Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-30
31 an'ny ao Hebrona, ary ho an'ny any amin'ny tany rehetra nalehan'i Davida sy ny olony.Toko faha-31
1 Nony rafita ny adin'ny Filistina tamin'Israely, dia nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'Israely, ka lavo voan'ny ratra mahafaty teo an-tendrombohitra Jelboe.2 Nikiry nanenjika an'i Saola sy ny zanany ny Filistina, ka matin'ny Filistina avokoa Jonatasy sy Abinadaba ary Melkisoà zanak'i Saola. 3 Dia Saola no nanaovan'ny mpiady am-bezatra; hitan'ny mpandefa tsipìka izy, ka natahotra mafy ny mpandefa tsipìka. 4 Dia hoy Saola tamin'ity mpitondra fiadiany: Tsoahy ny sabatrao ka atrobary ahy, fandrao dia ireo tsy mifora ireo indray no tonga manatrobaka ahy, ka alany baraka aho. Tsy nety ilay mpitondra fiadiany, fa raiki-tahotra izy, ka Saola no naka ny sabany, dian nianjera taminy. 5 Nony hitan'ity mpitondra fiadiany fa maty Saola, dia mba nanjera tamin'ny sabany koa izy, ka niara-maty taminy. 6 Izany no niarahany maty androtr'izay ihany, dia Saola sy ny zanany telo lahy, ary ny mpitondra fiadiany, mbamin'ny olona rehetra. 7 Nony hitan'ny olona amin'Israely izay nitoetra taty an-dafin'ny tany lemaka, sy tety an-dafin'i Jordany, fa nandositra ny zanak'Israely, dia nilaozany ny tanànany ka lasa nandositra izy, dia tonga ny Filistina nonina tao. 8 Ny ampitson'iny, tonga handroba ny zavatra teny amin'ny maty ny Filistina, ka nahita an'i Saola sy ny zanany telo lahy nitsitra tany an-tendrombohitra Jelboe.
9 Dia notapahiny ny lohany, nalainy ny fiadiany, ary naniraka olona izy ireo mba hiantso izany vaovao mahafaly izany eran'ny tanin'ny Filistina rehetra, tao an-tempolin-tsampiny, sy amin'ny vahoaka. 10 Ny fiadian'i Saola napetrany tao amin'ny tempolin'i Astarte ary ny fatiny napetany teo amin'ny mandan'i Betsàna. 11 Nony ren'ny mponina tany Jabesa any Galaada ny nanaovan'ny Filistina an'i Saola,
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra, ka nandeha mandritra ny alina manontolo dia nanesotra ny fatin'i Saola sy ny fatin-janany teo amin'ny mandan'i Betsàna vao niverina tany Jabesa, dia nodorany tao ireo. 13 Noraisiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ny tamariska tao Jabesa; ary nifady hanina hafitoana izy.
Boky Faharoan'i Samoela
Toko voalohany
1 Nony maty Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa Davida ka hatramin'ny andro roa Davida no nipetraka tao Sikelega.2 Tamin'ny andro fahatelo, inty nisy lehilahy anankiray, avy tany an-toby, avy tany amin'i Saola, ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany, ary nony mby teo amin'i Davida izy dia nidaboka tamin'ny tany, ka niankohoka. 3 Hoy Davida taminy: Avy aiza hianao? Ary hoy ny navaliny azy: Nandositra avy tany an-tobin'Israely aho. 4 Dia hoy Davida taminy: Ka nanao ahoana avy? Tantarao amiko kely hoe. Ary hoy izy: Nandositra tamin'ny ady ny vahoaka, ka be no nitsingidina sy maty tamin'ny vahoaka, ary maty koa aza Saola sy Jonatasy zanany. 5 Hoy Davida tamin'ity zatovo, nilaza izany zava-baovao izany taminy: Ahoana no ahafantaranao fa maty Saola sy Jonatasy zanany? 6 Ary izao no navalin'ilay zatovo nilaza ny vaovao taminy: Sendra tany an-tendrombohitra Jelboe aho, no inty Saola nitehina tamin'ny lefony teo, efa saika tratry ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly mihitsy; 7 niherika izy ka nahatazana ahy dia niantso ahy, sy nolazaiko hoe: Inty aho. 8 Ary hoy izy tamiko: Iza moa hianao? Ka hoy aho namaly azy: Amalesita aho. 9 Dia hoy izy tamiko: Avia aty akaikiko ary vonoy ho faty aho; fa efa fanina aho ity, nefa ny aiko manontolo mbola ato amiko. 10 Dia nanatona azy aho, ka namono azy satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy rahefa resy. Koa nalaiko ny satrok'andriana teny an-dohany sy ny fehin-tànana teny amin'ny sandriny, dia indreto nentiko nankaty amin'ny tompoko. 11 Dia noraisin'i Davida ny fitafiany, ka notriariny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12 Nanao ny fombam-pisaonana azy ireo izy, nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan'ny andro, nisaona an'i Saola sy Jonatasy zanany ary ny olon'ny Tompo sy ny tranon'Israely, satria lavon-tsabatra izy ireo. 13 Ary hoy Davida tamin'ity zatovo nilaza ny vaovao taminy: Avy aiza no tany fihavianao? Hoy ny navaliny azy: Izaho dia zanaky ny olona hafa firenena, dia olona Amalesita. 14 Ary hoy Davida taminy: Nahoana hianao no dia tsy natahotra ny haninji-tànana hamono ny voahosotry ny Tompo? 15 Sady niantso ny anankiray tamin'ny tovolahy Davida ka nanao hoe: Avia, vonoy io. Dia nasiany, ka maty. 16 Ary hoy Davida taminy: Aoka ny ranao ho eo an-dohanao, satria vavanao ihany no niampanga anao, fony hianao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotry ny Tompo. 17 Noventesin'i Davida ity hira fisaonana an'i Saola sy Jonatasy zanany ity,
18 ka nasainy nampianarina ny zanak'i Jodà izany. Io ilay hira hoe: Tsipìka. Indro fa voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Marina izany: 19 Moa levona teny amin'ny tamponao va ny famirapiratr'Israely? Ahoana no nahalavoan'ny mahery?
