Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-17
10 Ary amin'izay dia ho rera-po na izay mahery indrindra aza, na dia manana fo tahaka ny fon-diona aza izy, satria fantatr'Israely rehetra fa rainao, lehilahy mahery fo indrina, ny olo-manaraka azy koa lehilahy mahery. 11 Ka izao kosa no hevitro: Aoka hivory eto aminao avokoa Israely rehetra, hatrany Dana, ka hatrany Bersabea, izay maro toy ny fasika any amoron-dranomasina, dia ny tenanao mihitsy no handroso ho amin'ny ady. 12 Fa tsy maintsy azontsika iny, na aiza na aiza misy azy, sady ho toy ny filatsaky ny andro amin'ny tany no ho filatsatsika aminy, ka tsy hisy havelatsika afaka, na izy na ny anankiray amin'ny olona rehetra ao aminy. 13 Na hihataka ho any amin'ny tanàna anankiray aza izy, dia hitondran'Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika ho any amin'ny ranon-driaka mandra-pahafoanany tsy misy intsony na dia vato iray aza. 14 Dia hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'Israely: Aleo ny hevitr'i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr'i Akitofela. Fa efa notapahin'ny Tompo ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen'i Akitofela, mba hampidiran'ny Tompo loza amin'i Absaloma. 15 Dia hoy Kosaia tamin'i Sadaoka sy Abiatara mpisorona: Izany sy izany no hevitra natoron'i Akitofela an'i Absaloma sy ny loholon'Israely ary izao sy izao kosa no hevitra nomeko.16 Koa maniraha olona miaraka amin'izay hampandre an'i Davida ka asaovy lazainy aminy hoe: Aza mitoetra amin'ny tany lemaka any an'efitra anio alina, fa mità faingana fandrao ho azon'ny loza mafy indrindra na ny mpanjaka na ny vahoaka rehetra ao aminy. 17 Nitoetra tao En-Rogela Jonatasy sy Akimaasa fa ny ankizivavy no nivoivoy nilaza tamin'izy ireo, ary izy ireo kosa no nandeha nanambara izany tamin'i Davida mpanjaka.
18 Nahatsikaritra azy ireo ny zazalahy anankiray, ka nilaza izany tamin'i Absaloma. Saingy nitsoaka faingana izy roa lahy, ka tonga tany Bahorima, amin'ny tranon'ity lehilahy anankiray, izay nisy lavaka fantsakàna teo an-tokotaniny, dia nidina tao. 19 Ary nalain'ny vadin-dralehilahy kosa ny firakofana anankiray ka novelariny teo ambony lavaka fantsakàna dia nanahazany voan-javatra voatoto, ka tsy fantatra velively ho inona. 20 Niditra tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma ka hoy izy hoe: Aiza Akimaasa sy Jonatasy? Fa hoy ravehivavy namaly azy: Tafita ny renirano kely izy izay. Dia nitady izy ireo, ka nony tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema. 21 Rahefa lasa izy ireo, dia niakatra avy eo an-davaka fantsakàna kosa izy roa lahy, ka nandeha nampandre izany tamin'i Davida mpanjaka. Hoy izy ireo tamin'i Davida: Mitsangàna hianareo, ka mità faingana ny ony, fa izao sy izao no hevitra nomen'i Akitofela hamelezana anareo. 22 Dia niainga Davida sy ny vahoaka rehetra tao aminy ka nita an'i Jordany. Nony maraina ny andro tsy nisy tsy tafita an'i Jordany izy ireo na dia iray aza. 23 Nony hitan'i Akitofela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny ampondrany, ka niainga nandeha ho any aminy tany an-tanànany izy, ka nony efa nanafatra ny tao an-tranony dia nananton-tena ka maty izy, ary nalevina tao am-pasan-drainy.
