Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-9

8 ho avo toerana ihany ity trano ity, nefa hitalanjonana sy hisitrisiran'ny mpandalo rehetra. Dia hiteny ny olona hanao hoe: Fa naninona no dia nataon'ny Tompo toy izao ity tany ity sy io trano io? 9 Ary ny olona hamaly hanao hoe: Satria izy ireo nandao an'ny Tompo Andriamaniny, izay namoaka ny razany avy tany amin'ny tany Ejipta, ka andriamani-kafa no nifikirany sy niankohofany teo anatrehany ary notompoiny, ka izany no nampidiran'ny Tompo izao loza rehetra izao tamin'izy ireo. 10 Nony afaka roapolo taona, ka efa naorin'i Salomona ny trano roa, dia ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka; Hirama, mpanjakan'i Tira, no efa namonona ny hazo sedera sy ny hazo sipresa mbamin'ny volamena ho an'i Salomona araka izay nilainy,

11 ka nomen'ny mpanjaka Salomona tanàna roapolo teo amin'ny tany Galilea Hirama. 12 Dia niala tany Tira Hirama hizaha ny tanàna nomen'i Salomona azy, ary tsy tiany ireny, 13 ka hoy izy: Edrey, itony tanàna mba nomenao ahy, ry rahalahy! Ary nataony hoe tany Kabola no anaran'ireny mandrak'androany. 14 Efa nampanatitra talenta volamena roapolo amby zato ho an'i Salomona Hirama. 15 Izao kosa no momba ny olona mpanao fanompoana nalain'i Salomona, hanaovana ny tranon'ny Tompo sy ny tranony, Melao sy ny mandan'i Jerosalema, Hasera, Magedao, ary Gazera.

16 Faraona mpanjakan'i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an'i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeana nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an'ilay zanany vadin'i Salomona. 17 Ary izao no naorin'i Salomona: Gazera, Bet-Horona ambany, 18 Baalata, Tadmora any amin'ny tany efitra, 19 ny tanàna rehetra natao fitehirizana, ka an'i Salomona, ny tanàna ho an'ny kalesy, ny tanàna ho an'ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin'izay rehetra tian'i Salomona naorina tany Jerosalema sy Libàna ary tany amin'ny tany rehetra nanapahany. 20 Ary ny vahoaka sisa rehetra tamin'ny Amoreana, Heteana, Ferezeana, Heveana, mbamin'ny Jeboseana, izay tsy isan'ny zanak'Israely, 21 dia ny taranaka nandimby azy ireo tamin'ny tany, izay tsy azon'ny zanak'Israely natao anatema, no nalain'i Salomona ho andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak'androany. 22 Fa tsy mba nisy nataon'i Salomona ho andevo ny zanak'Israely, fa izy ireo no lehilahy mpiantafika, mpanompony, mpifehy, manamboninahiny, komandin'ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly. 23 Dimampolo amby diman-jato lahy no lehiben'ny komadaoron'ny mpiasan'i Salomona. 24 Ary niakatra ny zanakavavin'i Faraona avy any an-tanànan'i Davida, ho ao amin'ny tranony, izay nataon'i Salomona ho azy, ka tamin'izay izy no nanorina an'i Melao.

25 Intelo isan-taona no nanateran'i Salomona sorona dorana aman-tsorom-pihavanana, teo ambonin'ny otely nataony ho an'ny Tompo, sady nandoro zava-manitra teo ambonin'ny otely izay eo anatrehan'ny Tompo koa izy. Toy izany no nahavitany ny trano. 26 Ary Salomona mpanjaka nanao sambo maro tao Asiongabera, akaikin'i Ailata amoron'ny ranomasina Mena, amin'ny tany Edoma.

27 Ary nalefan'i Hirama tamin'izany sambo izany ny mpanompony, izay matilo mahay ranomasina, hiaraka amin'ny mpanompon'i Salomona. 28 Nankany Ofira izy ireo, naka talenta volamena roapolo sy efa-jato tany, dia nentiny tamin'i Salomona mpanjaka.

Toko faha-10

1 Nandre ny lazan'anaran'i Salomona amin'ny anaran'ny Tompo, ny mpanjakavavin'i Sabà, ka tamy hizaha toetra azy amin'ny ankamantatra.

