Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-19

3 Ary hivoaka aho ka ho eo anilan'i dada amin'ny saha misy anao, ka hiresaka amin'i dada ny aminao, dia ho hitako izay heviny, ka hampandrenesiko anao. 4 Nilaza soa an'i Davida, tamin'i Saola rainy, Jonatasy, fa hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin'i Davida mpanompony, satria tsy nanota taminao izy. Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra, 5 nanao vy very ny ainy, namono an'ilay Filistina izy, ka izy no nanaovan'ny Tompo famonjena lehibe ho an'Israely rehetra. Nahita izany hianao sy nifaly tamin'izany. Ka ahoana no hanotanao amin'ny rà tsy manan-tsiny, amin'ny famonoana, tsy misy antony, an'i Davida? 6 Nihaino ny tenin'i Jonatasy Saola, ka nianiana Saola nanao hoe: Velona Iaveh, tsy hovonoina Davida! 7 Dia nantsoin'i Jonatasy Davida ary nilazan'i Jonatasy izany teny rehetra izany, vao nentin'i Jonatasy nankeo amin'i Saola Davida, ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray. 8 Ary nisy ady indray, ka nivoaka hanohitra ny Filistina Davida ka nandrafitra ady taminy; noreseny mafy tokoa izy ireo ka vaky nandositra teo anoloany.

9 Tamin'izay tonga tamin'i Saola ilay fanahy ratsy avy tamin'ny Tompo, raha nipetraka tao an-tranony, nitana ny lefony teo an-tànany izy; ka notendren'i Davida tamin'ny tànany ny harpa. 10 Notadiavin'i Saola hasiany ny lefona Davida sy ny rindrina, saingy nitsoaka teo anatrehan'i Saola Davida ka ny lefona no nakapony tamin'ny rindrina. Dia nandositra Davida nilefa nandritra ny alina. 11 Nanirahan'i Saola olona, tany an-tranon'i Davida, hisambotra azy sy hamono azy ny ampitso; fa nilazan'i Mikola vadiny an'izany Davida, nataony hoe: Raha tsy mandositra anio alina hianao, rahampitso ihany dia maty. 12 Dia nampidinin'i Mikola tamin'ny varavaran-kely Davida dia lasa nandositra Davida ka voavonjy. 13 Nalain'i Mikola ny terafima nony avy eo, ka nampidiriny teo am-parafara, ary hoditr'osivavy no nataony teo amin'ny fitoeran'ny lohany, ary norakofany lamba. 14 Ka nony nirahin'i Saola haka an'i Davida ny olona nirahiny, dia hoy ravehivavy: Marary izy. 15 Fa naverin'i Saola indray ny olona nirahiny hizaha an'i Davida, ka hoy izy: Ento mankaty amiko amin'ny farafara izy, hamonoako azy. 16 Dia niverina ny iraka, kanjo inty Terafima no teo am-pandriana mbamin'ny hoditr'osy teo amin'ny fitoeran'ny lohany. 17 Ka hoy Saola tamin'i Mikola: Nahoana hianao no namitaka ahy toy izany, ka namela ny fahavaloko handeha mba ho voavonjy izy? Fa hoy ny navalin'i Mikola an'i Saola: Izao no nataony tamiko: Avelao aho handeha sao hovonoiko hianao. 18 Toy izany no nandosiran'i Davida, ka dia voavonjy izy. Nankany amin'i Samoela tany Ramà izy, ka notantarainy taminy izay rehetra nataon'i Saola taminy. Dia niara-nandeha tamin'i Samoela honona tany Najota izy.

19 Nisy nilaza izany tamin'i Saola nanao hoe: Indro Davida ao Najota, any Ramà. 20 Dia naniraka olona haka an'i Davida Saola; kanjo nony hitan'ireo ny antoko-mpaminany naminany ary Samoela nitsangana teo nitarika azy ireo, dia tonga tamin'ny irak'i Saola ny Fanahin'Andriamanitra ka naminany koa izy ireo. 21 Nambara tamin'i Saola izany, ka naniraka olon-kafa izy, ary naminany koa ireo. Dia naniraka olona fanintelony indray Saola nefa naminany ihany koa ireo. 22 Tamin'izany dia ny tenan'i Saola no nankany Ramà. Nony tonga tao amin'ilay lavaka lehibe famorian-drano, any Sokao, izy, dia nanontany hoe: Aiza moa Samoela sy Davida? Ka nisy namaly azy hoe: Indreo izy ao Najota any Ramà. 23 Dia nizotra nankany Najota any Ramà izy, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra dia nandeha ary naminany mandra-pahatongany tany Najota any Ramà. 24 Mba niala lamba ka naminany koa izy teo anatrehan'i Samoela, sy nipetraka tamin'ny tany, tsy nitafy, nandritra iny andro iny sy ny alina manontolo. Izany no anton'ny fitenin'ny olona hoe: Mba isan'ny mpaminany koa ve Saola?

Toko faha-20

1 Nandositra niala tany Najota any Ramà Davida, ka nony tonga izy dia niala teo anatrehan'i Jonatasy hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahadisoako teo anatrehan-drainao no dia mitady ny aiko izy:

2 Dia hoy Jonatasy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty hianao. Tsy misy tsy ambaran'i dada ahy izay ataony, na zava-dehibe na zavatra kely; ka ahoana ange no hanafenany an'izany amiko? Tsy misy izany mihitsy! 3 Fa namaly tamim-pianinana Davida nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina, fa nahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatasy izany, fandrao malahelo izy. Kanefa toy ny mahavelona an'ny Tompo sy ny mahavelona ny ainao dia marina raha tsy iray dia monja no elanelako amin'ny fahafatesana! 4 Dia hoy Jonatasy tamin'i Davida: Na inona na inona ambaran'ny fanahinao, dia hataoko ho anao avokoa.

