Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-28

17 Nataon'ny Tompo izao araka izay efa nolazainy rahateo tamin'ny alàlako; efa notsoahan'ny Tompo teo am-pelatànanao ny fanjakana, ka nomeny ny namanao, dia Davida. 18 Satria tsy nihaino ny feon'ny Tompo hianao, fa tsy nanao tamin'i Amaleka araka ny firehitry ny hatezerany; ka izany no nanaovan'ny Tompo toy izao taminao androany. 19 Mainka hatolotry ny Tompo eo an-tànan'ny Filistina aza Israely sy hianao. Rahampitso hianao sy ny zanakao dia ho any amiko, ary ny tobin'Israely hatolotry ny Tompo eo an-tànan'ny Filistina. 20 Dia lavo nitsingidina tamin'ny tany, niaraka tamin'izany, Saola; fa ny tenin'i Samoela nahatsiravina azy indrindra; ny heriny koa efa tsy nisy intsony, stria tsy nanendry hanina izy, indray andro sy indray alina maninjitra. 21 Nankeo amin'i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izaitsizy, ka dia nanao taminy hoe: Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin'ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko.

22 Koa ankehitriny, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao: aoka mba horosoako sombi-mofo kely hianao; mihinàna amin'izany hahazoanao tanjaka ho eny amin'ny dia hotohizanao. 23 Tsy nety anefa izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Nanesy azy teo niaraka tamin-dravehivavy ireto mpanompony, dia nanaiky ny fiambezoan'izy ireo ihany izy. Nitsangana avy eo amin'ny tany, dia nipetraka tamin'ny saofà izy. 24 Nanan-janak'omby matavy tao aminy ravehivavy, ka novonoiny faingana izay, dia naka lafarina izy, nandity azy, ka nandotra azy ho mofo tsy misy lalivay. 25 Ary narosony teo anoloan'i Saola sy teo anoloan'ny mpanompony ireo, ka dia niihinana izy ireo. Izay vao nitsangana izy ireo, ka lasa iny alina iny ihany.

Toko faha-29

1 Ary namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistina, fa nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezraela kosa Israely.

2 Raha nandroso nitarika ny an-jatony sy ny an'arivony ireo andrianan'ny Filistina, ary Davida sy ny olony kosa namindra tery amin'ny vody làlana, niaraka tamin'i Akisa, dia hoy ireo filohan'ny Filistina: 3 Ahoana ireto Hebrio? Ary hoy Akisa namaly an'ireo filohan'ny Filistina: Tsy io va no Davida mpanompon'i Saola mpanjakan'Israely, ka efa andro maro sy taona maro izay izy no taty amiko, nefa tsy mbola nahita izay tsininy aho na dia kely aza, hatrizay nifindrany ho aty amintsika izay ka mandrak'androany. 4 Tezitra tamin'i Akisa anefa ireo filohan'ny Filistina ka hoy ny filohan'ny Filistina taminy hoe: Alefaso iny lehilahy iny, aoka izy hiverina any amin'ny tany namponenanao azy any, fa aoka tsy hiara-midina amintsika ho any amin'ny ady, fandrao dia tonga fahavalontsika izy rahefa miady. Satria inona indray ary no hahazoany sitraka amin'ny tompoony fa tsy amin'ny fanolorany aminy ny lohan'ireto lehilahy ireto. 5 Ary moa tsy io Davida io indrindra va no nihirana tamim-pandihizana hoe: Matin'i Saola ny arivoarivo; ary matin'i Davida ny alinalina. 6 Dia nantsoin'i Akisa Davida, ka nilazany hoe: Marina fa velona Iaveh ka dia olo-marina hianao, sady sitrako eo imasoko izay rehetra ataonao amiko eto an-toby, satria tsy mbola nahita ratsy taminao aho hatrizay nahatongavanao taty amiko, ka mandrak'androany. Nefa kosa tsy sitrak'ireo andriana ireo hianao.

7 Koa miverena ary mandehana amim-piadanana mba tsy hanao izay mety hahasosotra ny andrianan'ny Filistina. 8 Dia hoy Davida tamin'i Akisa: Fa inona no nataoko; ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao, hatrizay nitoerako teto aminao ka mandrak'androany, no dia tsy hahazo mandeha hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko aho? 9 Ary hoy Akisa namaly an'i Davida: Fantatro fa tsara tamiko hianao hoatra ny anjelin'Andriamanitra, fa ny filohan'ny Filistina nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika amin'ny ady izy. 10 Koa mifohaza maraina koa hianao, mbamin'ireo mpanompon'ny tomponao, izay niaraka taminao, samia mifoha maraina hianareo, ka raha mazava ny andro dia mandehana. 11 Nifoha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina, ary ny Filistina kosa niakatra nankany Jezraela.

Toko faha-30

1 Nony tonga tao Sikelega Davida mbamin'ny olony, tamin'ny andro fahatelo, dia efa notafihin'ny Amalesita ny Negeba sy Sikelega: nasiany Sikelega ka nodorany;

2 ny vehivavy sy ny olon-drehetra trany tao nobaboiny avokoa, na ny kely na ny lehibe, ary tsy nisy novonoiny izy fa nentiny ho babo dia lasa nandeha izy. 3 Nony tonga tao an-tanàna Davida sy ny olony, dia hitany fa voadoro ny tanàna, ary ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy lasan-ko babo. 4 Ary samy nanandra-peo nitomany Davida sy ireto olona niaraka taminy, mandra-pahalanin'ny heriny tsy hanatomany intsony. 5 Lasan-ko babo mbamin'izy roa vavy, vadin'i Davida, dia Akinoama avy any Jezraela, sy Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin'i Nabala. 6 Niferin'aina mafy Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin'ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin'ny Tompo Andriamaniny, Davida.

