Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-7
29 ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian'ny mpanomponao, mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao. Fa hianao, Iaveh Tompo, no niteny, ka amin'ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian'ny mpanomponao.Toko faha-8
1 Taorian'izany dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr'izy ireo teo an-tànany.2 Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin'ny tany ireo, dia norefesiny tamin'ny kofehy, ka nandrefy indroan'ny kofehy izy, novonoiny ny eran'ny kofehy, novelominy ny eran'ny kofehy. Dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita, ka nanatitra hena ho azy.
3 Teny an-dàlana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron'ny ony Eofrata, dia resin'i Davida koa Hadadezera zana-dRohoba, mpanjakan'i Sobà.
4 Ary miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin'i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin'i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany. 5 Tonga namonjy an'i Hadadezera mpanjakan'i Sobà koa ny Siriana avy any Damasa, ka noresen'i Davida ny roa alina tamin'ny Siriana. 6 Nametrahan'i Davida miaramila mponina i Sirian'i Damasa, ka tonga mpanompon'i Davida nanatitra hetra ny Siriana. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena, tany amin'izay rehetra nalehany. 7 Nalain'i Davida ny ampinga volamena tao amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema; 8 varahina be dia be koa no azon'i Davida mpanjaka, tao Bete sy Berota, tanànan'i Hadadezera. 9 Nony ren'i Taohò mpanjakan'i Hamata, fa hoe resin'i Davida avokoa ny miaramilan'i Hadadezera,
10 dia nirahin'i Taohò ho any amin'i Davida mpanjaka, Jorama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an'i Hadadezera, fa niady lava tamin'i Hadadezera Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tànan'i Jorama. 11 Natokan'i Davida mpanjaka ho an'ny Tompo koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin'ny firenena rehetra nohitsahin'ny tongony, 12 dia Siria, Moaba, ny taranak'i Amona, ny Filistina, Amaleka; ary ny avy tamin'ny babo azony tamin'i Hadadezera zanak'i Rohoba, mpanjakan'i Sobà. 13 Nahazo laza Davida fony izy niverina avy nandresy ny Siriana valo arivo sy iray alina, teo amin'ny Lohasahan-tSira.
14 Nametrahany miaramila mponina tao Edoma, namehatrany miaramila avokoa Edoma tontolo, ka dia tonga mpanompon'i Davida avokoa Edoma rehetra. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena, tany amin'izay rehetra nalehany. 15 Nanjaka tamin'Israely rehetra Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.
16 Joaba, zanak'i Sarvia, no nifehy ny miaramila; Josafata zanak'i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana; 17 Sadaoka zanak'i Akitoba sy Akimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; Saraiasa no mpanoratra; 18 Banaiasa zanak'i Joiadà, no lehiben'ny Keretiana sy ny Feletiana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.
Toko faha-9
1 Ary hoy Davida: Mbola misy olona amin'ny fianakavian'i Saola va, mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatasy?2 Nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saola anankiray izay kosa, atao hoe Sibà, dia nantsoina hankeo amin'i Davida izy io, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao va no Sibà? Ary hoy ny navaliny azy: Mpanomponao! 3 Ka hoy ny mpanjaka: Tsy misy olona amin'ny fianakavian'i Saola intsony va, ka hanisy soa azy aho tahaka an'Andriamanitra? Ary hoy ny navalin'i Sibà tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatasy anankiray ao; fa malemy ny tongony roa. 4 Ary hoy ny mpanjaka: Aiza izy izay? Ary hoy ny navalin'i Sibà tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, any Lodabara. 5 Dia nampanalain'i Davida mpanjaka tany an-tranon'i Makira zanak'i Amiela tany Lodabara izy. 6 Nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta zanak'i Jonatasy zanak'i Saola, dia niondrika tamin'ny tany sy niankohoka. Ka hoy Davida: Mefiboseta! Ary hoy ny navaliny: Inty ny mpanomponao. 7 Dia hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa te-hanisy soa anao aho, noho ny rainao Jonatasy. Ny tanin'i Saola rainao haveriko aminao avokoa; ary hianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. 8 Niankohoka izy, sady nanao hoe: Zinona moa ny mpanomponao no itodihanao ny alika maty tahaka ahy? 9 Dia nantsoin'ny mpanjaka Sibà mpanompon'i Saola, ka hoy izy taminy: Atolotro ny zanaky ny tomponao avokoa izay rehetra nananan'i Saola sy ny ankohonany.
