Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-20

1 Ary Benadada mpanjakan'i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka roa amby telopolo no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an'i Samaria dia namely azy.

2 Nandefa iraka nankao an-tanàna, ao amin'i Akaba, mpanjakan'Israely izy, hilaza aminy hoe: Izao no tenin'i Benadada: 3 Ahy ny volafotsy sy volamenanao, ahy ny vadinao sy ny zanakao tsara indrindra. 4 Dia izao no navalin'ny mpanjakan'Israely: Eny, ry mpanjaka tompoko ô, anao aho sy izay rehetra ananako, araka ny voalazanao. 5 Fa niverina indray ny iraka, nilaza hoe: Izao no lazain'i Benadada: Nampilaza taminao aho hoe: Atolory ahy ny volafotsy sy volamenanao, mbamin'ny vady aman-janakao. 6 Kanjo rahefa halefako ho atý aminao rahampitso toy izao ny mpanompoko dia hisava ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao izy, dia horaisin'ny tànany sy hoentiny avokoa izay rehetra sarobidy eo imasonao. 7 Ary nantsoin'ny mpanjakan'Israely ny loholona rehetra amin'ny tany, ka hoy izy: Fantaro sy zahao fa mitady hampidi-doza amintsika io lehilahy io, satria efa naniraka tatý amiko izy, nangataka ny vady aman-janako, mbamin'ny volafotsy sy volamenako, ka tsy nandà izany aho.

8 Dia hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra tamin'i Akaba: Aza mihaino na manaiky akory. 9 Ka dia hoy Akaba namaly ny irak'i Benadada: Izao no lazao amin'ny mpanjaka tompoko: Izay rehetra nanirahanao hangatahina tamiko tamin'ny voalohany dia hataoko, fa ny amin'izao zavatra izao kosa, tsy azoko atao. Dia niverina ny iraka nitondra izany valy izany taminy. 10 Naniraka olona Benadada hilaza amin'i Akaba hoe: Hataon'ireo andriamanitra amin'izay ngidiny indrindra anie aho, raha ho ampy eran-tanan'ilan'ny isan'olona manaraka ahy akory ny vovok'i Samaria. 11 Fa izao kosa no navalin'ny mpanjakan'Israely nataony hoe: Lazao aminy hoe: Aoka izay mbola vao mitafy ny fiadiany, tsy hirehareha toy ny efa nametraka ny azy. 12 Niara-nisotro tamin'ireo mpanjaka, tao an-trano rantsan-kazo Benadada no nandre izany valin-teny izany; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara hiady hianareo. Dia nilahatra hamely ny tanàna izy ireo. 13 Fa indro kosa nisy mpaminany nanatona an'i Akaba, mpanjakan'Israely nanao hoe: Izao no tenin'ny Tompo: Hitanao ireo vahoaka be rehetra ireo: Indro hatolotro eo an-tànanao ireo anio, dia ho fantatrao fa Iaveh aho.

14 Ary hoy Akaba: Amin'iza? Dia hoy ny navaliny: Izao no lazain'ny Tompo: Amin'ny mpanompon'ny lehiben'ny isam-pizaran-tany. Ka hoy Akaba: Iza no hamely aloha? Ary hoy ny navaliny: Hianao ihany. 15 Dia nampanaovin'i Akaba matso ny mpanompon'ny lehiben'ny isam-pizaran-tany, ka nisy roa amby telopolo sy roan-jato ny isany. Nanarakaraka azy ireo dia nampanaoviny matso koa ny zanak'Israely rehetra, ka fito arivo no isany. 16 Dia nivoaka hamely izy ireo, nony nitataovovonana ny andro, ary Benadada mbamin'ireo mpanjaka roa amby telopolo nanampy azy dia mbola nisotro sy nimamo tao an-trano rantsan-kazo tamin'izany.

