Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-14
3 Ho avy ao amin'ny mpanjaka hianao ka izao no resaka hataonao aminy... Dia nataon'i Joaba tao am-bavany ny teny holazainy. 4 Tonga ravehivavy avy any Tekoà hiresaka amin'ny mpanjaka. Lavo niankohoka tamin'ny tany izy vao niteny hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka ô!5 Hoy ny mpanjaka taminy: maninona hianao? Hoy ravehivavy: Mpitondra tena aho, fa maty ny vadiko. 6 Ary roa lahy no zanaky ny ankizivavinao, nifanditra teny an-tsaha izy roa lahy; ary satria tsy nisy nampisaraka azy dia novonoin'ny anankiray ity rahalahiny ka maty. 7 Ary indro nitsangana ny tamingana rehetra hamely ny ankizivavinao, ka manao hoe: Atolory ilay namono ny rahalahiny, dia hataonay maty izy hanefa ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny, ka hataonay levona hatramin'ny mpandova aza! Ka izay tapa-porohana sisa amiko dia hovonoiny, mba tsy hisy tavela hamelo-maso ny anaran'ny vadiko na handimby azy eto ambonin'ny tany. 8 Hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia any an-tranonao, fa izaho hanome didy momba ny aminao. 9 Hoy ravehivavy avy any Tekoà tamin'ny mpanjaka: Aoka ny tenako, ry mpanjaka tompoko, aoka ny fianakavian-draiko no hiharan'ny ota, fa aza ny mpanjaka na ny sezam-panjakany no ho voan'izany! 10 Hoy ny mpanjaka: Raha mbola misy manelingelina anao, dia ento aty amiko izy, tsy hanohina anao intsony izy. 11 Dia hoy izy: Aoka hantsoin'ny mpanjaka Iaveh Andriamanitrao, mba tsy hampitomboan'ny mpamaly ra ny loza, ka tsy hamonoany ny zanako! Hoy ny navaliny: Toy ny maha-velona an'ny Tompo, dia tsy hisy hihintsana amin'ny tany ny volon-dohan'ny zanakao, na iray aza.
12 Hoy ravehivavy: Aza mahafady ny ankizivavinao, fa hilaza teny indraim-bava amin'ny mpanjaka tompoko aho, raha sitrakao. Hoy ny navaliny: Lazao. 13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana hianao no nanao hevitra toy izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra - milaza ny tenany ho diso ny mpanjaka mamoaka izany teny fitsarana izany - dia ny amin'ny tsy fampiverenan'ny mpanjaka an'ilay nataony sesi-tany.
14 Fa ho faty marina isika: toy ny rano raraka an-tany ka tsy miangona intsony isika; Andriamanitra tsy manala ny aina, ary mamorona izay hevitra tsy hahatafajanona lavitra azy ilay voasesy tany.
15 Ary ankehitriny kosa notairin'ny vahoaka aho no tonga nilaza izany zavatra izany tamin'ny mpanjaka tompoko; ka hoy ny ankizivavinao: hiresaka amin'ny mpanjaka aho, sao hataon'ny mpanjaka tokoa izay holazain'ny ankizivavinao. 16 Eny, fa hihaino ny mpanjaka mba hanafaka ny ankizivaviny eo an-tànan'olona izay mitady hanesotra ahy sy ny zanako eo amin'ny lovan'Andriamanitra. 17 Efa niteny ny ankizivavinao hoe: Aoka hampahazo fiadanana ahy ny tenin'ny mpanjaka tompoko. Fa tahaka ny Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko, hihaino ny tsara sy ny ratsy. Ary homba anao anie Iaveh Andriamanitrao.
18 Namaly ny mpanjaka ary nilaza tamin-dravehivavy nanao hoe: Aza misy afeninao izay hanontaniako anao. Hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko!
19 Ary hoy ny mpanjaka: Moa momba anao va ny tànan'i Joaba amin'izao rehetra izao? Hoy ny navalin-dravehivavy: Marina amin'ny mahavelona ny fanahinao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy hiviliana na ho any ankavanana na ho any ankavia izay rehetra lazain'ny mpanjaka tompoko. Eny, Joaba mpanomponao no nandidy ahy sy nanao izao teny rehetra izao eo am-bavan'ny ankizivavinao. 20 Ny mba hanarona ny endriky ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao an'izany fa hendry toy ny anjelin'Andriamanitra ny tompoko hahalala ny zavatra rehetra mitranga eto ambonin'ny tany. 21 Hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba: Indro, hataoko izany, koa andeha hampody ny tovolahy Absaloma.
22 Lavo niankohoka tamin'ny tany Joaba, dia nisaotra ny mpanjaka, dia hoy Joaba: Fantatry ny mpanomponao anio fa nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, fa araka ny tenin'ny mpanompony no ataon'ny mpanjaka. 23 Nitsangana Joaba, dia lasa tany Gesora, ary nentiny nody ho any Jerosalema Absaloma.
