Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-21
8 Dia nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Akaba izy, nasiany tombo-kasen'ny mpanjaka, nalefany ho any amin'ny loholona sy ny andriam-baventy ao an-tanàna miara-monina amin'i Nabota. 9 Ary izao no nosoratany ao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina ka apetraho eo alohan'ny vahoaka Nabota; 10 ary manangana olon'i Beliala roa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty. 11 Nanao araka izay nanirahan'i Jezabela holazaina aminy araka izay voasoratra amin'ny taratasy nampitondrainy azy, ny olona tao an-tanànan'i Nabota, ny loholona sy andriambaventy nonina tao an-tanànany.12 Niantso andro fifadian-kanina izy, napetrany teo alohan'ny vahoaka Nabota, 13 ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak'i Beliala. Ary niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny vahoaka ireo olon'i Beliala nanao hoe: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota! Dia nentin'izy ireo nankany ivelan'ny tanàna izy, notoraham-bato ka maty. 14 Dia naniraka tany amin'i Jezabela izy ireo, nilaza hoe: Notoraham-bato Nabota ka maty. 15 Nony ren'i Jezabela fa notoraham-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Akaba: Mitsangana ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota avy any Jezrahela izay nolaviny tsy hamidy vola taminao, fa efa tsy velona intsony Nabota, fa efa maty izy. 16 Rahefa ren'i Akaba fa hoe maty Nabota, dia niainga izy, nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota avy ao Jezrahela haka izany ho azy. 17 Fa tonga tamin'i Elia Tesbita kosa ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
18 Mitsangàna hianao, ka midìna hihaona amin'i Akaba mpanjakan'Israely, manjaka ao Samaria. Ao an-tanim-boalobok'i Nabota ao izy izao, fa midìna nankany haka izany ho azy. 19 Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Moa tsy namono va hianao sy naka lovan'olona koa? Dia hiteny aminy hianao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Eo amin'ny toerana nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota ihany no hilelafan'ny alika ny ran'ny tenanao koa. 20 Ary hoy Akaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ka hoy ny navaliny: Azoko hianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo hianao. 21 Indro aho hahatonga loza aminao: hataoko mafafa hianao, haringako ny lehilahy rehetra an'i Akaba na ny andevo, na ny olona afaka, amin'Israely, 22 ka dia hampanahafiko ny tranon'i Jeroboama zanak'i Nabata sy ny tranon'i Ahiasa, ny tranonao, satria nihaika ahy hitezitra hianao, sady nampanota an'Israely. 23 Jezabela koa, nasian'ny Tompo teny hoe: Hohanin'ny alika eny akaikin'ny hadin'i Jezrahela Jezabela. 24 Izay an'ny tranon'i Akaba ka maty an-tanàna dia hohanin'ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin'ny voromanidina. 25 Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an'i Akaba hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo, satria Jezabela vadiny no namporisika azy.
26 Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin'ny nandehanany amin'ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon'ny Amoreana, izay noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 27 Kanjo nony nandre ny tenin'i Elia Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasaka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasaka, ary nitsilasilasy fandeha izy.
28 Ka dia tonga tamin'i Elia Tesbita ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 29 Efa hitanao va ny nanetren'i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin'ny androny kosa aho fa amin'ny andron-janany vao hahatonga loza amin'ny tranony aho.
Toko faha-22
1 Nandry fahizay ny tany nandritra ny telo taona, fa tsy niady i Siria sy Israely.2 Nony tamin'ny taona fahatelo, nidina nankany amin'ny mpanjakan'Israely, Josafata mpanjakan'i Jodà. 3 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'ny mpanompony: Fantatrareo va fa antsika Ramota any Galaada no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan'ny mpanjakan'i Siria? 4 Dia hoy izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hamely an'i Ramota any Galaada va hianao? Ka hoy ny navalin'i Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely: Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin'ny oloko ny hihatra amin'ny olonao, ary hihatra amin'ny soavaliko ny hihatra amin'ny soavalinao. 5 Ary tamin'izay Josafata niteny tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: Miangavy anao aho, mba hanontany ny tenin'ny Tompo ankehitriny. 6 Dia novorin'ny mpanjakan'Israely ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy, ka hoy izy tamin'izy ireo: Handeha hamely an'i Ramota any Galaada va aho, sa tokony hijanona? Ka hoy ny navalin'ireo: Mandehana, fa atolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 7 Nefa hoy Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'ny Tompo intsony va eto, azontsika anontaniana koa? 8 Dia hoy ny mpanjakan'Israely namaly an'i Josafata: Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin'ny Tompo, dia Mikea, zanak'i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany. Ka hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. 9 Izay ny mpanjakan'Israely vao niantso eonoka anankiray, nilazany hoe: Asaovy mankatý miaraka amin'izay Mikea zanak'i Jemlà. 10 Tamin'izany ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà, samy efa tafapetraka eo amin'ny seza fiandrianany, sy samy efa niakanjo ny akanjony avy, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, samy naminany teo anatrehan'izy ireo.
11 Sedesisa zanak'i Kanaana nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Siriana, mandra-paharingany. 12 Ny mpaminany rehetra koa naminany torak'izany, ka nanao hoe; Miakara any Ramota any Galaada, ka maharese, satria hatolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 13 Ary ilay iraka lasa niantso an'i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an'ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin'ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mba milazà soa.
14 Fa hoy ny navalin'i Mikea: Velona Iaveh! dia izay holazain'ny Tompo amiko ihany no hambarako koa. 15 Nony tonga teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Handeha hanafika an'i Ramota any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa? Ary hoy ny navaliny azy: Mandehana, maharese, fa hatolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany! 16 Fa hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin'ny anaran'ny Tompo, afa-tsy ny marina ihany? 17 Dia hoy ny navalin'i Mikea: Indreny Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa amantsara any an-tranony avy. 18 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va? Tsy mba maminany soa ho ahy io, fa ny loza ihany. 19 Dia hoy Mikea: Henoy ary ny tenin'ny Tompo: Efa hitako Iaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo an-kavanany sy teo an-kaviany.
20 Ary hoy Iaveh: Iza no hanambaka an'i Akaba mba hiakarany any Ramota any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao. 21 Tamin'izay dia tonga ny fanahy, nitoetra teo anatrehan'ny Tompo ka nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Fa hoy Iaveh taminy: Hataonao ahoana? 22 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan'ny mpaminany rehetra. Dia hoy Iaveh: hanambaka azy hianao, sady hahomby amin'izany, ka mivoaha ary, ataovy izany. 23 Koa indro, Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan'ireo mpaminaninao rehetra eo ireo. Ary Iaveh efa nanonona loza hanjo anao. 24 Fa nanatona kosa Sedesiasa zanak'i Kanaana, ka namely ny takolak'i Mikea ary nanao hoe: Fa taiza leity no nivoahan'ny fanahin'ny Tompo tamiko, hiteny amin'ialahy a?
25 Ary hoy ny navalin'i Mikea: Ho hitanao izany, amin'ilay andro handehandehananao isan'efi-trano hierenao. 26 Dia hoy ny mpanjakan'Israely: Raiso Mikea ka ento any amin'i Amona governoran'ny tanàna sy amin'i Joasa zanaky ny mpanjaka, 27 lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa amantsara. 28 Fa hoy kosa Mikea: Tsy niteny tamin'ny alalako Iaveh matoa tafaverina soa amantsara hianao. Sady nampiany hoe: Samia mihaino izany hianareo vahoaka rehetra.
