Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-24

17 Nony nahita ilay anjely namono vahoaka Davida dia hoy izy tamin'ny Tompo: Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re ho izaho sy ny mpianakavin'ikaky no hasian'ny tànanao! 18 Dia tonga tao amin'i Davida Gada tamin'izay andro izay, ka nanao taminy hoe: Miakara ary manangàna otely ho an'ny Tompo any am-pamoloan'i Areonà Jeboseana.

19 Dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, araka ny nandidian'ny Tompo azy. 20 Nony nijery Areonà dia nahatazana ny mpanjaka, sy ireo mpanompony, tamy hankaty aminy, 21 dia nivoaka Areonà, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny mpanjaka nanao hoe: Inona izato nahatongavan'ny mpanjaka tompoko aty amin'ny mpanompony? Ary hoy ny navalin'i Davida: Hividy ity famoloana ity aminao, hanorenana otely ho an'ny Tompo mba hihatahan'ny areti-mandringana amin'ny vahoaka. 22 Dia hoy Areonà tamin'i Davida: Aoka halain'ny mpanjaka tompoko izany, ary aoka hateriny ho sorona izay sitrany. Indreo ny omby hatao sorona dorana ary ny rambaramba mbamin'ny jiogan'omby hatao kitay. 23 Atolotr'i Areonà ho an'ny mpanjaka izany rehetra izany, ry mpanjaka ô! Ary hoy Areonà tamin'ny mpanjaka: Hahita fitia eo imason'ny Tompo Andriamanitrao anie hianao! 24 Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Areonà: Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an'ny Tompo Andriamanitro aho. Dia volafotsy dimampolo sikla no novidianan'i Davida ny famoloana sy ny omby. 25 Ary nanorina otely teo Davida ho an'ny Tompo ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Dia nionona ny hatezeran'ny Tompo tamin'ny tany, ka nitsahatra ny areti-mandringana namely an'Israely.

Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko voalohany

1 Efa zokiolona sy nandroso fahanterana Davida, ka na norakofan-damba aza tsy nahatsiaro hafanana intsony.

2 Ary hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virjiny ny mpanjaka tompoko, hitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka sy hitaiza azy, ary handry eo amin'ny tratranao, ka dia hafana ny mpanjaka tompoko. 3 Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'Israely rehetra ny olona, ka nahita an'i Abisaga Sonamita, ary nentina tao amin'ny mpanjaka io. 4 Tsara tarehy tokoa razazavavy, sady nitaiza sy nanompo ny mpanjaka, nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy. 5 Ary Adoniasa nanandra-tena, ka nanao anakampo hoe: Izaho no ho mpanjaka. Ary nanomana kalesy aman-tsoavaly ho azy izy, ary olona dimampolo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.

6 Ary ny rainy tsy mbola mba nampalahelo azy na oviana na oviana tamin'ny andro niainany nanao hoe: Nahoana hianao no manao toy izao? Sady tsara tarehy tokoa moa Adoniasa, ary nateraky ny reniny izy nanaraka an'i Absaloma. 7 Nisy resadresaka natao tamin'i Joaba, zanak'i Sarvià sy tamin'i Abiatara mpisorona, ka rafitra niandany tamin'i Adoniasa ireo. 8 Tsy mba nety nikambana tamin'i Adoniasa kosa Sadaoka mpisorona, Banaiasa zanak'i Joiadasa, Natàna mpaminany, Semeia, Reia, mbamin'ny lehilahy maherin'i Davida. 9 Ary Adoniasa namono ondry sy omby ary zanak'omby matavy, teo akaikin'ny vaton'i Zoheleta anilan'i En-Rogela, ka nanasa ny rahalahiny rehetra, zanaky ny mpanjaka, mbamin'ny lehilahy rehetra amin'i Jodà mpanompon'ny mpanjaka. 10 Samy tsy nasainy anefa na Natàna mpaminany, na Banaiasa, na ny lehilahy mahery, na Salomona rahalahiny. 11 Ka hoy Natàna tamin'i Betsabea renin'i Salomona: Tsy renao va fa efa tonga mpanjaka Adoniasa zanak'i Hagita, nefa tsy mahalala izany akory Davida tompontsika?

12 Koa etsy ange avelao homeko hevitra hianao ankehitriny hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Salomona zanakao. 13 Mandehana midira ao amin'i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Ry mpanjaka tompoko ô: tsy efa nianiana tamiko mpanomponao va hianao, nanao hoe: Salomona zanakao no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Ka ahoana àry no Adoniasa indray ity no tonga mpanjaka? 14 Ary indro fa ilay mbola miteny amin'ny mpanjaka iny hianao, dia hiditra avy aorianao koa aho, ka hanamarina ny teninao. 15 Dia nankao amin'ny mpanjaka tao an'efitranony, Betsabea; efa antitra dia antitra ny mpanjaka, ary Abisaga Sonimata nanompo azy teo.

