Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-8
24 araka ny efa nanatanterahanao ny voalazanao tamin'i Davida raiko mpanomponao; fa notanterahin'ny tànanao izay voalazan'ny vavanao, araka izao hita anio izao. 25 Koa ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, noho ny fankasitrahanao an'i Davida raiko mpanomponao, dia tanteraho izay voalazanao taminy hoe: Tsy ho lany taranaka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo anatrehako, hianao, raha mitandrina ny lalàny ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako, toy ny nandehananao teo anatrehako. 26 Koa ankehitriny, ry Andriamanitr'Israely, dia aoka ho tanteraka anie ny teny nataonao tamin'i Davida raiko mpanomponao. 27 Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!28 Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan'ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon'ny mpanomponao eo anatrehanao anio; 29 ka ataovy mihiratra andro aman'alina amin'ity trano ity anie ny masonao, dia amin'ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny anarako; ka henoy ny vavaka ataon'ny mpanomponao amin'ity fitoerana ity. 30 Henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy Israely vahoakanao, raha mivavaka amin'ity fitoerana ity izy; mihainoa any amin'ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka. 31 Raha misy olona manota amin'ny namany, ka asaina hanao fianianana izy, ary tonga hianiana eto anoloan'ny otelinao amin'ity trano ity,
32 dia mihainoa azy any an-danitra, ary manefà, dia mitsarà ny mpanomponao, manameloka izay meloka, mampitsingerina amin'ny lohany ny nataony, manambara ny tsy manan-tsiny ho marina sy mamaly azy araka ny tsy fananany tsiny. 33 Nony resin'ny fahavalony Israely vahoakanao noho izy nanota taminao, raha miverina aminao sy manome voninahitra ny anaranao izy, ka manao fivavahana sy fifonana aminao eto amin'ity trano ity,
34 dia mihainoa azy hianao any an-danitra, ka avelao ny fahotan'Israely vahoakanao ary ampodio amin'ny tany nomenao ny razany izy. 35 Nony mihantona ny andro ka tsy milatsaka ny orana, noho ny nanotan'izy ireo taminao, raha mivavaka aminao eto amin'ity fitoerana ity izy, sy manome voninahitra ny anaranao, sady miala amin'ny fahotany, fa nampahorinao,
36 dia mihainoa azy hianao any an-danitra ka avelao ny fahotan'ny mpanomponao sy Israely vahoakanao sady manoroa azy ny làlana tsara tsy maintsy alehany, ary alatsaho ny ranonorana amin'ny tany nomenao ny vahoakanao ho lovany. 37 Raha misy mosary amin'ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan'ny fahavalo fahirano azy amin'ny taniny, amin'ny vavahadiny, na hisian'ny loza aman'aretina, na inona na inona izy,
38 raha manao fivavahana sy fifonana ny olona na iza na iza sy Israely rehetra vahoakanao, sady samy mieky ny ferin'ny fony ka mamela-tànana manandrify ity trano ity, 39 mihainoa any an-danitra any amin'ny fitoeran'ny fonenanao, ka mamelà heloka azy, tanteraho ka valio araka ny làlany rehetra avy izy, fa hianao mahalala ny fony, hianao irery no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra, 40 mba hatahorany anao amin'ny andro rehetra hiainany ety ambonin'ny tany nomenao ny razany. 41 Ny amin'ny vahiny, izay tsy isan'Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin'ny anaranao,
42 fa ho ren'ny olona ny anaranao be voninahitra sy ny tànanao mahery ary ny sandrinao mihenjana, ka ho avy hivavaka eto amin'ity trano ity izy, 43 dia mihainoa any an-danitra any amin'ny fitoeran'ny fonenanao, ka arak'izay rehetra hangatahin'ny vahiny aminao no aoka hataonao aminy, mba ho fantatry ny olona rehetra amin'ny tany ny anaranao, ka hatahorany anao, tahaka an'Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin'ity trano nataoko ity ny anaranao. 44 Nony hivoaka hiady amin'ny fahavalony ny vahoakanao, manaraka ny làlana hasainao alehany, ka mivavaka amin'ny Tompo izy mitodika ny tanàna voafidinao sy ity trano nataoko ho an'ny anaranao ity,
45 dia henoy any an-danitra ny vavaka amam-pifonany, ka omeo ny rariny izy. 46 Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy hianao, ary manolotra azy amin'ny fahavalony, ary ny mpandresy hitondra azy ho babo, any amin'ny tanim-pahavalo, na ho lavitra na ho akaiky,
47 raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin'ny tanin'ny mpandresy azy, ka mibebaka izy sy manolotra fifonana aminao, any amin'ny tanin'ireo nambabo azy, manao hoe: Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay, efa nahavita heloka izahay! 48 sady miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, any an-tanin'ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka manao fivavahana aminao mitodika atý amin'ny taniny izay nomenao ny razany, sy atý amin'ny tanàna voafidinao, ary atý amin'ny trano nataoko ho an'ny anaranao, 49 dia henoy any an-danitra, any amin'ny fitoeran'ny fonenanao ny vavaka amam-pifonany, ka omeo rariny izy; 50 avelao ny fahotan'ny vahoakanao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ataovy mangoraka azy ireo namabo azy, ka hamindra fo aminy; 51 fa vahoakanao sy lovanao izy ireo izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tany amin'ny memy vy, 52 mba hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny mpanomponao, sy ny fifonan'Israely vahoakanao, mba hihainoanao azy amin'izay rehetra hangatahiny aminao. 53 Fa navahanao tamin'ny vahoaka rehetra eto an-tany izy mba ho anao, mba ho lovanao, araka ny voalazanao tamin'i Moizy mpanomponao, fony hianao nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry Iaveh Tompo ô! 54 Rahefa tapitra nataon'i Salomona tamin'ny Tompo izany vavaka amam-pifonana rehetra izany, dia nitsangana izy avy teo anoloan'ny otelin'ny Tompo izay nandohalihany sy namelarany tànana nanondro ny lanitra.
