Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-20

29 fa hoy izy: Avelao kely re aho handeha, fa misy fisoronam-pianakaviana ho anay any an-tanàna, sady nanafatrafatra ahy ery ny rahalahiko, ka raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, avelao aho hankany, sady hizaha ny rahalahiko. Izany no antony tsy nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka. 30 Izay dia nirehitra tamin'i Jonatasy ny fahatezeran'i Saola ka hoy izy taminy: Ry zana-behivavy ratsy sy maditra. Moa tsy fantatro fa misakaiza amin'ny zanak'Isaï hianao? Ho fahafaham-baraka hoanao sy ho fahafaham-baraka ho an'ny kibon-dreninao izany! 31 Satria raha mbola velona ety ambonin'ny tany koa iny zanak'Isaïa iny dia tsy hisy fandriam-pahalemana ho anao na ho an'ny fanjakanao. Koa ankehitriny, ampanalao izy hankaty amiko, fa zanaky ny fahafatesana izy. 32 Namaly an'i Saola rainy, Jonatasy, ka nanao taminy hoe: Ahoana no hovonoina izy? Fa naninona izy? 33 Dia nampandihizin'i Saola ny lefony, ndeha hamelezany azy. Fantatr'i Jonatasy fa nofofoin-drainy hovonoina tokoa Davida. 34 Nitsangana Jonatasy niala teo amin'ny latabatra tamim-pahatezerana mafy, ary tsy nety nihinan-kanina tamin'ny andro faharoan'ny volan-tsinana. satria nalahelo izy noho ity Davida dia nalain-drainy baraka. 35 Nony ampitso maraina, dia nankany an-tsaha Jonatasy araka ny nifanekeny tamin'i Davida. Ka nisy zazalahy kely anankiray nanaraka azy. Hoy izy tamin'ilay zazalahy:

36 Mandehana faingana, tadiavo ny zana-tsipìka halefako. Dia nihazakazaka razazalahy ka nalefan'i Jonatasy hihoatra azy ny zana-tsipìka. 37 Nony tonga teo amin'ny toerana nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatasy ny zazalahy, dia nantsoin'i Jonatasy ny zazalahy nataony hoe: Moa tsy ery alohanao va ny zana-tsipìka? 38 Ary nantsoantsoin'i Jonatasy indray ny zazalahy nataony hoe: Mihazakazaha faingana fa aza mijanonjanona. Dia noraisin'io zazalahin'i Jonatasy io ny zana-tsipìka, ary niverina nankeo amin'ny tompony izy. 39 Tsy nahalala na inona na inona ilay zazalahy, fa Jonatasy sy Davida ihany no nahafantatra izany.

40 Dia nomen'i Jonatasy an-drazazalahy izay niaraka taminy ny fiadiany ka hoy izy taminy: Mandehana ento mankany an-tanàna ireto. 41 Vao lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy eny atsimo Davida ary nidaboka tamin'ny tany dia niankohoka intelo, vao nifanoroka izy roa lahy, ka samy rafitra nitomany tamin'ny namany avy izy ireo: ary Davida nanao ranomaso havozona mihitsy. 42 Dia hoy Jonatasy tamin'i Davida: Mandehana amim-piadanana, fa efa samy nianiana tamin'ny anaran'ny Tompo izaho sy hianao, nanao hoe: Iaveh no anelanelako, izaho sy hianao, ary ny taranakao sy ny taranako, mandrakizay.

Toko faha-21

1 Koa Davida moa nitsangana dia lasa nandeha, fa Jonatasy kosa niditra nankany an-tanàna.

2 Lasa nankany Nobe amin'i Akimeleka mpisorona Davida ka taitra mafy Akimeleka nitsena an'i Davida nanao taminy hoe: Nahoana ity hianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?

3 Dia hoy ny navalin'i Davida tamin'i Akimeleka mpisorona: Nomen'ny mpanjaka didy aho, nataony hoe; Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha anirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any ananona any ny olona momba ahy. 4 Ary amin'izao kosa inona no vonona eo am-pelatànanao izao? Omeo mofo dimy aho eto an-tànako na izay sendra hita. 5 Ary hoy ity mpisorona namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona. 6 Ka hoy Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: Hatramin'ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin'ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina. 7 Dia nomen'ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan'ny Tompo mba hosoloana ny mofo mafana amin'ny fotoana fanesorana azy. 8 Tao indrindra ny lehilahy anankiray amin'ny mpanompon'i Saola tamin'izay andro izay, fa voahazona teo anatrehan'ny Tompo; Doega Edomita no anarany, ary lehiben'ny mpiandry ny ondrin'i Saola izy. 9 Ary hoy Davida tamin'i Akimeleka: Tsy misy lefina na sabatra va ato aminao? Fa tsy naharay ny sabatro na ny fiadiana ho entiko akory aho fa maika ny raharaha nandidian'ny mpanjaka ahy.

10 Dia hoy ny navalin'ny mpisorona: Ny sabatr'i Goliata, ilay Filistina, izay novonoinao tao amin'ny lohasahan'ny Terebinta no ao, indro mifono ny lamba kapaoty ao ivohon'ny efoda ao izy. Ka raha tianao hoentina iny, dia ento, fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy hoatra an'iny ka omeo ahy iny. 11 Nitsangana Davida ary androtr'izay ihany dia nandositra lavitra an'i Saola, ka tany amin'i Akisa mpanjakan'i Geta no nalehany.

