Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-7

25 Omby roa ambin'ny folo no nanaingenana azy; telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, telo nanatrika ny atsinanana, teo ambonin'izy ireo ny ranomasina; ary ny tapany aoriana rehetra amin'ny vatany dia tao am-povoany. 26 Vody voampelatànana no hateviny, sahala amin'ny molo-kapoaka, manahaka ny vonin'ny lisy ny molony: rano roa arivo bata no laniny. 27 Nanao ny tongotra varahina folo izy, efatra hakiho avy ny halavany, efatra hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.

28 Toy izao no nanaovana ireo tongotra ireo: Natao am-panoa izy, ary niditra teo anelanelan'ny batana ny panoa. 29 Ka nisy liona sy ombalahy ary kerobima tambonin'ny panoa izay tafiditra anelanelan'ny batana; nisy faladiany tambonin'ny batana, ary nisy tanjomiolaka nihantona tambanin'ny liona sy ombalahy ary kerobima. 30 Isan-tongony iray nisy kodiarana varahina efatra sy lahin-tangerina varahina avy; ka samy nisy faladiany ny tongony, ary ireo faladiany anidina ireo no tambanin'ny fitoeran-drano sy any an-koatry ny tanjomiolaka. 31 Tamin'ny tampon'ny tongony sy ao anatiny, nisy ny loaka fandraisana ny fitoeran-drano, iray hakiho no halaliny; boribory izany loaka izany, mitarehina fototr'andry, ary iray hakiho sy sasany ny habeny; ary nisy zavatra voasokitra tamin'izany loaka izany; ny panoa dia efa-joro fa tsy boribory. 32 Tambanin'ny panoa ny kodiarana efatra ary niraikitra tamin'ny tongotra ny lahin-tangerin'ny kodiarana, iray hakiho sy sasany avy no hahavon'ny kodiarana. 33 Natao toy ny kodiaran'ny kalesy ihany ny kodiarana, ary anidina avokoa ny lahin-tangeriny, ny hazon-kodiarany, ny tanan-kodiarany, ary ny foibeny. 34 Nisy faladiany efatra tamin'ny zorony efatry ny tongotra, niray tena tamin'ny tongotra ireo faladia ireo. 35 Ny tampon-dohan'ny tongotra dia nisy fehim-barika, ka antsasa-kakiho ny hahavony, ary tao an-tampon'ny tongotra, dia iray tena ihany ny fitehenany sy ny panoany. 36 Ny tavan'ny fitehenany sy ny panoany, dia nisokirany kerobima sy liona ary rofia araka ny halalahan'ny fitoerana voatokana ho azy avy, sady nasiana tanjomiolaka manodidina. 37 Toy izany no nanaovany ny tongotra folo, indray natao anidina, iray habe, iray tarehy avokoa izany rehetra izany. 38 Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo bata avy, efatra hakiho ny haben'ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin'ny tongotra anankiray tamin'ny iray amin'ny tongotra folo.

39 Ka toy izao no nandaharany ny tongotra folo: ny dimy nataony teo amin'ny ilan'ny trano an-kavanana, ny dimy kosa nataony teo amin'ny ilan'ny trano an-kavia; ary ny ranomasina nataony teo amin'ny ilan'ny trano an-kavanana, amin'ny atsinanana somary atsimo. 40 Nanao ny vilany sy ny sotron'afo ary ny kapoaka Hirama. Ary vitan'i Hirama ny asa rehetra nataony ho an'i Salomona mpanjaka, tao amin'ny tranon' Iaveh:

41 ny andry roa, ny koronosy aman-tsikalany boribory roa teny an-tampon'ny andry, ny harato roa manarona ny tsikalana boribory roa amin'ny koronosy eo an-tampon'ny andry, 42 ny voan'ampongabendanitra efa-jato, tamin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andàlana isan-karato, nanarona ny tsikalany boribory roa tamin'ny koronosy teny an-tampon'ny andry. 43 Ny tongotra folo sy ny fitoeran-drano folo tambonin'ireo tongotra, 44 ny ranomasina sy ny omby roa ambin'ny folo, teo ambanin'ny ranomasina, 45 ny tavy sy ny sotron'afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon'i Hirama ho an'i Salomona ireo, tao amin'ny tranon'ny Tompo. 46 Tao amin'ny tany lemak'i Jordany, amin'ny tany be tanimanga anelanelan'i Sokota sy Sartana no nasain'ny mpanjaka nanaovana anidina azy. 47 Navelan'i Salomona tamin'izao, fa tsy nolanjaina ireo fanaka rehetra ireo, satria be loatra ka tsy notsapaina ho fantatra marina izay lanjan'ny varahina. 48 Nataon'i Salomona koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon'ny Tompo: ny otely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,

