Boky Faharoan'i Samoela
Toko faha-23
6 Fa ny olon'i Beliala rehetra kosa, dia toy ny tsilo arian'ny olona: tsy fandrain-tanana izy;7 fa tsy maintsy mitondra vy na zaran-defona izay olona mikasika azy; ary dorana amin'ny afo eo ihany izy.
8 Izao no anaran'ny lehilahy mahery izay eo amin'i Davida: Jesboama zanak'i Hakamoni, no filohan'ny manam-boninahitra. Nampandihy ny lefony tamin'ny olona valon-jato lahy, izay nataony maty tamin'ny indray mandeha monja, izy.
9 Ny manarakaraka azy dia Eleazara zanak'i Dodao zanak'i Ahohì. Io no anankiray amin'izy telo lahy mahery niaraka tamin'i Davida raha ilay mihaika ny Filistina tafakambana mba hiady iny izy ireo, 10 fa niakatra nihemotra kosa ny lehilahy amin'Israely. Nitsangana namely ny Filistina izy mandra-pahavizan'ny tànany, sy efa nihidy velona tamin'ny sabatra. Nanao famonjen-dehibe Iaveh tamin'izay andro izay, ka nandroso indray nanaraka an'i Eleazara ny vahoaka fa tsy nanao afa-tsy ny manangona ny zavatra babo izy ireo. 11 Manarakaraka io, dia Semà, zanak'i Age, Hararita. Tafakambana ho antokony iray ny Filistina; nisy toerana anankiray, feno voanemba maniry teo, ary vaky nandositra teo anoloan'ny Filistina ny vahoaka.
12 Fa lasa teo afovoan'io saha io Semà, dia narovany tsy hidiran'ny Filistina ary noreseny izy ireo. Ary nanao famonjen-dehibe Iaveh. 13 Tamin'ny Filistina nitoby tao an-dohasahan'ny Refaima dia nisy telo lahy tamin'ireo Kapiteny telopolo, nidina nankany amin'i Davida, tao an-johin'i Odolama tamin'ny fotoam-pijinjana.
14 Tao amin'ny trano mimanda Davida, tamin'izay, ary nisy antoko miaramilan'ny Filistina anankiray tao Betleema. 15 Nanam-paniriana Davida, ka nanao hoe: Iza no mba hampisotro ahy ny rano avy amin'ny famorian-drano ao am-bavahadin'i Betleema? 16 Niaraka tamin'izay, dia namakivaky ny tobin'ny Filistina ireto lehilahy mahery telo lahy, ka nanovo rano teo amin'ny famorian-drano ao am-bavahadin'i Betleema; dia noraisiny sy nentiny nankeo amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro Davida fa nataony fanatitra araraka ho an'ny Tompo izany, fa hoy izy: 17 Sanatria ahy ny hanao izany, ry Iaveh ô! Satria inona ity fa tsy ny ran'ireo olona nandeha nanao vy very ny ainy! Ka dia tsy nety nisotro izany izy. Izany no nataon'izy telo lahy mahery ireo. 18 Abisaia rahalahin'i Joaba zanak'i Sarvià dia filohan'ny manam-boninahitra koa. Nampandihy ny lefony tamin'ny lehilahy telon-jato lahy, ka nahafaty ireo, ka nahazo laza tamin'izy telo lahy ireo.
19 Izy no malaza indrindra tamin'izy telo lahy ireo ka lehiben'izy ireo. Nefa tsy nahomby irerý telo lahy voalohany izy. 20 Banaiasa zanak'i Joiadasa zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela, dia namely ireo ariela roa lahy avy any Moaba. Indray andro, nisy oram-panala, dia nidina izy ka namely ilay liona tamin'ny lavaka famorian-drano.
