Ny Jenezy

Toko faha-30

21 Nanaraka izany dia nitera-bavy izy, ka nataony hoe Dinà ny anarany. 22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRasela, ka nihaino azy ka nampanana anaka azy.

23 Nanana anaka izy sady nitera-dahy ka nanao hoe: Nesorin'Andriamanitra tamiko ny fahafaham-barakako. 24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie Iaveh.

25 Nony efa niteraka an'i Josefa Rasela, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho handeha, hody any amiko sy any amin'ny taniko.

26 Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin'ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay. 27 Fa hoy Labana taminy: Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa hianao no nanambinan'ny Tompo ahy. 28 Lazao amiko izay ho karamanao fa homeko tokoa. 29 Hoy Jakoba taminy: Fantatrao ny nanompoako anao sy ny tonga toetry ny biby fiompinao, nony mby tamiko. 30 Fa kely ny fanananao talohan'ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin'ny Tompo hianao, tamin'ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an'ny ankohonako? 31 Dia hoy Labana: Inona àry no homeko anao? Ka hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona hinao; fa raha ekenao izao teniko izao, dia handrasako sy hotandremako indray ny biby fiompinao. 32 Handeha hamaky ny biby fiompinao rehetra aho anio: ka havahako ny sada sy ny mara amin'ny osy, dia ireo no karamako. 33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko rahampitso, rahefa tonga handinika ny karamako hianao. Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin'ny osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry dia ho halatra eo am-pelatanako. 34 Ka hoy Labana: Aoka àry, dia ho araka izany voalazanao izany. 35 Androtrizay ihany dia navahany ny osilahy sadìka sy mara, ny osivavy sadìka sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin'ny zanak'ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tànan'ny zanany lahy. 36 Dia nasiany elanelany làlan-kateloana izy sy Jakoba. Ary ny biby fiompin'i Labana sisa, nandrasan'i Jakoba. 37 Naka tsora-kazo maitso, tamin'ny hazo peuplier sy amandier ary platane, Jakoba, nataony vaofy vandana, hisehoan'ny fotsy amin'ny tsora-kazo;

38 dia napetrany teny amin'ny tatatra, teny amin'ny fisotroan-drano fisotron'ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason'ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro, 39 ka nikambana teo anoloan'ny tsora-kazo ny ondry, dia teraka sadìka sy mara ary sada. 40 Novahan'i Jakoba ny zanak'ondry, ary ny biby fiompy dia nataony nanatrika ny sadìka sy ny mainty rehetra amin'ny biby fiompy ananan'i Labana. Izany no nahazoany andiam-biby fiompy ho an'ny tenany, ka tsy nakambany tamin'ny biby fiompin'i Labana. 41 Nony injay ny ondry matanjaka no nitady hikambana, dia nataon'i Jakoba tao anatin'ny fisotroan-drano talaky mason'ny ondry ny tsora-kazo, mba hikambananany eo anilan'ny tsora-kazo; 42 fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak'ondry osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa an'i Jakoba. 43 Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman'ampondra.

Toko faha-31

1 Ren'i Jakoba fa ny zanakalahin'i Labana dia nanao vava hoe: Lasan'i Jakoba avokoa izay nananan-draintsika; ary avy amin'ny ananan-draintsika no nahazoany izao fananany rehetra izao.

2 Hitan'i Jakoba fa niova taminy ka tsy tahaka ny taloha intsony ny endrik'i Labana. 3 Ary Iaveh nilaza tamin'i Jakoba hoe: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao, fa homba anao aho. 4 Ka dia nampilaza tamin-dRasela sy Lià izy hankany aminy any an-tsaha, tany amin'ny biby fiompy. 5 Dia hoy izy tamin'ireo: Hitako fa niova tamiko fa tsy tahaka ny taloha intsony ny tarehin-drainareo; fa efa nomba ahy Andriamanitry ny raiko.

6 Fantatrareo ny nanompoako an-drainareo tamin'ny heriko rehetra, 7 sy ny namitahan-drainareo ahy, fa efa navadiny impolo izao ny karamako; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahafaty antoka ahy izy. 8 Fa raha nataony hoe: Ny ondry mara rehetra no ho karamanao, dia mara daholo ny terak'ondry; ary raha nataony hoe: ny sadìka rehetra no ho karamanao, dia sadìka avokoa ny terak'ondry. 9 Koa Andriamanitra no naka ny ompin-drainareo, sy nanome izany ho ahy. 10 Tamin'ny fotoana itadiavan'ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin'ny nofy, fa sadìka sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin'ny ondry vavy. 11 Nisy anjelin'Andriamanitra nilaza tamiko, tamin'ny nofy hoe: Ry Jakoba! Ka novaliako hoe: Inty aho. Dia hoy izy: 12 Atopazo ny masonao ka jereo, fa sadìka sy mara ary sada avokoa ny lahy mikambana amin'ny ondry vavy, satria hitako ny nataon'i Labana taminao. 13 Izaho no Andriamanitr'i Betela izay nanosoranao tsangam-bato sy nanaovanao voady. Ary ankehitriny, miaingà hianao, mialà amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao. 14 Dia namaly Rasela sy Lià, ka nanao hoe: Inona intsony moa no anjara sy lova ho anay ao an-tranon-drainay?

15 Tsy efa nataony toy ny vahiny va izahay, fa efa namidiny, ary haniny ny volanay? 16 Tsy izany ihany koa, fa ny harena rehetra nalain'Andriamanitra tamin-drainay, dia azonay, izahay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, ataovy izay nandidian'Andriamanitra anao. 17 Dia niainga Jakoba. Natainginy tamin'ny rameva ny zanany sy ny vadiny.

18 Nentiny avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny harena azony rehetra, dia ny biby fiompy nananany, izay azony tany Kanaana. 19 Nandeha nanety ny ondry kosa Labana, ka nangalarin-dRasela ny Terafiman-drainy. 20 Ary Jakoba namitaka an'i Labana, Arameana, fa tsy nampandrenesiny azy ity hitsoahany. 21 Dia nitsoaka izy, dia izy mbamin'ny fananany rehetra, ka niainga izy, dia nita ny ony ary nanitsy nankany amin'ny tendrombohitra Galaada. 22 Tamin'ny andro fahatelo dia nisy nilaza tamin'i Labana fa lasa nitsoaka Jakoba.

23 Ka nitondra ny rahalahiny homba azy izy, dia nanenjika azy lalan-kafitoana, ary nahatratra azy tao an-tendrombohitra Galaada. 24 Fa Andriamanitra kosa tonga tamin'i Labana, Arameana, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin'i Jakoba. 25 Dia tratran'i Labana Jakoba. Ka Jakoba moa efa niorin-day teo an-tendrombohitra, Labana koa nanorina ny azy mbamin'ny rahalahiny teo an-tendrombohitra Galaada. 26 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Fa naninona ity hianao? Nandiso fisainana ahy hianao, sy nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra.

27 Nahoana no nitsoaka mangina hianao, sady namitaka ahy, fa tsy nampandre ahy akory, dia ho nalefako hianao tamin-kafaliana sy hira, ary tamin'ampongatapaka sy valiha?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1569