Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-13
25 Ary indro fa nisy olona nandalo ka nahita ity faty niampatra teo an-dàlana sy ny liona nitoetra teo akaikin'ny faty, ka nilaza izany, nony tonga tao amin'ny tanàna nonenan'ilay mpaminany antitra izy ireo. 26 Nony nandre izany ity mpaminany namerina ilay olon'Andriamanitra tany an-dàlana, dia hoy izy: Ilay olon'Andriamanitra nandà ny tenin'ny Tompo izay, fa natolotry ny Tompo ny liona izy, ka noviravirainy, sy nasiany ho faty, araka ny teny voalazan'ny Tompo taminy. 27 Dia hoy izy tamin'ireo zanany: Asio lasely ny ampondra. Nony voaisin'ireo lasely ny ampondra, 28 dia nandeha izy, ka nahita ity faty niampatra teo an-dàlana, mbamin'ny ampondra sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty. Ny liona tsy nihinana ny faty, tsy namiravira ity ampondra. 29 Noaingain'ilay mpaminany ny fatin'ilay olon'Andriamanitra, nataony teo ambonin'ny ampondrany, dia nentiny; ary niverina tany an-tanànany ity mpaminany antitra, hitomany sy handevina azy. 30 Nataony tao amin'ny fasany ny faty, dia nitomanian'izy ireo izy, nataony hoe: Indrisy! ry rahalahiko! 31 Nony avy nandevina azy izy, dia nanao tamin'ireto zanany hoe: Raha avy izay hahafatesako, dia aleveno amin'ny fasana ilevenan'ity olon'Andriamanitra ity aho, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako. 32 Fa ho tanteraka tokoa ny teny nantsoiny, araka ny tenin'ny Tompo, mihatra amin'ny otely any Betela sy amin'ny tranon'ny fitoerana avo rehetra izay ao amin'ny tanànan'i Samaria. 33 Taorian'izany zava-niseho izany, mbola tsy niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany Jeroboama, fa mbola nanangana mpisoron'ny fitoerana avo, avy amin'ny vahoaka, ihany izy, ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron'ny toerana avo izy.34 Nampisy fahotana momba ny tranon'i Jeroboama izany ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin'ny tany.
Toko faha-14
1 Tamin'izany andro izany, dia nandraiki-narary Abià zanak'i Jeroboama,2 ka hoy Jeroboama tamin'ny vavy: Raha sitrakao, mitsangana ka manovà endrika, mba tsy ho fantatra ho vadin'i Jeroboama hianao, dia mankanesa any Silao. Indro fa ao Ahiasa mpaminany, ilay nilaza tamiko ny hanjakako amin'ity firenena ity. 3 Mitondrà mofo folo sy mofomamy ary tantely iray tavoara, dia midira ao aminy, fa hambarany aminao izay tsy maintsy hahazo ny zaza. 4 Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama, niainga izy, nankany Silao, dia niditra tao an-tranon'i Ahiasa. Tsy nahajery intsony Ahiasa fahizany, fa efa nanjavona azon'ny fahanterana ny masony. 5 Efa nilazan'ny Tompo anefa Ahiasa, nataony hoe: Indro tamy ny vadin'i Jeroboama mba hahazo teny indraim-bava aminao ny amin'ny zanany, fa marary izy, ka izao sy izao no holazainao azy. Hody ho hafa izy rahefa tonga.
6 Nony ren'i Ahiasa ny fingadongadon'ny tongony, ilay nandingana ny varavarana iny izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama, nahoana hianao no mody ho olon-kafa? Voatendry hitondra hafatra mafy aminao aho. 7 Mandehana lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nanandratra anao avy amin'ny vahoaka aho, ka nanangana anao ho filohany amin'Israely vahoakako. 8 Nendahako tamin'ny tranon'i Davida ny fanjakana, ka nomeko anao. Kanjo hianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny didiko sy nanaraka ahy tamin'ny fony rehetra, ary tsy nanao afatsy izay mahitsy eo imasoko; 9 fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra hianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra ahy, fa izaho kosa nailikao any ivohonao! 10 Noho izany, indro kosa aho hitarika ny loza ho amin'ny tranon'i Jeroboama, haringako avokoa ny lehilahy izay an'i Jeroboama, na ny andevo na ny olona afaka, amin'Israely, hataoko hoatra ny famafa diky ny famafa ny tranon'i Jeroboama mandra-pahalevony tsy misy intsony. 11 Ka ny tamingan'i Jeroboama maty an-tanàna hohanin'ny alika; ary izay maty an-tsaha hohanin'ny voro-manidina; satria efa niteny Iaveh. 12 Ary mitsangàna hianao, ka modia any an-tranonao, ary raha vao miditra ao an-tanàna ny tongotrao, dia ho faty ny zaza. 13 Hitomany azy Israely rehetra, dia halevina izy, satria izy irery no mba tamingan'i Jeroboama ho voapetraka am-pasana, satria izy irery no tamingan'i Jeroboama nahitana soa vitsivitsy teo imason'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 14 Ary Iaveh hanangana mpanjaka amin'Israely, izay handringana ny taranak'i Jeroboama, amin'izany andro izany. 15 Adre! Sahady lahy! Hataon'ny Tompo toy ny fihozongozon'ny volotara ao anaty rano, no famely an'Israely; hotsoahany amin'ity tany soa nomeny ny razany ity Israely, ka haeliny any an-dafin'ny ony, satria efa nanao aseraha ho azy izy, ka nampahatezitra an'ny Tompo. 16 Hanolotra an'Israely izy noho ny fahotan'i Jeroboama, izay nataon'ny tenany sy izay nampanaoviny an'Israely. 17 Dia nitsangana ny vadin'i Jeroboama ka niainga nandeha izy, dia tonga tany Tersa. Ilay nandingana ny tokonam-baravaran-trano iny izy, dia maty ny zaza.
