Ny Jenezy

Toko faha-31

28 Tsy mba navelanao akory aho hanoroka ny zanako lahy aman-janako vavy! Marina raha tsy nanao toy ny adala mihitsy hianao. 29 Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako, saingy niteny tamiko Andriamanitry ny rainareo halina, nanao hoe: Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin'i Jakoba. 30 Ary ankehitriny, manina loatra ny tranon-drainao hianao ka nandeha, nefa ahoana no dia nangalaranao ny andriamanitro? 31 Dia namaly Jakoba, ka nanao tamin'i Labana hoe: Izaho dia natahotra, fa nihevitra hoe: Angamba hesoriny amiko ny zanany vavy.

32 Fa izay hahatratraranao ny andriamanitrao kosa, dia aoka tsy ho velona! Ka zahao, eto anatrehan'ny rahalahintsika, izay anao ato amiko, dia alao. Tsy nahalala Jakoba fa hoe Rasela no nangalatra izany. 33 Dia nidiran'i Labana ny lain'i Jakoba sy ny lain'i Lià, ary ny an'ny ankiziny roa vavy, nefa tsy nahitany na inona na inona. Nivoaka avy ao an-dain'i Lià izy, dia niditra tao an-dain-dRasela. 34 Nalain-dRasela kosa ny terafima dia nataony tao amin'ny laselin'ny rameva, ary nipetrahany teo amboniny. Dia nisava ny tao an-day rehetra Labana ka tsy nahita na inona na inona. 35 Ary hoy Rasela tamin-drainy: Aoka tsy ho tezitra ny tompoko; fa tsy afa-mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka izy, tsy nahita ny terafima. 36 Dia tezitra Jakoba ka nanome tsiny an'i Labana; ary niteny Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko, inona no hadisoako, no dia efa milofo ery hianao manenjika ahy?

37 Efa nisava ny entako rehetra hianao izay, ka inona no fanaka avy any an-tranonao hitanao tao? Asehoy eto anatrehan'ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany hitsarany antsika mianaka. 38 Roapolo taona izao no nitoerako tao aminao: ny ondry aman'osivavinao tsy nisy namotsotra; ny ondrilahy ao amin'ny biby fiompinao tsy nohaniko. 39 Ny voaviraviran'ny biby dia, tsy mba nentiko tany aminao; izaho no nivesatra ny faty antoka tamin'izany. Notakinao tamiko avokoa, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina. 40 Ny antoandro aho matin'ny hainandro; ny alina matin'ny hatsiaka, ary ny torimaso nanalavitra ny masoko. 41 Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin'ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin'ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo. 42 Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr'i Abrahama sy Ilay atahoran'Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina. 43 Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo, dia zanako vavy, ireo zaza ireo dia zanako; ireo biby fiompy ireo, dia biby fiompiko, ary izao hitanao rehetra izao, dia ahy avokoa. Ka inona no hataoko anio amin'ireto zanako vavy ireto, amin'izy ireo sy amin'ny zanany naterany?

44 Koa ankehitriny, avia hanao fanekem-pihavanana isika, dia izaho sy hianao, mba hisy vavolombelona amiko sy aminao. 45 Dia naka vato anankiray Jakoba naoriny ho tsangam-bato,

46 ka hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Manangòna vato. Dia naka vato izy ireo nataony fanataovana; ka nihinana teo ambonin'ny fanataovana izy rehetra. 47 Yegara-Sahadotà no nataon'i Labana anaran'ny fanataovana; fa Galaada kosa no nataon'i Jakoba anarany. 48 Ary hoy Labana: Ity fanataovana ity no vavolombelona amiko sy aminao anio. Izany no nanaovana ny anarany hoe Galaada, 49 dia atao hoe Mitsipà koa ny anarany, satria hoy Labana: Iaveh hanao andry maso ahy sy hianao, rahefa tafasaraka tsy mifankahita isika. 50 Raha ratsy fitondra ny zanako hianao, na maka vady hafa hirafy amin'ny zanako, tsy misy olombelona hanelanelana antsika; nefa tandremo fa Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao. 51 Ary hoy koa Labana tamin'i Jakoba: Indro ity fanataovana ity, indro ny tsangam-bato naoriko hanelanelana ahy sy hianao. 52 Ity fantaovana ity no vavolombelona, ary ity tsangam-bato ity no vavolombelona fa izaho tsy hihoatra any aminao, any ambadik'ity fanataovana ity; hianao tsy hihoatra aty amiko, aty ambadik'ity fanataovana ity, sy ity tsangam-bato ity, hanisy ratsy. 53 Ary aoka ny Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Nakora ary Andriamanitry ny razan'ireo no hitsara antsika. 54 Dia nianiana tamin'Ilay atahoran'Isaaka Jakoba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra Jakoba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina. 55 Nony ampitso maraina Labana nanoroka ny zanany lahy aman-janany vavy, dia nitso-drano azy, vao lasa niverina ho any an-tranony.

