Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-6
2 Dia nitsangana Davida ka niainga izy narahin'ny vahoaka rehetra izay tafavory manodidina azy, ka nankany Baala-Jodà mba hampiakatra avy any ny fiaran'Andriamanitra izay fiantsoana ilay Anarana, ny anaran'ny Tompo-n'ny tafika, izay mipetraka eo ambonin'ny Kerobima. 3 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ary nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ka Ozà sy Akiao zanak'i Abinadaba, no nitarika ny sarety vaovao. 4 Ary nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, mbamin'ny fiaran'Andriamanitra. Akiao no nandeha teo aloha. 5 Davida sy ny taranak'Israely rehetra, izany, nandihy teo anatrehan'ny Tompo, tamin'ny feon-java-maneno isan-karazany, natao tamin'ny hazo sipre, ny harpa, ny valoha, ny amponga tapaka, ny sistra, ary ny kipantsona. 6 Nony tonga teo am-pamoloan'i Nakora izy ireo, dia naninjitra ny tànany nankamin'ny fiaran'Andriamanitra Ozà sy nandray azy, fa nisolifatra ny omby.7 Fa nirehitra tamin'i Ozà ny fahatezeran'ny Tompo ka nasian'Andriamanitra teo no teo ihany noho ny fikoropany foana, dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy. 8 Nahatezitra an'i Davida ny namelezan'ny Tompo an'i Ozà toy izany; ary io toerana io dia nantsoina mandrak'androany hoe Ferets-Ozà. 9 Natahotra an'ny Tompo Davida tamin'izany andro izany, ka hoy izy: Hanao ahoana ny hankanesan'ny fiaran'ny Tompo any amiko? 10 Koa Davida tsy nety nandray ny fiaran'ny Tompo ho any aminy, any an-tanànan'i Davida, fa nasain'i Davida nentina nankany an-tranon'i Obedeboma, any Geta, ny fiara. 11 Dia nipetraka tao an-tranon'i Obededoma any Geta telo volana ny fiaran'ny Tompo, ka nambinin'ny Tompo Obededoma sy ny ankohonany rehetra. 12 Nisy olona tonga nilaza tamin'i Davida mpanjaka nanao hoe: Nambinin'ny Tompo ny ankohonan'i Obededoma sy ny ananany rehetra, noho ny amin'ny fiaran'Andriamanitra. Dia niainga nandeha Davida, ka nampiakatra ny fiaran'Andriamanitra avy any an-tranon'i Obededoma ho any an-tanànan'i Davida, nombam-panotrona maro niravoravo.
13 Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'ny Tompo, dia nisy ombalahy iray sy zanak'omby matavy izay natolotra ho sorona. 14 Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy Davida teo anatrehan'ny Tompo, ary nisikina efoda rongony madinika Davida. 15 Tamin'ny hobin-kafaliana sy ny feon'anjomara no nampakaran'i Davida sy ny taranak'Israely rehetra ny fiaran'ny Tompo. 16 Nitsirika teo am-baravaran-kely Mikola zanak'i Saola, nony niditra ny tanànan'i Davida ny fiaran'ny Tompo, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan'ny Tompo izy, ka nikizaka azy tao am-pony. 17 Nony tafiditra ny fiaran'ny Tompo ka efa voapetraka tamin'ny fitoerany tao afovoan'ny lay nasain'i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan'ny Tompo Davida.
18 Ary rahefa tapitra naterin'i Davida ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'ny Tompo-n'ny tafika izy. 19 Dia samy nomeny mofo mamy iray avy ny vahoaka rehetra, ny olona marobe rehetra amin'Israely na lahy na vavy. Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra. 20 Raha ilay nody hitso-drano ny ankohonany iny Davida, dia nivoaka hitsena an'i Davida Mikola zanak'i Saola, sy nanao hoe: Endrey izany voninahitry ny mpanjakan'Israely androany, tamin'izy nanary lamba teo anatrehan'ny ankizivavin'ny mpanompony, tahaka ny fanary lamban'ny olom-poana!
21 Fa hoy kosa ny navalin'i Davida tamin'i Mikola: Teo anatrehan'ny Tompo izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra, ka nanangana ahy ho andriana tamin'ny vahoakany, tamin'Israely, teo anatrehan'ny Tompo no nandihizako. 22 Mbola hanetry tena noho izany aza aho, sy ho olona tsinontsinona eo imasoko, ary eo anatrehan'ny ankizivavy antsoinao, eo amin'izy ireo aho dia ho be voninahitra. 23 Ary tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny Mikola zanakavavin'i Saola.