49 ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo an-kavanana, ary dimy teo an-kavia, teo anoloan'ny orakla, mbamin'ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena, 50 ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin'ny lahin-tsavily amin'ny varavaran'ny efi-trano anatiny, izany hoe: ny fitoerana masina indrindra, sy amin'ny varavaran'ny trano, izany hoe ny fitoerana masina. 51 Toy izany no nahavitana ny voa-javatra rehetra nataon'i Salomona mpanjaka, tamin'ny tranon'ny Tompo, dia nentin'i Salomona izay rehetra natokan'i Davida rainy, ny volafotsy, ny volamena, sy ny fanaka rehetra, ka napetrany tao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo.

Toko faha-8

1 Tamin'izany, novorin'i Salomona tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon'Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian'ny zanak'Israely, mba hamindra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo avy amin'ny tanànan'i Davida, izany hoe any Siona.

2 Ka nivory tao amin'i Salomona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin'Israely, tamin'ny fety, amin'ny volana Etanima, volana fahafito. 3 Nony tonga ny loholona rehetra amin'Israely, dia nentin'ny mpisorona ny fiara.

4 Nentiny ny fiaran'ny Tompo mbamin'ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin'ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo. 5 Ary Salomona mpanjaka sy ny fiangonan'Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan'ny fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona. 6 Dia nentin'ny mpisorona teo amin'ny fitoerany ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, dia tao amin'ny fitoerana masin'ny trano, ao amin'ny fitoerana masina indrindra, teo ambonin'ny elatry ny kerobima. 7 Fa namelatra ny elany tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny. 8 Lava be moa ny bao, ka dia hita izy raha eo amin'ny fitoerana masina anoloan'ny fitoerana masina; fa ny any ivelany no tsy mahita azy. Dia tao izy mandraka androany. 9 Tao anatin'ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak'i Moizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin'ny zanak'Israely, tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Ejipta. 10 Nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon'ny Tompo ny rahona, 11 ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin'ny rahona, fa nameno ny tranon'ny Tompo ny voninahitry ny Tompo. 12 Tamin'izay, dia hoy Salomona: Sitrak'Iaveh ny honina ao anatin'ny aizina.

13 Nanao trano aho ho fonenanao, fitoerana hipetrahanao mandrakizay. 14 Dia natodiky ny mpanjaka ny tavany ary notsofiny rano ny fiangonan'Israely rehetra, ary tafatsangana avokoa ny fiangonan'Israely rehetra. 15 Ary hoy izy: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitr'Israely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany efa nanatanteraka izay nolazainy hoe: 16 Hatramin'ny andro nitondrako an'Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta dia tsy nifidy tan1ana teo amin'ny fokon'Israely rehetra aho, hanaovan-trano hitoeran'ny anarako, fa efa nifidy an'i Davida hanjaka amin'Israely vahoakako aho. 17 Ary efa nanan-kevitra hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely ihany Davida raiko, 18 kanefa hoy Iaveh tamin'i Davida raiko: Rahefa nanan-kevitra hanao trano ho an'ny anarako hianao, dia tsara ny nanaovanao izany hevitra izany. 19 Saingy tsy hianao no hanao ny trano, fa ny zanakao lahy, izay naloaky ny kibonao, no hanao ny trano ho an'ny anarako. 20 Ary notanterahin'ny Tompo ny teny efa nolazainy, fa nisandratra handimby an'i Davida raiko aho, ary nipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny efa voalazan'ny Tompo ary nanao ny trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 21 Nasiako fitoerana teo, ho an'ny fiara misy ny faneken'ny Tompo izay nataony tamin'ny razantsika, fony izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta. 22 Dia tao anoloan'ny otelin'ny Tompo Salomona, nanatrika ny fiangonan'Israely rehetra sy nanandratra ny tànany mankany an-danitra ka nanao hoe:

23 Ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka anao, na amin'ny lanitra ambony, na amin'ny tany ambany, fa hianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin'ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony tokoa,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0911