Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-2

39 Kanjo nony afaka telo taona, dia sendra nandositra ny mpanompon'i Semeia roa lahy, tany amin'i Akisa, zanak'i Maakà, mpanjakan'i Geta. Dia nilazana izany Semeia, natao hoe: Indro any Geta ny mpanomponao. 40 Dia nitsangana Semeia nankany amin'i Akisa, any Geta. 41 Ary nambara tamin'i Salomona, fa niala tao Jerosalema Semeia nankany Geta, ka efa tafaverina. 42 Dia naniraka olona hiantso an'i Semeia ny mpanjaka ka hoy izy taminy: Tsy efa nampianiana anao tamin'ny Tompo va aho, sy nanome didy anao nanao hoe: Fantaro fa amin'ny andro hivoahanao hivezivezy atsý arý no tsy maintsy hahafatesanao! Ary tsy efa namaly va hianao, nanao tamiko hoe: Tsara izany teny izany? 43 Ka nahoana àry hianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'ny Tompo sy ny didy nomeko anao? 44 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Semeia: Fantatrao, eny fantatry ny fonao, ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, ka hatsingerin'ny Tompo amin'ny lohanao ny haratsianao. 45 Fa Salomona mpanjaka kosa hambinina ary ny seza fiandrianan'i Davida hatao mafy orina mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo. 46 Dia nomen'ny mpanjaka didy Banaiasa zanak'i Joiadasa, ka nivoaka namono an'i Semeia, ary maty izy. Ary niorina teo an-tànan'i Salomona ny fanjakana.

Toko faha-3

1 Nisy fihavanam-panambadiana nampiray an'i Salomona tamin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta, fa nanambady ny zanakavavin'i Faraona izy, dia nitondra azy ho ao an-tanànan'i Davida, mandra-pahatapitra ny fanorenana ny tranony sy ny tranon'ny Tompo ary ny manda manodidina an'i Jerosalema.

2 Nefa teny amin'ny fitoerana avo ihany no nanaovan'ny vahoaka sorona, fa mbola tsy nisy trano natao ho an'ny anaran'ny Tompo hatramin'izany andro izany. 3 Tia an'ny Tompo Salomona ary nandeha araka ny fitsipik'i Davida rainy, nefa mbola teny amin'ny fitoerana avo ihany no nanaterany sorona sy nandoroany zava-manitra. 4 Dia nankany Gabaona Salomona hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin'io otely io.

5 Ary Iaveh niseho tamin'i Salomona tamin'ny nofy, nony alina, tany Gabaona, ka hoy Andriamanitra taminy: Angataho izay tianao homeko anao. 6 Dia hoy ny navalin'i Salomona: Efa naneho fitiavana lehibe tamin'i Davida mpanomponao raiko hianao, araka ny nandehanany teo anatrehanao, tamin'ny tsy fivadihana sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao; notohizinao izany fitiavana azy lehibe izany, ka nomenao zanakalahy izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany izy, araka izao hita izao. 7 Ary ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an'i Davida raiko hianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena. 8 Ary ny mpanomponao dia eo afovoan'ny vahoakanao, izay nofidinao, vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina, fa maro be loatra. 9 Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao! 10 Nankasitrahan'ny Tompo ny nangatahan'i Salomona izany zavatra izany taminy.

11 Ka hoy Andriamanitra taminy: Noho hianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain'ny fahavalonao ho anao; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny; 12 dia indro, tanterahiko ny teninao, fa omeko saina hendry sy mahiratra hianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao. 13 Omeko anao mbamin'izay tsy nangatahinao koa aza, dia harena amam-boninahitra, any ka tsy hisy toa anao na iza na iza amin'ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra. 14 Ary raha mandeha amin'ny làlako hianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàko, toy ny nandehanan'i Davida rainao, dia hohalavaiko ny andronao. 15 Nahatsiaro Salomona ary nahalala fa nofy izany. Ary nony tafaverina tany Jerosalema izy, dia nitoetra teo anatrehan'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, ka nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana ary nanao fanasana ho an'ny mpanompomy rehetra.