17 Ny mpanompon'ny lehiben'ny isam-pizaran-tany no nivoaka voalohany. Ary naniraka hanontany Benadada, ka nilazana hoe: Misy olona nivoaka avy any Samaria. 18 Dia hoy izy: Raha avy hihavana izy ataovy sambo-belona; raha avy hiady izy ataovy sambo-belona. 19 Rahefa tafavoaka ny tanàna ny mpanompon'ny lehiben'ny isam-pizaran-tany mbamin'ny foloalindahy nanaraka aorian'ireo, 20 dia samy nahafaty lehilahy iray avy izy ireo, ka rifatra nandositra ny Siriana, nefa nenjehin'Israely. Niara-nandositra an-tsoavaly tamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany kosa Benadada mpanjakan'i Siria. 21 Nivoaka ny mpanjakan'Israely; nasiany avokoa ny soavaly sy ny kalesy, ka nasiany tamin'ny fandresena mafy ny Siriana. 22 Tamin'izay nanatona ny mpanjakan'Israely indray ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: Ndeha, matanjaha tsara dieny izao ka diniho sy fantaro izay hataonao fa ho avy hamely anao indray ny mpanjakan'i Siria rahefa miherina ny taona.

23 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Siria taminy: Andriamanitry ny tendrombohitra, ny Andriamanitr'Israely; ka izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange hiadiantsika an-tany lemaka izy, raha tsy ho resintsika mihitsy e!

24 Izao no ataovy: Samy esory amin'ny toerany avy ny mpanjaka, ka manamboninahitra no apetraho hisolo azy. 25 Ary manangana tafika sahala amin'ilay teo, misy soavaly toraky ny teo, ary kalesy toraky ny teo koa. Amin'izay dia hiadiantsika eny an-tany lemaka ireny, ka tsy maintsy resintsika mihitsy. Narahiny ny torohevitr'izy ireo, ka dia nanao araka izany tokoa izy. 26 Nony niherina ny taona, nampanao matso ny Siriana indray Benadada dia niakatra nankany Afeka, hiady amin'Israely. 27 Fa nampanaovina matso koa ny zanak'Israely, dia nandray vatsy izy ka hihaona amin'ny Siriana. Nitoby tandrify azy ny zanak'Israely, ka sahala amin'ny andian'osy roa toko kely izy ireo, fa ireto Siriana nanenika ny tany. 28 Ary nisy olon'Andriamanitra anankiray nanatona ka nilaza tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny Siriana, nanao hoe: Andriamanitry ny tendrombohitra Iaveh, fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tànanao avokoa ireo vahoaka be ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. 29 Hafitoana izy ireo nitoby nifanatrika teo ihany. Fa nony tamin'ny andro fahafito rafitra ny ady, dia nahafatesan'ny zanak'Israely miaramila an-tongotra iray hetsy ny Siriana tamin'ny indray andro.

30 Ny sisa indray nandositra tao Afeka, tao an-tanana, ary nianjeran'ny manda ny lehilahy fito arivo sy iray alina sisa. Efa nandositra Benadada ka dia nandehandeha tao an-tanana nifindrafindra efi-trano, 31 ka hoy ny mpanompony taminy: Indro fa efa renay fa mpanjaka antra olona ny mpanjakan'ny tranon'Israely, ka aoka hosikinanay lasaka ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hivoaka ho any amin'ny mpanjakan'Israely izahay, sao mba mitsitsy ny ainao izy. 32 Dia nosikinany lasaka ny valahany, nasiany mahazaka ny lohany, ary nankany amin'ny mpanjakan'Israely izy, nanao hoe: Izao no lazain'i Benadada, mpanomponao: Aoka mba ho sitrakao ny hitsitsy ny aiko! Ka hoy ny navalin'i Akaba: Mbola velona va izy? Rahalahiko izy. 33 Noraisin'ireo olona ireo ho fambara tsara izany teny izany, ka novonjeny nosamborina faingana izany teny izany nataony hoe: Rahalahinao Benadada. Dia hoy Akaba: Mandehana alao izy. Nony tonga teo aminy Benadada, dia nasainy niakatra ho amin'ny kalesiny. 34 Ary hoy Benadada taminy: Hampodiko aminao ny tanàna nalain'ikaky tamin-drainao, ary hanao làlana ho anao any Damasa hianao tahaka ny nataon'ikaky tany Samaria. Ka hoy Akaba: Ary izaho kosa handefa anao rahefa manao fanekem-pihavanana amiko hianao. Dia nanao fanekena taminy izy, ka nalefany handeha. 35 Ary ny anankiray amin'ny zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany, ao amin'ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: Masina hianao, vonoy aho! Tsy nety namono azy anefa ilay lehilahy.

