Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko voalohany
42 Mbola miteny eo izy, no indro tonga Jonatasy zanak'i Abiatara mpisorona. Hoy Adoniasa taminy: Mandrosoa fa lehilahy mahery fo hianao, ka mpitondra zava-baovao tsara. 43 Dia namaly Jonatasy, ka nanao tamin'i Adoniasa hoe: Eny lahy, izany tokoa, fa nanangana an'i Salomona ho mpanjaka Davida mpanjaka tompontsika. 44 Nirahin'ny mpanjaka hiaraka aminy Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany ary Banaiasa zanak'i Joiadasa, mbamin'ny Keretiana sy ny Feletiana, ka nampitaingenin'ireo ny molevavin'ny mpanjaka izy. 45 Nohosoran'i Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany ho mpanjaka izy, tany Gihona; dia niakatra avy eny tamim-piravoravoana izy ireo, ka mihotakotaka ny tanàna, ary ny tabataban'izany ilay renareo teo. 46 Ary efa nipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana aza Salomona; 47 ary ny mpanompon'ny mpanjaka aza, efa avy nisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika, nanao hoe: Hataon'ny Andriamanitrao malaza noho ny anaranao anie ny anaran'i Salomona, ary hasandrany ho ambony noho ny seza fiandriananao ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka. 48 Ary niteny toy izao aza ny mpanjaka nanao hoe: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely, fa nanome ahy mpandimby eo amin'ny seza fiandrianako izy androany, hahazoako mahita maso an'izany. 49 Raiki-tahotra mafy izy rehetra nasain'i Adoniasa ka tafatsangana dia samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy.50 Adoniasa natahotra an'i Salomona ka nitsangana, dia nandeha namikitra tamin'ny tandroky ny otely. 51 Ary nisy nilaza izany tamin'i Salomona nanao hoe: Indro Adoniasa matahotra an'i Salomona mpanjaka, ary indro izy namikitra amin'ny tandroky ny otely, nanao hoe: Aoka hianiana amiko Salomona mpanjaka anio, fa tsy hamono ny mpanompony amin'ny sabatra. 52 Dia hoy Salomona: Raha miseho ho lehilahy mahery izy, dia tsy hisy latsaka amin'ny tany na dia singam-bolony iray aza, fa raha misy heloka hita aminy kosa, dia ho faty izy. 53 Ary naniraka olona hampidina azy hiala teo amin'ny otely Salomona; ka tonga niankohoka teo anatrehan'i Salomona mpanjaka izy, dia hoy Salomona taminy hoe: Mandehana any an-tranonao.
Toko faha-2
1 Nony efa akaiky ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Salomona zanany izy, nanao hoe:2 Handeha amin'ny làlana falehan'ny tany rehetra aho ity, ka mahereza hianao, misehoa ho lehilahy. 3 Tandremo ny fanompoana an'ny Tompo Andriamanitrao, fa araho ny làlany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsìpika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, mba hahomby hianao amin'izay hataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao, 4 ka dia hotanterahin'ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe: Raha mitandrina ny diany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra, dia tsy ho lany taranaka ho eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hianao. 5 Ary fantatrao ihany ny nataon'i Joaba zanak'i Sarvià tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy, Abnera zanak'i Nera, sy Amasà zanak'i Jetera, filohan'ny tafik'Israely, fa novonoiny ireo, ka ny rà fandatsaka amin'ny ady, nalatsany amin'izao tany mandry izao, ary ny rà fandatsaka amin'ny ady, dia nataony tamin'ny fehin-kibo teny am-balahany sy tamin'ny kapa teny amin'ny tongony! 6 Izay azon'ny fahendrenao no ataovy, fa aza avela hidina amim-piadanana any amin'ny fonenan'ny maty ny volo fotsiny. 7 Fa ireo zanak'i Berzelaia Galaadita kosa dia anehoy fitiavana ka aoka ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy ireo, fa tahaka izany koa no nanatonany ahy, fony aho nandositra teo anoloan'i Absaloma rahalahinao. 8 Indro eto akaikinao Semeia zanak'i Gerà, Benjamita, avy ao Bahorima. Ozona mafy no notononiny tamiko, tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima. Nefa noho izy nidina nitsena ahy tany Jordany dia nianiana taminy, tamin'ny anaran'ny Tompo aho, nanao hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra hianao. 9 Ary ankehitriny aza avela ho afa-maina anefa izy, fa olon-kendry hianao, ka mahalala izay tokony hanaovanao azy. Fandatsahan-drà no ampidinanao ny volo fotsiny any amin'ny fonenan'ny maty. 10 Dia nandry any amin'ny razany Davida, ka nalevina tao an-tanànan'i Davida.
