Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-12

8 Navelan-dRoboama anefa ny hevitra nomen'ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra, 9 ka hoy izy tamin'ireo: Inona no hevitra omenareo havaly izany vahoaka izany amin'ity teniny hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay! 10 Dia namaly ireto tovolahy indray nihira taminy, ka nanao hoe: Izao no havalinao ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampahavesatra ny jiogany, fa hianao kosa hamaivano aminay izany. Izao no holazainao azy ireo: Lehibe noho ny valahan'ikaky ny ankihikeliko, 11 ka izao ary: Ikaky nampitondra jioga mavesatra anareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra an'izany aminareo; kotopia no namaizan'ikaky anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo. 12 Nony tamin'ny andro fahatelo, dia nanatona an-dRoboama Jeroboama sy ny vahoaka, araka ny tenin'ny mpanjaka hoe: Miverena atý amiko indray raha afaka hateloana.

13 Teny mafy no navalin'ny mpanjaka ny vahoaka. Navelany ny hevitra nomen'ny zokiolona, fa araka ny hevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: 14 Ikaky nampahavesatra ny jioganareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra ny jioganareo; kotopia no namaizan'ikaky anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo. 15 Koa dia tsy nihaino ny vahoaka ary ny mpanjaka, ary izany no fomba nalahatry ny Tompo, hahatanterahan'ilay teny nolazain'ny Tompo tamin'i Jeroboama, zanak'i Nabata, tamin'ny alalan'i Ahiasa avy ao Silao. 16 Nony hitan'Israely rehetra fa tsy nohenoin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny navalin'ny vahoaka ny mpanjaka: manana anjara inona amin'i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin'ny zanak'Isai akory izahay! Koa samia ho any an-dainao, ry Israely! Fa hianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao. Dia lasa Israely nankany an-dainy.

17 Fa ny zanak'Israely nonina tamin'ny tanànan'i Jodà, no sisa nanjakan-dRoboama. 18 Naniraka an'i Adorama, lehiben'ny mpamory hetra, Roboama mpanjaka, tamin'izay; fa notorahan'Israely rehetra vato io, ka maty. Izay Roboama mpanjaka vao niakatra tamin'ny kalesy anankiray faingana, handositra ho any Jerosalema. 19 Toy izany no niendahan'Israely tamin'ny tranon'i Davida mandrak'androany. 20 Nony ren'Israely rehetra fa hoe tafaverina avy any Ejipta Jeroboama, dia naniraka olona hiantso azy ho eo amin'ny fivoriana izy, ka nampanjakainy tamin'Israely rehetra, ka tsy nisy nanaraka ny tranon'i Davida afatsy ny fokon'i Jodà irery ihany.

21 Vao tonga tany Jerosalema Roboama, dia namory ny tranon'i Jodà rehetra sy ny fokon'i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin'ny tranon'Israely, ka hampody ny fanjakana indray amin-dRoboama zanak'i Salomona.

22 Kanjo, tonga tamin'i Samaiasa olon'Andriamanitra ny tenin'Andriamanitra nanao hoe: 23 Mitenena hianao amin-dRoboama zanak'i Salomona mpanjakan'i Jodà sy amin'ny taranak'i Jodà sy Benjamina ary amin'ny vahoaka sisa, ka ataovy hoe: 24 Izao no lazain'ny Tompo: Aza miakatra ary aza miady amin'ny zanak'Israely, rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy hianareo, fa dia izaho no nahatongavan'izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'ny Tompo izy ireo, ka samy nody, nanaraka ny tenin'ny Tompo. 25 Sikema any amin'ny tendrombohitr'i Efraima no naorin'i Jeroboama, dia nonina tao izy. Niala tao indray izy dia nanorina an'i Fanoela.

26 Ary hoy Jeroboama anakampony: Mba mety ho tafaverina amin'ny tranon'i Davida ihany ny fanjakana izao. 27 Raha miakatra hanao sorona any an-tranon'ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon'ity vahoaka ity hankany amin'ny tompony indray, amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà. 28 Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak'omby volamena roa ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Efa ela niakarana tany Jerosalema hianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta. 29 Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Danà. 30 Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Danà hivavaka amin'ny anankiray amin'ireo ny vahoaka. 31 Nanao trano ho an'ny fitoerana avo Jeroboama, ary namorona mpisorona nalainy tamin'ny vahoaka fa tsy isan'ny taranak'i Levì. 32 Nisy fety noforonin'i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin'i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony otely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan'ny olona sorona amin'ireo zanak'omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron'ireo fitoerana avo, izay natsangany. 33 Dia niakatra teo ambin'ny otely nataony tany Betela izy, tamin'ny andro fahavalo, izay volana nofidin'ny tenany. Ary namorona fety ho an'ny zanak'Israely izy, ka niakatra teo amin'ny otely handoro ny fanatitra.