5 Ary hoy Davida tamin'i Jonatasy: Izao àry: rahampitso no tsinam-bolana, ka tokony hipetraka eo anilan'ny mpanjaka amin'ny sakafo aho; avelao aho handeha dia hiery any an-tsaha, mandra-paharivan'ny andro fahatelo. 6 Ary raha tsikaritry ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera tamiko Davida mba hikaretsaka kely any Betleema tanànany, fa atao ao ny sorona fanao isan-taona ho an'ny fianakaviany rehetra. 7 Ka raha ataony hoe: Tsara izany, dia mahazo mandry tsy amin'ahiahy ny mpanomponao. Fa raha tezitra kosa izy, dia fantaro fa efa ifofoany mihitsy ny ratsy. 8 Ka manaova soa amin'ny mpanomponao, fa fanekem-pihavanana natao tamin'ny anaran'ny Tompo no nanintonanao ny mpanomponao ho ato aminao. Raha misy hadisoana ato amiko dia ny tenanao mihitsy mamono ahy, fa inona indray no itondranao ahy any amin-drainao? 9 Dia hoy Jonatasy taminy: Halaviro anao izany hevitra izany! Fa raha fantatro marina fa efa tapaka ao an-tsain'i dada ny hanao ratsy hahavoa anao dia ianianako ny hilaza izany aminao. 10 Ary hoy Davida tamin'i Jonatasy: Iza anefa no hilaza izany amiko, na izay teny sarotra havalin-drainao? 11 Ka hoy Jonatasy tamin'i Davida: Andeha àry isika hivoaka ho any an-tsaha. Dia nivoaka nankany an-tsaha izy roa lahy. 12 Ary hoy Jonatasy tamin'i Davida: Iaveh Andriamanitr'Israely! Hotsapaiko i dada rahampitso na rahafakampitso, ka raha tsy misy hatahorana ny amin'i Davida, ka tsy maniraka hilaza izany aminao aho,

13 dia aoka ho entin'ny Tompo amin'izany ngidiny indrindra Jonatasy. Ary raha ny hanisy ratsy anao no sitrak'i dada dia hampandrenesiko izany koa hianao, ka halefako mba handehananao amim-piadanana, ary homban'ny Tompo anao, toy ny nombany an'i dada. 14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia aoka ny hatsaram-pon'ny Tompo no hataonao amiko, 15 ary raha maty aho, aoka tsy hesorinao mandrakizay amin'ny fianakaviako ny hatsaram-ponao, na dia amin'izay handringanan'ny Tompo ny fahavalon'i Davida rehetra ety ambonin'ny tany aza. 16 Toy izany no nanaovan'i Jonatasy fanekem-pihavanana tamin'ny fianakavian'i Davida, ka namalian'ny Tompo ny fahavalon'i Davida. 17 Ary mbola nangataka mafy tamin'i Davida indray koa Jonatasy, noho ny fitiavany azy, fa tia azy toy ny ainy izy. 18 Hoy Jonatasy taminy: Rahampitso izao no tsinam-bolana, ary ho hitan'ny olona fa foana ny fitoeranao. 19 Koa amin'ny andro fahatelo, midìna faingana dia mankanesa ao amin'ilay fitoerana nierenao androtry ny nitrangan'ilay raharaha, ka eo akaikin'ny vaton'i Ezela mitoetra. 20 Ary handefa zana-tsipìka telo mankamin'ny vato aho toy ny mikendry zavatra. 21 Ary indro hirahiko ny zazalahy hataoko hoe: mandehana zahao ny zana-tsipìka. 22 Raha lazaiko amin'ny zazalahy hoe: Ireo aorianao ireo ny zana-tsipìka ka raiso! dia avia hianao, fa tsara tsy misy maninona ny aminao, ka tsy misy atahorana, velona Iaveh! Fa raha hoy aho amin'ilay zazalahy manao hoe: Ireo alohanao ireo ny zana-tsipìka! dia mandehana fa Iaveh no mampandeha anao. 23 Ary ny amin'ny teny nifanaovantsika izaho sy hianao dia indro fa anelanelako izaho sy hianao, mandrakizay, Iaveh. 24 Dia niery tany an-tsaha Davida. Ary nony tonga ny tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana teo amin'ny fanasana ny mpanjaka.

25 Ka araka ny fanao dia nipetraka teo amin'ny sezany ny mpanjaka, dia ilay seza manolotra ny rindrina, Jonatasy nitsangana, ary Abnera nipetraka teo anilan'i Saola, ary ny fipetrahan'i Davida dia foana. 26 Tsy niteny na inona na inona Saola tamin'io andro io, fa nisy zavatra nahazo azy izay, hoy izy, ka tsy madio izy, eny tokoa tsy madio izy. 27 Nony ampitso, andro faharoan'ny volan-tsinana, mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, ka hoy Saola tamin'i Jonatasy zanany: Nahoana ny zanak'Isaïa no tsy tonga tamin'ny fanasana, omaly sy androany? 28 Dia hoy Jonatasy namaly an'i Saola: Niera nanao lemozy tamiko Davida ho any Betleema,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.094