Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-10

19 Hitan'ny mpanjaka rehetra fehezin'i Hadarezera fa resy teo anatrehan'Israely izy, ka nanao fanekem-pihavanana tamin'Israely, dia nanompo azy ary tsy sahy namonjy ny taranak'i Amona intsony ny Siriana.

Toko faha-11

1 Tamin'ny fitsingerenan'ny taona, nony mby amin'ny fotoana fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nalefan'i Davida Joaba mbamin'ny mpanompony sy Israely rehetra, ka nofongoran'ireo ny taranak'i Amona, ary nataony fahirano Rabà; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.

2 Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny Davida ka nitsangantsangana teo amin'ny tafon-tranon'ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy ery ravehivavy io.

3 Nasain'i Davida nanontaniana hoe: Iza io vehivavy io? ka izao no nolazain'ny olona azy: Io no Betsabea, zanakavavin'i Eliama, vadin'i Oria, Heteana. 4 Dia naniraka olona haka azy Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Nandio tena ho afaka amin'ny halotoany ravehivavy, dia nody tany an-tranony, 5 kanjo nanana anaka ravehivavy, ka naniraka hilaza amin'i Davida hoe: Manana anaka aho. 6 Tamin'izay, naniraka tany amin'i Joaba Davida handidy azy hoe: Alefaso hankaty amiko Oria Heteana. Dia nalefan'i Joaba hankany amin'i Davida Oria.

7 Ka nony tonga tany amin'i Davida Oria, dia nanontaniany ny vaovao momba an'i Joaba sy ny tafika ary ny ady. 8 Izay Davida vao nanao tamin'i Oria hoe: Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao. Nivoaka ny tranon'ny mpanjaka Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin'ny mpanjaka; 9 nefa niara-nandry tamin'ny mpanompon'ny tompony Oria, teo am-baravaran'ny tranon'andriana, fa tsy nidina nody tany an-tranony. 10 Nolazaina tamin'i Davida izany, natao hoe: Tsy nidina nody any an-tranony Oria. Ka hoy Davida tamin'i Oria: Moa tsy tonga avy amin'ny dia hianao? Nahoana no tsy nidina nody any an-tranonao? 11 Dia hoy ny navalin'i Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy Israely mbamin'i Jodà, mitoetra an-day; Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko, mitoby any an-tsaha foana, ary izaho ve dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Marina amin'ny ainao sy ny ain'ny fanahinao raha hanao izany aho! 12 Ary hoy Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany àry aty anio; fa rahampitso dia halefako hianao. Dia nitoetra tany Jerosalema ihany Oria androtr'izay sy ny ampitson'izay. 13 Nasain'i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin'ny fandriany, teo amin'ny mpanompon'ny tompony ihany Oria, fa tsy nidina nody tany an-tranony. 14 Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba Davida ka tànan'i Oria no nampitondrainy azy.

15 Izao no nosoratany tamin'ny taratasy: Apetraho amin'izay toerana iadiana mafy indrindra Oria, dia mihataha avy eo aoriany hianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy. 16 Nanao fahirano ny tanàna Joaba ka napetrany tamin'ny toerana fantany ho nisy ny lehilahy mahery indrindra Oria. 17 Nivoaka hamely an'i Joaba ny olona tao an-tànana, ka maro tamin'ny vahoaka, tamin'ny mpanompon'i Davida, no maty; ary maty koa Oria, Heteana. 18 Dia naniraka hilaza ny toetry ny ady any amin'i Davida Joaba; 19 ary ny iraka dia nomeny didy hoe: Rahefa vita ny fitantaranao amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady, raha misondrotra ny hatezeran'ny mpanjaka ka milaza aminao hoe: 20 Ahoana no nanakekezanareo ny tanàna toy izany, raha niady? Tsy fantatrareo va fa hozerany ny tsipìka avy any ambony manda hianareo? 21 Iza no namely an'i Abimeleka zanak'i Jerobaala? Moa tsy nozeran'ny vehivavy anankiray vakim-bato fitotoam-bary avy any ambony manda va izy, ka matin'izay tao Tebesa? Ahoana àry no nanakekezanareo ny manda? Dia ataovy hoe: Maty koa Oria, Heteana, mpanomponao. 22 Dia nandeha ilay iraka, ka nony tonga izy dia nambarany tamin'i Davida avokoa izay nasain'i Joaba nambara.

23 Hoy ilay iraka tamin'i Davida: Nivoahan'ireny olona matanjaka noho izahay ireny tany an-tsaha izahay, fa notoherinay hatreny anoloan'ny vavahady kosa izy, 24 ary notofirin'ny mpandefa zana-tsipìka avy ery ambony manda ny mpanomponao, ka maro tamin'ny mpanompon'ny mpanjaka no maty; Oria, Heteana, mpanomponao koa mba maty. 25 Dia hoy Davida tamin'ilay iraka: Izao no lazao amin'i Joaba: Aza malahelo loatra amin'izany hianao, fa mbetika ny iray mbetika kosa ny hafa no asian'ny sabatra. Ka ampitomboy ihany ny hamafin'ny famelezana ny tanàna, dia ravao izy. Ary hianao koa mba mankahereza azy. 26 Nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nitomany azy izy.

