Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-2
10 Efa efapolo taona Isboseta zanak'i Saola fony izy nanjaka tamin'Israely ary roa taona no nanjakany. Ny fokon'i Jodà irery ihany no nomba an'i Davida. 11 Ary fito taona sy enim-bolana no andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny fokon'i Jodà. 12 Nivoaka avy ao Mahanaima Abnera zanak'i Nera, mbamin'ny mpanompon'Isboseta zanak'i Saola hamely an'i Gabaona.13 Niainga Joaba zanak'i Sarvia, mbamin'ny mpanompon'i Davida, ka tafahoana teo amoron'ny kamorin'i Gabaona izy ireo; ny iray niorin-dasy teo amin'ny lafin'ny kamory anankiray, ny iray kosa tao amin'ny lafiny anankiray hafa. 14 Dia hoy Abnera tamin'i Joaba: Aoka kely hitsangana ny tovolahy hikatroka eto anatrehantsika. Ary namaly Joaba hoe: Aoka hitsangana izy. 15 Dia nitsangana izy ireo ka nandroso nitovy isa, roa ambin'ny folo tamin'i Benjamina sy amin'Isboseta zanak'i Saola, roa ambin'ny folo avy amin'ny mpanompon'i Davida. 16 Samy nisavika ny tandrifiny tamin'ny lohany izy ireo, dia nanindrona ny lanivoan'ny namany tamin'ny sabatra ka indray niankarapoka. Ary natao hoe Helkat-Hatsorima ny anaran'io toerana io, any Gabaona izany. 17 Rafitra mafy ny ady tamin'izay andro izay, ary resin'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'Israely. 18 Teo daholo tamin'izay izy telo lahy zanak'i Sarvia dia Joaba sy Abisaïa ary Asaela. Faingan-tongotra hoatra ny iray amin'ny gazela any an-tsaha Asaela.
19 Ka nanenjika an'i Abnera Asaela ary tsy nivily tsy hanjohy an'i Abnera na hiankavanana na hiankavia. 20 Dia niherika Abnera, ka nanao hoe: Hianao ve ity, ry Asaela? Ary novaliany hoe: Izaho ity! 21 Hoy Abnera taminy: Mivilia amin'ny ankavanana, na amin'ny ankavia, ka ny iray amin'ireny tovolahy ireny samborina ka entina ny babo aminy. Tsy nety nivily hiala aminy anefa Asaela. 22 Ka hoy Abnera taminy fanindroany hoe: Mivilia tsy hanenjika ahy! Hataoko inona moa izay hamono anao hitsingidina amin'ny tany e? Ary hataoko ahoana no fanandratra ny tavako eo imason'i Joaba rahalahinao? 23 Fa tsy nety nivily Asaela. Tamin'izay dia nasian'i Abnera tamin'ny antsin-defona ny kibony, ary niboroaka tamin'ny lamosiny ny lefona, ka nitsingidina teo, maty teo no ho eo izy. Niato avokoa izay rehetra tonga teo amin'ny toerana nahalavoany sy nahafatesan'i Asaela. 24 Ary Joaba sy Abisaïa nanenjika an'i Abnera ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro izy no tonga teo amin'ny havoan'i Amah izay eo atsinanan'i Giaka, amin'ny làlana mankany an'efitr'i Gabaona. 25 Nitambatra indray nanaraka an'i Abnera ny taranak'i Benjamina ka nony tafakambana ho antoko miaramila iray ihany izy, dia niato teo an-tampon'ny havoana anankiray.
26 Ary niantso an'i Joaba, Abnera ka nanao hoe: Hanao rapa-dango mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran'izany? Hiandry mandra-pahoviana hianao vao hilaza amin'ny vahoaka ny tsy hanenjika ny rahalahiny? 27 Dia hoy ny navalin'i Joaba: Marina fa velona Iaveh! koa raha tsy niteny hianao dia ho tsy nitsahatra ny hanenjika ny rahalahiny avy ny vahoaka alohan'ny rahampitso maraina. 28 Dia notsofin'i Joaba ny trompetra ka nijanona ny vahoaka rehetra tsy nanenjika an'Israely intsony izy, ary tsy nanohy ny ady intsony. 29 Abnera sy ny olony, nony nandeha nandritra ny alina tamin'ny Tany lemaka dia nita an'i Jordany ary namaky an'i Bitrona tontolo, dia tonga tany Mahanaima.
30 Joaba kosa nitsahatra tsy nanenjika an'i Abnera, fa namory ny vahoaka rehetra; sivy ambin'ny folo lahy tamin'ny mpanompon'i Davida ary Asaela no latsaka. 31 Ary enimpolo sy telon-jato lahy no matin'ny mpanompon'i Davida, tamin'ny lehilahy amin'i Benjamina sy ny olon'i Abnera. 32 Dia nentin'izy ireo Asaela ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy izay ao Betleema. Ary nandeha nandritra ny alina manontolo Joaba sy ny olony, ka vao nazava ratsy ny andro dia tonga tany Hebrona izy.