12 Ary hoy ny mpanompon'i Akisa taminy: Tsy io va no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy io va no nanaovana hira arahim-pandihizana hoe: Arivoarivo no matin'i Saola, Ary alinalina no matin'i Davida? 13 Nieritreritra ny amin'izany teny izany Davida, ka raiki-tahotra mafy an'i Akisa mpanjakan'i Geta. 14 Dia nody adala teo anatrehan'izy ireo sy niseho ho very saina teo am-pelatànany izy: noveleziny, nataony langoraona ny lela vavahady; ary navelany hitsororoka amin'ny somony ny ranon'iviny. 15 Ka hoy Akisa tamin'ny mpanompony: Hitanareo fa adala io lehilahy io, ka ahoana no nitondranareo azy aty amiko? 16 Tsy ampy olona adala ato amiko angaha no itondranareo an'io, hanondrana eto anatrehako? Io ve dia tokony hiditra izay tranoko akory?

Toko faha-22

1 Niala teo Davida ka nandositra tany amin'ny zohin'i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa.

2 Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorina, ny ananan'olon-trosa, ny manan'alahelo, rehetra, ka tonga filohan'ireo izy, ary nisy sahabo ho efa-jato lahy no teo aminy. 3 Avy eo Davida dia nankany Masfà any Moaba, ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Raha sitrakao, aoka homena malalaka hihataka aty aminao ny ray aman-dreniko, mandra-pahafantatro izay hanaovan'Andriamanitra ahy.

4 Dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo, ka nonina teo aminy, mandritra ny fotoana rehetra nipetrahan'i Davida tao amin'ny fitoerana mimanda. 5 Hoy ny mpaminany Gada tamin'i Davida hoe: Aza mitoetra amin'ny fitoerana mimanda hianao, fa mandehana miverina any amin'ny tanin'i Jodà. Dia lasa Davida nankany amin'ny ala Hareta. 6 Ren'i Saola fa hoe hita Davida sy ny olona niaraka taminy. Tamin'izay Saola hipetraka tao Gabaà, tambanin'ny tamariska teo an-kavoana, nitana lefona teny an-tànany; ary nilahatra nanodidina azy ny mpanompony rehetra.

7 Niteny tamin'ny mpanompony nilahatra teo anoloany Saola nanao hoe: Mihainoa, hianareo Benjamita: MOa ve ny zanak'Isaï hanome anareo rehetra saha aman-tanim-boaloboka koa, hanao anareo rehetra ho tompon'arivo aman-tompon-jato, 8 no dia niray tetika hamely ahy hianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin'ny zanak'Isaï ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin'izany hianareo na nampandre ahy fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao? 9 Dia hoy Doega ilay Edomita lehiben'ny mpanompon'i Saola namaly azy: Hitako tonga tany Nobe, tao amin'i Akemeleka zanak'i Akitoba, ny zanak'i Isaï.

10 Ary Akimeleka nanontany an'ny Tompo ho azy, sy nanome vatsy azy, sady nanome azy ny sabatra'i Goliata Filistina. 11 Nampiantsoin'ny mpanjaka Akimeleka mpisorona, zanak'i Akitoba, mbamin'ny fianakavian-drainy rehetra dia ireo mpisorona tany Nobe.

12 Dia nankany amin'ny mpanjaka izy rehetra ireo, ka hoy Saola: Henoy, ry zanak'i Akitoba. Ary hoy ny navalin'io: Inty aho tompoko! 13 Hoy Saola taminy: Nahoana hianao sy ny zanak'Isaï no niray tatika hamely ahy: Fa nanome mofo sy sabatra azy hianao, ary nanontany an'Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao? 14 Fa namaly ny mpanjaka, Akimeleka ka nanao hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no tahaka an'i Davida, mahatoky indrindra, vinanton'ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao? 15 Ary moa vao androany va aho no nanomboka nanontany an'Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy izany! Ka aoka re ny mpanjaka tsy hanadidy ny mpanompony, amin'izao zavatra mety hahatratra ny ankohonan'ikaky rehetra izao, fa tsy mahalala kely na be amin'izany velively akory ny mpanomponao. 16 Hoy ny mpanjaka: Hovonoina hianao, ry Akimeleka, dia hianao sy ny ankohonan-drainao rehetra! 17 Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo miaramila mpanotrona azy nitsangana teo akaikiny: Mihodìna ka vonoy ny mpisoron'ny Tompo! fa momba an'i Davida ny tànan'ireo; nahalala azy ho mandositra ireo, nefa tsy nilaza izany tamiko akory. Tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'ny Tompo anefa ny mpanompon'ny mpanjaka. 18 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodìna, hianao ka vonoy ny mpisorona! Dia nihodina Doega ilay Edomita ka izy no namono ny mpisorona, ary olona valopolo lahy samy manao efoda rongony no matiny tamin'izay andro izay. 19 Nasian'i Saola tamin'ny lelan-tsabatra koa Nobe, tanànam-pisorona, ka matin'ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry. 20 Anankiray ihany tamin'ny zanak'i Akimeleka zanak'i Akitoba no afa-nandositra; Abiatara no anarany, ary nandositra tany amin'i Davida izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0916