55 Nony nitsangana izy dia nitso-drano ny fiangonan'Israely rehetra nanao hoe: 56 Hankalazaina anie Iaveh, izay nanome fitsaharana an'Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin'ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin'ny alàlan'i Moizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanteraka na iray aza. 57 Homba antsika anie Iaveh Andriamanitsika, toy ny efa nombany ny razantsika. Tsy handao antsika anie izy, na hahafoy antsika, 58 fa aoka hanongilana ny fontsika ho any aminy mba hizorantsika amin'ny làlany, sy hitandremantsika ny didiny aman-dalàny, ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika. 59 Izao teny fifonana nataoko teo anatrehan'ny Tompo izao, dia aoka ho mby akaikin'ny Tompo Andriamanitsika andro aman'alina, mba homeny rariny, araka izay ilaina isan'andro, izaho mpanompony sy Israely vahoakany, 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa Andriamanitra Iaveh ary tsy misy afatsy izy irery. 61 Ho an'ny Tompo Andriamanitsika anie ny fonareo manontolo, mba hanarahanareo ny làlany, sy hitandremanareo ny didiny, tahaka izao anio izao. 62 Ary nanatitra sorona teo anatrehan'ny Tompo ny mpanjaka sy Israely rehetra niaraka taminy.
63 Namono omby roa arivo sy roa alina ary ondry roa alina sy iray hetsy Salomona hatao sorom-pihavanana nateriny tamin'ny Tompo. 64 Nohamasinin'ny mpanjaka androtrizay ihany ny afovoan'ny kianja eo anoloan'ny tranon'ny Tompo, fa teo no nanolorany ny sorona dorana, sy ny fanatitra ary ny saboran'ny sorom-pihavanana; satria kely loatra ny otely varahina teo anoloan'ny Tompo, ka tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny saboran'ny sorom-pihavanana. 65 Tamin'izany andro izany, Salomona sy Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin'ny vava lalan'i Emata, ka hatrany amin'ny ranon-driakan'i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan'ny Tompo Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia efatra ambin'ny folo andro.
66 Nony tamin'ny andro fahavalo, dia nalefany nody ny vahoaka. Dia nisaotra andriana, sy nandeha nankany amin'ny fonenany avy, sady faly izy ireo no ravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'ny Tompo tamin'i Davida mpanompony, sy tamin'Israely vahoakany.
Toko faha-9
1 Nony vitan'i Salomona ny fanaovana ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra sitrak'i Salomona sy izay niriny,2 dia niseho fanindroany taminy indray Iaveh, toy ny nisehoany taminy tany Gabaona. 3 Ary izao no nolazain'ny Tompo taminy: Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko. 4 Ary hianao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, amin'ny fahatsoran'ny fonao sy amim-pahitsiampo manaraka izay nandidiako anao, raha mitandrina ny didy amam-pitsipiko hianao, 5 dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan'ny fanjakanao amin'Israely, araka ny efa nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho lany taranaka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hianao. 6 Fa raha mivily miala amiko kosa hianao na ny tenanareo na ny zanakareo, ka tsy mitandrina ny didy aman-dalàko izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany, 7 dia hofongorako eo amin'ny tany nomeko azy Israely, hariako tsy ho eo imasoko intsony ny trano nohamasiniko ho an'ny anarako, hanjary fandatsa sy ambentin-tenin'ny firenena rehetra Israely;
