitra sy ny bibin'ny tany ny fatin'ny tafiky ny Filistina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely; 47 ary ho fantatr'izao vahoaka rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen'ny Tompo, fa azy ny ady, ka efa natolony eo an-tànanay hianareo. 48 Nitsangana ilay Filistina dia niainga nandroso hitsena an'i Davida, dia nohazakazahin'i Davida nohatonina teo amin'ny laharan'ny miaramila kosa izy,
49 ka natsofok'i Davida tao anatin'ny kotrany ny tànany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin'ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny izy, sady niletra tamin'ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Nahomby noho ilay Filistina izany Davida tamin'ny antsamotady iray sy ny vato iray, dia novonoiny ho faty ilay Filistina. Tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Nihazakazaka Davida dia niato teo akaikin'ilay Filistina, ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin'ny tranony, ka namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. 52 Nony hitan'ny Filistina fa maty ilay olo-maheriny, dia vaky nandositra izy ireo. Ary nitsangana ny lehilahy amin'Israely sy Jodà sady nanakora ary nanenjika ny Filistina hatrany amin'ny fidirana ao Geta, sy hatrany am-bavahadin'i Akarona. Niampatrampatra teny an-dàlana ny fatin'ny Filistina hatrany Saraima ka hatrany Geta sy Akarona.
53 Avy nanenjika ny Filistina ny zanak'Israely dia namabo ny tobiny. 54 Ary ny lohan'ilay Filistina nalain'i Davida sy nampitondrainy any Jerosalema, ary ny fiadiany napetrany tao an-dainy. 55 Nony efa nahita an'i Davida nandroso hiady amin'ilay Filistina Saola dia nanontany an'i Abnera, lehiben'ny foloalindahy hoe: Zanak'iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera: Ary hoy Abnera: Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.
56 Ka hoy ny mpanjaka: Anontanio kely àry na zanak'iza na zanak'iza iny zazalahy iny. 57 Nony niverina avy namono an'ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera ka nentiny nankeo anatrehan'i Saola; ny lohan'ilay Filistina dia teny an-tànany. 58 Dia hoy Saola taminy: Zanak'iza moa hianao, ry zatovo? Ary hoy Davida namaly hoe: zanak'Isaïa mpanomponao any Betleema.
Toko faha-18
1 Nony tapitra niteny tamin'i Saola Davida, dia raiki-pitia tamin'ny fanahin'i Davida ny fanahin'i Jonatasy, ka tia azy toy ny ainy Jonatasy.2 Androtr'izay ihany, dia noraisin'i Saola Davida ka tsy navelany hody any an-tranon-drainy. 3 Ary Jonatasy nanao fanekem-pihavanana tamin'i Davida, fa tia azy toy ny ainy izy. 4 Ka notsoahan'i Jonatasy nomena an'i Davida ny kapaoty nentiny, toy izany koa ny akanjo fiadiany, mbamin'ny sabany, hatramin'ny tsipìkany sy hatramin'ny fehin-kibony. 5 Raha nivoaka Davida na aiza na aiza no nanirahan'i Saola azy dia nahomby izy; nataon'i Saola filohan'ny lehilahy mpiady izy, ary nankasitrahan'ny vahoaka rehetra hatramin'ny mpanompon'ny mpanjaka aza. 6 Nony niditra izy ireo, tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka avy tamin'ny tanànan'Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan'i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin'ny feon'ny ampongatapaka sy ny valiha.
7 Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe: Arivoarivo no matin'i Saola, Fa alinalina kosa, ny an'i Davida. 8 Tezitra mafy Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony.
9 Hatramin'izay andro izay dia ratsy fijery an'i Davida Saola. 10 Ny ampitson'izay dia nisy fanahy ratsy avy tamin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saola, ka nihoalahoala teo afovoan 'ny tranony izy. Dia nitendry harpa, araka ny fanaony amin'ny andro hafa Davida, ary teo an-tànan'i Saola ny lefony.