11 Efapolo taona no andro nanjakan'i Davida tamin'Israely, ny fito taona nanjakany tany Hebrona, ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema. 12 Ary Salomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy, ary niorina tsara ny fanjakany. 13 Ary Adoniasa zanak'i Hagita nankao amin'i Betsabea renin'i Salomona. Ary hoy ravehivavy: Hevi-pihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy ny navaliny: Eny, hevi-pihavanana,
14 sady nampiany hoe: Misy teny indraim-bava holazaiko aminao. Ka hoy ravehivavy: Lazao àry. 15 Dia hoy izy: Fantatrao fa efa tato amiko ny fanjakana; izaho no efa nandrandrain'Israely rehetra mba hanjakako. Kanjo nafindra ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa efa natokan'ny Tompo ho azy. 16 Koa ankehitriny, zavatra iray ihany no mba angatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Dia hoy ravehivavy namaly azy: Lazao. 17 Dia hoy izy: Miangavy anao aho hilaza amin'i Salomona mpanjaka, fa tsy handà anao izy, mba hanomezany an'i Abisaga Sonamita ho vadiko. 18 Dia hoy Betsabea: Tsy maninona fa dia hiteny amin'ny mpanjaka ny aminao aho. 19 Dia nankany amin'i Salomona mpanjaka, Betsabea, hilaza aminy ny amin'i Adoniasa. Nitsangana nitsena azy ny mpanjaka, sady niankohoka teo anatrehany; dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, sy nampanisy seza fiandrianana ho an'ny renin'ny mpanjaka, ka nipetraka teo an-kavanany ravehivavy. 20 Izay izy vao niteny hoe: Misy zavatra kely anankiray hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mangatàha, ry neny, fa tsy handà anao aho. 21 Dia hoy izy: Aoka homena ho vadin'i Adoniasa rahalahinao Abisaga Sonamita. 22 Fa hoy ny navalin'i Salomona mpanjaka tamin-dreniny: Ahoana no angatahinao an'i Abisaga Sonamita ho an'i Adoniasa? Angataho ho azy koa ny fanjakana; fa izy rahateo no zokiko, dia ho azy sy ho an'i Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba zanak'i Sarvià. 23 Nianiana tamin'ny Tompo teo Salomona mpanjaka, nanao hoe: Hataon'ny Tompo amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho faty noho ny nanaovany an'izany teny izany Adoniasa.
24 Koa ankehitriny, velona Iaveh ilay nampiorina sy nampipetraka ahy eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko, sady nanorina trano ho ahy, araka ny voalazany rahateo, dia hovonoin-ko faty anio ihany Adoniasa. 25 Dia nanendry an'i Banaiasa zanak'i Joiadasa Salomona mpanjaka; nasian'io Adoniasa dia maty. 26 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Abiatara mpisorona: Mandehana hianao mankany amin'ny taninao, any Anatota, nefa noho hianao nitondra ny fiaran'ny Tompo Tompo teo anatrehan'i Davida raiko, sy noho hianao nanana anjara tamin'ny fahoriana rehetra nahazo an'ikaky, dia tsy hataoko maty amin'izao andro izao hianao.
27 Koa nesorin'i Salomona tsy ho mpisoron'ny Tompo intsony Abiatara, ary tanterany tamin'izany ilay teny nolazain'ny Tompo tany Silao amin'ny fianakavian'i Helì. 28 Tonga tao amin'i Joaba izany vaovao izany satria niandany tamin'i Adoniasa Joaba, na dia tsy niandany tamin'i Absaloma aza. Ary nandositra tao amin'ny tabernaklan'ny Tompo Joaba, ka namikitra ny tandroky ny otely.
29 Ary nampandrenesina Salomona mpanjaka fa nandositra ao amin'ny tabernaklan'ny Tompo Joaba, ka tao anilan'ny otely izy; ka nirahin'i Salomona Banaiasa nataony hoe: Mandehana asio izy. 30 Nony tonga tao amin'ny tabernaklan'ny Tompo Banaiasa, dia nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha hianao. Fa hoy ny navaliny: Tsia, fa ho faty eto aho. Dia nakarin'i Banaiasa tamin'ny mpanjaka izany teny izany, nataony hoe: Izany no teny nataon'i Joaba, ary izany no navaliny ahy. 31 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Banaiasa: Dia ataovy araka ny voalazany, ka asio izy dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko, ny rà nalatsak'i Joaba tsy misy antony akory. 32 Hatsingerin'ny Tompo eo an-dohany ihany ny ràny, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasiany sy novonoiny tamin'ny sabatra, nefa tsy fantatr'i Davida raiko izany, dia Abnera zanak'i Nera, filohan'ny tafik'Israely, sy Amasà, zanak'i Jetera, filohan'ny tafik'i Jodà. 33 Ka ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany hatrany hatrany no hitsingerenan'ny ràn'izy roa lahy ireo. Fa ny ho an'i Davida sy ny taranany mbamin'ny fianakaviany aman-tseza fiandrianany kosa, dia fiadanana lalandava avy amin'ny Tompo! 34 Dia niakatra Banaiasa zanak'i Joiadasa, ka namely an'i Joaba sy nahafaty azy, ary nalevina tany amin'ny fonenany tany an'efitra. 35 Banaiasa zanak'i Joiadasa no nataon'ny mpanjaka filohan'ny tafika, ho solony, ary Sadaoka no nataon'ny mpanjaka mpisorona, ho solon'i Abiatara. 36 Nampiantso an'i Semeia koa ny mpanjaka, dia nilaza taminy hoe: Manaova trano ho anao eto Jerosalema dia hitoeranao, ary tsy hialanao hivezivezy atsy amin'arý.
37 Fa amin'izay andro hivoahanao hita ny ranondriaka Sedrona no fantaro, fa tsy maintsy hahafatesanao; ary ho eo ambonin'ny lohanao ihany ny rànao. 38 Namaly ny mpanjaka Semeia nanao hoe: Tsara izany teny izany, ka hanao arak'izany voalazan'ny mpanjaka tompoko izany ny mpanomponao. Dia nitoetra andro maro be tany Jerosalema Semeia.
