Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-16
26 Nandeha tamin'ny làlana rehetra nalehan'i Jeroboama zanak'i Nabata izy, sy tamin'ny fahotana nampanaoviny an'Israely, ka nampahatezitra an'ny Tompo Andriamanitr'Israely tamin'ny sampiny. 27 Ny sisa tamin'ny asan'i Amrì mbamin'izay nataony aman-kerim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?28 Ary nodimandry any amin'ny razany Amrì, ka nalevina ao Samaria. Akaba zanany lahy, nanjaka nandimby azy. 29 Tamin'ny taona fahavalo amby telopolon'i Asà mpanjakan'i Jodà no tonga mpanjakan'Israely kosa Akaba zanak'i Amrì, ary roa amby roapolo taona no nanjakan'i Akaba zanak'i Amrì, tao Samaria, tamin'Israely.
30 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo mihoatra noho izay rehetra teo alohany, Akaba zanak'i Amrì. 31 Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata, ka dia nalainy ho vady Jezabela, zanakavavin'i Etbaala, mpanjakan'ny Sidoniana, ka dia lasa izy nanompo an'i Baala sy niankohoka teo anatrehany. 32 Nanangana otely ho an'i Baala izy, tao amin'ny tranon'i Baala nataony tao Samaria; 33 sady nanao Aserah koa Akaba. Nanao izay nampahatezitra an'ny Tompo Andriamanitr'Israely Akaba mihoatra noho ny mpanjakan'Israely rehetra talohany. 34 Fahavelony dia nanorina an'i Jerikao, Hielà avy any Betela, kanjo ny ain'i Abirama lahimatoany, no sazin'ny nanorenany ny fotony, ary ny ain'i Segoba zanany faralahy, no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'ny Tompo izay nolazainy tamin'ny alalan'i Josoe zanak'i Nona.
Toko faha-17
1 Ary Elia, Tesbita, isan'ny mponina tao Galaada, nilaza tamin'i Akaba hoe: Velona Iaveh, Andriamanitr'Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin'ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.2 Dia tonga tamin'i Elia ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
3 Mialà eto hianao, ka mandehana miantsinanana, ary miere ao amin'ny ranon-driaka Karita, tandrifin'i Jordany. 4 Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao, ary goaika no efa nodidiako hamelona anao any. 5 Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin'ny Tompo, ka lasa nonina tao amin'ny ranon-driaka Karita, tandrifin'i Jordany. 6 Nitondran'ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva, ary nisotro rano teo an-dranon-driaka. 7 Nony afaka kelikely anefa, dia ritra ny ranon-driaka, fa tsy nisy orana nilatsaka tamin'ny tany, 8 ka tonga taminy ny tenin'ny Tompo, ka nanao hoe: 9 Miaingà hianao ka mankanesa any Sarefta, izay an'i Sidona, dia mitoera any; indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray. 10 Dia niainga izy, ka nankany Sarefta. Nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: Aza mahafady, mba angalao rano kely amin'ny fisotroana aho hosotroiko. 11 Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: Dia mba itondray mofo kely eny an-tànanao aho, raha sitrakao. 12 Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan'ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin'ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay. 13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin'izany aho aloha, dia ento mankatý amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao hianao. 14 Fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pihavin'ny andro handatsahan'ny Tompo ranonorana eto ambonin'ny tany. 15 Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin'i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary Elia koa. 16 Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin'ny Tompo nolazainy tamin'ny alalan'i Elia. 17 Tatý aorian'izany kosa, nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon'aina intsony taminy.
