Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-15
20 Vao omaly no omaly hianao no tonga, ka anio sahady ve dia hoentiko hiara-manjenjena aminay, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany alehako akory? Koa miverena hianao, ary ento miaraka aminao koa ireo rahalahinao, fa ho aminao anie ny fahasoavana amam-pahamarinan'ny Tompo! 21 Dia izao no navalin'i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko! Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao. 22 Ka hoy Davida tamin'i Etaia: Andeha àry handroso. Dia nandeha Etaia Geteana, sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza rehetra niaraka taminy. 23 Nitomany nikaikaika avokoa ny tany ama-monina tamin'ny nandalovan'ireo vahoaka rehetra ireo. Nony tafita ny ranon-driaka Sedrona ny mpanjaka, dia nandroso tamin'ny tandrifin'ny làlana mankany an'efitra ny vahoaka.24 Ary indro ny fiaran'Andriamanitra fa napetrak'i Sadaoka, mbamin'ny Levita rehetra nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, raha ilay niakatra iny Abiatara, mandra-pahatapitry ny vahoaka rehetra nivoaka avy ao an-tanàna. 25 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Sadaoka: Ento miverina ao an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason'ny Tompo aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny fiara sy ny fonenany ihany. 26 Fa raha hoy kosa izy: Tsy sitrako hianao! dia inty aho, izay heveriny ho mety no aoka hataony ahy. 27 Izao koa no nolazain'ny mpanjaka tamin'i Sadaoka mpisorona: Ary hianao, ry mpahita, miverena ao an-tanàna amim-piadanana, miaraka amin'i Akimaasa zanakao sy Jonatasy zanak'i Abiatara, izy roalahy zanakareo miaraka aminareo. 28 Jereo, izaho hijanonjanona any amin'ny tany lemaky ny efitra, mandra-pahazoko teny avy aty aminareo mampandre ahy. 29 Koa dia nentin'i Sadaoka sy Abiatara niverina tany Jerosalema ny fiaran'Andriamanitra ka nitoetra tao izy. 30 Niakatra ny tendrombohitra Oliva Davida, niakatra sy nitomany izy, sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha ary nitomany teny am-piakarana.
31 Ary nisy nilaza vaovao tamin'i Davida nanao hoe: Akitofela koa, isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma; ka hoy Davida: Iaveh ô, mangataka aminao aho, ampanjario ho tsinontsinona ny hevitr'i Akitofela. 32 Nony tonga tao an-tampony Davida teo amin'izay ivavahan'ny olona amin'Andriamanitra dia inty Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny ankanjony rovitra, ny lohany mihosom-bovoka. 33 Hoy Davida taminy: Raha mandeha miaraka amiko hianao, tonga enta-mavesatra ho ahy foana. 34 Fa raha miverina any an-tanàna kosa hianao ka milaza amin'i Absaloma hoe: Ry mpanjaka ô, te ho mpanomponao aho; mpanompon-drainao aho taloha ka dia ho mpanomponao aho hatramin'izao, amin'izany ho voahodinao hahasoa ahy ny torohevitr'i Akitofela. 35 Ho mpiaraka aminao ao koa i Sadaoka sy Abiatara mpisorona, ka hanambaranao izay rehetra ho renao ny amin'ny tranon'ny mpanjaka i Sadaoka sy Abiatara mpisorona. 36 Ary ao amin'izy ireo ny zanany roa lahy dia Akimaasa zank'i Sadaoka sy Jonatasy zanak'i Abiatara, ka ireo no hampandrenesanareo ahy izay rehetra ho renareo. 37 Dia niverina nankany an-tanàna Kosaia sakaizan'i Davida, ka tamin'izay indrindra no nidiran'i Absaloma tao Jerosalema.
