Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-22
21 Nambaran'i Abiatara tamin'i Davida ny namonoan'i Saola ny mpisoron'ny Tompo. 22 Ka hoy Davida tamin'i Abiatara: Efa fantatro androtr'izay ihany fa Doega Edomita izay tao tamin'izay dia tsy maintsy hilaza amin'i Saola. Koa izaho no antony namonoana ny fianakavian-drainao rehetra. 23 Mijanòna aty amiko, ary aza matahotra, fa izay mitady ny aiko mitady ny ainao koa, ka ho tsara ambina hianao eto anilako.Toko faha-23
1 Ary nisy olona tonga nilaza tamin'i Davida hoe: Indreo ny Filistina mamely an'i Keilà, sady mamabo eny am-pamoloana.2 Dia nanontany an'ny Tompo Davida nanao hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy ny navalin'ny Tompo an'i Davida: Mandehana fa handresy ny Filistina hianao sy hanafaka an'i Keilà. 3 Hoy anefa ny olon'i Davida taminy: Indro fa aty Jodà aza isika ity matahotra, ka mainka izany hoe ho any Keilà hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina! 4 Dia nanontany an'ny Tompo indray Davida, ka hoy Iaveh namaly azy: Mitsangàna hianao, midìna any Keilà, fa hatolotro eo an-tànanao ny Filistina. 5 Dia nandeha Davida nankany Keilà niaraka tamin'ny olona momba azy, ka niady tamin'ny Filistina. Nahorony ny biby fiompiny, ary nandresy azy mafy dia mafy izy. Izany no namonjeny ny mponina tao Keilà. 6 Fony Abiatara zanak'i Akimeleka nandositra tany amin'i Davida any Keilà dia nidina izy nitondra ny efoda eo an-tànany.
7 Nisy nilaza tamin'i Saola fa hoe nankany Keilà Davida, ka hoy Saola hoe: Natolotr'Andriamanitra eo an-tànako izy, fa nanao izay mahatafahidy azy izy nankany amin'ny tanàna misy vavahady sy hidiny.
8 Ka nantsoin'i Saola ny olona rehetra hiantafika hidina any Keilà sy hanao fahirano an'i Davida sy ny olony. 9 Fa rahefa fantratr'i Davida kosa fa niomana hanisy ratsy azy Saola, dia hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona: Ento aty ny efoda. 10 Dia hoy Davida: Ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, nandre ny mpanomponao fa mioman-ko avy aty Keilà Saola mba handrava ny tanàna noho ny amiko. 11 Ka moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tànany va aho? Ary moa hidina va Saola araka ny ren'ny mpanomponao? Ho sitrakao anie ny hanambara izany amin'ny mpanomponao, ry Iaveh Andriamanitr'Israely! Dia hoy Iaveh namaly: Hidina izy. 12 Ary hoy Davida: Moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tànan'i Saola va aho sy ny oloko? Ka hoy Iaveh: Hatolony azy hianao. 13 Dia niainga Davida sy ny olony, sahabo ho enin-jato lahy, ka niala tao Keilà, ka dia nandeha nankatsy nankary nanao anjoanjo tany. Nony ren'i Saola fa hoe nandositra niala tao Keilà Davida dia niato tsy nandeha izy.
14 Nonina tany an'efitra Davida tao amin'ny fitoerana mimanda, dia nitoetra tao amin'ny tendrombohitra amin'ny efitr'i Zifa. Nitady azy isan'andro Saola, fa tsy natolotr'Andriamanitra teo an-tànany izy. 15 Fantatr'i Davida fa niainga niantafika hanala ny ainy Saola ary Davida nitoetra tao amin'ny efitr'i Zifa, any anaty ala.
16 Dia niainga nankany amin'i Davida tany an'ala Jonatasy zanak'i Saola. Nankahery ny tànany ao amin'Andriamanitra izy ka nanao taminy hoe: 17 Aza matahotra fa ny tànan'i Saola raiko tsy hahazo anao. Hianao hanjaka amin'Israely, ary izaho no ho lefitrao manaraka anao, fantatr'i Saola raiko tsara izany. 18 Dia nanao fanekem-pihavanana teo anatrehan'ny Tompo izy roa lahy; ka Davida nijanona tany an'ala ary Jonatasy niverina nody any aminy. 19 Ary niakatra nankany amin'i Saola tany Gabaà, ny Zifiana, ka nilaza hoe: Miery any aminay Davida ao amin'ny fitoerana mimanda any an'ala, amin'ny havoan'i Hakila, atsimon'ny tany lava volo.
