Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-20
5 Dia niainga Amasà hamory an'i Jodà nefa tratra aorian'ny fotoana nomen'ny mpanjaka azy izy. 6 Ka hoy Davida tamin'i Abisaia: Sebà zanak'i Bokrì izao no hampidi-doza amintsika, mihoatra noho Absaloma. Koa ento ny mpanompon'ny tomponao, dia enjeho iny, fandrao dia mahazo tanàna mimamda eo ihany izy, ka tsy ho hitan'ny masontsika intsony. 7 Nanaraka an'i Abisaia dia niainga koa ny olon'i Joaba, ny Keratiana sy ny Feletiana ary ny lehilahy mahery rehetra nivoaka teo Jerosalema hanenjika an'i Sebà zanak'i Bokrì. 8 Nony mby teo akaikin'ilay vato lehibe ao Gabaona izy ireo, dia inty Amasà tonga teo anoloan'izy ireo. Niakanjo ny akanjo tonika Joaba ary eo ambonin'ny tonika dia nisy sabatra anankiray anaty tranony, nifehy teo am-balahany. Nony nandroso izy dia latsaka ilay sabatra.9 Ary hoy Joaba tamin'i Amasà: Tsara ihany va izato hianao, ry rahalahy? Sady noraisin'i Joaba amin'ny tànany havanana, ny somotr'i Amasà hanoroka azy. 10 Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba Amasà, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka nampivaroraka ny tsinainy tamin'ny tany; tsy nasiana fanindroany akory izy dia maty. Dia rafitra nanenjika an'i Sebà zanak'i Bokrì Joaba sy Abisaia rahalahiny. 11 Fa ny anankiray tamin'ny zatovon'i Joaba nijanona teo anilan'i Amasà, ka nanao hoe: Izay mankasitraka an'i Joaba izay miandany amin'i Davida, dia aoka hanaraka an'i Joaba! 12 Amasà izany nihosinkosina tamin'ny ràny teo afovoan'ny làlana teo. Nony hitan-dralehilahy fa nijanona ny olon-drehetra dia nesoriny teo an-dalamba Amasà nataony tany an-tsaha, sady nosaronany kapaoty, satria hitany fa izay tonga teo anilany nijanona avokoa. 13 Ka nony voaalany teo an-dalambe izy, vao samy nizotra nanaraka an'i Joaba ny olona rehetra, hanenjika an'i Sebà zanak'i Bokrì. 14 Namakivaky ny fokon'Israely rehetra Joaba, hatrany Abelà sy Beta-Maakà, ary nivory nanaraka azy avokoa ny lehilahy voafantina rehetra.
15 Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano an'i Sebà tao Abela-Beta-Maakà. Nanandratra tovon-tany hamely ny tanàna izy ka nahatratra ny manda izany, ka samy nikezaka hanjera ny manda ny vahoaka rehetra nomba an'i Joaba. 16 Tamin'izay nisy vehivavy hendry anankiray niantso avy ao an-tanàna hoe: Mihainoa, mba mihainoa kely é! Ilazao kely Joaba ataovy hoe: Manatòna eto, fa te-hiresaka aminao aho! 17 Dia nanatona azy izy, ka hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Ary hoy ny navaliny azy: Izaho no izy. Dia hoy ravehivavy taminy: Henoy kely ny tenin'ny mpanompovavinao. Ka hoy ny navaliny: Mihaino aho. 18 Dia hoy ravehivavy: Fitenin'ny olona taloha ny hoe: Milà saina ao Abelà, dia voalamina avokoa ny raharaha. 19 Izaho dia anankiray amin'ny tanàna tia fihavanana sy mahatoky eto amin'Israely. Fa hianao kosa mitady handrava tanàna izay reny amin'Israely. Ka ahoana ange no handravanao ny lovan'ny Tompo? 20 Fa hoy kosa Joaba: Lavitra ahy, lavitra dia lavitra ahy izany. Tsy handrava tsy handrigana ny hevitro! Tsy izany velively. 21 Fa misy lehilahy anankiray atao hoe Sebà, zanak'i Bokrì, avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima nanainga tànana hikomy amin'i Davida; ka io ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro hatsipy aminao hihoatra ny manda ny lohany. 22 Dia nanatona ny vahoaka rehetra ravehivavy sy niteny taminy tamim-pahendrena, ka notapahin'izy ireo ny lohan'i Sebà, zanak'i Bokrì, natsipiny tany amin'i Joaba. Ary nasain'i Joaba notsofina kosa ny anjomara, ka ny olona rehetra moa niala tamin'ny tanàna, samy nody any aminy avy; Joaba kosa niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka. 23 Joaba no komandin'ny tafika tamin'Israely rehetra; Banaiasa zanak'i Joiadà no lehiben'ny Keretiana sy ny Feletiana,
24 Adorama no mpandamina ny momba ny fanompoana; Josafata zanak'i Ahiloda no mpitahiry ny bokim-panjakana; 25 Sivà no mpanoratra; Sadaoka sy Abiatara no mpisorona, 26 ary Irà ilay Jairita no mpanolo-tsaina manolotra an'i Davida.