16 Niondrika Betsabea, dia niankohoka teo anatrehany, ka hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao? 17 Dia hoy ny navaliny azy: Tompokolahy ô, Iaveh Andriamanitrao no efa nianiananao tamin'ny mpanompovavinao hoe: Salomona zanakao no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako. 18 Kanjo ankehitriny, indro fa Adoniasa no tonga mpanjaka; kanefa hianao tsy mahalala izany akory, ry mpanjaka tompoko. 19 Izy efa namono omby aman-janak'omby matavy mbamin'ny ondry betsaka; efa nasainy avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka sy Abiatara mpisorona, ary Joaba filohan'ny tafika, fa Salomona mpanomponao tsy mba nasainy. 20 Ny mason'Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandrandra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka tompoko. 21 Fa raha tsy izany, rahefa mody amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia hatao olo-meloka izaho sy Salomona zanako. 22 Mbola niteny amin'ny mpanjaka ao Betsabea, dia indro tonga koa Natàna mpaminany.

23 Ka nambara tamin'ny mpanjaka hoe: Indro Natàna mpaminany. Dia niditra nanoloana ny mpanjaka izy, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany, 24 ary hoy Natàna hoe: Ry mpanjaka tompoko ô, hianao angaha efa nilaza hoe: Adoniasa no hanjaka handimby ahy, sy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? 25 Fa nidina androany izy izao, ka namono omby aman-janak'omby matavy sy ondry be dia be; nasainy avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny filohan'ny tafika ary Abiatara mpisorona. Indro mihinana sy misotro eo anatrehany ireo izao, ka manao hoe: Ho ela velona anie Adoniasa mpanjaka! 26 Samy tsy nasainy anefa na izaho mpanomponao na Sadaoka mpisorona, na Banaiasa zanak'i Joiadasa, na Salomona mpanomponao. 27 Ka moa ve avy amin'ny mpanjaka tompoko no isehoan'izany zavatra izany, fa tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka handimby ny mpanjaka tompoko eo amin'ny seza fiandrianany? 28 Ary namaly Davida mpanjaka nanao hoe: Asaovy mankatý Betsabea. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka ravehivavy ary nandroso ho eo anatrehan'ny mpanjaka.

29 Ka nanao izao fianianana izao ny mpanjaka: Ho velona anie Iaveh, izay nanafaka ahy tamin'ny loza rehetra, 30 dia hotanterahiko anio ilay fianianana nataoko tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely hoe: Salomona zanakao lahy hanjaka handimby ahy ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy. 31 Koa niondrika nihohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny mpanjaka Betsabea, dia nanao hoe: Ho velona mandrakizay anie ny tompoko Davida mpanjaka! 32 Ary hoy Davida mpanjaka: Asaovy mankatý Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany, ary Banaiasa zanak'i Joiadasa. Nony niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka ireo,

33 dia hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ka ampitaingeno ny molevaviko Salomona zanako, dia ento midina mankany Gihona. 34 Rahefa mby any, Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin'Israely, ary hianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie Salomona mpanjaka! 35 Rahefa izany, miakara manaraka azy hianareo, fa ho avy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy, ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no tendreko ho filohan'Israely sy Jodà. 36 Dia namaly Banaiasa zanak'i Joiadasa ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Amena! Ho toy izany koa anie no didin'ny Tompo Andriamanitry ny mpanjaka tompoko! 37 Ho toy ny nomban'ny Tompo ny mpanjaka tompoko anie no hombàny an'i Salomona koa ary hasandrany ho ambony noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i Salomona! 38 Dia nandeha Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany, ary Banaiasa zanak'i Joiadasa mbamin'ny Keretiana sy ny Feletiana; nasainy nitaingina ny molevavin'i Davida mpanjaka Salomona, dia nentiny nankany Gihona.

39 Ary Sadaoka mpisorona, naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny tabernaka, dia nanosotra an'i Salomona, ary nitsoka anjomara ny olona, ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: Ho ela velona anie Salomona mpanjaka! 40 Rahefa izany, dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra. Nitsoka sodina ny vahoaka sy nifaly indrindra, ka nahavaky ny tany ny horakoraka avy amin'izy ireo. 41 Ren'i Adoniasa sy ireo nasainy rehetra, izay teo aminy, izany, tamin'ilay nanapitra ny fihinanam-beny iny izy. Ary hoy Joaba nandre ny feon'anjomara: Tabataba inona izato avy amin'ny tanàna mihotakotaka?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0845