20 Koa araka ny fanirian'ny fanahinao rehetra dia midìna, ry mpanjaka, fa anay ny manolotra azy eo an-tànan'ny mpanjaka. 21 Dia hoy Saola: Hotahin'ny Tompo anie hianareo noho izao famindram-ponareo amiko izao. 22 Ary miangavy anareo aho, mandehana tilio tsara indray aloha, fantaro ka zahao avokoa ny toerana alehany sy ny olona nahita azy tao, fa konjolahy anie izy izay, hono! 23 Ka zahao sy fantaro avokoa ny toerana rehetra fiereny, dia miverena aty amiko mitondra fanoroana izany mazava, dia handeha miaraka aminareo aho. Fa raha eto amin'ny tany koa iny dia hokarohiko amin'ny arivon'i Jodà rehetra. 24 Koa dia niainga ireo nankany Zifa hialoha an'i Saola. Fa Davida sy ny olony izany efa nankany amin'ny efitr'i Maona, amin'ny tany lemaka, atsimon'ny tany lava volo. 25 Ary niainga Saola sy ny olony hikaroka. Nony nandre izany Davida dia nidina tao amin'ny haram-bato, ka nitoetra teo an'efitr'i Maona Davida.
26 Saola moa nandeha tamin'ilan'ny tendrombohitra iray, Davida sy ny olony koa tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray. Niezaka Davida mba tsy ho tratran'i Saola, ka Saola sy ny olony kosa nanodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy ireo. 27 Dia inty nisy iraka anankiray tonga nanatona an'i Saola nanao hoe: Avie faingana hianao fa mananika ny tany ny Filistina! ka natsahatr'i Saola ny fanenjehana an'i Davida, ka lasa hifanena amin'ny Filistina izy. Izany no nanaovana io toerana io hoe Sela-Hamakelkoty.
Toko faha-24
1 Avy teo Davida dia niakatra hipetraka tao amin'ny fitoerana mimanda ao Engadì.2 Nony tafaverina avy nanenjika ny Filistina Saola dia nisy tonga nilaza taminy hoe: Indro Davida any an'efitr'i Engadì. 3 Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin'Israely rehetra Saola ka nandeha nitady an'i Davida sy ny olony, hatrany amin'ny vatolampin'ny osy dia. 4 Tonga tamin'ny valan'ondry izay tao amoron-dàlana izy ary nisy zohy tao ka nidiran'i Saola hiavela; nefa Davida sy ny olony, izany, nipetraka tao amin'ny faravody zohy. 5 Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Ity no andro nolazain'ny Tompo taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tànanao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin'i Saola. 6 Nitepotepo mafy ny fon'i Davida taorian'izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin'i Saola. 7 Ka hoy izy tamin'ny olony: Hampanalavirin'ny Tompo ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko, izay voahosotry ny Tompo, ka hamely azy amin'ny tànako, satria izy no ilay voahosotry ny Tompo. 8 Izany no nisakanan'i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin'i Saola. Dia nitsangana Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany. 9 Izay Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy ary rafitra niantsoantso an'i Saola nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Niherika nijery Saola, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka. 10 Ary hoy Davida tamin'i Saola hoe: Nahoana hianao no dia maka ny vavan'olona hoe: Indro fa mitady hanisy ratsy anao Davida? 11 Kanefa indro nahita maso hianao androany izay nanoloran'ny Tompo anao teo an-tànako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: tsy haninjitra ny tànako amin'ny tompoko aho, fa voahosotry ny Tompo izy. 12 Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tànako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Hianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko! 13 Ka aoka Iaveh no hitsara anao noho ny amiko, fa ny tànako tsy hamely anao. 14 Ny ratsy fanahy no ihavian'ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tànako. 15 Hanenjika an'iza moa no dia niaingan'ny mpanjakan'Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve? parasy ve? 16 Aoka Iaveh hitsara ahy sy anao, ary hanapaka ny amintsika. Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy izy, ka hanafaka ahy amin'ny tànanao ny didim-pitsarany. 17 Nony vitan'i Davida ny filazany izany teny izany tamin'i Saola, dia hoy Saola: Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô! Sady nanandra-peo Saola ary nitomany.
18 Hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho hianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao. 19 Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany fa nanolotra ahy eo an-tànanao Iaveh, nefa hianao kosa tsy nahafaty ahy. 20 Raha misy olona mifanena amin'ny fahavalony, moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara izy va? Hovalian'ny Tompo soa anie hianao, noho izay nataonao tamiko androany izay.