24 Fa hoy ny mpanjaka: Aoka ho any an-tranony izy, ka tsy hahita ny tavako. Dia nankeo an-tranony Absaloma, ka tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka. 25 Tamin'Israely rehetra tsy misy olona malaza tahaka an'i Absaloma noho ny hatsaran-tarehiny. Hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany tsy nanan-kilema akory izy. Raha mihara-doha izy - isan-taona izy no nanao izany, raha nahavesatra azy ny volon-dohany, dia noharatany, -
26 dia roan-jato sikla no lanjan'ny volon-dohany, lanjan'ny mpanjaka. 27 Zanakalahy telo no teraka tamin'i Absaloma sy zanaka vavy iray natao hoe: Tamara, vehivavy tsara tarehy io. 28 Nipetraka roa taona tao Jerosalema Absaloma tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
29 Nampiantsoin'i Absaloma Joaba ho irahiny hankao amin'ny mpanjaka, fa tsy nety nankao aminy Joaba. Nampiantsoin'i Absaloma fanindroany, fa tsy nety nankao. 30 Tamin'izay dia hoy Absaloma tamin'ny mpanompony: Hitanareo ny sahan'i Joaba manolotra ny ahy, misy orja ho azy ao, handeha doroy amin'ny afo. Dia nampirehitra afo ny saha ireo mpanompon'i Absaloma. 31 Nitsangana Joaba nankao amin'i Absaloma tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Nahoana no dia nampirehitra afo ny sahako ny mpanomponao? 32 Hoy ny navalin'i Absaloma tamin'i Joaba: Indro fa naniraka hilaza aminao aho hoe: Avia aty fa hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hianao, hanao aminy hoe: haninona aho no niverina avy any Gesora? Tsaratsara kokoa ho ahy ny mbola any ihany. Koa ankehitriny dia te-hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ary raha misy heloka aty amiko dia aoka hovonoiny aho! 33 Lasa Joaba nanatona ny mpanjaka sy nitantara taminy izany zavatra izany. Dia nantsoiny Absaloma, dia tonga tao amin'ny mpanjaka izy, ary niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ary nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.
Toko faha-15
1 Taty aorian'izany nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimampolo lahy izay nihazakazaka teo alohany Absaloma.2 Nifoha maraina koa Absaloma dia nitoetra teo akaikin'ny làlana mankao am-bavahady, ka isaky ny nisy olona manana ady, nankao amin'ny mpanjaka hangataka fitsarana, dia nantsoin'i Absaloma izy nataony hoe: An'inona no tanàna ihavianareo? ka nony namaly hoe: Avy any an'Ananona amin'ny fokon'Israely ny mpanomponao, 3 dia hoy Absaloma taminy: Etsy ange! tsara sy marina ny raharahanao, fa ny olona hihaino anao avy amin'ny mpanjaka no tsy misy. 4 Ary nanampy indray Absaloma nanao hoe: Iza re no hanangana ahy ho mpitsara amin'ny tany? Fa na iza na iza manana ady aman-draharaha dia ho tonga aty amiko ka homeko ny rariny avokoa. 5 Ary isaky ny misy olona manatona hiankohoka eo anoloany, dia tolorany tànana, ary noraisiny sy norohany. 6 Izany no nataon'i Absaloma tamin'ny olona rehetra amin'Israely izay nankao amin'ny mpanjaka nangataka fitsarana, ka nangoleny ny fon'ny olona amin'Israely. 7 Nony afaka efa-taona dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Raha sitrakao, avelao kely aho ho any Hebrona, hanefa ny voady nataoko tamin'ny Tompo.
8 Fa fony nitoetra tany Gesora any Arama dia nanao voady ny mpanomponao ka nanao hoe: Raha averin'ny Tompo any Jerosalema indray aho, dia hanompo an'ny Tompo aho. 9 Ka hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana amim-piadanana! Dia niainga izy nankany Hebrona. 10 Nandefa iraka mangingina hitety ny fokon'Israely rehetra Absaloma nanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara hianareo, dia lazao hoe: Manjaka ao Hebrona Absaloma!
11 Ary nisy olona roan-jato lahy avy any Jerosalema niaraka tamin'i Absaloma, dia olona nasaina izy ireo ka nandeha tamim-pahatsoram-po, fa tsy nahalala na inona na inona. 12 Mbola eo am-panaterana ny sorona Absaloma, dia naniraka haka an'i Akitofela, Gilaonita, mpanolo-tsaina an'i Davida tany Gilao tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an'i Absaloma. 13 Dia nisy olona tonga nilaza tamin'i Davida, nanao hoe: Tafaraikitra amin'ny fanarahana an'i Absaloma ny fon'ny lehilahy amin'Israely.
14 Ka hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy misy hahafahantsika amin'i Absaloma. Andao faingana fandrao dia tampohiny isika, ka ataony idiran-doza eto, sady hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna. 15 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Na inona na inona no hevitra hotapahin'ny mpanjaka tompoko, dia indreto ny mpanomponao. 16 Dia niainga ny mpanjaka, narahin'ny fianakaviany rehetra, nandeha an-tongotra; fa vaditsindrano folo no najanony hiandry trano. 17 Nivoaka ny mpanjaka niaraka tamin'ny olona rehetra, nandeha an-tongotra, ary nijanona teo amin'ny trano farany. 18 Ny mpanompony rehetra nandeha teny anindrany; ny Keretiana sy ny Feletiana, ary ny Geteana rehetra enin-jato lahy, izay nanaraka azy hatrany Geta, dia nandeha teo alohan'ny mpanjaka. 19 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Etaia, Geteana: Nahoana kosa ity hianao no hiaraka aminay? Miverena hitoetra amin'ny mpanjaka, fa mpivahiny hianao, ary voasesi-tany tsy manam-ponenana.