24 Tonga tao Mahanaïma Davida, ary Absaloma nita an'i Jordany mbamin'ny lehilahy rehetra amin'Israely.
25 Amasà no notendren'i Absaloma ho filohan'ny tafika solon'i Joaba. Amasà dia zanaky ny lehilahy anankiray atao hoe Jethrà, Ismaelita, izay nandeha tamin'i Abigaïla, zanakavavin'i Naasa, rahavavin'i Sarvia, renin'i Joaba. 26 Dia tany amin'ny tany Galaada no nitoby Israely sy Absaloma. 27 Nony tonga tao Mahanaïma Davida, dia indreo Sobì zanak'i Naasa, avy any Raban'ny taranak'i Amona, sy Makira, zanak'i Amiela, avy any Lodobara, ary Berzelaia Galaadita, avy any Rogelima,
28 tonga nanatitra fandriana, vilia, kapoaka tany, fromenta, orja, lafarina, lango, tsaramaso, voanemba, lango, 29 tantely, dibera, ondry, ary fromazin'omby: nateriny izany mba hohanin'i Davida sy ny vahoaka tao aminy, fa hoy izy: Nihafy tamin'ny hanoanana sy ny fahasasarana ary ny hetaheta any an'efitra ity vahoaka ity.
Toko faha-18
1 Notsapain'i Davida ny toetry ny vahoaka tao aminy, ka nasiany tompon'arivo sy tompon-jato.2 Dia nalamin'i Davida ny vahoaka, ka ny ampahatelony, nataony fehin'i Joaba, ny ampahatelony fehin'i Abisaia, zanak'i Sarvia, rahalahin'i Joaba, ny ampahatelony fehin'i Etaia, Geteana. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny vahoaka: Izaho koa mba handeha hiaraka aminareo. 3 Fa hoy ny vahoaka: Aoka tsy handeha hianao, fa raha hampandosiriny izahay raha izahay ihany dia tsy hahoany akory, na maty sasaka aza izahay, tsy hahoany akory; fa hianao kosa dia hoatra ny iray alina aminay, ka metimety kokoa raha avy aty an-tanàna hianao no handeha hamonjy anay. 4 Ary hoy ny navalin'ny mpanjaka azy ireo: Izay sitrakareo no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka nandritry ny nivoahan'ny vahoaka voazara ho tsizatozato sy tsiarivoarivo. 5 Izao no didy nomen'ny mpanjaka an'i Joaba sy Abisaia ary Etaia: Tsimbino ilay zatovo Absaloma noho ny amiko. Ren'ny vahoaka rehetra fa nomen'ny mpanjaka didy momba an'i Absaloma ny filohan'ny tafika rehetra. 6 Dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hitsena an'Israely, ka rafitra tao anaty alan'i Efraima ny ady.
7 Resy tao ny vahoakan'Israely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka vonoan'olona be no tao androtr'izay, fa nisy roa alina no maty. 8 Nihahaka eran'ny tany rehetra ny ady, ka be ny matin'ala noho ny matin'ny sabatra tamin'izany andro izany. 9 Sendra teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Absaloma. Nitaingina mole Absaloma ary nitsofoka tao anatin'ny rantsan'ny terebinta ny lohany, dia tafahantona teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy, ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.
10 Hitan'ity lehilahy anankiray izany ka tonga izy nilaza izany tamin'i Joaba nanao hoe: Indro hitako tafahantona amin'ny terebinta àtsy Absaloma. 11 Dia hoy Joaba tamin-dralehilahy nilaza izany vaovao izany: Hitanao izy hoe ka no tsy nasianao hiankapoka tery? Dia tsy maintsy ho nomeko volafotsy folo sikla sy fehin-kibo iray hianao. 12 Fa hoy ny navalin-dralehilahy tamin'i Joaba: Tsia, tsy mba haninji-tànana amin'ny zanaky ny mpanjaka aho, na dia volafotsy lanjan'arivo sikla aza no ho mby eo an-tànako, satria samy nandre isika ny didy nomen'ny mpanjaka anao sy Abisaia ary Etaia hoe: Samia hianareo mitandrina tsy haninon-tsy haninona ny zatovo, Absaloma! 13 Ka raha namadika izany namono ny ainy aho, dia tsy misy hiafina amin'ny mpanjaka akory, fa na dia ny tenanao aza hitsangana hanameloka ahy. 14 Dia hoy Joaba: Tsy te-handany andro aminao aho. Dia nataony an-tànana ny lefona telo, ka ilay mbola velona tao amin'ny hazo terebinta iny Absaloma no notsatohany tamin'ny fony. 15 Nanodidina an'i Absaloma ireto zatovo folo lahy, mpitondra fiadian'i Joaba, dia namono nahafaty azy izy ireo. 16 Notsofin'i Joaba ny anjomara, ka niverina avy amin'ny fanenjehana an'Israely ny vahoaka fa nohazonin'i Joaba ny vahoaka.
