Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-3
28 Ren'i Davida izany, taty aoriana, ka hoy izy: Tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo aho sy ny fanjakako, ny amin'ny ràn'i Abnera zanak'i Nera. 29 Fa amin'ny lohan'i Joaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: Ka tsy ho tapaka eo amin'ny fianakavian'i Joaba ny marary mitsi-drà na boka, na mampandihy ampela na lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina. 30 Dia toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisaïa rahalahiny an'i Abnera, noho ny namonoany an'i Asaela rahalahiny tany Gabaona tamin'ny ady. 31 Ary hoy Davida tamin'i Joaba sy ny vahoaka rehetra teo aminy: Triaro ny fitafianareo, misikìna lasaka, ary aoka hisaona eo anoloan'i Abnera hianareo. Dia nandeha teo aorian'ny tranovorona Davida mpanjaka.32 Tao Hebrona no nalevina Abnera. Nitomany tamin'ny feo avo ny mpanjaka teo amin'ny fasan'i Abnera, ary nitomany koa ny vahoaka rehetra. 33 Nanao hira fisaoana an'i Abnera ny mpanjaka nanao hoe: Toy ny fahafatin'adala va no tokony ho nahafatesan'i Abnera? 34 Tsy nifatotra ny tananao, tsy nigadra ny tongotrao, Fa toy ny fahalavon'olona sehatra ny olon-dratsy ny nahalavo anao! Dia nanohy nigogogogo nitomany an'i Abnera ny vahoaka rehetra;
35 ary nanatona an'i Davida nampihinan-kanina azy ny vahoaka rehetra, raha mbola antoandro ny andro; nefa nianiana Davida nanao hoe: Hoentin'ny Tompo amin'izay ngidiny indrindra anie aho, raha hanendry hanina na zavatra hafa na inona na inona, alohan'ny maty masoandro! 36 Hitan'ny vahoaka rehetra tsara izany, ka nankasitrahany, toy ny nankasitrahany an'izay rehetra nataon'ny mpanjaka koa. 37 Fantatry ny vahoaka rehetra sy Israely rehetra, tamin'izany andro izany fa tsy mba avy amin'ny mpanjaka velively ny namonoana an'i Abnera, zanak'i Nera. 38 Hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa mpifehy ary lehilahy ambony amin'Israely no maty androany? 39 Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak'i Sarvia ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian'ny Tompo anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!
Toko faha-4
1 Nony ren'ny zanakalahin'i Saola fa hoe maty Abnera, tao Hebrona, dia niraviravy tànana izy ary kivy ratsy Israely rehetra.2 Roa no lehiben'ny antokon'olon'ny zanakalahin'i Saola, dia Baanà ny anankiray, ary Rekaba ny anankiray, samy zanak'i Remona avy ao Berota amin'ny taranak'i Benjamina. Fa natao isan'i Benjamina koa Berota, 3 ary ny Berotia dia nandositra nankany Getaïma, ka mbola monina any mandrak'androany. 4 Jonatasy zanak'i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin'i Saola sy Jonatasy hoe maty, ka nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan'izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifiboseta no anarany.
5 Ary tonga Rekaba sy Baanà zanak'i Remona avy any Berota, ka nony tamin'ilay andro nigaingaina iny indrindra, dia niditra tao an-tranon'Isboseta izay nandrinandry niala sasatra tamin'ny misasaka andro.
6 Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin'ny kibony izy. Ary Rekaba sy Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko. 7 Ilay nandry teo am-parafarany, tao an'efitra fandriany iny Isboseta, no niditra tao an-trano izy ireo, dia novonoiny ho faty izy, ka notapahiny ny lohany, dia nentiny, ary nandeha mandritra ny alina manontolo izy, namaky ny Tany lemaka. 8 Nentiny tany amin'i Davida tany Hebrona ny lohan'Isboseta, dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Indro ny lohan'Isboseta zanak'i Saola, fahavalonao, izay nitady ny ainao. Namalian'ny Tompo faty an'i Saola sy ny taranany androany ny mpanjaka tompoko. 9 Ary hoy ny navalin'i Davida tamin'i Rekaba sy Baanà rahalahiny, zana-dRemona, avy any Berota: Velona Iaveh, izay nanafaka ahy tamin'ny loza rehetra! 10 Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin'ny vaovao tsara nentiny, 11 ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin'ny tànanareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin'ny tany! 12 Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo Davida; ary notapahin'izy ireo ny tongony aman-tànany, ka nahantony teo amoron'ny farihy any Hebrona. Rahefa izany dia nalainy ny lohan'Isboseta sy naleviny tao amin'ny fasan'i Abnera ao Hebrona.