Toko faha-7
1 Nony efa niorina tsara tao an-tranony ny mpanjaka sady nomen'ny Tompo fandriam-pahalemana tamin'ny fahavalony rehetra nanodidina azy,2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natàna mpaminany: Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny fiaran'Andriamanitra mitoetra eo afovoan'ny lay! 3 Ka hoy Natàna, namaly ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao Iaveh. 4 Ny alin'izay ihany, dia tonga tamin'i Natàna ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
5 Mandehana, lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida, hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hianao ve no hanao trano hitoerako? 6 Fa mbola tsy nitoetra an-trano aho, hatramin'ny nitondrako ny zanak'Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandrak'androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao. 7 Ary nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin'ny zanak'Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin'ireo mpifehy an'Israely, izay nasaiko hamahana an'Israely vahoakako, nanaovako hoe: Nahoana hianareo no tsy manao trano sedera ho ahy? 8 Koa ankehitriny, lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida, hoe: Izao no lazain'ny Tompo-n'ny tafika: Tany an-tanim-bilona tao aorian'ny ondry no nangalako anao ho andriana amin'ny vahoakako, amin'Israely; 9 ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao, ny anaranao nataoko malaza toy ny anaran'ny olo-malaza ambonin'ny tany. 10 Nanokan-toerana ho an'ny vahoakako, ho an'Israely aho, dia nampiorina azy eo, ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin'ahiahy, fa tsy hampahorian'ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony, 11 sy toy ny tamin'ny andro nananganako mpitsara hifehy an'Israely vahoakako. Nanome anao fialan-janona tamin'ny fahavalonao rehetra aho; ary lazain'ny Tompo aminao fa hananganany trano hianao. 12 Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin'ny razanao hianao, dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany. 13 Izay no hanorina trano ho an'ny anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 14 Ho toy ny ray ho azy aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko amin'ny tsora-kazon'olombelona, sy ny kapoky ny zanak'olombelona. 15 Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy, toy ny nanesorako izany tamin'i Saola, izay nalako teo anoloanao. 16 Fa ho azo antoka ny faharetan'ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao. 17 Nambaran'i Natàna tamin'i Davida avokoa izany teny sy fahitana rehetra izany. 18 Dia tonga Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan'ny Tompo ary nanao hoe: Zinona moa aho, Iaveh Tompo ô! Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin'izao aho?
19 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Iaveh Tompo, fa niteny hianao ny amin'ny taranaky ny mpanomponao koa hatrany amin'ny andro aoriana any. Arakaraka ny lalàn'ny olombelona izany ataonao amiko izany, Iaveh Tompo ô! 20 Inona indray àry no azon'i Davida lazaina aminao? Fantatrao ny mpanomponao, ry Iaveh Tompo! 21 Ary noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izany raharaha lehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao izany ny mpanomponao. 22 Fa endrey izany halehibeazanao, ry Iaveh Tompo ô! Fa tsy misy tahaka anao, tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay. 23 Aiza izay firenena eto ambonin'ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an'Israely, fa Andriamanitra no tonga nanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny anarany, hanao zava-dehibe ho anao, ary hanao ireo famantarana ho an'ny taninao, tamin'ny nandroahanao ireo firenena mbamin'ny andriamaniny teo anoloan'ny vahoakanao izay navotanao tamin'i Ejipta. 24 Nataonao mafy orina Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay, ka hianao, ry Iaveh, dia efa tonga Andriamaniny. 25 Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo ô, tano ny teny voalazanao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany, tano mandrakizay izany ary tanteraho araka ny teninao; 26 dia hakalazaina anie ny anaranao, ka hatao hoe: Iaveh-n'ny tafika no Andriamanitra amin'Israely. Ary aoka ho voaorina mafy eo anatrehanao ny fianakavian'i Davida mpanomponao. 27 Fa tenanao, ry Iaveh-n'ny tafika, Andriamanitr'Israely, no efa niseho tamin'ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano hianao. Ka izany no nahasahian'ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao. 28 Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo, hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao. Efa nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin'ny mpanomponao hianao,