7 Hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona zanak'i Abimeleka: Ento aty amiko ny efoda;

8 ka nanontany an'ny Tompo Davida nanao hoe: Hanenjika izany jirika izany va aho? Hahatratra azy va aho? Ary hoy ny navaliny: Enjeho, fa hahatratra azy marina tokoa hianao, sady hanafaka. 9 Dia niainga Davida sy izy enin-jato lahy izay niaraka taminy. Nony tonga teo amin'ny ranon-driaka Besora izy ireo, dia niato ny mpitaredretra tamin'izy ireo. 10 Nanohy ny dia fanenjehany niaraka tamin'ny efa-jato lahy Davida, fa ny roan-jato lahy nijanona noho izy efa reraka tsy nahatafita ny ranon-driaka Besora. 11 Ary nahita lehilahy Ejipsiana anankiray tany an-tsaha izy ireo ka nentiny tao amin'i Davida. Ary nomeny mofo izy dia nihinana ary nampisotroin-drano,

12 norosoana ampempan'aviavy maina iray didy, sy voaloboka maina roa takelaka. Nony efa nihinana izy, dia nody ny ainy, fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. 13 Hoy Davida taminy: An'iza hianao, ary avy aiza? ka hoy ny navaliny: Andevo Ejipsiana lasan-ko mpanompon'ny Amalesita anankiray aho, saingy narary, ka narian'ny tompoko, efa hateloana izay. 14 Nanafika ny Negeban'ny Keretiana sy ny faritanin'i Jodà mbamin'ny Negeban'i Kaleba izahay, ary nodoranay Sikelega. 15 Dia hoy Davida taminy: Manaiky hitarika ahy ho any amin'izany jirika izany va hianao? Ary hoy ny navaliny: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy hianao, na hanolotra ahy eo an-tànan'ny tompoko, dia hitarika anao ho any amin'izany jrika izany aho. 16 Nony nitarika azy izy, dia indreo ny Amalesita, miely eran'ny tany, mihinana sy misotro, ary mandihy, fa nahazo babo betsaka tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny tanin'i Jodà. 17 Nasian'i Davida izy ireo, hatramin'ny takarivan'izay ka hatramin'ny ampitso hariva, tsy nisy afa-nandositra afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingin-drameva, dia nitsoaka. 18 Ka azon'i Davida indray izay rehetra voababon'ny Amalesita, ny vadiny roa voavonjy. 19 Ny olony, tsy nisy tsy azon'izyz ireo, na kely na lehibe, na azanay lahy na zanany vavy, na ny zavatra, na inona na inona nalaina taminy: dia nentin'i Davida nody avokoa izany. 20 Koa nalain'i Davida ny biby fiompy na ny madinika na ny vaventy; dia nandeha teo alohan'izany andiam-biby fiompy izany izy ireo nanao hoe: Itony no babon'i Davida. 21 Niverina Davida nankany amin'izy roan-jato lahy izay reraka loatra ka tsy afa-nanaraka an'i Davida ka najanona tao amin'ny ranon-driaka Besora, dia nitsena an'i Davida sy ny vahoaka izay niaraka taminy izy ireo. Nanatona azy ireo Davida dia niarahaba azy tamim-pitiavana.

22 Fa rehefa mety ho lehilahy sompatra sy faikany tamin'ny olona niaraka tamin'i Davida dia niteny kosa nanao hoe: Satria tsy mba tafaraka tamintsika ireo dia tsy mba omentsika amin'ny babo azontsika afa-tsy ny vady aman-janany isany avy ihany; ka aoka ho entiny izany ary handeha any izy. 23 Nefa hoy kosa Davida: Aza manao toy izany, ry rahalahy, amin'ny zavatra nomen'ny Tompo antsika, satria niaro antsika izy sy nanolotra eo an-tànantsika ny jirika tonga hamely antsika. 24 Ka iza no hanaiky anareo amin'izany raharaha izany? Tsy maintsy atao sahala ny anjaran'izay nidina hiady, sy ny an'izany nijanona tamin'ny entana: hiara-mizara daholo. 25 Dia natao araka izany hatramin'izay andro izay ka aty aoriana, dia nataon'i Davida lalàna sy fitsipika izany mandrak'androany. 26 Nony tafaverina tany Sikelega Davida dia nampanaterany ho an'ny loholon'i Jodà, sakaizany, ny babo azony, nataony hoe: Iny fanatitra ho anareo, avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'ny Tompo;

27 dia ho an'ny ao Betela, an'ny ao Ramotan'ny Negeba, an'ny ao Jetera, 28 an'ny ao Aroera, an'ny ao Sefamota, an'ny ao Estamao, 29 an'ny ao Rakola, an'ireo ao amin'ny tanànan'ny Jerameelita, an'ireo ao amin'ny tanànan'ny Kineana, 30 an'ny ao Arama, an'ny ao Kora-Asana, an'ny ao Ataka,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3578