11 Nampandihizin'i Saola ny lefony; sady nataony hoe: Hataoko indray migorobaka Davida sy ny rindrina. Kanjo indroa Davida no nihodivitra teo anoloany. 12 Dia natahotra an'i Davida Saola, satria nomba azy Iaveh, fa Saola kosa nialany; 13 ka nataon'i Saola lavitra azy izy, ary natsangany ho mpifehy arivo lahy. Ary nivoaka sy niditra teo anatrehan'ny vahoaka izy. 14 Nampiseho fahakingana tamin'izay rehetra nataony Davida ary nomba azy Iaveh. 15 Natahotra azy Saola nahita ity izy hendry dia hendry; 16 fa Israely sy Jodà rehetra kosa tia an'i Davida, noho izy nivoaka sy niditra teo anoloan'izy ireo. 17 Ary hoy Saola tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meroba, zanako vavimatoa. Misehoa ho mahery fo anefa hianao, ary tohàny ny adin'ny Tompo. Fa Saola nanao anakampo hoe: Aza ny tànako no mamely azy, fa aoka ny tànan'ny Filistina no hamely azy.
18 Dia namaly an'i Saola Davida nanao hoe: Zinona moa aho, zinona ny aiko, ary zinona ny fianakavian'ikaky eo amin'Israely, no dia ho vinanton'ny mpanjaka aho? 19 Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an'i Meroba zanakavavin'i Saola, ho vadin'i Davida, dia nomena ho vadin'i Hadriela, any Molati, indray kosa izy. 20 Ary Mikola zanakavanin'i Saola tia an'i Davida; dia nampandrenesina an'i Saola izany, ka nankasitrahany.
21 Hoy Saola anakampo: Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ka hamelezan'ny tànan'ny Filistina azy. Dia hoy Saola tamin'i Davida fanindroany: Ho tonga vinantoko hianao anio. 22 Ary nomen'i Saola didy ny mpanompony, nataony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida ataovy hoe: Raiki-pitia anao ny mpanjaka, ary tia anao koa ny mpanompony rehetra, ka aoka ho vinanton'ny mpanjaka hianao amin'izao. 23 Dia nolazain'ny mpanompon'i Saola tamin'i Davida mba ho ren'ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin'i Davida: Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton'ny mpanjaka e? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana. 24 Notaterin'ny mpanompon'i Saola taminy izany, nataony hoe: izany no teny nataon'i Davida. 25 Dia hoy Saola: Izao no holazainareo amin'i Davida: Tsy mila zavatra akory ho vody ondry ny mpanjaka, fa hodi-tsy miforan'ny Filistina zato lahy, mba ho voavaly faty ny fahavalon'ny mpanjaka. Ny hisamboran'ny tànan'ny Filistina an'i Davida no nampoizin'i Saola tamin'izany. 26 Dia nolazain'ny mpanompon'i Saola tamin'i Davida izany teny izany, ka nankasitrahan'i Davida izany hoe ho tonga vinanton'ny mpanjaka izy. 27 Ary tsy mbola tapitra akory ny fetr'andro dia nitsangana Davida ary niainga izy sy ny olony, namono roan-jato lahy tamin'ny Filistina sy nitondra ny hodi-tsy miforan'izy ireo Davida; ary nomeny ny mpanjaka araka ny isany marina mba hahatonga azy ho vinantony. Ka dia nomen'i Saola ho vadiny Mikola zanany vavy. 28 Hitan'i Saola sy fantany tsara, fa omban'ny Tompo Davida, ary Mikola zanakavavin'i Saola dia tia an'i Davida. 29 Ka nitombo ny fahatahoran'i Saola an'i Davida ary nitsangan-ko fahavalon'i Davida Saola isan'andro isan'andro. 30 Tonga nanafika ireo andrianan'ny Filistina ary isaky ny nivoaka ireny, dia nahomby nandresy azy Davida noho ny fahakingany mihoatra noho ny mpanompon'i Saola rehetra, ka tonga malaza indrindra ny anarany.
Toko faha-19
1 Niresaka tamin'i Jonatasy zanany sy ny mpanompony rehetra Saola ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fatratra kosa anefa ny fitiavan'i Jonatasy zanak'i Saola an'i Davida. Koa nampandre an'i Davida Jonatasy nanao hoe:2 Tadiavin'i Saola raiko hovonoina hianao ka mitandrema tena rahampitso maraina, mihataha ka miere.