Toko faha-21
1 Tamin'ny andron'i Davida nisy mosary naharitra telo taona nifanesy. Ka nanontany ny tavan'ny Tompo Davida ary hoy Iaveh: Avy amin'i Saola sy ny ankohonany, avy amin'ny rà izao; fa namono ny Gabaonita izy.2 Dia nampaka ny Gabaonita ny mpanjaka sy nilaza taminy hoe: Tsy mba isan'ny zanak'Israely ny Gabaonita, fa avy amin'ny sisan'ny Amoreana. Efa nifanaiky tamin'izy ireo tamim-pianianana ny zanak'Israely, nefa nitady izay hamelezana azy Saola noho ny fahazotoany hiaro ny zanak'Israely sy Jodà. - 3 Izao no nolazain'i Davida tamin'ny Gabaonita: Inona no hataoko ho anareo? Ary amin'inona no hanaovako ny fanonerana mba hitsofanareo rano ny lovan'ny Tompo? 4 Dia hoy ny Gabaonita taminy: Tsy raharaham-bolafotsy na volamena amin'i Saola sy ny taranany no anay, na mitady ain'olona amin'Israely izahay. Ka hoy ny mpanjaka: Inona àry no tianareo hataoko aminareo? 5 Ary hoy ny navaliny tamin'ny mpanjaka: Nandringana anay sy nikasa handevona anay tsy hisy velona intsony eto amin'ny tanin'Israely rehetra iny lehilahy iny. 6 Ka tolory fito lahy amin'ny taranany izahay mba hahantonay eo anatrehan'ny Tompo, any Gabaan'i Saola, ilay voafidin'ny Tompo. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro ireo. 7 Mifiboseta zanak'i Jonatasy, zanak'i Saola, no notsimbinin'ny mpanjaka, noho ny fianianana tamin'ny Tompo teo anelanelan'izy roa lahy, dia Davida sy Jonatasy zanak'i Saola.
8 Nalain'ny mpanjaka izy roa lahy zanak'i Resfà, zanakavavin i Aià, izay naterany tamin'i Saola, dia Armonì sy Mifiboseta, ary izy dimy lahy zanak'i Mikola, zanakavavin'i Bersabea avy any Molatì, 9 dia natolony ireo ho eo an-tànan'ny Gabaonita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan'ny Tompo. Niara-maty izy fito lahy tamin'ny andro voalohan'ny fijinjana, fiandohan'ny fijinjana ny orja. 10 Nalain-dResfà zanak'i Aià kosa ny lasàka anankiray ka novelariny teo ambony vato mba ho azy, dia teo izy hatramin'ny fiandohan'ny fijinjana ka mandra-pahalatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ireo faty, ka nisakana ny vorona any an-danitra tsy hipetraka aminy raha antoandro, sy ny biby eny an-tsaha raha alina.
11 Nampandrenesina an'i Davida izany nataon-dResfà zanak'i Aià, vaditsindranon'i Saola izany, 12 ka lasa Davida naka ny taolan'i Saola sy ny taolan'i Jonatasy zanany, tany amin'ny mponina tao Jabesa any Galaada, izay nanala azy tao amin'ny kianjan'i Betsàna, fony izy nahanton'ny Filistina tao, nony avy nandresy an'i Saola tao Jelboe ny Filistina. 13 Dia nentiny avy any ny taolan'i Saola sy ny taolan'i Jonatasy zanany, ary voaangona koa ny taolan'ireroa nahantona. 14 Nalevina tany Selà, amin'ny fasan'i Kisa rain'i Saola, any amin'ny tanin'i Benjamina ny taolan'i Saola sy ny an'i Jonatasy zanany, ary nataon'ny olona avokoa izay rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ka nony vita izany, dia nionona ny hatezeran'Andriamanitra amin'ny tany. 15 Nisy adin'ny Filistina sy Israely indray, ary mba nidina niaraka tamin'ny mpanompony Davida ary niady tamin'ny Filistina izy ireo; kanjo trotraka Davida.
16 Ary Jesbi-Benoba, ny iray amin'ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana telon-jato sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an'i Davida. 17 Fa tonga namonjy an'i Davida kosa Abisaia zanak'i Sarvià, ka namono nahafaty an'ilay Filistina. Nanaovan'ny olon'i Davida fianianana izy tamin'izay, ka nataony hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay hiady intsony hianao, ka tsy hamono ny fanilon'Israely. 18 Taty aorian'izany mbola nisy ady tamin'ny Filistina koa tao Goba. Tamin'izay no nahafatesan'i Sabokai ilay Hosatita an'i Safà, anankiray amin'ny tarana-dRafà.
19 Mbola nisy ady tamin'ny Filistina koa tao Goba, ary Elkanàna, zanak'i Jaare-Oregima avy any Betleema, no nahafaty an'i Goliata avy ao Geta, ilay nanan-jaran-defona, ohatra ny vodi-tenon'ny mpanenona.
20 Ary nisy ady koa indray tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy goavam-be anankiray, ka samy enina avy ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, dia efatra amby roapolo ny tontaliny: tarana-dRafà koa izy io.
21 Ary naniratsira an'Israely izy, fa matin'i Jonatana zanak'i Samaà rahalahin'i Davida. 22 Tarana-dRafà avy any Geta avokoa izy efa-dahy ireo, fa matin'ny tànan'i Davida sy ny tànan'ny mpanompony.
Toko faha-22
1 Izao no tenin'ny tonon-kira nataon'i Davida tamin'ny Tompo tamin'ny andro namonjen'ny Tompo azy, tamin'ny tànan'ny fahavalony rehetra sy tamin'ny tànan'i Saola.2 Hoy izy: Iaveh no harambatoko sy trano mimandako ary Mpamonjy ahy.
3 Andriamanitra no vatolampiko izay ahitako fialofana. Izy no ampingako sy tandro-pamonjena ahy, toerana avo fandosirako sy fialofako. Ry Mpamonjiko o, hianao no nahafaka ahy tamin'ny fahasiahana.
4 Nantsoiko Ilay mendrika ho deraina, dia Iaveh, ka afaka tamin'ny fahavaloko aho.
5 Fa ny onjam-pahafatesana efa nanodidina ahy; ny riak'i Beliala efa nampitahotra ahy;
6 ny fatoran'ny fonenan'ny maty efa nahasingotra ahy, ny haratom-podiamandry efa nalatsaka teo anatrehako.
