Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-15

10 Iraika amby efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema, ary Maakà, zanakavavin'i Abesaloma no anaran-dreniny. 11 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo tahaka an'i Davida rainy Asà.

12 Nofoanany tamin'ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy. 13 Maakà reniny aza, naongany amin'ny maha-renin'ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an'i Astarte. Nazeran'i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany teo amin'ny ranon-driaka Sedròna. 14 Nefa tsy dia foana ny fitoerana avo, na dia an'ny Tompo aza ny fon'i Asà manontolo, tamin'ny andro rehetra niainany. 15 Nampidirany ho eo an-tranon'ny Tompo ny zavatra natokan-drainy sy ny zavatra natokan-tenany, dia volafotsy sy volamena ary kapoaka. 16 Niady nandritra ny andro rehetra niainany Asà sy Baasà mpanjakan'Israely.

17 Niakatra hamely an'i Jodà Baasà, mpanjakan'Israely, ary nanorina an'i Ramà izy, mba hisakana ny vahoakan'i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra. 18 Nalain'i Asà kosa ny volafotsy sy volamena sisa rehetra tao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan'ny mpanompony; dia nalefan'ny mpanjaka Asà ireo, ho any amin'i Ben-Hadada zanak'i Tabremona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Siria nonina tao Damasa, hanao hoe: 19 Aoka hisy fanekena, toy ny tamin-draiko sy tamin-drainao, amiko sy aminao. Ary indro aho mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao, ka andeha tsoahy ny fanekenao tamin'i Baasà, mpanjakan'Israely, mba hialany aty amiko. 20 Dia nohenoin'i Ben-Hadada i Asa mpanjaka, ka nirahiny ny filohan'ny tafiny hamely ny tanànan'Israely, ka noreseny avokoa Ahiona, Danà, Abela-Beta-Maakà, mbamin'ny Kenerota rehetra sy ny tanin'i Neftalì rehetra. 21 Nony nandre izany Baasà, dia nitsahatra tsy nanorina an'i Ramà, fa nitoetra tao Tersa izy. 22 Ary nasain'i Asà natsoina avokoa i Jodà rehetra, tsy nisy nataony afaka na iray aza, dia nentiny ny vato aman-kazo nanamboaran'i Baasà an'i Ramà, ka izany no nanorenany an'i Gabaan'i Benjamina sy Masfà. 23 Ny sisa tamin'ny asa vitan'i Asà, mbamin'ny herim-po nasehony sy izay rehetra nataony ary ny tanàna naoriny, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà? Narary tongotra anefa izy nandritra ny andron'ny fahanterany.

24 Dia nodimandry any amin'ny razany Asà ka nalevina tao akaikin'ny razany, tao an-tanànan'i Davida. Ary Josafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy. 25 Tamin'ny taona faharoan'i Asà, mpanjakan'i Jodà, no tonga mpanjakan'Israely Nadaba zanak'i Jeroboama; ary roa taona no nanjakany tamin'Israely.

26 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo izy, fa nandeha tamin'ny làlan-drainy sy tamin'ny fahotan-drainy izay nampanaoviny an'Israely. 27 Nanao teti-dratsy nanohitra azy Baasà, zanak'i Ahiasa, amin'ny taranak'Isakara, ka namely azy teo Gebetona izay an'ny Filistina; fa nanao fahirano an'i Gebetona Nadaba sy Israely rehetra tamin'izay. 28 Dia matin'i Baasà izy, tamin'ny taona fahatelon'i Asà mpanjakan'i Jodà, ka dia izy no nanjaka nandimby azy. 29 Nony tonga mpanjaka izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian'i Jeroboama, ka tsy nasiany niangana rahefa mety ho olona velona koa tamin'ny fianakavian'i Jeroboama, fa naringany daholo araka ny tenin'ny Tompo nolazainy tamin'ny alalan'i Ahiasa mpanompony, avy any Silao, 30 noho ny fahotan'i Jeroboama izay nataony sy izay nampanaoviny an'Israely, ka nampahatezerany an'ny Tompo Andriamanitr'Israely tamin'izany. 31 Ny sisa tamin'ny asa nataon'i Nadaba mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

32 Niady ihany Asà sy Baasà mpanjakan'Israely tamin'ny andro rehetra niainany. 33 Tamin'ny taona fahatelon'i Asà mpanjakan'i Jodà, dia tonga mpanjaka tamin'Israely rehetra tao Tersa kosa Baasà zanak'i Ahiasa, ary efatra amby roapolo taona no nanjakany.

34 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, ary nandeha tamin'ny làlan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana nampanaoviny an'Israely.