18 Dia hoy ity vehivavy tamin'i Elia: Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon'Andriamanitra? Moa ny hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatý amiko? 19 Ary hoy ny navaliny azy: Atolory ahy ny zanakao. Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny any amin'ny efi-trano ambony nitoerany, sy nampandriny teo am-parafarany. 20 Dia niantso an'ny Tompo izy, nanao hoe: Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin'ity mpitondratena itoerako ity va hianao, ka hahafaty ny zanany va? 21 Ary niampatra intelo tamin'ny zaza izy, sady niantso an'ny Tompo nanao hoe: Iaveh Andriamanitro ô! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain'ity zaza ity! 22 Nohenoin'ny Tompo ny feon'i Elia, ka nody taminy indray ny ain'ilay zaza, dia tonga velona indray izy. 23 Ary noraisin'i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon'i Elia hoe: Inty fa velona ny zanakao. 24 Ka hoy ravehivavy tamin'i Elia: Fantatro amin'izao fa olon'Andriamanitra tokoa hianao, ka marina ny tenin'ny Tompo ao am-bavanao.
Toko faha-18
1 Nony afaka andro maro dia tonga tamin'i Elia ny tenin'ny Tompo tamin'ny taona fahatelo, nanao hoe: Mandehana miseho eo anatrehan'i Akaba, ka handatsaka ranonorana eo ambonin'ny tany aho.2 Dia niainga Elia hiseho eo anatrehan'i Akaba. Mafy ny mosary tao Samaria, 3 ka nampiantso an'i Abdiasa lehiben'ny tranony Akaba. Ary Abdiasa kosa dia natahotra an'ny Tompo, 4 fa fony Jezabela nandringana ny mpaminanin'ny Tompo, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany. 5 Ary hoy Akaba tamin'i Abdiasa: Mandehana mitety ny tany, mankany amin'ny loharano aman-dranon-driaka rehetra, fa angamba hisy ahitra, ka hovelomintsika ny soavaly sy mole, ka tsy hamonoantsika ny biby fiompintsika. 6 Dia nizara dia, hitetezana ny tany, izy roa lahy: Akaba moa nandeha samy irery tamin'ny làlana iray, Abdiasa kosa nandeha samy irery tamin'ny làlana iray. 7 Nony mby teny an-dàlana Abdiasa, indro Elia nifanena taminy: Niankohoka tamin'ny tany Abdiasa, nony nahalala azy, ka nanao hoe: Hianao va ity, ry Elia, tompoko?
8 Dia hoy ny navaliny azy: Eny, izaho ity, mandehana ilazao ny tomponao fa hoe ao Elia. 9 Fa hoy izy: Inona no heloka nataoko no dia atolotrao eo an-tanan'i Akaba ity mpanomponao, hovonoiny? 10 Fa velona Iaveh Andriamanitrao, tsy misy firenena na fanjakana tsy nanirahan'ny tompoko olona hitady anao, ary raha nilaza ny olona nanao hoe: tsy atý Elia, dia nasainy nianiana ny fanjakana sy ny firenena fa hoe: tsy nahita anao. 11 Hianao anefa ity ankehitriny, manao hoe: Mandehana lazao amin'ny tomponao hoe: ao Elia! 12 Ary rahefa handao anao aho izao, dia hoentin'ny Fanahin'ny Tompo hianao any amin'izay tsy fantatro, dia izaho hampandre an'i Akaba, nefa hianao tsy ho hitany, ka hovonoiny ho faty aho. Hatry ny fony kely anefa ny mpanomponao no efa natahotra an'ny Tompo. 13 Tsy mba nisy nilaza tamin'ny tompoko va ny nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezabela ny mpaminanin'ny Tompo? Fa nanafina mpaminanin'ny Tompo zato lahy aho, nataoko dimampolo avy, any amin'ny zohy, novelomiko mofo sy rano. 14 Hianao anefa ity ankehitriny manao hoe: Mandehana ilazao ny tomponao fa hoe: Ao Elia, ka dia hovonoiny aho. 15 Fa hoy kosa Elia: Velona Iavehn'ny tafika izay itoerako eo anatrehany! Anio aho hiseho eo anatrehan'i Akaba. 16 Lasa nitsena an'i Akaba Abdiasa sy nilaza ny vaovao taminy, ka dia nankeo anatrehan'i Elia Akaba.
17 Vao nahita an'i Elia Akaba dia hoy Akaba taminy hoe: Atý va hianao, ry ilay mpanakorontana an'Israely?