16 Tamin'izay dia nisy vehivavy ratsy fiaina anankiroa, tonga teo amin'ny mpanjaka ka nitoetra teo anatrehany.

17 Hoy ny iray tamin'izy ireo: Mitaraina aminao aho tompoko, fa niray trano izaho sy ravehivavy ity, ary teraka teo anilany tao an-trano aho. 18 Nony afaka hateloana ny niterahako, dia mba teraka koa ravehivavy io. Niara-nonina izahay, ary tsy nisy olon-kafa niaraka taminay tao an-trano; fa izahay roa vavy ihany no tao an-trano. 19 Maty tamin'ny alina ny zana-dravehivavy io, fa voatsindriny tao am-pandriana. 20 Ka nony nisasaka ny alina, niarina izy, nalainy ny zanako teo anilako, raha ilay mbola natory iny ny ankizivavinao, ka io no nampandriny teo an-tratrany, fa ny zanany efa maty no nampandriny teo an-tratrako. 21 Nony niarina aho tamin'ny maraina hampinono ny zanako, dia indro fa maty izy. Nodinihiko tsara anefa ity izy nony maraina, ka hitako fa tsy ilay zanako naterako akory. 22 Hoy ilay vehivavy anankiray: Tsia fa ny zanako naterako no velona, ary ny zanakao no maty. Fa namaly ity anankiray nanao hoe: Tsy izany velively, fa ny zanakao no maty, ary ny zanako no velona. Dia nifanditra toy izany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. 23 Hoy ny mpanjaka, nanao hoe: Ny iray manao hoe: Ny zanako no velona, ary ny zanakao no maty. Ny iray kosa manao hoe: Tsy izany velively, fa ny zanakao no maty, ary ny zanako no velona!

24 Ary hoy ny mpanjaka: Itondray sabatra aho. Dia nitondrana sabatra teo anatrehany ny mpanjaka, ka hoy ny mpanjaka: 25 Sasaho ny zaza velona, ka ny ilany anankiray omeo an'ity, ary ny anankiray omeo an'itsy. 26 Niteny tamin'izay ity vehivavy tompon'ny zaza velona; fa nahatsiaro mangoraka ny fony noho ny amin'ny zaza, ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Tompokolahy ô, omeo azy re ny zaza velona; fa aza dia vonoina! Fa hoy kosa ity anankiray: Aoka tsy ho ahy, tsy ho anao, fa zarao. 27 Dia namaly ny mpanjaka nanao hoe: Omeo an'ity ny zaza velona fa aza vonoina; fa ity no reniny. 28 Nandre ny fitsarana navoakan'ny mpanjaka Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina.

Toko faha-4

1 Nanjaka tamin'Israely rehetra Salomona mpanjaka.

2 Izao no lehibe, mpanao raharahany: Azariasa, zanak'i Sadaoka, no filohan'ny mpanao raharaha. 3 Elihorefa sy Ahià, zanak'i Sisà, no mpanoratra; Josafata zanak'i Ahiloda, no mpitahiry boky; 4 Banaiasa zanak'i Joiadasa no komandin'ny tafika; Sadaoka sy Abiatara no mpisorona, 5 Azariasa zanak'i Natàna no lehiben'ny mpikarakara ny hanin-kohanina; Zaboda zanak'i Natàna mpisorona no mpanolo-tsaina, manolotra ny mpanjaka; 6 Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama zanak'i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana. 7 Nanana mpikarakara hanina roa ambin'ny folo lahy tamin'Israely rehetra Salomona. Ireo no namonona izay nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany, amin'ny fivelomany, samy tsy maintsy namonona izany ho an'ny volana iray avy isan-taona.

8 Izao no anaran'izy ireo: Ben-Hora, tamin'ny tendrombohitr'i Efraima; 9 Ben-Dekara, tao Maksesa, tao Salebima, tao Betsamesa, tao Elona any Betanàna; 10 Ben-Heseda, tao Arobota, azy avokoa Sokao sy ny tany Efera rehetra; 11 Ben-Abinadaba, ny havoan'i Dora rehetra no azy, ary Tafeta zanakavavin'i Salomona no vadiny; 12 Banà, zanak'i Ahiloda: azy avokoa Tanàka sy Magedao ary Betsàna rehetra, akaikin'i Sartanà, eo ambanin'i Jezraela, hatrany Betsàna rehetra, akaikin'i Sartanà, eo ambanin'i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmeholà, hatrany ambadik'i Jekimaana; 13 Ben-Gabera tao Ramotan'i Galaada; izao no azy: ny tanàna madinik'i Jaira, zanak'i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe enimpolo, mimanda sy misy hidy varahina; 14 Ahinadaba zanak'i Adao tao Manaima;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0847