27 Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain'i Davida sy noraisiny tao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak'Iaveh izany zavatra nataon'i Davida izany.

Toko faha-12

1 Nirahin'ny Tompo ho any amin'i Davida Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy, tao amin'ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.

2 Ondry aman'omby sesehena no an'ilay mpanan-karena; 3 fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an'ilay mahantra. Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin'ny zanany, nihinana tamin'ny mofony, nisotro tamin'ny kapaokany, natory teny an-trotroany, ary nataony toy ny zanany vavy. 4 Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena, nefa tsy nety naka tamin'ny ondriny na ny ombiny izy hanamboatra sakafo ho an'ilay vahiny tonga tao aminy: fa ny ondrivavin'ilay mahantra no nalainy sy namboariny, ho an'ilay olona tonga tao aminy. 5 Nirehitra fatratra tamin'izany olona izany ny fahatezeran'i Davida, ka hoy izy tamin'i Natàna: Raha velona koa Iaveh dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona manao izany,

6 ary ilay ondrivavy honerany efatra heny, noho izy nahavita an'izany sy tsy nanana antra. 7 Dia hoy Natàna tamin'i Davida: Tsy iza fa hianao izany olona izany. Ka izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nanosotra anao ho mpanjaka amin'Israely aho, ary nanafaka anao tamin'ny tànan'i Saola; 8 ny tranon'ny tomponao nomeko anao; ny vadin'ny tomponao nataoko teo am-pofoanao; ny taranak'Israely sy Jodà natolotro anao, ary raha kely loatra izany mbola ho nampiako izao sy izao koa. 9 Ka nahoana no nanamavo ny tenin'ny Tompo hianao, fa nanao ratsy eo imasony? Oria Heteana nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona! 10 Koa ankehitriny noho hianao nanamavo ahy, sy naka ny vadin'i Oria Heteana, ho vadinao, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra. 11 Izao no lazain'ny Tompo: Indro fa ny ankohonanao, hananganako ny loza hihatra aminao; ny vadinao hotsoahako eo imasonao, ka homeko ny mifanolo-body rindrina aminao, izay handry aminy eo anatrehan'izao masoandro izao; 12 fa hianao dia mangingina no nanaovanao izany, ary izaho kosa dia eo imason'Israely rehetra sy anatrehan'izao masoandro izao no hanaovako izany. 13 Dia hoy Davida tamin'i Natàna: Nanota tamin'ny Tompo aho! Fa hoy kosa Natàna tamin'i Davida: Navelan'ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty hianao.

14 Nefa nampanesoinao an'ny Tompo ny fahavalony tamin'izany zavatra nataonao izany ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao. 15 Dia lasa nankany an-tranony Natana. Ary nasian'ny Tompo ny zaza nateraky ny vadin'i Oria, tamin'i Davida, ka nandraiki-narary mafy. 16 Nivavaka tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin'ny tany nandritra ny alina. 17 Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony, mba hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin'ireo. 18 Nony tamin'ny andro fahafito, maty ny zaza, ka natahotra ny hilaza ny nahafatesany tamin'i Davida ny mpanompony, fa hoy ireo: Fony mbola velona aza ny zaza, niteny taminy isika fa tsy nohenoiny ny feontsika, ka hataontsika ahoana no filaza aminy hoe: maty ny zaza! Vao mainka loza no hafitsony. 19 Hitan'i Davida nitakoritsika ny mpanompony, ka fantatr'i Davida fa maty ny zaza. Hoy Davida tamin'ny mpanompony: Maty angaha ny zaza? Ary hoy ireo: Maty izy. 20 Dia niarina tamin'ny tany Davida ka nandro, nihosotra diloilo sy nanova fitafiana, dia nankao an-tranon'ny Tompo izy ary niankohoka. Nony nody tao an-tranony izy nangataka horosoana sakafo dia nihinana. 21 Ka hoy ny mpanompony taminy: Izao ataonao izao kosa no mba ahoana? Fa fony mbola velona ny zaza, nifady hanina sy nitomany hianao, nony maty kosa ny zaza ankehitriny, miarina sy mihinana mofo hianao? 22 Dia hoy izy: Fony mbola velona ny zaza nifady hanina sy nitomany aho; fa hoy aho anakampo: Iza no mahalala? Hamindra fo amiko angaha Iaveh ka ho velona ihany ny zaza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0862