Toko faha-16
1 Vao tafahoatra kely ny tampony Davida dia inty Sibà mpanompon'i Mifiboseta tonga nitsena azy, nitondra ampondra roa voaisy lasely, ka nibaby mofo roan-jato, ampembam-boaloboka maina zato, voankazo masaka zato, ary divay iray siny hoditra.2 Dia hoy Davida tamin'i Sibà: Hataonao inona avy ireo? Ka hoy ny navalin'i Sibà: Ny ampondra ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka, hitaingenany, ny mofo amam-boankazo hihinanan'ny zatovo, ary ny divay hisotroan'izay reraka any an'efitra. 3 Dia hoy ny mpanjaka: Fa aiza ny zanaky ny tomponao? Ary hoy ny navalin'i Sibà tamin'ny mpanjaka: Indro fa nijanona any Jerosalema izy, fa hoy izy: Hampodin'ny taranak'Israely amiko izao ny fanjakan'ikaky. 4 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Sibà: Indro fa anao avokoa izay rehetra nananan'i Mifiboseta. Dia hoy Sibà: Mihohoka amin'ny faladianao aho, ka aoka hahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko ô! 5 Nony tonga tao Bahorima ny mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeia zanak'i Gerà, iray fianakaviana tamin'ny ankohonan'i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,
6 ary nitora-bato an'i Davida mbamin'ny mpanompon'i Davida mpanjaka rehetra; ary ny vahoaka mbamin'ny lehilahy mahery kosa tamin'izay dia teo ankavanany sy ankaviany. 7 Izao no tenin'i Semeia nanozona azy: Mandehana any, mandehana any, ry ilay mpandatsa-drà, ry olon'i Beliala! 8 Indro natsingerin'ny Tompo aminao ny ran'ireo tamingan'i Saola rehetra izay nosoloinao toerana mba ho mpanjaka; natolony ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao ny fanjakana ka indro fa idiran-doza hianao izao, satria lehilahy mpandatsa-drà hianao. 9 Ka hoy Abisaia zanak'i Sarvià tamin'ny mpanjaka: Ahoana no anozoan'ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko? Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan'io! 10 Fa hoy ny navalin'ny mpanjaka: Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak'i Sarvià! Aoka hanozona izy, satria fa raha Iaveh no nanao taminy hoe: Ozony Davida: zovy moa no hanao aminy hoe: Ahoana no anaovanao izany? 11 Ary hoy Davida tamin'i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: He, ny zanako naloaky ny kiboko aza ity mitady ny aiko; ka mainka fa io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin'ny Tompo taminy izany. 12 Angamba hijery ny fahoriako Iaveh ka soa no hataon'ny Tompo amiko ho valin'izao ozona androany izao. 13 Ary Davida sy ny olony nanohy ny diany, fa Semeia kosa nandeha tamin'ny kisolasolan'ny tendrombohitra akaikin'i Davida sady tsy nitsahatra ny nanozona azy, sy nitora-bato ary namafy vovoka. 14 Sasatra ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra nanaraka azy, no tonga tao... ary niala sasatra teo izy. 15 Niditra tao Jerosalema Absaloma sy ny vahoaka rehetra, ny lehilahy amin'Israely, ary niaraka taminy koa Akitofela.
16 Nony tonga nanatona an'i Absaloma Kosaia, ilay Arakita, dia hoy Kosaia tamin'i Absaloma nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! 17 Fa hoy Absaloma tamin'i Kosaia: Izao ve no firaiketanao amin'ny sakaizanao? Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao hianao? 18 Ary hoy Kosaia tamin'i Absaloma: Tsia fa ilay nofidin'ny Tompo sy ny vahoaka rehetra, mbamin'ny lehilahy rehetra amin'Israely no tiako hombana, ka dia ny hitoetra aminy no tiako. 19 Sady iza moa no hotompoiko? Moa tsy ny zanany va? Toy ny efa nanompoako an-drainao ihany no hanompoako anao koa. 20 Ka hoy Absaloma tamin'i Akitofela: Manaova fivoriana fakan-kevitra hianareo, ny amin'izay tokony hataontsika.
21 Dia hoy Akitofela tamin'i Absaloma: Mandehana amin'ny vaditsindrano navelan-drainao hiandry trano, dia ho hitan'Israely rehetra amin'izany fa manao izay hahatafintohina an-drainao aminao hianao, ka dia hihamahery ny tànan'izay rehetra momba anao. 22 Dia nanangan-day teo ambonin'ny tafon-trano Absaloma ka nandeha tamin'ny vaditsindranon-drainy, teo imason'Israely rehetra, Absaloma. 23 Toy ny teny avy amin'Andriamanitra ho an'izay manontany azy, ny hevitra nomen'i Akitofela tamin'izay, ary ny hevitra nomeny rehetra na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma dia toy izany koa.
Toko faha-17
1 Ary hoy Akitofela tamin'i Absaloma: Avelao aho hifantina lehilahy roa arivo sy roa alina, dia hiainga hanenjika an'i Davida anio alina ihany.2 Hirotsaka aminy tampoka aho, ilay mbola sasatra iny izy sy vizaka ny tànany, dia hampivadi-po azy aho; ka ny vahoaka rehetra momba azy handositra, ary ny mpanjaka irery ihany no hasiako amin'izany, 3 dia hoentiko mankaty aminao indray ny vahoaka rehetra, fa io lehilahy tadiavinao hasiana io dia mety raha hesorina izy io, mba hiverenan'izy rehetra, dia hiadana ny vahoaka rehetra. 4 Nankasitrahan'i Absaloma sy ny loholon Israely rehetra izany teny izany. 5 Nefa hoy Absaloma: Mba antsoy ihany koa Kosaia, Arakita, mba handrenesantsika izay ao am-bavany koa.
6 Nony tonga toe amin'i Absaloma Kosaia dia hoy Absaloma taminy: Izao sy izao no tenin'i Akitofela, ka tokony hataontsika va izay nolazainy? Raha tsy hatao izany dia mitenena hianao izao. 7 Ary hoy ny navalin'i Kosaia tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nomen'i Akitofela tamin'ity indray mitoraka ity. 8 Ary nanampy teny Kosaia nanao hoe: Fantatrao fa be herim-po rainao sy ny olony. Mitroatra izy ireo izao hoatra ny orsa very anaka any an-tsaha izao. Lehilahy mpiady rainao, ka tsy mba miara-mitoetra amin'ny vahoaka izy amin'ny alina. 9 Indro fa miery izy ankehitriny any an-dava-driaka na any amin'ny fitoerana hafa any. Sady raha izao voalohany izao no misy lavony, dia ho ren'ny olona izany ka hataony hoe: Naharesena ny olona manaraka an'i Absaloma.