36 Ka hoy izy taminy: Noho hianao tsy nihaino ny feon'ny Tompo, dia indro hovonoin'ny liona hianao, raha vao miala eto amiko. Dia niala teo aminy ilay lehilahy dia nifanehatra tamin'ny liona, ka novonoiny. 37 Dia nahita lehilahy hafa indray izy, ka nanao taminy hoe: Masina hianao, vonony aho! Ary nasian-dralehilahy izay izy, ka naratrany. 38 Nandeha tamin'izay ity mpaminany, dia nipetraka teny amin'ny làlana halehan'ny mpanjaka, ary niova endrika izy fa nasiany bandy teo ambony masony. 39 Nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina tamin'ny mpanjaka izy nanao hoe: Nivoaka teo afovoan'ny ady ny mpanomponao ary indro fa nisy lehilahy anankiray nitsoaka, nitondra olona anankiray teo amiko, nataony hoe: Hazony ralehilahy ity, fa raha lasa io, ny ainao no manefa, na handoa talenta volafotsy iray hianao.

40 Kanjo ny mpanomponao mbola variana tatsy sy taroa, ilay olona lasa! Dia hoy ny mpanjakan'Israely taminy: Izany no hitsarana anao, hianao ihany no namoaka ny teny fitsarana. 41 Niaraka tamin'izay kosa nesorin'ity mpaminany ny bandy teo ambony masony, ka fantatry ny mpanjakan'Israely fa isan'ny mpaminany izy. 42 Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'ny Tompo: Noho hianao nandefa teo am-pelatànanao ny olona nasaiko natao anatema, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny vahoakanao no hisolo ny vahoakany. 43 Nanjombona sady sosotra ny mpanjakan'Israely no nandeha nody, dia tonga tany Samaria.

Toko faha-21

1 Taorian'izany zavatra izany, tao Jezrahela kosa, dia nanana tanim-boaloboka anankiray Nabota avy ao Jezrahela, ary teo akaikin'ny lapan'i Akaba mpanjakan'i Samaria izany.

2 Ka niteny tamin'i Nabota Akaba nanao hoe: Avelao mba ho ahy ny tanim-boalobokao, hataoko fambolena anana, fa akaiky dia akaiky ny tranoko; tanim-boaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao. 3 Fa hoy Nabota namaly an'i Akaba: Hampanalavirin'ny Tompo ahy anie ny hanome ny lova avy amin'ny razako! 4 Nody tany an-tranony Akaba, nanjombona sy sosotra noho ity teny nolazain'i Nabota avy any Jezrahela taminy hoe: Tsy omeko ny lova avy amin'ny razako. Dia nandry tao am-parafarany izy, nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina. 5 Fa nankeo aminy kosa Jezabela vadiny, ka nanao taminy hoe: Nahoana no manjombona ny fanahinao ary tsy homan-kanina hianao

6 Ary hoy ny navaliny azy: Niteny tamin'i Nabota avy any Jezrahela aho, nanao taminy hoe: Avelao hovidiko vola ny tanim-boalobokao, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha aleonao izany. Fa hoy izy hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko. 7 Dia hoy Jezabela vadiny taminy: Moa hianao va no tompon'ny fanjakana amin'Israely ankehitriny? Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao, fa tenako no hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota avy ao Jezrahela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0857