Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-22
29 Dia niakatra nankany Ramota any Galaada ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà.30 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Hanao fitafiana hafa aho no handroso any amin'ny ady, fa hianao kosa ny akanjonao ihany entina. Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan'Israely, ka nandroso tany amin'ny ady. 31 Ary nisy didy nomen'ny mpanjakan'i Siria an'ireo roa amby telopolo lahy, lehiben'ny an-kalesiny nataony hoe: Aza mamely na ny kely na ny lehibe fa ny mpanjakan'Israely ihany. 32 Nony nahatazana an'i Josafata ny lehiben'ny kalesy, dia nanao hoe: Iny tokoa ny mpanjakan'Israely; sady nitodika nanatrika azy izy hamely azy. Niantso mafy Josafata. 33 Ka nony hitan'ny lehiben'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Israely io, dia nivily niala taminy. 34 Tamin'izay nisy kosa lehilahy anankiray, nandefa kitoatoa ny zana-tsipìkany, ka nahavoa ny mpanjakan'Israely, teo anelanelan'ny fikatonan'ny akajom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpampandeha kalesiny: Ahodino ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa. 35 Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; notohanana ihany ny mpanjaka, hitsangana teo ambony kalesiny, tandrifin'ny Siriana, ary maty izy nony hariva; ny ra tamin'ny ratrany, niraraka tao anaty kalesy. 36 Nony efa ho faty ny masoandro, niely eran'ny toby izao antsoantso izao: Samia mody any an-tanànany avy, samia mody any amin'ny taniny avy! 37 Toy izany no nahafatesan'ny mpanjaka. Nentina ho any Samaria izy, dia nalevina tany Samaria ny mpanjaka.
38 Nony nosasana tao am-parihin'i Samaria ny kalesy dia nolelafin'ny alika ny ran'i Akaba, ary nandro teo ny vehivavy janga araka ny teny voalazan'ny Tompo. 39 Ny sisa tamin'ny asan'i Akaba, mbamin'izay rehetra nataony, ny trano ivoara naoriny, ny tanàna rehetra naoriny, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?
40 Nodimandry any amin'ny razany Akaba, ary Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy. 41 Tamin'ny taona fahefatr'i Akaba mpanjakan'Israely no nahatongavan'i Josafata zanak'i Asà ho mpanjakan'i Jodà.
42 Dimy amby telopolo taona Josafata, fony tonga mpanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Azoba, zanak'i Salaia. 43 Nandeha tamin'ny làlana rehetra nalehan'i Asà rainy izy, sady tsy nivily tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo. 44 Saingy ny fitoerana avo tsy rava, ny vahoaka mbola nanohy ny fanateran-tsorona aman-java-manitra eny amin'ny fitoerana avo. 45 Ary Josafata nihavana amin'ny mpanjakan'Israely. 46 Ny sisa tamin'ny asan'i Josafata, ny herim-po nasehony, ny ady nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?
47 Nofongorany hiala amin'ny tany ny mpijangajanga sisa izay nijanona teo, tamin'ny andron'i Asà rainy.
48 Tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizany, fa governora no solo-mpanjaka. 49 Nanao sambon'i Tarsisa folo Josafata mba hankany Ofira haka volamena, nefa tsy nankany izy, fa fefika tao Asiongabera ny sambo. 50 Dia hoy Okoziasa zanak'i Akaba tamin'i Josafata: Avelao ny mpanompoko hiaraka amin'ny mpanomponao eny an-tsambo. Nefa tsy nety Josafata. 51 Ary nodimandry any amin'ny razany Josafata, ka nalevina ao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida rainy, dia Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
52 Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folon'i Josafata mpanjakan'i Jodà no vao tonga mpanjakan'Israely tany Samaria Okoziasa zanak'i Akaba, ary roa taona no nanjakany tamin'Israely.
53 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, dia nandeha tamin'ny làlan-dreniny ary tamin'ny làlan'i Jeroboama zanak'i Nabata, izay nampanota an'Israely. 54 Nanompo an'i Baala izy, ary niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'ny Tompo Andriamanitr'Israely tahaka izay rehetra nataon-drainy ihany.
Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko voalohany
1 Nony maty Akaba dia niodina tamin'Israely Moaba.2 Ary Okoziasa potraka avy eny am-baravaran-kely makarakara, teo amin'ny efitranony ambony, any Samaria, ka narary. Nandefa iraka izy, ary nanao taminy hoe: Mandehana hianareo manontany amin'i Beela-Zeboba andriamanitr'i Akarona raha ho sitrana amin'ity aretiko ity aho.
