Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-6

13 honina eo amin'ny zanak'Israely aho, ary tsy hahafoy an'Israely vahoakako. 14 Nanorina ny trano Salomona dia nahavita azy.

15 Nopetahany hazo fisaka sedera ny ati-rindrin-trano, hatramin'ny tokotanin-trano ka hatramin'ny valin-drihana, vitany peta-drindrina avokoa ny ao anatiny, ary ny tokotanin-trano norakofany tamin'ny hazo fisaka sipresa. 16 Nopetahany hazo fisaka sedera ny roapolo hakiho hatreo amin'ny fara rindrina hatrany amin'ny tany ka hatrany amin'ny loha rindrina, ary ny trano dia nanavahany izay ho fitoerana masina, fitoerana masina indrindra. 17 Ny trano, izany hoe, ny tempoly teo anoloana, dia nisy efapolo hahiko. 18 Ny hazo sedera tamin'ny ati-trano, dia voasokitra vita sarim-boatango sy voninkazo mivelatra. Sedera avokoa izy manontolo fa ny vato tsy nisy hita akory. 19 Ny hametrahana ny fiaran'ny faneken'ny Tompo no nanamboarany ny fitoerana masina, tao anatin'ny trano, tarý anatiny indrindra.

20 Ny atin'ny fitoerana masina, dia roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, roapolo hakiho ny hahavony. 21 Nopetahan'i Salomona volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny otely. Nopetahan'i Salomona volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan'ny fitoerana masina, izay norakofany volamena koa. 22 Ka toy izany no nametahany volamena avokoa ny trano manontolo, dia ny trano manontolo, ary ny otely teo anoloan'ny fitoerana masina nopetahany volamena. 23 Kerobima roa vita tamin'ny hazo oliva maniry ho azy, no nataony tao anatin'ny fitoerana masina, folo hakiho avy no hahavony.

24 Dimy hakiho avy ny elatra iray amin'ny kerobima, ary dimy hakiho ny elatra iray amin'ny kerobima, ka folo hakiho izany, hatramin'ny tendron'ny elany iray ka hatramin'ny tendron'ny elany iray ankilany. 25 Ny kerobima iray koa folo hakiho, fa mitovy habe sy mitovy tarehy ny kerobima roa; 26 folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary toy izany koa ny kerobima iray. 27 Mivelatr'elatra no nametrahan'i Salomona ireo kerobima ireo, tao afovoan'ny trano anatiny, ka ny elatry ny anankiray nipaka tamin'ny rindrina iray, ary ny elatry ny kerobima iray nipaka tamin'ny rindrina hafa, ny ila elany sisa kosa nifanendry sahabo ho eo afovoan'ny trano, 28 ary nopetahany volamena ny kerobima. 29 Ny rindrin-trano rehetra manodidina na ny atiny na ny ivelany nasainy nosokirina nasiana sarin-kerobima mivohitra sy foto-drofia amam-boninkazo mivelatra avokoa.

30 Ny ngorodon-trano nopetahany volamena na ao anatiny na eo ivelany. 31 Ny varavaran'ny fitoerana masina nasiany lela varavarana vita tamin'ny hazo oliva maniry ho azy, ary feno ny tolany sy ny momba azy ny ampahadimin'ny rindrina nisy azy; 32 ka ny lela varavarana kopa-droa natao tamin'ny hazo oliva maniry ho azy, nasainy nisokirana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra, ary nopetahany volamena, nataony mahazo ny kerobima sy ny rofia ny volamena. 33 Toy izany koa ny varavaran'ny tempoly dia hazo oliva maniry ho azy no nanaovany ny tolany, izay nahafeno ny ampahefatry ny rindrina nisy azy, 34 ary hazo sipresa no nanaovany ny kopa-droa; ny kopaka iray dia nisy lelany roa mahazo mivalona, ny kopaka iray dia nisy lelany roa mahazo mikopaka. 35 Samy nosokirina nasiana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra avy ireo, ary nopetahana volamena mifanarakaraka amin'ny sorany. 36 Vato voapaika telo andàlana, sy sakamandimby sedera iray andàlana no nataony kianja anatiny.

37 Tamin'ny taona fahefatra, volana ziva, no nandatsahana ny fototry ny tranon'ny Tompo,

38 ary tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo, volana bola, izay volana fahavalo, vao vita izy amin'ny zavatra rehetra iforonany, araka ny mahamety azy. Tao anatin'ny fito taona no nanaovan'i Salomona azy.

Toko faha-7

1 Telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Salomona ny tranony, dia vitany izy manontolo.

2 Nanao ilay trano Alan'i Libàna izy, ka zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny hahavony: andry sedera efatra andàlana no nanohana azy, ary rairainy sedera no tambonin'ny andry.

