Ny Jenezy

Toko faha-29

6 Hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Hoy ny navaliny: Tsara ihany izy ary inty tamy Rasela zanany vavy, mitondra ny ondriny. 7 Hoy izy: He! mbola antoandro be ny andro, mbola tsy fotoana famoriana ny biby fiompy, ka ampisotroy ny ondry dia mandehana andraso indray izy. 8 Hoy ny navalin'ireo: Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona ny andiam-biby fiompy rehetra, sy efa voakodia hiala amin'ny vava lavaka fantsakàna ny vato, vao mampisotro ny ondry izahay. 9 Mbola niresaka tamin'ireo teo Jakoba, no tonga Rasela nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy. 10 Vao hitan'i Jakoba Rasela, zanak'i Labana, anadahin-dreniny, sy ny ondrin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy nanakodia ny vato nanarona ny vava lavaka fantsakàna sy nampisotro ny ondrin'i Labana, anadahin-dreniny; 11 ary Jakoba nanoroka an-dRasela, dia nanandratra ny feony ka nitomany. 12 Nambaran'i Jakoba an-dRasela fa rahalahin'ny rainy sy zana-dRebekà izy; ka nihazakazaka Rasela nanambara izany tamin-drainy. 13 Vao nandre ny filazàny an'i Jakoba zanak'anabaviny Labana dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain'i Jakoba tamin'i Labana izany zavatra rehetra izany, 14 ka hoy Labana taminy: Eny, taolako sy nofoko hianao. Ary nitoetra teo aminy iray volana maninjitra Jakoba.

15 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Noho hianao rahalahiko va no tokony hanompoanao ahy maina? Ka lazao ahy izay karamanao? 16 Ary nanan-janaka roa vavy Labana; ny zokiny natao hoe Lià, ary ny zandriny natao hoe Rasela. 17 Lià dia narary maso, fa Rasela sady tsara bika no tsara tarehy. 18 Ary Jakoba tia an-dRasela ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vaviaivo. 19 Dia hoy Labana: Aleo omena anao izy toy izay omena hafa; ka mitoera àry eto amiko. 20 Dia nanompo fito taona Jakoba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy. 21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr'androko dia hankaminy aho.

22 Dia novorin'i Labana ny olona rehetra tamin'io toerana io, ka nanao fanasana izy. 23 Nony hariva ny andro, dia Lià, zanany vavy, no nalainy, nentiny tao amin'i Jakoba, ka niraisan'i Jakoba. 24 Ary Zelfa ankizivaviny natolony hanompo an'i Lià zanany vavy. 25 Nony tonga ny maraina, indro fa Lià io, ka hoy Jakoba tamin'i Labana: Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako an-dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho?

26 Ary hoy no navalin'i Labana: Tsy fanao aty ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny. 27 Ka tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, fa homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hataonao aty amiko mandritra ny fito taona hafa. 28 Nataon'i Jakoba izany ary notanterahiny ny herinandron'i Lià, dia nomen'i Labana ho vadiny Rasela, zanany vavy. 29 Ary Balà ankizivaviny natolony hanompo an-dRasela zanany vavy. 30 Ary nankamin'i Rasela koa Jakoba, sady tia azy mihoatra an'i Lià. Ary nanompo tao amin'i Labana fito taona indray izy. 31 Hitan'ny Tompo fa nankahalaina Lià, ka nampanana anaka azy izy, fa Rasela kosa momba.

32 Dia nanana anaka Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: Nitsinjo ny fahoriako Iaveh ka ho tian'ny vadiko aho ankehitriny. 33 Nanana anaka indray izy dia tera-dahy, ka nanao hoe: Ren'ny Tompo fa nankahalaina aho, ka nomeny an'ity koa, dia nataony hoe Simeona ny anarany. 34 Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy, ka nanao hoe: Izao vao hiraiki-po amiko tokoa ny vadiko, fa niteraka telo mirahalahy ho azy aho. Izany no nanaovany ny anaran'io hoe: Levì. 35 Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: Ankehitriny hidera an'ny Tompo aho. Izany no nanaovany ny anaran'io hoe Jodà. Dia nitsaha-jaza izy.

Toko faha-30

1 Nony hitan-dRasela fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy sady nanao tamin'i Jakoba hoe: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany maty aho.

2 Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Izaho va no solon'Andriamanitra nahamomba anao? 3 Ary hoy ravehivavy: Indro Balà, ankizivaviko, mandehana aminy mba hiterahany ao am-pofoako, sy hananako taranaka aminy koa. 4 Dia nomeny ho vadiny Balà ankizivaviny, ka niray tamin'io Jakoba. 5 Ary nanana anaka Balà, dia tera-dahy tamin'i Jakoba. 6 Ka hoy Rasela: Nomen'Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. 7 Ary nanana anaka indray Balà, ankizivavin-dRasela, dia nitera-dahy fanindroany tamin'i Jakoba, 8 Ka hoy Rasela: Nifaninana tamin'ny rahavaviko teo amin'Andriamanitra aho ary nahery. Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany. 9 Rahefa hitan'i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy Zelfa ankizivaviny ka nomeny ho vadin'i Jakoba.

10 Ary nitera-dahy tamin'i Jakoba Zelfa ankizivavin'i Lià. 11 Ka hoy Lià: Manan-jara re aho; dia nataony hoe Gada ny anarany. 12 Fa nitera-dahy fanindroany tamin'i Jakoba indray Zelfa, ankizivavin'i Lià. 13 Ka hoy Lià: Fahasambarana ho ahy izao; fa hataon'ny zazavavy hoe: sambatra aho. Dia nataony hoe Asera ny anarany. 14 Tamin'ny fotoana fijinjam-barim-bazaha, nivoaka Robena, ka nahita mandragora tany an-tsaha, dia nentiny tany amin'i Lià reniny. Ary hoy Rasela tamin'i Lià: Masìna hianao, mba omeo kely amin'ny mandragoran-janakao aho.

15 Fa hoy ny navaliny azy: Tsy ampy ve ny nangalanao ny vadiko, ka haka ny mandragoran-janako koa hianao? Dia hoy Rasela: Aoka àry ho any aminao izy anio alina, ho valin'ny mandragoran-janakao. 16 Nony hariva inty tonga avy any an-tsaha Jakoba, ka nivoaka nitsena azy Lià, nanao hoe: Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako hianao. Dia nandry taminy izy ny alin'izay. 17 Ary nihaino an'i Lià Andriamanitra ka nanana anaka izy, dia nitera-dahy fanindiminy tamin'i Jakoba; 18 ka hoy Lià: Nomen'Andriamanitra ny karamako aho tamin'ny nanomezako ny ankizivaviko ho an'ny vadiko. Dia nataony hoe Isakara ny anarany. 19 Mbola nanana anaka koa Lià sy nitera-dahy fanineniny tamin'i Jakoba, 20 ka nanao hoe: Nomen'Andriamanitra anjara soa aho; amin'izao, dia hitoetra amiko ny vadiko, fa niteraka enina mirahalahy ho azy aho. Dia nataony hoe Zabolòna ny anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2257