21 Namono ny Ejipsiana anankiray mahatsiravin'endrika izy; lefona no teny an-tànan'ilay Ejipsiana. Izy kosa nidina nankany aminy nitondra tehina, ary ny lefona teny an-tànan'ny Ejipsiana no notsoahany ka ny lefony ihany no namelezany azy. 22 Izany no nataon'i Banaiasa, zanak'i Joiadasa, 23 ary nanan-daza tamin'izy telo lahy mahery izy. Nalaza noho izy telopolo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy irery izy. Noraisin'i Davida ho isan'ny mpanolo-tsaina azy izy. 24 Isan'izy telopolo lahy: Asaela, rahalahin'i Joaba; Elkanàna, zanak'i Dodao, avy any Betleema;
25 Semà avy any Haroda; Elikà avy any Haroda; 26 Helesa avy any Falty; Hirà zanak'i Aksesa, avy any Tekoe; 27 Abiesera, avy any Anatota; Mebonaia, Hosatita; 28 Selmona, Ahohita; Maharaia avy any Netofah; 29 Heleda zanak'i Baanà, avy any Netofah; Etaia zanak'i Ribaia, avy any Gabaan'ny taranak'i Benjamina; 30 Banaia, avy any Farataona; Hedaia avy any an-dohasahan'i Gaasa, 31 Abi-Albona, avy any Arabà; Azmaveta avy any Beroma; 32 Eliaba, avy any Salabona; Bene-Yasena; Jonatàna; 33 Semà, Haratita; Ahiama, zanak'i Sarara, Haratita; 34 Elifeleta, zanak'i Asbaia zana-Makatiana anankiray; Eliama zanak'i Akitofela, avy any Gilao; 35 Hesraia avy any Karmela; Faraia avy any Arbia. 36 Igaala zanak'i Natàna, avy any Sobà; Bonì, avy any Gada. 37 Seleka, Amonita, Nahanaia avy any Berota, mpitondra fiadian'i Joaba zanak'i Sarvià; 38 Irà, avy any Jetera; 39 Oria, Heteana. Fito amby telopolo no tontaliny.
Toko faha-24
1 Nirehitra tamin'Israely indray ny fahatezeran'ny Tompo, ka namporisihiny hamely azy ireo Davida nataony hoe: Mandehana isao Israely sy Jodà.2 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba, filohan'ny tafika, izay teo aminy: Mandehana tetezo ny fokon'Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea, hahafantarako ny isan'ny vahoaka.
3 Fa hoy Joaba tamin'ny mpanjaka: Hampitomboin'ny Tompo Andriamanitrao anie ny vahoaka injato toy izao, ka ny mason'ny mpanjaka tompoko anie hahita izany! Fa ahoana ange ny mpanjaka tompoko no mitady hafaliana manao izany? 4 Fa nahery ny tenin'ny mpanjaka nanoha an'i Joaba sy ny lehiben'ny tafika, ka dia nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka Joaba sy ny lehiben'ny tafika, hanisa ny vahoakan'Israely. 5 Nony tafita an'i Jordany izy ireo, dia nitoby tao Aroera aloha, ankavanan'ilay tanàna, eo afovoan'ny lohasahan'i Gada, dia vao tao Jazera. 6 Dia tonga tany Galaada sy any amin'ny tanin'i Taktima-Hodsì, izy; rahefa izany dia nankany Dana-Jaana, mbamin'ny manodidina an'i Sidona. 7 Ary nalehany koa Tiro, tanàna mimanda, mbamin'ny tanànan'ny Heveana sy ny Kananeana rehetra dia tafapaka amin'ny Negeban'i Jodà, any Bersabea. 8 Nony voatetiny ny tany rehetra dia niverina tany Jerosalema izy ireo, rahefa afaka ny sivy volana sy roapolo andro. 9 Ary natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy valo hetsy, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin'Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'i Jodà. 10 Nandre ny fony nitebiteby Davida nony nanisa ny vahoaka, ka hoy Davida tamin'ny Tompo: Nahavita fahotana lehibe aho, tamin'ny nataoko! Koa ankehitriny, Iaveh ô, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.
11 Nony ampitso, rahefa nifoha Davida, dia tonga tamin'i Gada, mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
12 Mandehana lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Zavatra telo no apetrako eo anoloanao, ka fidio izay iray hataoko aminao. 13 Dia nankany amin'i Davida Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe: Ho tonga amin'ny taninao va ny mosary fito taona, sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao izay hanenjika anao va hianao; sa hasian'ny pesta hateloana ny taninao? Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an'ilay naniraka ahy. 14 Dia hoy ny navalin'i Davida tamin'i Gada: Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon'ny tànan'ny Tompo fa be famindram-po izy, toy izay ho azon'ny tànan'olombelona. 15 Ary Iaveh naniraka pesta any amin'Israely, hatramin'ny marainan'izay andro izay ka hatramin'ilay fotoana voafetra ka nahafatesana fito alina ny olona, hatrany Dana ka hatrany Bersabea.
16 Mbola naninjitra ny tànany tamin'i Jerosalema ihany ilay anjely handringana azy. Fa nanenenan'ny Tompo ny amin'izany loza izany, ka hoy izy tamin'ilay anjely namono ny vahoaka: Aoka izay, fa avonkony amin'izao ny tànanao. Teo akaikin'ny famoloan'i Areonà, Jeboseana, no nitoeran'ilay anjelin'ny Tompo tamin'izay.