3 Hazo sedera no natafony ny trano tambonin'ny efi-trano izay ao ambonin'ny andry, dimy amby efapolo ny efi-trano fa dimy ambin'ny folo isan'andàlana izy. 4 Telo andàlana ny efi-trano; intelo mifanandrify koa ny varavarankely. 5 Hazo fisaka efajoro avokoa no nanaovana ny varavarana rehetra sy ny tolana rehetra ary nifanandrify intelo ny varavarankely. 6 Nanao ny trano heva misy andriny izy: dimampolo hakiho ny lavany, telopolo hakiho ny sakany, ary teo anoloan'io koa nasiany trano heva, nisy andriny sy ambaratonga teo anoloan'ireo. 7 Nanao ny trano hevan'ny seza fiandrianana koa izy, izay nanaovany fitsarana, dia ny trano hevan'ny fitsarana, dia nopetahany hazo sedera hatramin'ny tokotany ka hatramin'ny valin-drihana. 8 Ny trano nitoerany dia nataony torak'izany koa, tao amin'ny kianja anankiray manarakaraka ny trano heva, ary nanao trano mitovy amin'io trano heva io koa izy, ho an'ny zanakavavin'i Faraona izay nampakarin'i Salomona ho vady.

9 Ny nandrafetana izany rehetra izany, dia vato be vidy avokoa, voapaika ara-marika, voatsofa tamin'ny tsofa, na atiny na ivelany, hatratý am-potony ka hatrany amin'ny koronosy, ary teo ivelany koa hatrany amin'ny tokotany lehibe.

10 Ny fototra koa natao tamin'ny vato be vidy, vato lehibe, vato folo hakiho sy valo hakiho. 11 Teo ambony dia nisy vato be vidy koa voapaika ara-marika, ary hazo sedera. 12 Amin'ny manodidina ny tokotany lehibe, dia nisy vato voapaika telo andàlana sy sakamandimby sedera iray andàlana tahaka ny kianja eo anatin'ny tranon'ny Tompo, sy tahaka ny trano hevan'ny trano. 13 Naniraka haka an'i Hirama avy any Tira Salomona.

14 Zanaky ny vehivavy mpitondratena anankiray amin'ny fokon'i Neftalì izy io, fa ny rainy no Tiriana, mpanefy varahina. Feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy mba hanao ny asa isan-karazany rehetra momba ny varahina. Dia tonga tao amin'i Salomona mpanjaka izy, ka nahavita ny asany rehetra. 15 Nanao ny andry varahina roa izy, valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary kofehy roa ambin'ny folo hakiho no maharefy ny habenin'ny andry iray hafa manodidina azy.

16 Nanao koronosy varahina anidina roa izy teo an-tampon'ireo andry; dimy hakiho ny hahavon'ny koronosy iray, ary dimy hakiho ny hahavon'ny koronosy hafa. 17 Nasiany makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo teo amin'ny koronosy izay teo ambonin'ny tampon'ny andry, ka nasiany fito ny koronosy iray, ary fito ny koronosy hafa. 18 Nasiany voan'ampongabendanitra roa andàlana manodidina ny iray amin'ny harato makarakara, hanarona ny koronosy teo an-tampon'ny andry anankiray, dia nataony toy izany koa ny koronosy anankiray. 19 Nataony mitarehim-boninkazo lisy, efatra hakiho ny hahavony, ny koronosy ao an-tampon'ny andry teo amin'ny trano heva. 20 Ny koronosy nataingina eo ambonin'ny andry roa dia voahodidina voan'ampongabendanitra roan-jato, eny ambony, anilan'ny mivohitra an-koatra ny harato; voahodidina voan'ampongabendanitra roan-jato mitandahatra koa ny koronosy anankiray. 21 Natsangany ny andry tamin'ny trano hevan'ny tempoly, ka natsangany ny andry teo an-kavanana, ka nataony hoe Jakina; dia natsangany ny andry teo an-kavia, ka nataony hoe Booza. 22 Teo an-tampon'ny andry dia nisy voan-javatra mitarehim-boninkazo lisy. Toy izany no nahavitan'ny asa momba ireo andry ireo. 23 Ary nanao ny ranomasina anidina izy, folo hakiho ny habeny, hatramin'ny molony iray ka hatramin'ny molony iray, boribory ny tenany manontolo, dimy hakiho no hahavony, kofehy telopolo hakiho no naharefy manodidina azy.

24 Nisy voatango nanodidina azy tambanin'ny molony, folo no tamin'ny iray hakiho, ary roa andàlana izy no nanodidina ny ranomasina manontolo; indray natao anidina taminy ny voatango, ka iray tena taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0932