Toko faha-16

1 Ary tonga tamin'i Jehoa, zanak'i Hananì, ny tenin'ny Tompo namely an'i Baasà, nanao hoe:

2 Nasandratro avy amin'ny vovoka hianao, ary natsangako ho mpanjakan'Israely oloko, kanjo ny làlan'i Jeroboama no nalehanao, ary Israely oloko nampanotainao, mba hampahatezitra ahy amin'ny fahotan'izy ireo. 3 Noho izany, indro hofongorako kosa Baasà sy ny tranony, ary hampanahafiko ny tranon'i Jeroboama zanak'i Nabata, ny tranonao. 4 Ka ny tamingan'i Baasà maty an-tanàna, hohanin'ny alika, ary ny tamingany maty an-tsaha, hohanin'ny voromanidina. 5 Ny sisa tamin'ny asan'i Baasà, mbamin'izay nataony, sy ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

6 Ary nodimandry any amin'ny razany Baasà, ka nalevina ao Tersa. Elà zanany lahy, no nanjaka nandimby azy. 7 Ary ny tenin'ny Tompo dia nampitondraina tamin'ny alalan'i Jehoa, mpaminany, zanak'i Hananì, hihatra amin'i Baasà sy ny tranony noho ny ratsy rehetra nataony teo imason'ny Tompo, nampahatezerany azy tamin'ny asan'ny tànany, sy nanahafany ny tranon'i Jeroboama, ary noho izy namono izany fianakaviana izany koa.

8 Tamin'ny taona fahenina amby roapolon'i Asà, mpanjakan'i Jodà, dia tonga mpanjakan'Israely tany Tersa, Elà zanak'i Baasà, ary roa taona no nanjakany.

9 Niteti-dratsy hamely azy Zambrì, mpanompony, lehiben'ny antsasaky ny kalesiny. Ka raha ilay nisotro sy nimamo iny izy, tao Tersa, amin'ny tranon'i Arsà, lehiben'ny ankohonany ao Tersa, 10 dia niditra Zambrì, ka namono ary nahafaty azy, tamin'ny taona fahafito amby roapolon'i Asà, mpanjakan'i Jodà, ary nanjaka nandimby azy izy. 11 Nony tonga mpanjaka sy tafapetraka tamin'ny seza fiandrianany izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian'i Baasà, ka tsy nasiany lahy iray nitsangana, na ny mpianakaviny na ny sakaizany. 12 Toy izany no namongoran'i Zambrì ny fianakavian'i Baasà rehetra, araka ny tenin'ny Tompo, izay nolazainy tamin'ny alalan'i Jehoa mpaminany nihatra tamin'i Baasà, 13 noho ny fahotana rehetra nataon'i Baasà sy Elà zanany, sy nampanaoviny an'Israely, ka nampahatezerany an'ny Tompo Andriamanitr'Israely tamin'ny sampiny. 14 Ny sisa tamin'ny asan'i Elà, mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

15 Tamin'ny taona fahafito amby roapolon'i Asà, mpanjakan'i Jodà, no nanjakan'i Zambrì, hafitoana, tao Tersa. Tamin'izay ny vahoaka, dia nitoby tandrifin'i Gebetona izay an'ny Filistina,

16 ary ny vahoaka mbola nitoby teo ka nandre ny vaovao hoe: Miteti-dratsy Zambrì, sady efa matiny aza ny mpanjaka! Ka androtrizay ihany Israely rehetra teo an-toby, dia nanangana an'i Amrì, filohan'ny tafika, ho mpanjakan'Israely. 17 Dia niakatra avy any Gebetona Amrì sy Israely rehetra niaraka taminy ka tonga nanao fahirano an'i Tersa. 18 Nony hitan'i Zambrì fa afaka ny tanàna, dia lasa niditra ao amin'ny trano mimandan'ny tranon'ny mpanjaka izy, ka nodorany aman-trano tao ny tenany. Toy izany no nahafatesany, 19 noho ny fahotana nataony, tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'ny Tompo sy nandehanany tamin'ny làlan'i Jeroboama ary tamin'ny fahotana nataon'i Jeroboama hampanota an'Israely. 20 Ny sisa tamin'ny asan'i Zambrì, mbamin'ny teti-dratsy nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

21 Nizara ho antokony roa ny vahoaka amin'Israely tamin'izay, ny antsasaky ny vahoaka moa nomba an'i Tebnì, zanak'i Gineta hampanjaka azy, ary ny antsasany nomba an'i Amrì.

22 Resin'ny nomba an'i Amrì ny nomba an'i Tebnì, zanak'i Gineta, ka dia maty Tebnì, ary Amrì no nanjaka. 23 Tamin'ny taona faharaik'amby telopolon'i Asà, mpanjakan'i Jodà, dia tonga mpanjakan'Israely kosa Amrì, ary roa ambin'ny folo taona no nanjakany.

24 Nony nanjaka enin-taona tao Tersa izy, dia novidiny tamin'i Somera talenta volafotsy roa, ny tendrombohitr'i Samaria, ka nanorin-trano teo ambonin'ny tendrombohitra izy, ary nataony hoe Samaria; avy amin'ny anaran'i Somera tompon'ny tendrombohitra ny anaran'ny tanàna naoriny. 25 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo Amrì, sady nanao ratsy mihoatra izay rehetra talohany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0846