Toko faha-5
1 Ary tonga amin'i Davida tany Hebrona ny fokon'Israely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.2 Hatramin'ny nanjakan'i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa hianao no nitondra an'Israely nivoaka sy niditra. Ary Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Hianao no hamahana an'Israely oloko, hianao no ho andrian'Israely. 3 Ary samy tonga tany amin'ny mpanjaka tany Hebrona avokoa ny loholon'Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo tany, teo anatrehan'ny Tompo, Davida mpanjaka; ary nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'Israely izy ireo. 4 Telopolo taona Davida fony tonga mpanjaka, ary efapolo taona no andro nanjakany. 5 Tao Hebrona izy nanjaka tamin'i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin'i Jodà sy Israely rehetra telo amby telopolo taona. 6 Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin'ny Jeboseana, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin'i Davida hoe: Tsy ho tafiditra aty hianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao. Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana Davida.
7 Kanjo afak'i Davida ny toerana mimanda tao Siona: ny tanànan'i Davida izany. 8 Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Na iza na iza hamely ny Jeboseana, ka hihazo amin'ny làlan-drano... Fa ny mandringa sy ny jamba koa dia mankahala ny ain'i Davida. Izany no nihavian'ilay fitenenana hoe: Tsy ho tafiditra an-trano ny jamba sy ny mandringa. 9 Dia niorim-ponenana teo amin'ny toerana mimanda Davida, ka nataony hoe: Tanànan'i Davida izany. Ary nanorina trano tamin'ny manodidina Davida hatrany Melao, mbamin'ny ao anatiny koa. 10 Nandroso niha-ambony hatrany hatrany Davida, ary nomba azy Iaveh Andriamanitry ny tafika.
11 Nandefa iraka nankany amin'i Davida Hirama mpanjakan'i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an'i Davida.
12 Dia fantatr'i Davida fa naraikitry ny Tompo ho mpanjakan'Israely izy, ary ny fanjakany koa nasandrany, noho Israely vahoakany. 13 Naka vaditsindrano sy vady koa Davida tany Jerosalema, nony tonga avy any Hebrona izy, ka niteraka zazalahy aman-jazavavy indray Davida.
14 Ireto no anaran'ireo naterany tany Jerosalema: 15 Samoà, Sobaba, Natana, Salomona, Jebahara, 16 Elisoa, Nefega, Jafia, Elisamà, Eliodà, ary Elifaleta. 17 Ren'ny Filistina fa hoe nohosorana ho mpanjakan'Israely Davida ka niakatra hitady an'i Davida ny Filistina rehetra. Nahare izany Davida, ka nidina nankao amin'ny toerana mimanda.
18 Nony tonga ny Filistina dia nihahaka teny amin'ny lohasahan'ny Refaima. 19 Ka nanontany an'ny Tompo Davida, nanao hoe: hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànako va izy? Ary hoy Iaveh tamin'i Davida: Miakara fa hatolotro eo an-tànanao tokoa ny Filistina. 20 Dia nankany Baala-Farasima Davida ka namely azy tao Davida, ary hoy izy: Novakin'ny Tompo teo anoloako toy ny amakian'ny rano ny fefiloha, ny fahavaloko. Izany no nanaovana ny anaran'io toerana io hoe: Baala-Farasima. 21 Navelan'izy ireo tao ny sampiny, ka nentin'i Davida sy ny olony. 22 Niakatra indray ny Filistina, ka nihahaka teo amin'ny lohasahan'ny Refaima.
23 Ka nanontany an'ny Tompo Davida, sy novaliany hoe: Aza miakatra fa hodidino avy any aoriany izy dia hirotsaka aminy, avy ary amin'ny balsamie, hianao, 24 ka nony injay mahare figodongodonan'olona any an-tendron'ny balsamie hianao dia mameleza faingana, fa amin'izay Iaveh no mivoaka eo alohanao hamely ny tafiky ny Filistina. 25 Dia nanao araka izany Davida, araka ny nandidian'ny Tompo azy, ka nandresy ny Filistina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.
Toko faha-6
1 Namory ny olona voafantina rehetra amin'Israely indray Davida, dia telo alin-dahy.