2 Dia tonga tany Jerosalema izy, narahin'ny kalesy maro be sy rameva nitondra zava-manitra, volamena sesehena, ary vatosoa. Dia nandroso ho any amin'i Salomona izy, dia nolazainy taminy izay rehetra tao am-pony. 3 Voavalin'i Salomona avokoa ny fanontaniany, fa tsy nisy niafina tamin'ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana. 4 Rahefa hitan'ity mpanjakavavin'i Sabà ny fahendren'i Salomona rehetra, ny trano nataony,

5 ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran'ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian'ny mpiasa an-tranony mbamin'ny mpandroso divay ao aminy; ny ambaratonga fiakarany ho eo amin'ny tranon'ny Tompo, dia talanjona loatra izy, 6 ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe: Hay va re, dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin'ny taniko, ny amin'ny momba ny tenanao sy ny fahendrenao! 7 Tsy nety nino ny lazan'olona aho, raha tsy efa tonga sy nahita maso, kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin'ny filazan'olona ny fahendrena amam-boninahitrao. 8 Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava ka mandre ny fahendrenao. 9 Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin'ny seza fiandrianan'Israely. Fa fitiavany mandrakizay an'Israely no nametrahan'ny Tompo anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina. 10 Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena roapolo amby zato, zava-manitra be dia be ary vatosoa koa ny mpanjaka. Tsy nisy be noho ny nomen'ny mpanjakavavin'i Sabà an'i Salomona mpanjaka, intsony ny zava-manitra tonga. 11 Ny sambon'i Hirama izay nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala be dia be sy vatosoa koa avy any Ofira.

12 ka nanaovan'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'ny Tompo sy amin'ny tranon'ny mpanjaka, ary harpa amam-baliha ho an'ny mpihira, ny hazo santala. Tsy nisy tonga intsony izany hazo santala izany, ary tsy nisy nahita izany intsony mandrak'androany. 13 Dia mba nomen'i Salomona izay rehetra niriny sy nangatahiny kosa ny mpanjakavavin'i Sabà, afa-tsy ireo fanatitra izay mifanerana amin'ny fahambonian'ny mpanjaka toa an'i Salomona. Izay vao niverina nody any amin'ny taniny izy sy ny mpanompony.

14 Ny lanjan'ny volamena tonga amin'i Salomona amin'ny indray taona, dia talenta volamena enina amby enimpolo amby enin-jato,

15 afa-tsy ny azony amin'ny mpandranto sy amin'ny varotry ny mpivarotra ambongadiny sy amin'ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany. 16 Nanao ampinga lehibe roan-jato vita tamin'ny volamena voatefy Salomona, ka volamena lanjan'enin-jato sikla no lany tamin'ny isan'ampinga.

17 Nanao ampinga kely telon-jato koa vita tamin'ny volamena voatefy izy, ary volamena lanjana telo mina no lany tamin'ny isan'ampinga, ka napetraky ny mpanjaka tao amin'ilay trano Alan'i Libàna ireo. 18 Nanao seza fiandrianana ivoara lehibe ny mpanjaka, nopetahany volamena madio. 19 Io seza fiandrianana io dia nisy ambaratonga enina, boribory ny lohany ambony amin'ny seza eo an-damosiny, nisy fitehenan-tànana ny laniny roa amin'ny fipetrahana, nisy liona roa teo akaikin'ny fitehenan-tànana, 20 ary nisy liona roa ambin'ny folo amin'ny ambaratonga enina, dia enina isan-daniny avy. Tsy nisy zavatra natao toy izany na tamin'ny fanjakana inona na tamin'ny fanjakana inona. 21 Ny kapoaka fisotroan'i Salomona mpanjaka, dia volamena avokoa, ny vilia rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libàna, volamena madio avokoa. Tsy nisy volafotsy tamin'ireny, fa natao tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Salomona. 22 Fa fanampin'ny sambon'i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin'ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola. 23 Salomona mpanjaka dia ambony noho ny mpanjaka rehetra teto an-tany, tamin'ny harena amam-pahendrena.

24 Samy nitady hahita an'i Salomona avokoa ny olona rehetra, mba hihaino ny fahendrena nataon'Andriamanitra ao am-pony. 25 Sady samy nitondra ny fanatiny avy, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zava-manitra, soavaly, mole, isan-taona. 26 Nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly Salomona, ka nanan-kalesy, efa-jato amby arivo, sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy, ary ireo dia napetrany tao amin'ny tanàna fitoeran-kalesiny, ary tao Jerosalema akaikin'ny mpanjaka. 27 Tao Jerosalema ny volafotsy nataon'ny mpanjaka ho an-kabetsahana toy ny vato, ary ny hazo sedera nataony maro toy ny amontana maniry any an-tany lemaka. 28 Avy tany Ejipta no nihavian'ny soavalin'i Salomona: antokony iray tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka no nandeha naka azy amin'ny andiany, araka ny vidiny efa nifanekena. 29 Ka volafotsy enin-jato sikla no vidin'ny kalesy iray nenti-niakatra avy any Ejipta; ary dimam-polo amby zato avy kosa ny soavaly. Ary nisy nentiny nivoaka avy ao tahaka izany koa amin'ny anaran'ny tenany, ho an'ny mpanjakan'ny Heteana rehetra, sy ho an'ny mpanjakan'i Siria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0918