Toko faha-3
1 Naharitra ela ny adin'ny fianakavian'i Saola sy ny fianakavian'i Davida. Davida nandroso nihanahery, fa ny fianakavian'i Saola kosa nihaosa miandalandalana.2 Niteraka lahy maro Davida tao Hebrona; Amona naterak'i Akinoama avy any Jezraela no lahimatoa.
3 Keleaba naterak'i Abigaïla avy any Karmela, ilay novinadin'i Nabala, no lahiaivo; Absalona, zanak'i Maakà, zanakavavin'i Tolmaia, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; 4 Adoniasy zana'i Hagita, no fahefatra; Safatià zanak'i Abitala, no fahadimy. 5 Ary Jetraama naterak'i Eglà vadin'i Davida, no fahenina. Ireo no zazalahy naterak'i Davida tao Hebrona. 6 Tamin'ny andro niadian'ny fianakavian'i Saola sy ny fianakavian'i Davida, dia nihamahery Abnera tao amin'ny tranon'i Saola.
7 Ary nisy vaditsindranon'i Saola anankiray natao hoe Resfà zanakavavin'i Aià; ary hoy Isboseta tamin'i Abnera hoe: 8 Ahoana no nandeha tamin'ny vaditsindranon'i Kaky hianao? Ka tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta ka namaly hoe: Lohan'alika anisan'i Jodà va aho? Amin'izao mampiseho fitiavana ny tranon'i Saola, rainao, sy ny rahalahiny aman-tsakaizany aho, ary tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida ka dia izao hianao no maniny ahy amin'ny hadisoana tamin'iny vehivavy iny? 9 Hoentin'Andriamanitra amin'izay ngidiny indrindra anie Abnera raha tsy hataoko amin'i Davida arak'izay nianianan'ny Tompo taminy, 10 fa hoesoriny amin'ny fianakavian'i Saola ny fanjakana ka hatsangany amin'Israely sy Jodà hatrany Dana ka hatrany Bersabea ny seza fiandrianan'i Davida. 11 Tsy nahavaly an'i Abnera Isboseta, na indraim-bava aza, fa natahotra azy. 12 Dia nanefa iraka nankany amin'i Davida Abnera hilaza aminy, amin'ny anarany, hoe: An'iza ny tany? Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tànako hampihodina an'Israely rehetra hankaminao.
13 Ary novaliany hoe: Tsara izany; hanao fanekena aminao aho, fa zavatra iray loha no angatahiko aminao, dia ny tsy hahitanao ny tavako raha tsy entinao aty amiko Mikola zanakavavin'i Saola rahefa ho avy hianao hifankahita tava amiko. 14 Dia nandefa iraka ho any amin'Isboseta zanak'i Saola Davida hanao aminy hoe: Omeo ahy Mikola vadiko izay nampakariko notakalozako hodi-tsy miforan'ny Filistina zato. 15 Ka nampanalain'Isboseta Mikola tany amin'i Faltiela vadiny, zanak'i Laïsa, 16 ary nanaraka azy ny lahy, nandeha sy nitomany avy ao aoriany, hatreo Batorima, fa nony mby teo, dia hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Ka dia niverina izy. 17 Nisy dinidinika nataon'i Abnera tamin'ny loholon'Israely, ka hoy izy tamin'izy ireo: Efa ela no nanirianareo an'i Davida ho mpanjakanareo,
18 koa misikìna àry ankehitriny, fa Iaveh nilaza tamin'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida, mpanompoko, no hanafahako an'Israely vahoakako amin'ny tànan'ny Filistina, sy amin'ny tànan'ny fahavalony rehetra. 19 Ary niresaka tamin'i Benjamina koa Abnera, ary lasa Abnera hilaza ho henon'i Davida any Hebrona izay noheverin'Israely sy ny taranak'i Benjamina rehetra ho mety. 20 Dia tonga tany amin'i Davida, tany Hebrona Abnera, nomban'olona roapolo lahy. Ary nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida. 21 Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hitsangana aho ka hiainga hamory an'Israely rehetra ho aty amin'ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fonao hianao. Dia nalefan'i Davida Abnera ka nandeha amim-piadanana. 22 Fa indreto kosa tamy ny mpanompon'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo betsaka niaraka taminy. Tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany handeha ka nandeha tamim-piadanana izy.
23 Dia tonga Joaba sy ny antokon'olona rehetra niaraka taminy, ka nisy nilaza tamin'i Joaba hoe: tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera zanak'i Nera, fa nalefany ka lasa nandeha tamim-piadanana izy! 24 Dia nankao amin'ny mpanjaka Joaba, ka nanao hoe: Inona no nataonao? Tonga teo aminao Abnera, ka nahoana no nalefanao sy navelanao handeha? Fantatrao anefa Abnera zanak'i Nera. 25 Fa ny hamitaka anao no nahatongavany taty ary hitsikilo ny fanaonao sy hahalala ny ataonao rehetra! 26 Nony avy eo amin'i Davida Joaba dia naniraka olona hanara-dia an'i Abnera, ka avy amin'ny famorian-drano any Sira no nitondrany azy miverina; tsy fantatr'i Davida velively anefa izany.
27 Nony tafaverina tao Hebrona Abnera dia nentin'i Joaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin'ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin'ny ràn'i Asaela, rahalahin'i Joaba.