17 Dia nalainy Absaloma ka natsipiny tao anatin'ny lavaka lehibe, tao afovoan'ny ala, ary nasiany antontam-bato lehibe dia lehibe teo amboniny. Ary samy nandositra ho any an-dainy avy Israely rehetra. 18 Fony fahavelony, Absaloma dia efa nanao tsangam-bato ho azy, tao amin'ny lohasahan'ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy mba manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho. Dia nataony araka ny anarany ihany ny anaran'ilay tsangam-bato, ka - Ny tànan'i Absaloma - no fiantson'ny olona azy mandrak'androany. 19 Ary hoy Akimaasa, zanak'i Sadaoka: Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin'ny mpanjaka, fa nomen'ny Tompo ny rariny izy, noafahany tamin'ny tànan'ny fahavalony.
20 Fa hoy Joaba taminy: Tsy hitondra ny vaovao anio hianao fa andro hafa hianao no hitondra, fa tsy mba anio no hitondra, satria maty ny zanaky ny mpanjaka. 21 Dia Kosita anankiray no nilazan'i Joaba hoe: Mandehana lazao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Niankohoka teo anatrehan'i Joaba ilay Kosita, dia lasa nandeha faingana. 22 Mbola niteny tamin'i Joaba anefa Akimaasa, zanak'i Sadaoka, nanao hoe: Na ho inona na ho inona, avelao ihany aho mba hihazakazaka hanaraka ilay Kosita! Fa hoy Joaba: Ahoana hianao no te-hihazakazaka, anaka? Tsy hahita soa amin'ny fitondrana izany vaovao izany anie hianao! 23 Fa hoy ny navalin'i Akimaasa: Na inona na inona hitranga dia hihazakazaka ihany aho. Ka hoy Joaba taminy: Mihazakazaha àry. Dia nihazakazaka nihazo ny làlana amin'ny tany lemaka Akimaasa, ka tafahoatra an'ilay Kosita. 24 Nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa Davida. Ary niakatra teo ambonin'ny tafon'ny vavahady, teo ambonin'ny manda ny mpitily, ka nanopy ny masony, dia nahatazana, ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka, ka izy irery ihany.
25 Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka. Ka hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia zava-baovao tsara no ao am-bavany. Mbola tamy manatona eo ihany ilay anankiray, 26 dia nisy olona anankiray nihazakazaka hitan'ity mpitily koa, ka niantso ny mpiandry vavahady ny mpitily nanao hoe: Indro misy lehilahy anankiray mihazakazaka ka irery ihany izy. Dia hoy ny mpanjaka: Vaovao tsara koa no entin'izy io. 27 Ary hoy ny mpitily: Hitako fa fihazakazak'i Akimaasa zanak'i Sadaoka no fihazakazak'ity voalohany. Ka hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no ihaviany. 28 Niantso mafy Akimaasa ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fandresena! Izay vao niankohoka tamin'ny tany, teo anatrehan'ny mpanjaka izy, nanao hoe: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitrao, fa efa nafoiny ny olona nanainga tànana hikomy amin'ny mpanjaka tompoko.
29 Dia hoy ny mpanjaka: Mba tsara tsy misy maninona va ny amin'ny zatovo, Absaloma? Ka hoy ny navalin'i Akimaasa: Nahatazana vahoaka nitangorona aho, tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa, kanefa tsy mahalala aho na inona na inona izany. 30 Dia hoy ny mpanjaka: Mitanilà kely ary mitoera etsy àry hianao. Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo.