Toko faha-32

1 Dia nanohy ny diany Jakoba ary ny anjelin'Andriamanitra nifanena taminy. 2 Ka hoy izy nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; dia nataony hoe Mahanaïma ny anaran'izany fitoerana izany. 3 Ary nandefa iraka hialoha azy Jakoba, ho any amin'i Esao, rahalahiny, any amin'i Seira any an-tsahan'i Edoma. 4 Nomeny teny ireo nataony hoe: Izao no holazainareo amin'ny tompoko, amin'i Esao: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Nitoetra tany amin'i Labana aho ary nijanona tany, mandrak'ankehitriny. 5 Efa manana omby aman'ampondra sy ondry, ary mpanompo lahy amana vavy aho, ary mampilaza izany amin'ny tompoko, mba hahitako fitia eo imasonao. 6 Fa niverina nankeo amin'i Jakoba ny iraka, ka nanao hoe: Nankany amin'i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban'olona efa-jato lahy.

7 Raiki-tahotra mafy Jakoba sy velom-panahiana izaitsizy. Nozarainy ho antokony roa ny olona nomba azy, mbamin'ny ondry sy ny omby ary ny rameva. 8 Fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony iray Esao ka mamely azy, dia ho afaka hanavotra ny ainy ny antokony iray sisa. 9 Ary hoy Jakoba: E! ry Andriamanitr'i Abrahama raiko, Andriamanitr'Isaaka raiko, Iaveh izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao, sy any amin'ny fitoerana nahaterahanao, fa hanisy soa anao aho.

10 Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin'ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no taty amiko no nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon'olona roa aho ankehitriny. 11 Vonjeo re aho, ho afaka amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tanan'i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin'ny zanany izy. 12 Hianao anefa, efa nilaza hoe: Hanisy soa anao aho, ary hahamaro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay betsaka loatra ka tsy tambo isaina. 13 Dia nitoetra teo Jakoba tamin'iny alina iny. Ary nangalàny hatao fanomezana ho an'i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony;

14 osivavy roan-jato, osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato, ondrilahy roa-polo, 15 rameva mitaiza am-pianahany telo-polo, sy ny zanany, ombivavy efa-polo, ombilahy folo, ampondravavy roa-polo, ary zanak'ampondra folo. 16 Napetrany teo an-tanan'ny mpanompony ireo, nataony mitsitokotoko, dia hoy izy taminy: Mandehana eo alohako hianareo, ka asio elanelany isan-tokony ny zavatra. 17 Ary izao no teny nomeny ny voalohany: Rahefa hifanena aminao Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: An'iza hianao, ary ho aiza? Ary an'iza ity andiam-biby fiompy alohanao? 18 dia valio hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia fanomezana ampanateriny ho an'ny tompoko, ho an'i Esao, ary indro izy tamy ao aorianay ao koa. 19 Nomeny teny torak'izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, mbamin'izay rehetra nanaraka ny biby fiompy nataony hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao, rahefa hifanena aminy hianareo; 20 dia ataovy hoe: Indro, Jakoba, mpanomponao, tamy ao aorianay ao koa. Fa hoy izy anakampony: Hotoneko amin'ireo fanomezana eo alohako ireo ny fahatezerany, vao hahita ny tavany aho, ka angamba horaisiny tsara aho. 21 Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin'ny toby ihany, ny alin'iny. 22 Tamin'iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraik'ambin'ny folo lahy: dia nita tamin'ny fitàna tao Jabaoka izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2207