20 Aza ambaranareo any Geta izany, na torinareo any amin'ny araben'i Askalona, fandrao mifaly amin'izany ny zanakavavin'ny Filistina, fandrao mibita-kavaliana ny zanakavavin'ny tsy mifora.
21 Hianareo tendrombohitra Jelboe, aza misy andro aman'orana intsony eo aminareo na saha fisantaram-bokatra! Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan'ny mahery.
22 Ny ampingan'i Saola tsy mba diloilo no nahosotra azy fa ny ran'ny maratra sy ny tavin'ny mahery; ny tsipìkan'i Jonatasy tsy lasa nihemotra na oviana na oviana ary ny sabatr'i Saola tsy nody maina.
23 Malala sy mahate-ho tia Saola sy Jonatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
24 Mitomania an'i Saola, ry zanakavavin'Israely, fa notafiany jaky tao anatin'ny fahafinaretana hianareo; noravahany volamena ny fitafianareo!
25 Ahoana no nahalavoan'ny mahery tany an'ady? Voagorobaka teo amin'ny havoanao Jonatasy!
26 Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jonatasy rahalahiko! Fa hianao ihany no fahafinaretako tanteraka; mamiko noho ny fitiavan'ny vehivavy ny fitiavanao.
27 Ahoana no nahalavoan'ny mahery? Ahoana no nahafatesan'ny mpiady?
Toko faha-2
1 Taorian'izany dia nanontany an'ny Tompo Davida nanao hoe: Hiakatra any amin'ny anankiray amin'ny tanànan'i Jodà va aho? Dia hoy ny navalin'ny Tompo azy: Miakara. Hoy Davida: Aiza no hiakarako? Ary Iaveh namaly hoe: Any Hebrona.2 Dia niakatra tany Davida mbamin'ny vadiny roa, Akinoama avy any Jezraela sy Abigaïla avy any Karmela, ilay novinadin'i Nabala. 3 Nampiakatra ny olona teo aminy mbamin'ny fianakaviany koa Davida ka nonina tamin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo. 4 Dia tonga ny lehilahy amin'i Joda ka tao no nanosorany an'i Davida ho mpanjaka amin'ny fokon'i Joda. Nisy nilaza tamin'i Davida fa ny olona any Jabesa any Galaada, no nandevina an'i Saola. 5 Ka dia nandefa iraka ho any amin'ny olona any Jabesa any Galaada Davida hilaza aminy hoe: Ho tahin'ny Tompo anie hianareo, noho ny nanefanareo izany adidim-pitiavana izany tamin'i Saola tomponareo, dia tamin'ny nandevenanareo azy. 6 Ary ankehitriny haneho hatsaram-po sy fahamarinana aminareo anie Iaveh! Ary izaho koa hamaly soa anareo tamin'ny nanaovanareo an'izany. 7 Ary amin'izao hankaherezina anie ny tànanareo, ka ho lehilahy mahery hianareo! Fa maty izay Saola tomponareo, ary izaho no natsangan'ny fokon'i Jodà ho mpanjakany. 8 Tamin'izany kosa Abnera zanak'i Nera, lehiben'ny foloalindahin'i Saola, dia naka an'i Isboseta, zanak'i Saola, ka rahefa nentiny nankany Mahanaima izy,
9 dia nantsangany ho mpanjaka amin'i Galaada, amin'ny Asorita, amin'i Zesraela, amin'i Efraima, amin'i Benjamina ary amin'Israely rehetra.
