Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-22

7 Niantso an'ny Tompo tao anatin'ny fahoriako aho ary nandefa fitarainana nankany amin'ny Andriamanitro, ka reny tao an-tempoliny ny feoko, tonga tao an-tsofiny ny fitarainako.

8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, nihovitrovitra koa ny fanorenan'ny lanitra. Ary ireo no nihozongozona dia satria tezitra Iaveh

9 ka nivoa-tsetroka ny vava-orony, nivoak'afo mandevona ny vavany, ary nisy vain'afo mivaivay nipitika avy ao aminy.

10 Naronany ny lanitra dia nidina izy, ka rahona matevina no teo ambanin'ny tongony.

11 Nitaingina Kerobima izy dia nanidina, ary niseho teo ambonin'ny ela-drivotra.

12 Nahodidiny azy toy ny lay ny aizina, mbamin'ny ranobe aman-drahona matevina.

13 Avy ao amin'ny famirapiratana nialoha azy nisy vain'afo nipitipitika.

14 Nandefa kotroka avy any an-danitra Iaveh ary nampanakoako ny feony, ny Avo indrindra.

15 Dia nandefa zana-tsipìka ka nampihahaka azy ireo izy, nandefa ny varatra ka nampisaritaka an'ireny.

16 Niseho tamin'izay ny ambanin'ny ranomasina, nihanjahanja ny fiorenan'ny tany, tamin'ny fandrahonana nataon'ny Tompo, tamin'ny fifofofofon'ny fofon'ain'ny vavorony.

17 Naninji-tanana avy any ambony izy, dia nandray ahy, nanintona ahy hiala amin'ny rano be.

18 Nanafaka ahy tamin'ny fahavaloko mahery, tamin'ireo nankahala ahy fony izy ireo nahery noho izaho.

19 Nosovohin'ireny aho tamin'ny andro nahitako loza, Iaveh no nanohana ahy.

20 Napetrany eo amin'ny malalako aho, ary novonjeny, satria sitrany.

21 Namaly soa ahy araka ny fananako ny rariny Iaveh namaly ahy araka ny hadiovan'ny tanako.

22 Fa nanaraka ny lalan'ny Tompo aho, ary tsy nanao ny ratsy izay hanalavitako ny Andriamanitro.

23 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako ary ny lalany tsy mba nihatahako.

24 Tsy nanan-tsiny taminy aho, ary nitandrina mba hanohitra ny haratsiako.

25 Namaly ahy araka ny fananako ny rariny Iaveh, sy araka ny fahadiovako eo imasony.

26 Ny tsara, isehoanao ho tsara, ny olo-marina isehoanao ho marina,

27 Ny madio isehoanao ho madio fa ny fetsy ratsy anaovanao an-kafetsena.

28 Ny vahoaka manetry tena vonjenao, fa ny mpiavonavona kosa aetrinao amin'ny fanandrinanao.

29 Fa hianao no faniloko, ry Tompo o! Iaveh no manazava ny aizina momba ahy.

30 Manana anao aho, ka mahatsarapaka hamely ny antoko-miaramila ary fiadiana; manana an'Andriamanitra aho, ka mahatsambikina mihoatra ny manda.

31 Andriamanitra!... lavorary ny lalany. Ny tenin'Andriamanitra dia fantatra ho to; ampinga izy ho an'izay rehetra matoky azy.

32 Fa iza no Andriamanitra raha tsy Iaveh ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?

33 Andriamanitra no trano mimandako mahery, mitondra ny olo-marina amin'ny lalany izy.

34 Ny tongotro ampanahafiny ny an'ny serfavavy, ary ajorony aho eo amin'ny fitoerako avo.

35 Mampianatra ny tanako hiady izy ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

36 Nomenao ahy ny ampinga famonjenao, ary ny hamoram-ponao no miasa manalehibe ahy.

37 Nohalalahinao ny diako teo ambaniko, ka tsy mangozohozo akory ny tongotro.

38 Manenjika ny fahavaloko aho, dia mandringana azy; ary tsy miverina raha tsy ripaka ireny.

39 Ataoko levona, ataoko montsana ireny; ka tsy maharina, mifitsaka ao ambanin'ny tongotro.

40 Sikinanao hery aho hiady; ary aforitrao ao ambaniko izay mandrafy ahy.

41 Ny fahavaloko ataonao miamboho ahy, mbamin'izay mankahala ahy koa, handringanako azy.

42 Miherikerika ireny fa tsy misy mamonjy! Mitaraina amin'ny Tompo fa tsy valiany akory!

43 Ka torotoroiko hoatra ny vovo-tany izy; hoseko sy hitsahiko hoatra ny fotaka eny amin'ny arabe.

44 Manafaka ahy amin'ny fikomian'ny vahoakako hianao, ary mitahiry ahy ho filohan'ny firenen-tsamihafa, ka manaiky ho mpanompoko ny vahoaka tsy fantatro.

45 Ny zanak'olon-kafa firenena midoka ahy; raha vao mandre dia manoa ahy izy.

46 Reraka ambony ihany ny zanak'olon-kafa firenena, ka mivoaka amin-kovitra avy ao amin'ny trano mimandany.

47 Ho velona anie Iaveh ary hankalazaina anie ny vatolampiko! Andriamanitra vatolampy fialofako, hankalazaina anie izy!

48 Andriamanitra izay mamaly faty noho ny amiko, sy mampitambotsotra ny firenena eo ambanin'ny tongotro,

49 sy mampitsoaka ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; hianao manandratra ahy ho ambonin'izay mandrafy ahy, ary namonjy ahy tamin'ny olona mpanao an-keriny.

50 Izany, ry Tompo o, no hiderako anao eo amin'ny firenena, sy hihirako ny voninahitry ny anaranao.

51 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjakany izy, ary manome famindram-po amin'ilay voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.

Toko faha-23

1 Izao no fara-tenin'i Davida: Zava-marina nambaran'i Davida zanak'Isaia, tenin'ilay lehilahy mipetraka amin'ny toerana ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba, ilay mpanao hiran'Israely mahate-ho tia.

2 Ny Fanahin'ny Tompo no niteny tamin'ny alalako, ary ny teniny no eo amin'ny vavako.

3 Ny Andriamanitr'Israely niteny, ny Vatolampin'Israely niteny: Olo-marina mpanapaka ny olombelona, izay manapaka amim-pahatahorana an'Andriamanitra,

4 dia toy ny fahazavan'ny maraina raha miposaka ny masoandro, toy ny andro maraina tsy misy rahona! Ny tsirim-pahazavany manarakaraka ny ranonorana no itsimohan'ny ahitra amin'ny tany.

5 Tsy toy izany va ny fianakaviako amin'Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina sy voatandrina tsara indrindra; ka hampitsimohiny tokoa ny famonjena ahy rehetra sy ny sitraky ny fony rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0867