3 Fa hoy kosa ny anjelin'ny Tompo tamin'i Elia Tesbita: Mitsangàna hianao, ka miakara hitsena ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, dia izao no lazao amin'izy ireo: Moa ny tsy fisian'Andriamanitra any amin'Israely va no andehananareo hanontany amin'i Beela-Zeboba andriamanitr'i Akarona? 4 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo: Tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao hianao fa ho faty tokoa. Dia lasa Elia. 5 Niverina ho any amin'ny mpanjaka ireto irany, ka hoy izy tamin'izy ireo: Fa nahoana no miverina hianareo? 6 Ary hoy ny navalin'ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay, nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Moa ny tsy fisian'Andriamanitra ao amin'Israely va no anirahanao hanontany amin'i Beela-Zeboba andriamanitr'i Akarona? Noho izany, tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao hianao, fa ho faty mihitsy. 7 Dia hoy Okoziasa tamin'izy ireo: Manao ahoana no endriky ny lehilahy izay niakatra nitsena anareo izay, sy nilaza izany teny izany taminareo? 8 Ka hoy izy ireo: Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy Okoziasa: Elia Tesbita izay. 9 Niaraka tamin'izay, nirahiny ho any aminy ny mpifehy dimampolo anankiray mbamin'ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy io, nankeo amin'i Elia ka indro izy nipetraka teo an-tampon-tendrombohitra, ary hoy izy taminy hoe: Ry olon'Andriamanitra ô! midina hianao, hoy ny mpanjaka.
10 Fa izao no navalin'i Elia an'ity mpifehy dimampolo: Raha olon'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao. Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afo nandoro azy io sy ny dimampolo fehiny. 11 Naniraka mpifehy dimampolo hafa indray anefa ny mpanjaka, nomban'ny dimampolo fehiny. Ka dia niteny io mpifehy io, nanao tamin'i Elia hoe: Ry olon'Andriamanitra ô, midìna faingana hianao, hoy ny mpanjaka. 12 Fa hoy ny navalin'i Elia tamin'izy ireo: Raha olon'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao. Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon'Andriamanitra, ka nandoro an'io sy ny dimampolo fehiny. 13 Mbola naniraka mpifehy dimampolo fanintelony indray Okoziasa nomban'ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy dimampolo fahatelo io, ka rahefa tonga dia nandohalika teo anatrehan'i Elia, ary niteny taminy tamim-pitarainana hoe: Ry olon'Andriamantira ô, mihanta aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto dimampolo lahy mpanomponao. 14 Indro fa efa nilatsaka ny afo avy any an-danitra sy nandoro azy roa lahy mpifehy dimampolo talohako, mbamin'ny dimampolo fehiny, fa ankehitriny kosa, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko. 15 Dia hoy ilay anjelin'ny Tompo tamin'i Elia: Miaraha midina amin'io, ary aza matahotra eo anatrehany. Koa niainga izy, ka niara-nidina taminy ho any amin'ny mpanjaka,
16 ary nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Noho hianao nandefa iraka hanontany amin'i Beela-Zeboba, andriamanitr'i Akarona: Moa tsy misy Andriamanitra any amin'Israely izay azo anontaniana ny teniny? - koa noho izany, dia tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao hianao, fa ho faty mihitsy. 17 Dia maty Okoziasa araka ny tenin'ny Tompo izay nolazain'i Elia, ka Jorama no tonga mpanjaka nandimby azy, tamin'ny taona faharoan'i Jorama, mpanjakan'i Jodà, zanak'i Josafata, fa tsy nanana zanaka izy.
18 Ny sisa tamin'ny asan'i Okoziasa mbamin'izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?
Toko faha-2
1 Nony nampakarin'ny Tompo ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy any Galgala Elia sy Elisea.2 Ary hoy Elia tamin'i Elisea: Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin'ny Tompo ho tafahatra any Betela aho. Fa hoy kosa ny navalin'i Elisea: Velona Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao mihitsy aho! Dia nidina nankany Betela izy ireo. 3 Ary nivoaka nankeo amin'i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa halain'ny Tompo anio ny tomponao, avy eo ambonin'ny lohanao? Dia hoy ny navaliny: Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina hianareo. 4 Ary hoy Elia taminy: Ry Elisea ô! mijanona eto, raha sitrakao, fa irahin'ny Tompo ho any Jerikao aho. Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh, ary velona ny ainao, tsy handao anao aho! Dia tonga tany Jerikao izy ireo. 5 Ary nanatona an'i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Jerikao, ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa halain'ny Tompo anio ny tomponao, avy eo ambonin'ny lohanao? Dia hoy ny navaliny: Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina hianareo. 6 Ary hoy Elia taminy: Mijanona eto raha sitrakao, fa irahin'ny Tompo ho any Jordany aho. Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao aho! Koa niara-nandeha izy roa lahy.