Toko faha-13

1 Raha mbola nitoetra teo amin'ny otely handoro ny sorona Jeroboama, dia indro nisy olon'Andriamanitra avy any Jodà, tonga tany Betela, noho ny tenin'ny Tompo. 2 Nanao antso nihatra tamin'ny otely izy io, noho ny tenin'ny Tompo, ka nanao hoe: Ry otely! Ry otely! Izao no lazain'ny Tompo: Hisy zaza lahy hateraka ho an'ny tranon'i Davida, ka ny anarany hatao hoe: Josiasa; ny mpisoron'ny fitoerana avo, izay mandoro ny sorona eo amboninao, no hovonoina hatao sorona eo amboninao; ary taolan'olona no hodorana eo amboninao! 3 Androtr'izay ihany, dia nanome famantarana izy nanao hoe: Izao no famantarana fa Iaveh no niteny: Indro fa hitresaka ny otely ary hiely ny lavenona eo amboniny. 4 Nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ity olon'Andriamanitra, niantso amin'ny otely tao Betela dia naninjitra ny tànany avy eo ambony otely izy, ka nanao hoe: Sambory ilay io. Kanjo maina tery ny tànany izay nahinjiny hanondro azy, ka tsy azony navonkina intsony.

5 Ary nitresaka tokoa ny otely, sady niely ny lavenona avy eo amin'ny otely araka ny famantarana nomen'ity olon'Andriamanitra noho ny tenin'ny Tompo. 6 Niteny ny mpanjaka ka nilaza tamin'ity olon'Andriamanitra hoe: Mampionona an'ny Tompo Andriamanitrao, ka mivavaha ho ahy mba hivonkonan'ny tànako hankatý amiko indray. Nampionona an'ny Tompo ity olon'Andriamanitra ka azon'ny mpanjaka navonkina hankany aminy ny tànany izay tonga toy ny taloha ihany indray. 7 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ity olon'Andriamanitra: Andeha hianao hiara-miditra amiko ao an-trano hahazo aina, dia mba hotolorako fanomezana koa. 8 Fa hoy ity olon'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ny antsasaky ny tranonao aza aho, dia tsy hiara-miditra aminao, sady tsy hihina-mofo na hisotro rano amin'ity fitoerana ity aho, 9 satria izao no didy nomena ahy tamin'ny tenin'ny Tompo: Aza mihina-mofo na misotro rano, ary aza ny làlana nalehanao no hiverenanao. 10 Dia lasa izy ka làlan-kafa no nombany, fa tsy ny làlana nalehany ho any Betela no niverenany. 11 Ary nisy kosa mpaminany antitra anankiray nonina tany Betela; ka tonga ny zanany namisavisa taminy ny zavatra rehetra nataon'ilay olon'Andriamanitra tao Betela androtriny; nambarany tamin-drainy koa ny teny nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.

12 Dia hoy ny rainy tamin'izy ireo: Aiza no làlana nalehany? Fa hitan'ireto zanany kosa ny làlana nomban'ilay olon'Andriamanitra izay tonga avy tany amin'i Jodà. 13 Ka hoy indray izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny ampondrako. Dia nasian'ireo lasely ny ampondrany ka nitaingenany. 14 Lasa izy nanaraka ilay olon'Andriamanitra ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ity terebinta, dia hoy izy taminy: Hianao va izany olon'Andriamanitra avy any Jodà izany? Ary hoy ny navalin-dralehilahy: Izaho no izy. 15 Ka hoy ilay mpaminany: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano, mba hihina-mofo kely. 16 Fa hoy ny navaliny: Tsy azoko atao ny miara-miverina aminao, na miara-miditra aminao, tsy hiara-mihina-mofo na misotro rano aminao amin'ity fitoerana ity aho, 17 satria izao no voalaza tamiko tamin'ny tenin'ny Tompo: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, ary aza ny làlana nombanao fony nandroso hianao no hiverenanao. 18 Dia hoy izy taminy: Izaho koa anie mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely niteny tamiko, noho ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy, mba hihina-mofo sy hisotro rano. Laingany anefa izany. 19 Dia niara-niverina taminy ilay olon'Andriamanitra, ka nihina-mofo sy nisotro rano tao an-tranony. 20 Mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy ireo, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'ny Tompo,

21 ka niteny mafy tamin-dralehilahy avy any Jodà izy, nanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Noho hianao nandà ny tenin'ny Tompo, ka tsy nitandrina ny didy nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao, 22 ary noho hianao niverina, ka nihina-mofo sy nisotro rano tamin'ny toerana nandraràn'ny Tompo anao hoe: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, dia tsy hiditra am-pasan-drazana ny fatinao. 23 Nony avy nihina-mofo sy nisotro izy, dia nasian'ilay mpaminany antitra lasely ny ampondrany mba ho azy, dia ho an'ity mpaminany naveriny.

24 Rahefa lasa ilay olon'Andriamanitra dia nifanehatra tamin'ity liona anankiray, izay namono nahafaty azy. Raha mbola niampatra teo an-dàlana teo ny fatiny, dia nijanona teo anilany ilay ampondra, ary nipetraka teo akaikin'ny faty koa ilay liona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0844