18 Nalevina izy ary nitomanian'Israely rehetra, araka ny tenin'ny Tompo, izay nolazainy tamin'ny alalan'i Ahiasa mpaminany mpanompony. 19 Ny sisa tamin'ny zavatra nataon'i Jeroboama, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely.
20 Roa amby roapolo taona no andro nanjakan'i Jeroboama, dia nodimandry any amin'ny razany izy. Ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
21 Roboama zanak'i Salomona nanjaka tamin'i Jodà. Efa iraika amby efapolo taona izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema, tanàna nofidin'ny Tompo tamin'ny fokon'Israely rehetra, hametrahana ny anarany; Naama Amonita no anaran-dreniny.
22 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo Jodà, ka nampahasaro-piaro azy tamin'ny fahotana nataony, mihoatra noho izay nataon'ny razany.
23 Fa nanorina fitoerana avo ho azy koa izy ireo, mbamin'ny tsangam-bato sy aseraha teny ambonin'ny tanety avo rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny. 24 Efa nisy hatramin'ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin'ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan'ny firenena noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 25 Tamin'ny taona fahadimin'ny nanjakan-dRoboama, dia niakatra namely an'i Jerosalema Sesaka, mpanjakan'i Ejipta.
26 Nobaboiny ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia lasany daholo. Nalainy avokoa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Salomona. 27 Ary ampinga varahina no nataon-dRoboama mpanjaka solon'ireny, ka nataony teo an-tanan'ny lehiben'ny mpihazakazaka izay miambina ny fidirana amin'ny tranon'ny mpanjaka. 28 Ka isaky ny mankao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka, dia nentin'ny mpiambina izany, vao naveriny ho any an'efitranon'ny mpihazakazaka indray. 29 Ny zavatra sisa nataon-dRoboama, mbamin'izay rehetra vitany, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà?
30 Niady mandrakariva Roboama sy Jeroboama. 31 Ary nodimandry any amin'ny razany Roboama, ka nalevina tao akaikin'ny razany tao an-tanànan'i Davida. Ny anaran-dreniny dia Naamà Amonita, ary Abiama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-15
1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folon'ny nanjakan'i Jeroboama zanak'i Nabata, no nahatongavan'i Abiama ho mpanjakan'i Jodà.2 Ary telo taona no nanjakany teo Jerosalema. Maakà, zanakavavin'i Abesaloma no anaran-dreniny. 3 Nandeha tamin'ny fahotan-drainy rehetra, izay nataony teo alohany, izy, ary tsy mba an'ny Tompo, toy ny fon'i Davida rainy, ny fony manontolo. 4 Noho ny amin'i Davida anefa, Iaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tao Jerosalema ihany, fa nanangana ny zanany handimby azy, sady nampaharitra an'i Jerosalema. 5 Satria Davida nanao izay mahitsy teo imason'ny Tompo, fa tsy mba nivily tamin'ny didy rehetra azony taminy, nandritra ny andro rehetra niainany, afatsy tamin'ny raharahan'i Oria, Heteana, ihany. 6 Niady Roboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany. 7 Ny sisa tamin'ny asan'i Abiama, mbamin'izay rehetra nataony, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà? Niady Abiama sy Jeroboama.
8 Ary nodimandry any amin'ny razany Abiama, ka nalevina ao an-tanànan'i Davida. Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy. 9 Tamin'ny taona faharoapolon'ny nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'Israely, no nahatongavan'i Asà ho mpanjakan'i Jodà.