10 Ka hianao sy ny zanakao lahy mbamin'ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy, dia hanatitra ny vokatra hiveloman'ny zanaky ny tomponao, ary Mefiboseta zanakalahin'ny tomponao, dia hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Nanan-janaka lahy dimy ambin'ny folo, sy mpanompo roapolo, Sibà. 11 Ary hoy Siba tamin'ny mpanjaka: Hataon'ny manomponao avokoa izay rehetra nandidian'ny mpanjaka tompoko, ny mpanompony. Mefiboseta dia nihinana teo amin'ny latabatr'i Davida, toy ny iray amin'ny zanaky ny mpanjaka. 12 Nanan-janakalahy iray mbola tanora atao hoe Mika, Mefiboseta; ary mpanompony avokoa izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Sibà. 13 Nonina tany Jerosalema Mefiboseta, fa nihinana teo amin'ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy; ary nikolepaka ny tongony roa.
Toko faha-10
1 Taty aorian'izany, maty ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, ka dia Hanona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.2 Ary hoy Davida: Hampiseho fankasitrahana amin'i Hanona zanak'i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko. Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy Davida tamin'ny alàlan'ny mpanompony. Nony tonga tany amin'ny tanin'i Amona ny mpanompon'i Davida, 3 dia hoy ny filohan'ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa heverinao ho fanajana an-drainao no nanirahan'i Davida mpanala alahelo aty aminao? Moa tsy ny hizaha sy ny hisafo ny tanàna va, mba handravany azy no nanirahan'i Davida ny mpanompony ho aty aminao? 4 Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka ny somony noharatany sasaka; ny akanjony nofolonany hatreo amin'ny foto-peny, vao nalefany izy ireo hody. 5 Nisy nampandre izany an'i Davida, dia naniraka olona hitsena azy ireo izy fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo, ka izao no nasain'ny mpanjaka nambara taminy: Mitoera any Jerikao aloha, mandra-panirin'ny somotrareo, vao mody hianareo. 6 Fantatry ny taranak'i Amona, fa ankahalan'i Davida azy ny nataony ka ny taranak'i Amona dia naniraka olona haka miaramila hokaramainy avy amin'ny Siriana any Beta-Rohoba sy amin'ny Siriana any Sobà, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary any amin'ny mpanjakan'i Maakà koa roa arivo lahy, ary any amin'ny olona ao Toba roa arivoa sy iray alin-dahy.
7 Ren'i Davida izany, ka mba nalefany kosa Joaba sy ny miaramila rehetra, lehilahy voafantina. 8 Dia nivoaka ny taranak'i Amona, ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahady; ny Siriana avy any Sobà sy Rohoba mbamin'ny lehilahy avy any Toba sy Maakà kosa nitokana teny an-tsaha. 9 Nony hitan'i Joaba fa samy nisy vava ady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin'izay voafantina tamin'Israely no nofidiny hilahatra mifanatrika amin'ny Siriana, 10 fa ny vahoaka sisa rehetra kosa nomeny hotarihin'i Abisaia rahalahiny, izay nampilahatra azy ireo hanoloana ny taranak'i Amona. 11 Ary hoy izy: Raha mahery noho izaho ny Siriana, dia handeha hamonjy ahy hianao, fa raha mahery noho hianao kosa ny taranak'i Amona dia handeha hamonjy anao aho. 12 Mahereza ary samia mitomban-dahy isika miady ho an'ny firenentsika sy ho an'ny tanànan'ny Andriamanitsika; dia aoka Iaveh hanao izay ataony ho mety. 13 Dia nandroso namely ny Siriana Joaba sy ny vahoaka nomba azy, ka nandositra teo anoloany ireny. 14 Nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Siriana, dia nandositra teo anoloan'i Abisaia koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna indray. Dia niverina Joaba nony avy namely ny taranak'i Amona, ka niditra tany Jerosalema. 15 Nony hitan'ny Siriana ny nahareseny teo anatrehan'Israely dia nikambana izy ireo.
16 Ary nisy olona nirahin'i Hadarezera haka ny Siriana izay tany an-dafin'ny ony, ka tonga teo Helama izy ireo; ary Sobàka, lehiben'ny tafik'i Hadarezera no nitarika azy. 17 Novorin'i Davida Israely rehetra, nony nandre izany izy, ka nita an'i Jordany izy, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin'i Davida ny Siriana, ka dia izy no nanomboka ny ady taminy. 18 Kanjo vaky nandositra teo anoloan'Israely ny Siriana, ka matin'i Davida ny an-kalesy fiton-jato, sy an-tsoavaly efatra alina tamin'izy ireo; nasiany koa Sobàka lehiben'ny tafik'izy ireo, ka maty teo izy.
