Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-18
18 Namaly Elia nanao hoe: Tsy izaho no mpanakorontana an'Israely, fa hianao indrindra sy ny fianakavian-drainao, amin'ny nandaozanareo ny didin'ny Tompo sy nandehananareo manaraka ny Baala. 19 Koa ankehitriny, maniraha olona hamory an'Israely rehetra ao amiko, any an-tendrombohitra Karmela, mbamin'ny mpaminanin'i Baala dimampolo amby efa-jato sy ny mpaminanin'i Astarte efa-jato, izay mihinana amin'ny latabatr'i Jezabela. 20 Dia naniraka nankany amin'Israely rehetra Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. 21 Ary Elia tamin'izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa hianareo? Raha Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha Baala kosa, manaraha azy. Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.22 Dia hoy Elia tamin'ny vahoaka: Izaho irery no sisa amin'ny mpaminanin'ny Tompo, fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin'i Baala. 23 Koa omena ombalahy roa izahay, ka ny iray amin'ny ombalahy hofidiny mba ho azy, dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo; ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo koa. 24 Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo hianareo; izaho kosa hiantso ny anaran'ny Tompo. Ka izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia izay no Andriamanitra. Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: Tsara izany! 25 Dia hoy Elia tamin'ny mpaminanin'i Baala: Fidio ho anareo ny iray amin'ireto ombalahy, ka amboary aloha, fa hianareo no maro, ary antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.
26 Dia nalain'ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran'i Baala izy, hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro, nanao hoe: Ry Baala ô, valio izahay! Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan'ny otely nataony izy ireo. 27 Nony nitatao vovonana ny andro, nesoesoin'i Elia teo izy ireo, nataony hoe: Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.
28 Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin'ny sabatra aman-defona araka ny fanaony, mandra-piloa-dra ny tenany. 29 Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan'ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory. 30 Izay Elia vao nanao tamin'ny vahoaka hoe: Manatòna ahy hianareo. Nony nanatona azy ny vahoaka, dia namboariny ny otelin'ny Tompo izay efa voarava.
31 Naka vato roa ambin'ny folo Elia, araka ny isan'ny fokon'ny zanak'i Jakoba, ilay niharan'ny tenin'ny Tompo hoe: Israely no ho anaranao. 32 Ireo vato ireo no nanaovany otely ho an'ny anaran'ny Tompo. Rahefa izany nasiany hady manodidina ny otely sahabo hahalany voa famafy indroan'ny famarana; 33 dia nalahany ny kitay hazo, norasainy ny ombalahy, ka napetrany teo ambony kitay hazo. 34 Ary hoy izy: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny sorona dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy izy: Ataovy fanindroany indray izany. Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona. Fa hoy indray izy: Ataovy fanintelony koa izany. Dia nanao izany fanintelony ny olona. 35 Ka nikorotsaka nanodidina ny otely ny rano, dia nasainy hofenoina rano koa ny hady. 36 Nony tamin'ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso Elia mpaminany, ka nanao hoe: Ry Iaveh Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin'Israely hianao, ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
37 Mihainoa ahy, ry Iaveh ô, mihainoa ahy! mba hahafantaran'ity vahoaka ity, fa hianao Iaveh Andriamanitra, ary hianao ihany no mampiverina ny fon'izy ireo indray. 38 Dia latsaka tamin'izay ny afon'ny Tompo ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin'ny hady!
39 Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin'ny tany nanao hoe: Iaveh ihany no Andriamanitra, Iaveh ihany no Andriamanitra! 40 Ary hoy Elia tamin'izy ireo: Sambory ny mpaminanin'i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin'i Elia teo amin'ny ranon'i Sisaona, dia novonoiny teo. 41 Ary hoy Elia tamin'i Akaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan'ny orana.
42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Akaba, fa Elia kosa niakatra ho any an-tampon'i Karmela, sady niondrika tandrifin'ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan'ny lohaliny, 43 ary nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Miakara kely, tazano ny arý amin'ny ranomasina. Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy Elia: Miverena koa impito. 44 Nony tamin'ny fanimpitony, dia hoy izy: Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Ka hoy Elia: Mandehana lazao amin'i Akaba hoe: Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran'ny orana anao. 45 Vetivety foana dia maintin'ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, dia latsaka ny ranonoram-be ary Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela. 46 Ary teo amin'i Elia ny tànan'ny Tompo ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan'i Akaba, hatrany amin'ny fidirana any Jezrahela.
Toko faha-19
1 Nolazain'i Akaba tamin'i Jezabela avokoa ny nataon'i Elia, sy ny namonoany ny mpaminaniny rehetra tamin'ny sabatra.2 Ka naniraka olona ho any amin'i Elia, Jezabela, hilaza aminy hoe: Hataon'ireo andriamanitra amin'izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain'izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao. 3 Nony nahita izany Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an'i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony, 4 fa izy kosa nandroso làlana indray andro tany an'efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin'ny kofafam-bohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aoka izay! Alao amin'izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho. 5 Dia nandry izy, ka natory teo ambanin'ilay kofafam-bohitra. Fa indro nisy anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe: Miarena hianao, hihinana. 6 Nijery izy, ka indro tao amin'izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin'ny vato nafanaina, sy rano iray tavoara; ary rahefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. 7 Fa tonga fanindroany indray ilay anjelin'ny Tompo, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: Miarena hianao hihinana fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao. 8 Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin'ny hery azony tamin'izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr'Andriamanitra. 9 Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Maninona aty hianao, ry Elia?
10 Ka hoy ny navaliny: Feno hafanam-po ho an'ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin'ny zanak'Israely, ny otelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halana aina aho. 11 Ary hoy Iaveh: Mivoaha hianao, ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra, eo anatrehan'ny Tompo, fa indro handalo Iaveh. Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan'ny Tompo; nefa tsy tao amin'ny rivotra Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin'ny horohorohon-tany Iaveh. 12 Nanarakaraka ny horohoron-tany nisy afo koa, nefa tsy tao amin'ny afo Iaveh. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy. 13 Ka raha nandre izay Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: Maninona aty hianao, ry Elia? 14 Ary hoy ny navaliny: Feno hafanam-po ho an'ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin'ny zanak'Israely, ny otelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, izaho irery sisa, ary tadiaviny halana aina aho. 15 Fa hoy Iaveh taminy: Mandehana amin'ny dianao indray ho any amin'ny efitr'i Damas; ka rahefa mby any hianao, hosory ho mpanjakan'i Siria Hazaela, 16 hosory ho mpanjakan'Israely Jehoa, zanak'i Namsi, ary hosory ho mpaminany handimby anao Elisea, zanak'i Safata, avy any Abela Mehola. 17 Ka izay ho afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jehoa, ary izay ho afa-mandositra ny sabatr'i Jehoa dia hovonoin'i Elisea. 18 Hamela fito arivo lahy ao amin'Israely anefa aho, dia ireo rehetra tsy nandohalika tamin'i Baala, ireo rehetra tsy nanoroka an'io tamin'ny vavany. 19 Nony niala teo Elia, dia nahita an'i Elisea, zanak'i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin'ny faharoa ambin'ny folo laharana izy. Nanatona azy Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.
20 Nilaozan'i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an'i Elia izy, nanao hoe: Aoka handeha hanoroka an'i dada sy ineny aho, dia hanaraka anao. Ary hoy Elia taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho? 21 Dia niala teo aminy Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan'ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin'ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an'i Elia sy nanompo azy.
